Ny fisaronan-doha sy ny asa ao anatin’ny fikambanana
1, 2. Ahoana no mety hampitomboan’ny saron-doha ny hatsaran-tarehin’ny vehivavy kristiana ary inona no zavatra mikasika ny ilàna ny fisaronan-doha izay hodinihintsika izao?
NY saron-doha manendrika dia mety hampitombo ny hatsaran-tarehy vita nanahary sy ny hakanton’ny vehivavy. Rehefa misaron-doha ho mariky ny fanekeny ny vehivavy, dia mampitombo ny hatsarany ara-panahy izay ambony noho ny hasoany ara-bika aman-tarehy. Marina fa tsy tokony hanao “karazan-javatra” hafahafa manintona loatra ny maso izy, kanefa tsy misy misakana azy hanao saron-doha manendrika kanefa mitory fahamaotinana.
2 Tao amin’ny fizarana talohan’ity (fehezan-tsoratra faha-3), dia nampahatsiarovina ireo toe-javatra telo ilàna ny fisaronan-doha ho mariky ny fanekena kristiana. Koa satria efa nodinihintsika tsara ny momba ny toe-javatra voalohany, dia hojerentsika kosa izao ny amin’ireo roa sisa. Mikasika ny asan’ny vehivavy ao anatin’ny fikambanana izany.
3. a) Tokony hisaron-doha ve ny anabavy rehefa mandeha mitory trano miaraka amin’ny rahalahy ary nahoana? b) Inona anefa no tokony hatao ao an-tsaina?
3 Andeha aloha hodinihintsika ny fitoriana ataon’ny vavolombelon’i Jehovah amin’ny fitetezan-trano, ny famangiana in dray ireo izay mankafy ny hafatra ary amin’ny fanaovana fampianarana momba ny Baiboly any an-tokantrano. Ohatra, raha miaraka amin’ny rahalahy efa nanolo-tena isan-tokantrano ny vehivavy kristiana ka manao toriteny, moa ve tokony hisaron-doha izy? Tsia, toa tsy misy antony araka ny Baiboly ilàna fisaronan-doha amin’ny fotoana toy izany. Tsy manao afa-tsy ny fanatanterahana ny asa fanambarana ny vaovao tsara izy (Matio 24:14). Tsy maka ny toeran’ny rahalahy izy amin’izany. Ity rahalahy voalaza teo ity, izay mety ho ny mpikarakara amin’ny faritany, na ny mpikarakara ao amin’ny fikambanana eo an-toerana, dia miaraka aminy mba hanampy azy amin’ny fana tanterahana ny asa fitoriany, fa tsy hoe hampianariny. Toy izany koa raha miaraka manao famangiana fanindroany izy. Aoka ataontsika ao an-tsaina anefa fa miankina amin’ny fieritreretana izany. Mety hisy anabavy hihevitra fa adidiny ny misaron-doha amin’ny fotoana toy ireo voalaza ireo. Tsy misy tokony hanoherana ny fanaovany izany, raha mibaiko azy hanao toy izany ny fieritreretany.
4. a) Azon’ny anabavy atao ve ny mivavaka eo imason’ny rahalahy efa nanolo-tena? b) Nahoana ny anabavy manao fampianarana ny Baiboly eo anatrehan’ny rahalahy efa nanolo-tena no tokony hisaron-doha?
4 Fa amin’ny asa fampianarana ny Baiboly kosa, dia tsy tena mitovy amin’izany ny toe-javatra. Raha miaraka amin’ny anabavy manao fampianarana ny Baiboly any an-tokantrano ny rahalahy nanolo-tena, dia izy ihany no tokony hanao ny fivavahana, satria tsy tokony hivavaka eo anatrehan’ ny rahalahy nanolo-tena na oviana na oviana ny anabavy, na dia misaron-doha aza, raha tsy hoe misy antony manokana toy ny kilema tsy hahafahan’ilay rahalahy miteny angaha. Noho ilay anabavy mila fianarana anefa, dia mahazo manao ny fampianarana izy, kanefa tokony hisaron-doha. Nahoana no ilaina ny saron-doha? Satria amin’izany tsy hoe manao toriteny fotsiny toy ny rehefa mitety trano, na rehefa miverina mamangy izy. Fampianarana ny Baiboly efa voalamina mialoha no atao ary miandoha amin’ny fivavahana. Raha manao fampianarana toy izany, dia toy ny mitarika fivoriana iray atrehan’ny lehilahy efa nanolo-tena, ao amin’ny fikambanana. Raha ny tena izy dia ilay rahalahy efa nanolo-tena ihany no tokony hitarika io fivoriana io, izay ny antony dia ny mba hanaovana fampianarana voalamina (I Timoty 2:12). Noho ny antony manokana, amin’ny fotoana hiofanan’ilay anabavy ho amin’ny asa momba ny fampianarana ny Baiboly, dia mahazo mitarika ny fampianarana izy. Kanefa mba ho fanajana ilay rahalahy manatrika eo, dia tokony hisaron-doha izy.
5. a) Raha miaraka amin’ny anabavy any am-panaovana fampianarana ny Baiboly ny rahalahy mbola tsy nanolo-tena, iza no tokony hanao ny fivavahana? b) Tokony hisaron-doha ve ny anabavy ary nahoana?
5 Mety ho tafaraka amin’ny lehilahy tsy mbola vita batisa, kanefa efa mpitory ny vaovao tsara ny anabavy iray. Inona no tokony ataony amin’izany? Noho ilay mpitory mbola tsy nanolo-tena, dia mbola tsy afaka misolo toerana tsara ilay anabavy efa nanolo-tena izy, amin’ny fivavahana amin’i Jehovah; ilay anabavy ary no tokony hivavaka amin’izany fampianarana izany. Azon’ilay mpitory mbola tsy nanolo-tena atao anefa ny mitarika ny fampianarana. Kanefa tokony hisaron-doha ilay anabavy rehefa manao ny fivavahana sy manao ny fampianarana, raha izy no mitarika izany. Marina fa mbola tsy tena anisan’ny fikambanana io lehilahy io, kanefa efa ho tonga anisany izy, ary eo imason’ny any ivelany dia efa ao anatin’ny fikambanana izy, satria efa mandray anjara amin’ny fitoriana. Sady maneho ny fanoavany koa izy amin’ny fitondrantenany.
6. Inona no tokony hatao raha mampanao fianarana ny Baiboly ny rahalahy vao nanolo-tena, ny anabavy?
6 Mety ho voatery hitarika fampianarana ny Baiboly miaraka amin’ny rahalahy efa nanolo-tena ny anabavy iray. Izy angamba no nitarika io rahalahy io ho amin’ ny fahamarinana, nampianatra azy, ary nanampy azy mba hanolo-tena ho an’Andriamanitra sy hatao batisa ary handray anjara amin’ny asam-pitoriana. Raha tsy misy ny rahalahy manana fotoana, dia tokony hanohy ny fianarana ny Baiboly miaraka amin’io rahalahy vaovao io ilay anabavy, mba hamita ny fandinihana ny boky: “Aoka Andriamanitra no ho fantatra fa marina” sy ny “C’est ici la vie éternelle!”. Tokony hianatra ireo boky ireo izy, ary ilay anabavy ihany no olona afaka hanampy azy. Amin’ny toy izany, dia tokony hisaron-doha izy raha manao ny fampianarana, kanefa ny fivavahana dia tokony hataon’ilay rahalahy vao nanolo-tena.
7. a) Mahazo manampy rahalahy vaovao amin’ny asam- pitoriana ve ny anabavy? b) Inona no azon’ilay anabavy anampiana ilay rahalahy, amin’ny fanatsarana ny asam-pitoriany, na dia tsy mananatra azy aza izy?
7 Amin’ny voalohany dia mety ho voatery hanampy ilay rahalahy vaovao amin’ny asam-pitoriana ilay anabavy, kanefa tokony hiankina amin’ny fotoana ny fitaran’ izany fanampiana izany, ary na amin’ny inona na amin’ny inona, dia tokony ho malina tsara izy. Raha miaraka irery any am-pitoriana ny lehilahy sy ny vehivavy iray, dia mety hahazo faniniana avy amin’ ny olona, indrindra fa raha efa manam-bady ilay iray. Noho izany, raha azo atao dia tokony hohalavirina izany. Any amin’ ny tany sasany, dia mety ny hanafoanana tanteraka ny fanao toy izany. Tokony hiezaka hitady fomba hafa araka izay azo atao ary. Ao amin’ny ankamaroan’ny fikambanana, dia misy rahalahy hafa izay afaka hanampy ilay vao vita batisa. Raha tsy izany, dia afaka hanaraka ilay anabavy miaraka amin’ilay rahalahy angamba, ny anabavy hafa iray. Izany akory dia tsy fanendrena ara-dalana ao anatin’ ny fandaharana momba ny fiofanana. Tokony hiaraka amin’ilay rahalahy fotsiny ilay anabavy ka hamela azy hijery ny fomba fitoriny. Tsy tokony hanome toro-hevitra azy momba ny fomba fitondrana ny hafatra izy, toy izay azon’ny rahalahy hafa atao. Koa satria tsy manome anatra ilay rahalahy izy, dia tsy ilaina ny misaron-doha, kanefa mahazo manao saron-doha izy raha mibaiko azy hanao izany ny fieritreretany. Raha manontany ny heviny ilay rahalahy, dia azony atao ny manondro ny bokin’ny Fikambanana, na manazava izay fomba fanaon’ny tenany amin’ny toe-javatra toy izao sy toy izao. Fa tokony ho alaviriny kosa ny faniniana ny fomba fanambarany ny vaovao tsara. Ny fahalalana tsara izay mety sy mifanaraka amin’ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fahefana, no hanampy ilay anabavy hahazoany manampy ilay rahalahy sady manaja ny fandaharana araka an’Andriamanitra.
AO AMIN’NY FIVORIAN’NY FIKAMBANANA
8. a) Noho ny fitsipika inona no tokony hisaronan’ny vehivavy loha amin’ny fivorian’ny fikambanana sasan-tsasany? b) Inona no mety hitranga amin’ny fotoana ifanaovana alohan’ny iasana, inona no tokony hatao ary nahoana?
8 Fa ny amin’ny ilàn’ny vehivavy ny fisaronan-doha ao amin’ny fivorian’ny vavolomben’i Jehovah kosa, dia tsy misy loatra ao amin’ny ankamaroan’ny fikambanana. Araka ny efa voalaza tery aloha, dia izao no fitsipika tokony harahina: Tsy maintsy misaron-doha ny anabavy raha mivavaka na mitarika ny fivorian’ny fikambanana, noho ny tsy maha-eo ny rahalahy tokony hanao izany. Mety hitranga ny toe-javatra toy izany, ohatra amin’ny fotoana ifanaovana rehefa handeha hiasa amin’ny andavan’andro, ka vehivavy daholo no vory eo. Amin’ny fotoana toy izany, dia tokony hivavaka amin’ny anaran’ny izay vory eo, alohan’ny hanaovana ny asan’i Jehovah, noho izany dia tokony hisy olona iray hitarika ny fivoriana (Efesiana 6: 18.) Koa satria fivoriana ara-dalàna nalamin’ny fikambanana izany, dia manao asa tokony hataon’ny rahalahy, ny anabavy izay mitarika ny fotoana na mivavaka. Noho izany, dia tokony hisaron-doha izy na dia anabavy daholo aza no manatrika eo. Ny anabavy voatondro hitarika fianarana ny boky koa, dia tokony hisaron- doha rehefa manao ny fampianarana na mivavaka satria tsy misy rahalahy tonga eo mba hanao izany.
9. Ahoana no tokony iheveran’ny anabavy ny fandraisany anjara amin’ny fandaharam-potoana no amin’ny fivoriana fanomanana ho amin’ny asa sy ny sekoly fianarana mitory, ary tokony hisaron-doha ve izy raha mandray anjara amin’izany?
9 Tsy ilaina ny fisaronan-doha amin’ireo anabavy mampiseho ny tokony hatao (démonstrations) na mitantara zavatra hita tany am-pitoriana, na manao lahateny fohy fanaon’ny mpianatra ao amin’ny sekoly fianarana mitory, nalamin’ny fikambanana. Amin’izany rehetra izany, dia tsy mitari-draharaha ao amin’ny fikambanana ny anabavy. Tsy mitady hampianatra ny rahalahy izy na hilaza aminy izay tokony hataony, noho izany dia tsy mandika ny fitsipika araka ny Baiboly izy raha tsy misaron-doha. Mety hampandroso tokoa ny mpikambana rehetra anefa izy. Noho izany no tsy tokony hanaovany tsirambina ny fandraisany anjara amin’ny fandaharam-potoana, na amin’ny fitantarana zavatra hita tany am-pitoriana izany, na amin’ny fampisehoana ny tokony hatao (démonstrations).
NY VEHIVAVY-“MPITORY AO AMIN’NY FIKAMBANANA”
10. a) Toy ny voalaza ao amin’ny Romana 16:1, inona no toe-javatra misy ao amin’ny fikambanan’ny vavolombelon’i Jehovah sasantsasany, amin’izao androntsika izao? b) Inona no hevitry ny teny grika nadika hoe: “mpikarakara”, ary azo ampiharina amin’iza moa izany?
10 Ny Romana 16:1 (MN) dia mampiseho amintsika fa Foiby, dia “mpitory tao amin’ny fikambanana tao Kenkrea”. Tsy fantatsika mazava izay asa nataon’i Foiby, kanefa tena marina fa nitana ny toeran’ny mpanompo tao amin’ny fikambanana izy, toy izay ataon’ny anabavy sasantsasany amin’izao androntsika izao, noho ny tsy fahampian’ny rahalahy tokony hanao izany. Mety ho voatery hitana ny andraikitry ny mpanompo ao amin’ny fikambanana izy. Amin’izany anefa dia tsy ataontsika hoe: mpikarakara izy, satria ny teny grika hoe: épiskopos dia enti-milaza “ny olona izay mamangy mba hisafo.” Rahalahy efa nanolo-tena ihany no mety raha manao izany asa izany, ary raha manam-bady izy, dia tokony ho tokana ny vadiny. Izao no voalaza momba izany ao amin’ny I Timoty 3:1 (MN): “Raha misy olona [milaza lehilahy] maniry ny asan’ny mpikarakara, dia maniry asa tsara izy.”
11. Inona no ilàna ny saron-doha raha mivavaka na mitarika fivoriana ao amin’ny fikambanana ny vehivavy?
11 Raha misy anabavy nanolo-tena sy vita batisa voatendry hanao asa izay raha ny tena izy dia fanaon’ny mpikarakara, na ny mpanampy azy na ny mpitarika fampianarana, ka voatery hitari-draharaha amin’ny fanaovana ny asany, dia tokony hisaron-doha izy. Noho ny anton-javatra sy vonjimaika ihany no hisoloan’ilay anabavy toerana ny lehilahy, ka raha misaron-doha izy dia maneho amin-kitsim-po fa mahafantatra ny momba ny fifandraisany amin’ ny fandaminana araka an’Andriamanitra. Azo lazaina fa ilaina koa ny fisaronan-doha ampahatsiarovana ilay anabavy, mba tsy hanaovany mihoatra noho izay tokony hataony na hampisehoany hery tsy araka an’Andriamanitra, ao amin’ny fikambanana, toy izay niseho tao amin’ny fikambanana tany Tyatira araka ny voalaza ao amin’ny Fanambarana 2:20 (MN).
12. Inona no tokony hatao amin’ny fianarana “Ny Tilikambo Fiambenana” raha tsy misy rahalahy afaka mitarika tonga eo? Tokony hisaron-doha ve ny anabavy mitarika ny fampianarana, ary ahoana ny amin’ilay mamaky ny fehin-tsoratra?
