FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w80 15/7 p. 30-31
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1980
  • Mitovitovy Aminy
  • Hajao “Izay Nampiraisin’Andriamanitra Zioga”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
  • Fisaraham-panambadiana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ny fisaraham-panambadiana: Inona marina no lazain’ny Baiboly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1980
w80 15/7 p. 30-31

Fanontanian’ny mpamaky

● Talohan’ny nianarana ny Baiboly, dia nisaraka izahay sy ny vadiko, nefa tsy noho ny fahalotoam-pitondrantena: noho izahay tsy nifanaraka fotsiny. Rehefa tonga kristianina aho teo anelanelam-potoana, manana fahafahana ny hanambady fanindroany ve aho?

Mba hahafantarana raha toa amin’ny toe-javatra lazalazainao aminay, ka afaka manambady fanindroany araka ny filazan’ny Baiboly ny olona iray, dia tokony hojerena aloha raha nofoanana teo imason’Andriamanitra ilay fanambadiana.

Talohan’ny nahatongavanao ho kristianina, dia nofoanana ara-dalàna ny fanambadianareo, angamba noho ny tsy fifanarahana. Nanafoana ny fanambadianareo teo imason’ny fitondram-panjakana izany fitsarana izany. Nefa ara-drariny ny ilànao hanontany tena raha toa ilay Mpanao lalàna eo amin’izao rehetra izao ka mihevitra fa mbola “nofo iray ihany” foana ianao sy ny vadinao. — Gen. 2:22-24.

Nanao fanambarana iray hanampy anao i Jesosy. Rehefa avy niaiky izy fa nisaraka noho ny antony samihafa ny Jiosy, dia izao no teny nanampiny: “Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana [pornéia, amin’ny teny grika] ihany, ka mampakatra ny hafa, dia mijangajanga”. (Matio 19:9; 5:32). Ny hany antony araka ny Baiboly mba hisaraham-panambadiana ka hananana fahafahana hanambady fanindroany any aoriana àry dia ny “fijangajangana” na pornéia, mahafaoka ny fanitsakitsaham-bady sy ny fahalotoam-pitondrantena lehibe hafa mikasika ny lahy sy ny vavy.

Raha nanitsakitsaka anao ny vadinao, dia ho nanana antony araka ny Baiboly nisarahana ianao, ka, noho io fisarahana io (na noho ny fanitsakitsaham-bady na noho ny antony hafa ara-dalàna), dia tsy ho “nofo iray ihany” intsony ianareo. Mifamadika amin’izany, raha ianao no nanitsakitsa-bady ka tsy mety mamela anao ny vadinao fa nahazo fisaraham-panambadiana, dia hanome lalana anareo roroa hanambady fanindroany ny Baiboly.

Milaza anefa ianao fa tsy nisy fahalotoam-pitondrantena talohan’ny fisarahana. Rehefa heverina amin’izay nambaran’i Jesosy, inona no antony tokony hinoantsika fa nanafoana avy hatrany ny fanambadianareo teo imason’Andriamanitra io fisarahana io? Marina fa ilay tonga kristianina dia afaka mangataka amin’Andriamanitra mba hamela ny fahotany tamin’ny lasa, nefa tsy milaza akory izany hoe foanan’Andriamanitra ny adidy rehetra sy ny fanekena rehetra nataon’ilay olona (I Jaona 1:7; I Kor. 6:9-11). Aoka isika haka ohatra iray ary aoka hataontsika hoe nisambo-bola tamin’ny sakaiza iray ianao tamin’ny fanekena ny handoa azy ara-dalàna. Indro anefa fa tonga kristianina ianao. Foana ve ny trosanao na die izany aza? Azo antoka fa tsy izany. Mifanohitra amin’izany kosa aza fa rehefa fantatrao ny hevitr’Andriamanitra ny amin’ny fandoavana ny trosa, dia manjary tsapanao kokoa ihany ny adidinao (Sal. 37:21; 15:4; 112:5). Azo atao ny milaza toy izany ny amin’ny fanambadiana. Rehefa nivady ianareo, dia noheverin’Andriamanitra ho “nofo iray ihany”. Manontania tena toy izao àry: Moa ve Andriamanitra manana antony tsy hiheverana anareo toy izany intsony?

Mety ho izany no izy raha toa ka nanafoana ny fanambadiana teo imason’Andriamanitra ny zava-nitranga vaovao [nanomboka tamin’ny] nisarahana. Takatsika kokoa ny amin’io karazana tarehin-javatra io amin’ny fandinihana azy araka ny fanazavan’ny fanambarana nataon’i Jesosy voatantara ao amin’ny Matio 19:9. Raha nisaraka taminao ny vadinao nefa tsy meloka ho nanao fitondrantena maloto ianao, nefa ‘nijangajanga’ ianao taty aoriana, amin’izay ny fanambadiana dia azo heverina ho foana. Nanda anao izy, ary taty aoriana no nitranga ny antony araka ny Baiboly mba tsy ‘haha-nofo iray ihany’ intsony anareo. Na mety ho izy no meloka ho ‘nijangajanga’ taorian’ny fisaraham-panambadiana. Amin’ny toe-javatra toy izany, ny fanambarana nataon’i Jesosy dia mahatonga antsika ho afaka hihevitra ny fanambadiana ho foana eo imason’Andriamanitra, satria nisy fisarahana ary ankehitriny dia voaporofonao vady tsy diso, fa nanao fitondrantena maloto ny vadinao.

Amin’ny toe-javatra entinao eto aminay, dia arakaraka izay nitranga na tsy nitranga [nanomboka tamin’ny] fisaraham-panambadiana no hahafahana hilaza tsy amim-pisalasalana raha mbola mahaforona “nofo iray ihany” foana ianao sy ny vadinao eo imason’Andriamanitra.

Inona no ataonao raha tsapanao fa, araka ny fiheveran’Andriamanitra, dia tsy manana fahafahana ny hanambady indray ianao? Ho azonao atao ny hanandrana hampahafantatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ny vadinao izay nisaraka taminao. Angamba ianao amin’izany ho afaka ny hanampy azy hahafantatra fa ny Baiboly dia manana hery manova ny toetra sy hahatonga ho sambatra ny olona nanana fiainana nikorontana teo aloha. Nefa raha tapa-kevitra ny hiara-miaina indray ianareo, dia hety ny hivadianareo ara-dalàna indray, mba ho mendri-kaja eo imason’ny rehetra ny fanambadianareo. — Heb. 13:4.

Raha mbola tsy tapa-kevitra ny hihavana aminao aloha izao ny vadinao, dia manohiza manana fiainana madio araka ny nataonao hatramin’izao (Jakoba 3:17; I Tes. 4:3-5). Nohazavain’ny apostoly Paoly fa ireo izay miaina irery dia manana fahafahana hampiasa amin’ny fomba tsara ny fotoanany sy ny fahafahany amin’ny fanokanana izany ho amin’ny fanompoam-pivavahana marinaa (I Kor. 7:29-35). Hahita fahafahampo sy fitahiana maro ianao amin’ny fiarahana tsy tapaka amin’ny fiangonana kristianina sy amin’ny faharisihana mafy hatrany eo amin’ny asa fitoriana sy fampianarana ny Tenin’Andriamanitra.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo Réveillez-vous! tamin’ny 8 febroary 1973, pp. 5-8 sy Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 novambra 1977, pp. 679-684.

[Loharanon-kevitra]

Fanontaniana voalohany ihany (Nohavaozina)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara