Ahoana no tokony hamakinao ny Baiboly
“EFA namaky ny Baiboly aho, hoy hianao. Hatramin’ny fahazazako, dia efa novakiana tamiko izy sy efa renay tamin’ny fotoam-pivavahana.”
Kanefa, ampy moa izany ?
Marina, fa zavatra tsara tokoa ny namakiana ny Baiboly taminao, tamin’ny fahazazanao. Izany no manaporofo fa ny ray aman-dreninao, dia niezaka handetika ao an-tsain’ny ankizy ny Tenin’Andriamanitra. (Deoteronomia 6:4-9; Efesiana 6:4). Kanefa izay efa renao hatramin’ny ela ve, dia ampy ahavononanao ho amin’ny fiainana kristiana? Moa va tsy ilaina ny famakiana ny Baiboly tsy tapaka?
Ohatra, raha ny zanakao mametra-panontaniana mikasika ny toe-pitondran-tenany, moa va afaka hanome toro-hevitra miankina amin’ny Tenin’Andriamanitra izay tokana manam-pahefana hianao? Sa voatery hilaza izay heverinao ao an-tsainao ho marina hianao? Ary inona no ho lazaina amin’ny fanapahan-kevitrao samy irery? Ny filazana azo tamin’ny tsindri-mandry izay manambara fa “misy lalana ataon’ny olona ho mahitsy kanjo lalana mivarina any amin’ny fahafatesana no iafarany”, dia manamarika tsara ny maha-zava-dehibe ny hiankinana amin’izay lazain’Andriamanitra ao amin’ny Teniny. — Ohabolana 14:12; 3:5, 6.
Tokony ho dinihina koa ny andraikitrin’ ny kristiana amin’ny fizarana ny Tenin’ Andriamanitra amin’ny mpiara-belona aminy. Moa ampy fahalalana ny Baiboly mba hanao izany va hianao? Jesosy Kristy mihitsy no nilaza ny ilana io fahalalana io, raha nilaza izao izy: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” — Jaona 17:3.
Noho izany, mba hahafahana mampiasa ny Baiboly tsara, moa va tsy tokony hovakiana tsy tapaka izy? Raha tsy hiverenana ny fahamarinana nianarana, dia ho adino tokoa izy. Na dia ny fivoriana matetika any am-piangonana aza, dia tsy afaka hanolo ny ilana ny famakiana ny Baiboly. Nampiseho izany ny mpianatra Lioka, raha nanoratra toy izao izy, mikasika ny mponina tao Beria: “Ary ny toe-panahin’ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin’ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan-andro, na marina izany, na tsia.” — Asan’ny Apostoly 17:11, MN.
Mariho fa ny mponina tao Beria, dia nandinika “ny Soratra Masina isan-andro” no sady mivory. Izany no fitsipi-pitondran-tena tadiavin’ny Baiboly. Kanefa ankehitriny, inona no mitranga?
Mpanao gazety iray izay nandeha tany am-piangonana tany avaratra-andrefan’i Etazonia, no nahatsikaritra ny fiovan’ny toe-piainana amin’izao androntsika izao. Vitsy ny mpiangona mitondra Baiboly, hoy izy; mijery ao amin’ny Baiboly nampindramina azy tao ampiangonana izy ary mamerina izany aorian’ny fotoam-pivavahana. Ary nanontany ilay mpanao gazety hoe: “Tsy ilaina va ny Baiboly any amin’ izy ireo ? Ny nanaovana ny Baiboly va, dia ny ho vakina adiny iray monja, ny alahady marainaa?”
Ahoana no hevitrao momba izany? Moa va afaka atao mpitari-dalana eo amin’ny fiainana ny Baiboly, raha tahiny tsy fantatra akory ny fampianarany? Ahoana no hitokiana fa nanao fanapahan-kevitra tsara, raha tsy mahalala izay zavatra tadiavin’Andriamanitra? Inona no fanantenan’ ny ho avy? Moa va mety hanana fitokisana ny fampanantenana omen’ny Baiboly mikasika ny fiainana mandrakizay, raha tahiny tsy novakiana akory izany fampanantenana izany? Fanampin’izany, moa va afaka hanome ny anton’ny fanantenan’ny tena sy ahamafy orina ny fanantenan’ny mpiara-belona amin’ny tena amin’ny fizarana aminy, ny teny soa mahafaly voalaza ao amin’ny Baiboly, raha tsy efa nianatra tsara izany?
Izany fanontaniana izany dia tonga ao an-tsaina rehefa mamaky ny fanakianana nataon’i Louis Cassels, izay manana lahatsoratra betsaka amin’ny gazety maro, mikasika ny mpiangona tsy tapaka. “Enim-polo isan-jato amin’izy ireo, hoy izy, dia tsy afaka hilaza akory ny filazantsara efatra. Dimy amby fito-polo isan-jato, dia tsy mahalala fa ny Kalvary no toerana nanombohana an’i Jesosy. Angamba mety hahazo vokatra tsaratsara kokoa amin’ny fikambanana sasany, kanefa vitsy izy ireny. Ankehitriny ny ankamaroan’ny Amerikana, dia tsy mahalala na inona na inona amin’ny Baiboly. Tsy mbola namaky na oviana na oviana ny boky izay heveriny, araky ny filazany, hoe ny ‘Tenin’Andriamanitra’ izy ireob.”
Na dia eo aza izany tsy fitandremana izany, dia misy antony lehibe tokoa ny hamakianao ny Baiboly, satria voalohany indrindra, Tenin’Andriamanitra tokoa izany. Milaza amintsika izao manaraka izao, ny apostolin’i Jesosy iray: “Ny Soratra rehetra dia nome-tsindrimandrin’Andriamanitra.” — II Timoty 3:16, MN.
Kanefa, mba ahazoana tombon-tsoa amin’ny famakiana ny Baiboly, dia tsy tokony hanao sahala amin’ireo olona sasany izay mamaky ny Baiboly hianao; manao izany izy mba ahitany porofo enti-manohana ny zavatra inoany ara-pivavahana, fa tsy mampiorina ny finoany amin’izay novakiany. Aza manao tahaka ny sasany koa izay mamaky azy, tsy amin’ny fitiavana hahalala ny sitrapon’Andriamanitra fa te-hoderaina fa efa namaky azy hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.
Mariho kely ange ny famporisihina ataon’Andriamanitra amintsika mba hamaky ny Baiboly: “Saintsaino andro aman’alina, [ny Tenin’Andriamanitra] hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo.” (Josoa 1:8). Eny, eo am-pamakiana ny Baiboly, dia mariho tsara fa zavatra mikasika ny fiainanao ny toro-hevitra omeny. Raha vonona tsara hianao, raha mandinika tsara eo am-pamakiana sy raha mametraka fanontaniana amin’ny tenanao hianao, dia ho fantatrao tsara fa mikasika ny fiainanao, ireo ohatra sesehena hita ao amin’ny Baiboly. Ho hitanao amin’izany raha tahiny tokony hahitsy ny toetranao sy ny fitondrantenanao mba hahafinaritra an’Andriamanitra Tsitoha.
Tsy nosoratana mba hojerena toy ny diksionary akory ny Baiboly, fa natao kosa izy mba hovakiana. Marina fa nilaza andininy nalaina tamin’ny boky samihafa, Jesosy sy ny apostoliny mba hanaporofoiny ny teniny mikasika ny fanontaniana sasantsany, ary izany dia ohatra iray mialoha. Tena ilaina tokoa ny hamakiana ny Baiboly miandalana tsara: toko aorian’ny toko iray. Izany dia hanampy anao mba tsy hampisaraka ny andinin’ny Baiboly amin’ny teny hafa manazava izany ihany ao amin’ny Baiboly. — Lioka 24:27; Asan’ ny Apostoly 17:2, 3.
Raki-tsoa manao ahoana moa no azonao, ho valisoa, ao amin’ny pejin’ny Baiboly! Izany no vakiteny tsara indrindra! Ny fahendren’Andriamanitra miafina ao amin’ ny pejiny, dia “saro-bidy noho ny voahangy”, hoy ny voalazan’ny mpanoratra ny Ohabolana. Marina tokoa fa “hazon’aina ho an’izay rehetra mifikitra aminy izy”. Noho izany, mba ho fahasambaranao, dia vakio tsy tapaka ny Baiboly. — Ohabolana 3:13-18.
[Fanamarihana ambany pejy]
a “Post-Intelligencer”-n’i Seattle tamin’ny 3 Avrily 1963.
b “San Mateo Times”, tamin’ny 15 Avrily 1961.