12 Ity misy ohatra iray: Ny anabavy izay mitarika ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana na ny fianarana ny bokin’ny fikambanana, dia tokony hisaron-doha rehefa mitarika ny fianarana, toy izany koa ny anabavy izay manao ny fivavahana ao amin’ny iray amin’ireny fivoriana ireny. Tokony hisaron-doha ireny anabavy ireny, na dia mipetraka ihany aza. Mandrakariva anefa dia vitsy ny mpanatrika fivoriana tarihin’ny anabavy, ka noho izany dia tsy mila mitsangana izy. Na dia fianarana Ny Tilikambo Fiambenana aza no hatao, dia mety tsy ho be noho ny amin’ny fianarana bokin’ny fikambanana ny isan’ny mpanatrika. Mahazo mipetraka mifanatrika, toy ny ao amin’ny foibe fianarana izay tonga eo, ary mahazo mipetraka manatrika ny mpihaino ny anabavy mitari-draharaha. Toy izany koa no hataon’ilay mamaky ny fehin-tsoratra, kanefa noho izy mpamaky fotsiny, dia tsy voatery hisaron-doha izy. Avy amin’ny Tilikambo Fiambenana ny fampianarana fa tsy avy amin’ilay anabavy. Raha betsaka ny mpanatrika ka tsy misy rahalahy mahavita izany, dia mety ho voatery hitsangana ilay vehivavy mpamaky, mba handrenesan’ny rehetra azy, kanefa tsy voatery hisaron-doha izy, satria tsy izy no manao ny fampianarana na mitarika ny fivoriana. Tsy manao lahateny akory aza izy. Mamaky ny fehin-tsoratra amin’ny Tilikambo Fiambenana fotsiny izy. Kanefa na dia amin’ny toe-javatra toy izany aza, dia mety hihevitra angamba ilay anabavy fa mety kokoa ny misaron-doha. Tokony hihaino ny feon’ny fieritreretany izy amin’izany. Zavatra iray no tsy azo lavina: Raha zatra misatroka ny anabavy iray, dia tsy ilainy na oviana na oviana ny manala ny satrony rehefa manaraka ny fombam-pivavahana marina.
13. Amin’ny fotoana fanomanana ho amin’ny asa, ahoana no azon’ny anabavy ampisehoana ny foto-kevitra natao hanana endrika lahateny?
13 Ahoana no tokony hatao amin’ny fivoriana fanomanana ho amin’ny asa na amin’ny sekoly fianarana mitory araka an’ Andriamanitra raha tsy misy rahalahy efa nanolo-tena tonga manatrika? Tokony hisaron-doha ny anabavy izay mitarika ireny fivoriana ireny. Ataovy ao an-tsaina tsara fa ny asa fampianarana ny fikambanana, dia natokana ho an’ny rahalahy ihany. Noho izany, dia tsy tokony hampiseho foto-kevitra manana endrika lahateny na hampianatra ny fikambanana amin’ny fomba toy izany, ny anabavy. Raha milaza ny taratasy fanarahana ny fivoriana momba ny asa (Notre ministère du Royaume), fa tokony hanana endrika lahateny ny fizarana iray izay notsoahina avy tamin’ny fizarana iray ao amin’ny Tilikambo Fiambenana, ohatra, dia azon’ny anabavy iray hatao ny mamaky ilay fizarana voalaza, na ny tapatapany ihany, eny am-pitoerany miaraka amin’ny mpihaino. Miankina amin’ ny fotoana natokana ho amin’izany ny isan’ ny fehintsoratra hovakina ary tokony ho fidina mialoha izany, fa tsy avela araka izay itiavan’ilay mpamaky azy.
14, 15. a) Ahoana no azon’ny anabavy anaovana ny lahateny fampianarana, sy ny lahateny fohy roa voalohany ao amin’ny sekoly fianarana mitory? b) Ahoana no tokony hataony raha manao ny famerenana am-bava?
14 Toy izany koa ny tokony hatao ao amin’ny sekoly fianarana mitory raha manao ny toriteny fampianarana sy ny lahateny fohy, izay fanaon’ny rahalahy mandrakariva. Hovakin’ny anabavy mipetraka miaraka amin’ny mpihaino ny tapany nofidina avy tao amin’ny boky, ka tsy mila misaron-doha izy amin’izany. Hahazo fampianarana sahala amin’ny zon’ny fikambanana hafa, amin’izay, ny fikambanana izay vehivavy daholo no ao anatiny.
