FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 1/12 p. 30
  • Nandray tombontsoam-panompoana lehibe kokoa izy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nandray tombontsoam-panompoana lehibe kokoa izy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Mitovitovy Aminy
  • Mety ho io ve no Asa Tsara Indrindra ho Anao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Faly Manasa Anao Izahay!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Manankarena Amin’ny Fanompoana an’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Vonona Hanompo ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 1/12 p. 30

Nandray tombontsoam-panompoana lehibe kokoa izy

Noheverin’ny kristiana avy amin’ny firenena rehetra ho sakaiza i Maxwell G. Friend izay maty tamin’ny 10 febroary 1983, teo amin’ny faha-92 taonany. Nateraky ny ray aman-dreny jiosy tany Aotrisy izy tamin’ny 7 desambra 1890, ary ny anarany teo am-piandohan’ny fiainany dia Max Fireschel. Notezaina tao amin’ny fivavahana jiosy ortodoksa izy, ary nanomboka naira-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelona tany Soisa. Farany, dia natao batisa izy ny 9 may 1913 ka tonga Isiraelita ara-panahy mitafy hosotra. Tamin’ny 1914 izy dia niasa tao amin’ny Betela any Alemaina. Taty aoriana izy dia nanambady an’i Irma, avy eo izy mivady dia niasa tao amin’ny Betela any Soisa, any Berne. Tamin’ny 1926 dia nankany amin’ny Betela any Brooklyn izy mivady. Tany, taty aoriana, no nanovany ny anarany ho Maxwell G. Friend*.

Tany Etazonia izy dia nanompo tamin’ny naha-mpandika teny, mpandahateny mpitety faritany sy tonian’ny fampisehoana tantara araka ny Baiboly tao amin’ny foiben’ny radiao WBBR. Tamin’ny 1943 izy dia anisan’ireo mpampianatra voalohany tao amin’ny Sekolin’i Gileada fianara Baiboly, tany South Lansing, any amin’ny fanjakan’i New York. Nandritra ny 17 taona, dia kilasy 34 no nandray soa tamin’ny fampianarany ary nanjary mamin’ny mpianatra misionera maherin’ny 3 600 izy. Nampianatra fahaiza-mandahateny sy fanaovana fikarohana ao amin’ny Baiboly izy. Tao anatin’izao taona faramparany izao, ny feony dia nanjary nahazatra olona an’arivony maro noho ireo fampisehoana tantara tamin’ny fivoriambe. Matetika izy no niresaka ny amin’ny andro “hahazoany diplaoma” ka handraisany tombontsoam-panompoana lehibe kokoa eo anilan’i Kristy, any amin’ny Fanjakan’ny lanitra. — Apokalypsy 14:13.

[Fanamarihana ambany pejy]

Ny fitantarana ny fiainany dia voalaza ao amin’ny La Tour de Garde tamin’ny 1 martsa 1968, pejy faha-153 ka hatramin’ny 159..

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara