Ny kristianisma — toerana ihaonan’ny zavatra roa mifanohitra
Voalanjalanja tsara tokoa ny fanompoana marina an’Andriamanitra. Izany fanompoana izany va no ataonao?
Fararano tamin’izay, taona 1961. Feno hotakotaka ny tanàna iray tao amin’ilay zanam-panjakana anglisy iray any Afrika ilany andrefana. Natahotra ny fikomiana hitranga ny Anglisy ka novonjeny natao fahirano ilay tanàna ary miaramila amin’ arivony no nampiasainy tamin’izany fananontanon’itony fiovam-pitondrana ankehitriny itony, tamin’izay. Nodidiana hivoaka ny fotsy hoditra rehetra, indrindra ny zaza amam-behivavy. Tao anatin’izany anefa, nisy misionera mivady tsy niraika mba hiolomay handositra araka ny didy, ka tsy nahafaly mihitsy ireo mpitondra fanjakana. Kanjo, nitony ihany ny tabataba ary nilamina tsy nisy ra latsaka ny fiovam-pitondrana.
Nahoana ary no natoky ireo misionera ireo, fa tsy misy hampaninona azy akory ny mijanona? Satria ny asam-pitoriana nataony tamin’ny fo feno fitiavana teo aloha, dia nanefy ny Afrikana ho sakaizany. Noraisiny toy ny iray tam-po taminy mihitsy mantsy ireo Afrikana, ary ireo koa dia nahita rahalahy teo aminy, na dia samy hafa aza ny volon-kodiny. Tsy ilaina ho lazaina akory fa nisy dikany makadiry tamin’ny tompon-tany ny tsy fetezan’izy mivady nandositra, ary nandamina zava-dehibe. Toa karazan’ny kisendrasendra ihany angaha izany, hoy hianao; kanefa mampiseho ny tena endriky ny kristianisma izay tsy hamela intsony hahitana taratra ny fanavaham-bolo-koditra ary ifaneraseran’ny Fotsy sy ny Mainty, izay heverin’ny sasany ho tsy mahay miaraka.
Raha ny marina, ny fiarahan’ny mifanohitra eo amin’ny kristianisma, dia miseho mandrakariva eo amin’ny lafin’ny fifandraisan’ny olombelona eo amin’ny fiainany. Ohatra, ny tsi-fitoviana eo amin’ny lafin’ny fianarana, dia miravina ho azy eo. Izany no nahita olona toa an-dry Paoly apostoly, Fariseo ambony fahalalana izay afaka niara-niasa tamin’ny “olon-tsotra tsy mba nandia fianarana” tahaka an-dry Petera sy Jaona. Toy izany koa, na dia ankehitriny aza, ao amin’ny fikambanan’ny kristiana vita voady; misy mpampianatra kalaza lahy mifanindran-toerana tsotra izao amin’ny kristiana sasany izay tsy nahita afa-tsy laniny kely foana amin’ny famakian-teny sy ny fianarana raha vao niandoha nifampikasoka tamin’ny fikambanan’izao tontolo izao vaovao, na ny fikambanan’ny vavolombelon’i Jehovah izany. Ny mahay moa tsy manao tsinontsinona ny tsy ampy fahaizana ary ireny koa tsy hanimbazimba ny ambony fianarana amin’ny teny tsy voahevitra. — Asan’ny Apostoly 4:13, MN; Ohabolana 14:17; Asan’ny Apostoly 17:34; 22:3.
Ao amin’ny tena kristianisma no ifandraisan’ireo nilaza ho tia tanindrazana, nosarahin’ny fifandrafesana nandritra ny fotoana ela tahaka ny Irlandey any Eire sy ny Irlandey any Ulster. Amin’ny tena kristiana no hahitanao ny hoe: ‘’tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy na vavy”. Mbola izany ihany no fitsipika arahina momba ny fizarazarana ateraky ny harena sy ny fahantrana. Ny kristiana tena izy, dia hankatò ny anatra omen’i Jakoba apostoly ny amin’izany: “Aoka ny rahalahy izay ambany hanao ny fisandratany ho reharehany; fa ny manan-karena kosa ny fietreny”, ary izany ihany no hampisy ny fitoviana. — Galatiana 3:28; Jakoba 1:9, 10, MN.
Mbola ao amin’ny tena kristianisma ihany no hahafoana ny fitsitokotokoana noho ny taona ela niainana sy ny fanaovana kely tsy mba mamindro; hitovy torosy daholo toy ny ankohonana iray izy rehetra,tsy misy hafa amin’ny Zanak’Isiraely taloha izay nankatò ny didin’Andriamanitra hoe: “Vorio ny vahoaka rehetra, na lehilahy, na vehivavy, na ankizy madinika, (...) hihainoany sy hianarany.” Hanaja ny fahalehibiazana anefa ny maintso volo ary tsy hanao tsinontsinona ny toro-mariky ny zoki-olona; ny antitra kosa tsy hamingavinga ny hafanam-po tanora. Hoy ny Vavolombelona sasany any Brésil momba izany: “Tsy mba misy antitra eto aminay; vitsivitsy aminay ihany no efa tanora taloha kelin’ny sasany!” — Deoteronomia 31:12.
TAFARAKA EO NY FAHAMBONIAN-TOETRA ROA HEVERINA HO MIFANIPAKA
Ankoatry ny fifandrindran’ny olona roa samy manana ny maha-izy azy, dia hita ao amin’ny kristianisma marina koa ny fisehoan’ny toe-tsaina ambony roa noheverina ho mifanipaka, kanefa hita ao amin’ny olona iray. Ahoana no hietezan’izany, hoy hianao? Ohatra tsotra no omena amin’izany: amin’ny ankapoben’ny fiainana, dia tsy hahitana olona mahery fo, sahy, tsy manan-tahotra kanefa mety ho be fitiavana, bonaika, be fanetren-tena sady malemy fanahy. Ny fahambonian-toetra mifanipaka hoatr’izany dia ho hita ao amin’ny olona iray ihany eo amin’ny kristianisma marina.
Tsy hitady olon-kafa isika fa manana modely tonga lafatra ny amin’izany, dia Jesosy Kristy. Sahy, tsy kanosa, mahery fo, kanefa tsy mataho-miteny raha ilaina izany, teo amin’ny vahoaka nanaraka azy na tamin’ireo fahavalony. Saina matotra no nitenenany hoe: “Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo imasonao, ary amin’izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao.” “Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! (...) Ry bibilava, taranaky ny menarana, hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin’ny gehena?” Tamin’ny fotoana roa samihafa no nandroahany izay rehetra nivarotra sy nividy tao anatin’ny tempoly, mbamin’ny ondriny sy ny ombiny, ary nararany ny volan’ny mpanakalo vola, sady nazerany ny latabatra. Matio 7:5; 23:29-33; 21:12; Jaona 2:15, MN.
Amin’ny maha-izy azy anefa Jesosy, dia tsara fanahy, malemy paika sady mangora-po olona. Hoy ny Baiboly ny amin’izany: “Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy, dia nahonena azy ny fijeriny ireo satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.” Ny olona toy izany no nantsoiny hoe: “Mankanesa aty amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo. Fa mora ny ziogako ary maivana ny entako.” Matio 9:36; 11:28-30. MN.
Hita taratra teo amin’ny apostoly Paoly koa izany toe-piainana izany amin’ny maha-mpanahaka an’i Jesosy Kristy azy. Asehon’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly sy ny epistily maro nosoratany fa olona matanja- tsaina sady tsy mataho-maty izy; nitolona tamim-pahasahiana ho an’ny fahamarinana izy ary tsy nihambahamba nanambara izany, na iza tsy ho faly na iza eo amin’izay nihaino azy, na apostoly namany aza, na kristiana hafa, na ny vahoaka mpanohitra, na governora, na mpanjaka. — Asan’ny Apostoly 13:9-11; 14:19; 15:39; 17:23-32; 21:30-40; 24:10; 25:8-11; Galatiana 2:11-14.
Mbola nanoratra ny amin’ny tenany toy izao koa Paoly: “Fa nalemy fanahy teo aminareo izahay, tahaka ny reny mitaiza ny zanany naterany, dia toy izany no nahazoto anay, noho ny fitiavanay anareo indrindra, hanome anareo, tsy ny filazan-tsaran’Andriamanitra ihany fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay hianareo.” Ary koa: “Toy ny fantatrareo fa tahaka ny ray amin’ny zanaka no namporisihanay sy nampiononanay anareo isam-batana sy nananaranay mafy anareo.” Eny, teo amin’ny apostoly Paoly, tahaka an’i Jesosy Kristy no nahitana ny herim-pon’ny mpianany tsy matahotra hisedra fahafatesana sy ny hamoram-panahin’ny mpiandry ondry tsara, mifanipaka kanefa tafaraka eo amin’ny olona tokana: ny fahasahiana sy ny fahatezerana marina eo an-kilany ary ny fitiavana sy ny halemem-panahy eo an-daniny. — I Tesaloniana 2:7, 8, 11, MN.
Raha izany ary no izy, dia aoka tsy ho gaga isika raha amporisihina hanana izany fahambonian-toetra roa, toa mifanohitra izany. Hoy ny Baiboly: “Miambena hianareo, mahareta amin’ny finoana, aoka hitomban-dahy, mahereza.” “Farany, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherezany.” “Miaraha miaritra ny mafy amiko hianao tahaka ny miaramila tsaran’i Kristy Jesosy.” — I Korintiana 16:13; Efesiana 6:10; II Timoty 2:3, MN.
Mbola hitantsika koa ny hoe: “Aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy hianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy.’’ “Koa raha misy famporisihana ao amin’i Kristy raha misy fampiononana avy amin’ny fitiavana, raha misy firaisana amin’ny fanahy, raha misy famindram-po sy fiantrana, dia tanteraho ny fifaliako: mba hiraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra.” — Efesiana 4:32; Filipiana 2:1, 2, MN.
HAFATRA MITERAKA VOKATRA MIFANOHITRA
Mbola azontsika lazaina ho isan’ny ohatra ahitana ny zavatra roa mifanohitra, kanefa mifanojo koa ny fitorian’ny kristianisma ny filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny didy ara-paminaniana notononin’i Jesosy raha vao nody tao Nazareta, tany nahaterahany izy, dia misy iraka roa tena mifanipaka: “Jehovah efa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra. Efa naniraka ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin’ny babo, sy hamoaka ny ao an-tranomaizina ho amin’ny mazava; hitory taona ankasitrahan’i Jehovah, sy andro famalian’Andriamanitsika; hampionona ny malahelo rehetra.” Tamin’ny fahatongavany teto an-tany, Jesosy dia nanatanteraka izany asa roa sosona izany; ary amin’izao andro izao koa, izay tena mpianany dia hanao ny asa nataony: mitory ny vaovao tsara momba ny hiverenan’ny paradisa eto an-tany indray, sady manao antso avo ho fampandrenesana ny amin’ilay adin’ny andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha izay atao hoe: Haramagedona. — Isaia 61:1, 2, AC; Apokalypsy 16:14, 16; 21:4.
Henoy kely ange ny teny feno hery ilazan’ny mpaminany Mika izany ao amin’ny toko faha-5:6, 7 (AC) itarihany ny sain-tsika hahalala fa tanteraka amin’izao fotoana misy antsika izao ny hafatra roa sosona nambarany: “Ary izay sisa ao amin’i Jakoba ao amin’ny firenena maro, dia ho tahaka ny ando avy amin’i Jehovah sy tahaka ny ranonorana eny amin’ny ahitra, izay tsy miandry zavatra akory amin’ny olombelona sady tsy manantena inona amin’izay zanany! Ho eo amin’ny jentilisa izay sisa amin’i Jakoba, ao amin’ ny firenena maro, toy ny liona amin’ny biby any an’ala sy ho toy ny liona tanora ao amin’ny andian’ondry aman’osy; raha mandalo izy, dia manitsakitsaka sy mamiravira, ary tsy misy mahavonjy.”
Ho sarotra tokoa ny hahita teny tsara noho izany, amoahana ny fifanoherana henjana. Inona ary no heverinao ho mahafinaritra sy mampangatsiatsiaka toy ny andon’ny maraina sy ny ranonorana mahasoa, indrindra moa any Palestina izay toerana nanoratana ireo teny ireo? Ary inona no azo ampisehoana amin’ny sary, ny fandripahana: toy ny liona tanora eo afovoan’ny andian’ondry morabe? Ny tena kristiana dia toy izany! Ho an’ny olona tsara fikasa, na hoe be zotom-po eo amin’ Andriamanitra, dia mizara hafatra mampangatsiatsiaka sy mampionona izy. Fa ho an’izay mitsangan-ko fahavalon’ny fahamarinana kosa, dia fandringanana no ambaran’ny hafatra vimbininy, amin’ny fandrodanana ireo fampianaran-diso amin’ny “sabatry ny fanahy” na ny Tenin’Andriamanitra eny an-tanany. — Efesiana 6:17.
Nahoana ary izany vokatra roa mifanohitra izany no mifanojo eo amin’ny faritry ny kristianisma? Satria ny fivavahana amin’ny Andriamanitra tokana sady marina, izay Jehovah no anarany, dia tsy mizaha tavan’olona sady manana fahambonian-toetra maro mifandanja tsara. Noho ny heriny sy ny fahamarinany, dia “afo mandevona” ny ratsy fanahy Izy, kanefa kosa ho an’ny sakaizan’ny fahamarinana dia miseho amin’ny endrika, araka ny nanoratan’i Jeremia azy ao amin’ny Fitomaniana 3:22, 23 Izy: “Ny famindrampon’i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika; fa tsy mitsahatra ny fiantranao; vaovao isa-maraina izany.” — Hebreo 12:29, MN.
Koa manafatrafatra ny tenany amin’ny sakaizan’ny fahamarinana sy ny rariny ny kristianisma marina, araka ny maha-izy azy marina tokoa. Fa raha manana “ny fahendrena avy any ambony” ny kristiana, dia ho “madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, feno famindram-po sy voka-tsoa maro, tsy miangatra na mihatsaravelatsihy”. — Jakoba 3:17, MN.