15 Raha voatendry ny anabavy iray hitarika ny famerenana atao amin’ny fametrahana fanontaniana sy famaliana izany, izay fomba ahitam-bokatra tokoa noho izy mitarika ny mpihaino handray anjara, dia tokony hisaron-doha izy rehefa manao izany, satria na dia mipetraka aza izy, dia toy ny manao ny asan’ny mpitari-draharaha.
16, 17. Inona no azon’ny anabavy manao ny asan’ny mpanompo ao amin’ny sekoly, hatao mba hanampiana: a) ny anabavy nisoratra anarana ao? b) ny rahalahy vaovao milatsaka ao?
16 Andeha hojerentsika ary izao ny momba ny anabavy manao ny asan’ny mpanompo ao amin’ny sekoly fianarana mitory. Ahoana no ahazoany manome torohevitra ny mpianatra, kanefa tsy mampianatra, ao amin’ny fikambanana? Tokony ho alaviriny mihitsy ny miseho ho maniry na mampianatra ny mpianatra. Azony atao anefa ny manampy ny anabavy hafa amin’ ny fanomezana torohevitra notsoahina avy tamin’ny bokin’ny Fikambanana. Amin’ izany dia ireo boky ireo no manome ny fampianarana fa tsy ilay anabavy. Azony atao koa ny mameno ny Taratasy fanoratana toro-hevitra sy manampy manokana ny mpianatra mitady fanampiana aminy.
17 Kanefa inona no tokony hataon’io anabavy io raha misy lehilahy manomboka manatrika ny fivoriana ka manolo-tena ho an’Andriamanitra ary milatsaka hanaraka ny fianarana mitory? Mandra-pahafany manao ny asan’ny mpanompo amin’ ny sekoly fianarana mitory, dia tokony hanohy ny fanaovany io asa io ilay anabavy mandritry ny fotoana fohifohy. Kanefa tsy tokony hananatra ilay rahalahy izy rehefa manao toriteny io, ary hita avy hatrany koa fa tsy tokony hanoratra eo amin’ny Taratasy fanoratana toro-hevitra ho azy izy. Kanefa mba hahazoan’ilay rahalahy manatsara ny fahaizany mandaha-teny, dia mety raha manao ny lahateny fohy izy, rehefa tonga mamangy ny mpikarakara amin’ny fari-tany izay ho afaka hanome anatra azy sy hameno ny Taratasy fanoratana toro-hevitra ho azy. Hita avy hatrany fa alohan’ny famangian’ny mpikarakara manaraka, dia te-hahazo fanampiana famenony angamba ilay rahalahy vaovao, ohatra, raha mitady valin’ny zava-manahirana mitranga aminy. Amin’izany dia azony atao ny manatona ilay anabavy manao ny asan’ny mpanompo ao amin’ny sekoly fianarana mitory, izay afaka hanoro azy ny pejy ao amin’ny bokin’ny Fikambanana mivaofy ny amin’io zavatra lazaina io. Azony atao koa aza ny manampy azy amin’ny fahazoana ny hevitry ny fitsipika momba ny fahaiza-mitory azavaina ao, kanefa tsy tokony hanome anatra mivantana ho azy izy.
18. Tokony hisaron-doha ve ny anabavy mandika ny lahateny ataon’ny rahalahy?
18 Misy olona sasany manontany tena raha tokony hisaron-doha ny anabavy rehefa mandika ny lahateny ataon’ny rahalahy. Amin’ny fotoana toy izany, ny hevitra velabelarina dia tsy avy amin’ilay anabavy; mandika fotsiny no ataony. Arak’izany, dia tsy ilaina ny misaron-doha. Mety tsy ho azoazon’ilay anabavy mpandika teny anefa ny tsy misaron-doha. Toa hiharihary tokoa mantsy izy eo amin’ny fivorian-dehibe, ary koa te-handika tsara ny hevitry ny mpandahatra araka ny fomba fandaha-teny izy ary mety hanao famporisihana na anatra angamba amin’izany, ilay mpandaha-teny. Noho izany, mba tsy hiheverana fa izy mihitsy no toy ny mampianatra ny rahalahy, dia mety ho tian’ilay anabavy ny misaron-doha. Amin’izany, toy ny amin’ny toe-javatra hafa nodinihina, dia tokony hanaraka ny feon’ny fieritreretany ilay anabavy.
