Fampandrenesana
NY RAHARAHAM-PITORIANA
Misy olona manamarika ny ilany tsy dia mazava loatra tamin’ny zavatra nahazo an’i Joba, raha tahiny izy mandinika ny fiainan’io olona natoky an’Andriamanitra io. Tsy hoe tsy misy antony akory ny niazonan’io patriaka io ny tsy fivadiany tamin’Andriamanitra. Tsy hoe nitoky tamin’i Jehovah izy mba ho lavo indray aoriana. Tao amin’izany toetra nisy azy izany sy tamin’ny vavolombelon’i Jehovah, dia tanteraka ary mbola manohy ny fahatanterahany ihany ny teny ao amin’i Jakoba 5:11 (Li) manao hoe: “Ataontsika sambatra izay efa naharitra.” Izany toe-tsaina izany no ho entin’ny vavolombelon’i Jehovah hitsidika ireo olona rehetra azony aleha. Mandritry ny volana Janoary-Avrily, dia hampahafantatra ny olona ny fahamarinana ao amin’ ny Baiboly izy ireo, ary izany fahamarinana izany dia natao ho gazety mitondra ny lohateny hoe: “Ny Tilikambo Fiambenana’’. Ho azonao amin’ny vola 125 FMG na 25 ariary malagasy ny famandrihana herintaona.
FIANARANA “NY TILIKAMBO FIAMBENANA”:
11 Avrily: Ny vehivavy-mpitory mahatoky dia loharanom-pitahiana ho an’ny fikambanan’izao tontolo izao vaovao. Pejy 19.
18 Avrily: Ny tombon-tsoa ananan’ny vehivavy kristiana. Pejy 25.