19. a) Inona no zava-kendrena no amin’ireo fizarana mikasika ny fisaronan-doha ireo? b) Ahoana no hahafantaran’ny anabavy raha tokony hisaron-doha izy amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra miseho?
19 Ny zava-kendrena amin’ity fizarana maromaro momba ny vehivavy mpivavaka ity, dia tsy ny handinihana ny toe-javatra rehetra izay tokony hisaronan-doha akory, na ny hanomezana fitsipika tokony hampiharina isaky ny toe-javatra. Ny kendrenay dia ny hanome, arak’izay azo atao, fitsipika sasantsasany mikasika ny fahefana sy ny ilàna ny hisaronan-doha, ary ny hampiseho amin’ny ohatra ny fomba fampiharana ireny fitsipika ireny ao anatin’ny fikambanan’ny olon’Andriamanitra,mba“hatao aminʹny fahamendrehana sy ny filaminana ny zavatra rehetra”(I Korintianina 14:40, MN). Amin’izany dia ho fantatry ny vehivavy-mpitory mahatoky ao amin’ny fikambanan’izao tontolo izao vaovao ny tokony hataony amin’ny asan’i Jehovah, mba hitanany ny fieritreretany tsara sy ny hasoany araka an’Andriamanitra. Raha ataony ao an-tsaina mandrariva ny antony tokony hisaronany loha indraindray, sy ny toe-javatra tena ilàna ny fisaronan-doha, dia tsy hosahirana izy amin’ny famantarana izay tokony hataony araka ny fotoana.—Jereo ny fehin-tsoratra fahatelo amin’ny fizarana voalohany amin’ity.
20. a) Mety hanery ny anabavy sasantsasany haninona ny fieritreretany, ary ahoana no tokony ho fandraisantsika izany? b) Inona no tsy tokony hohadinoin’ny vehivavy kristiana nanolon-tena zatra misaron-doha? d) Inona no mety hatao any amin’ny tany misy vehivavy tsy zatra misaron-doha?
20 Raha milaza izahay fa tsy ilaina ny fisaronan-doha amin’ny fotoana sasantsasany, dia tsy maniny velively ny anambavy izay tsy mahazohazo ny tsy fisarona-doha amin’ny fotoana toy izany. Manaja ny fieritreretany sy ny faniriany tsy hanao fahadisoana amin’izany lafin-javatra izanykosa izahay. Any amin’ny tany sasantsasany araka ny fomba, dia tsy maintsy misaron-doha foana ny vehivavy rehefa miseho vahoaka, na eo anatrehan’ny lehilahy. Na manao ahoana na manao ahoana, milaza ny Soratra Masina fa tokony hisaron-doha ho mariky ny fanekena vady na ny anadahy ao amin’ny fikambanana kristiana, ny tena zava-dehibe dia ny hahafantaran’ny anabavy ny antony hisaronany loha na dia efa zatra misaron-doha aza izy amin’ny fotoana hafa. Any amin’ny tany izay misy vehivavy tsy zatra misaron-doha, dia tsara ny milaza mialoha amin’ny anabavy fa mety hisy fotoana tokony hisaronany loha,na amin’ny fivavahana, na amin’ ny fitarihana ny fivoriana raha tsy eo ny rahalahy efa nanolon-tena.Tsy hisy ny fahasahiranan-tsaina amin’ izay.
21. Inona no fitsapana mahazo ny finoan’ny vehivavy kristiana amin’izao androntsika izao, ary manao ahoana ny fizakany ireny fitsapana ireny?
21 Isaorantsika Jehovah noho ny nanomezany vehivavy mahatoky maro mandray anjara be dia be amin’ny fanambarana farany tokony hatao amin’izao andro farany izao. Manana zava-tsarotra maro tsy maintsy iadiana ny anabavintsika ao amin’ ny fikambanan’izao tontolo izao vaovao, kanefa noho ny fanampian’i Jehovah, dia afaka mandresy izany izy. Maro amin’izy ireny no miaina ao anatin’ny fianakaviana misara-kevitra, izay tsy maintsy anehoany fanekena voafetra amin’ny vadiny tsy mbola nanolo-tena. Hiharan’ny fitsapana lalandava ny finoany, ary isan’andro isan’andro izy, dia tsy maintsy miady amin’ny fanakatsankanana atao mba tsy hahafahany hiara-hivory amin’ny olon’i Jehovah sy handray anjara amin’ny fitoriana ny vaovao tsara. Any Rosia, any Alemaina Atsinanana ary any amin’ny tany hafa anjakan’ny kaomonisma, na ny fitondrana tsy refesi-mandidy, dia misy vehivavy mahatoky voatana any an-tranomaizina na any an-toby. Vonona ny hanao vy very ny ainy izy ireny mba tsy hivadika amin’ny voady efa nataony, dia ny hanao ny sitrapon’i Jehovah.
22. Inona no tanterahin’ny vehivavy-mpitory ao anatin’ny fikambanan’izao tontolo izao vaovao ary maneho inona izy amin’izany?
22 Tsy hoe mampitombo zavatra izahay raha milaza fa any amin’ny ankamaroan’ny tany, ny ankabiazan’ny famangiana isan-trano sy ny fiverenana mamangy ary ny fampianarana ny Baiboly ataon’ny vavolombelon’i Jehovah, dia saiky vitan’ny vehivavy-mpitory mahatoky. Matetika dia izy ireny no maro kokoa noho ny rahalahy ao amin’ny fikambanana. Sady maro amin’izy ireny koa no manana fotoana bebe kokoa noho ny rahalahy, mba handraisana anjara amin’ny asa fitoriana. Ny fahaizany mampiasa ny fotoana, ny hatsaram-po, ny faharetana, ny fangoraham-po ary ny fahatakarana ny fihevitry ny hafa, asehony rehefa manambara ny hafatra momba ny Fanjakana any an-tokantrano, dia mahatonga ny olona handray azy tsara. Manampy olona maro hanaiky ny fahamarinana sy hitombo amin’ny fahalalana marina izy amin’ny fanaovany fampianarana ny Baiboly. Porofo manambara izany asa rehetra izany fa ny anabavy, dia manohana amin-kitsim-po ny fikambanana eo an-toerana izay manana andraikitra hanambara ny vaovao tsaran’ny Fanjakana any amin’ny fari-taniny avy.
23. Ahoana no fihevitry ny fikambanan’izao tontolo izao vaovao ny vehivavy-mpitory, inona no azon’izy ireo tohizana ary inona no ho vokatr’izany?
23 Ny bokin’ny Ohabolana, toko faha-31, dia milaza ny amin’ny fitahiana azon’ny vehivavy mahery fo sy mahatoky entina ho an’ny fianakaviany sy ny olon-kafa, ary voalaza fa ny tenany koa dia mandray soa. Izao no ambara ao amin’ny andininy faha-28 sy 31 (AC): “Ny zanany mitsangana ka midera azy hoe: sambatra; ny lahy mitsangana ka midera azy. (...) Omeo azy ny avy amin’ny vokatry ny tanany; ary aoka ny asany hidera azy eo am-bavahady.” Saro-bidy tokoa amin’ny fikambanan’izao tontolo izao vaovao, ny vehivavy-mpitory mahatoky ao aminy (I Petera 3: 4, MN). Enga anie ka mbola hiravoravo amin’ny vokatra tsaran’ny asany izy! Enga anie ka handravaka hatrany ny fikambanan’izao tontolo izao vaovao amin’ny hasoany araka an’Andriamanitra izy, amin’ny fijanonany eo amin’ny toerany ao amin’ny fandaharan-javatra nataon’i Jehovah! Raha manao toy izany izy ireo, dia hankalaza ny anarany sy hahazo fitahiana mandrakizay.