Fihiram-baovao manaraka ny “Onim-borona”
ONIM-BORONA no anarana niantsoan’ny Indiana azy. Amin’izao fotoana izao, manaraka io ony io, dia mbola azo atao ny mandre ny hira mahafinaritra ataon’ny sorohitra, ny fibakobakororoan’ny domohina, ny kalon’ny chincol (karazam-pody) misy naoty dimy, ary ny angolangolan-kiran’ny benteveo, vorona mavo kibo. Rehefa nandeha ny fotoana, ilay faritra mitatra ao atsinanan’ny ony dia nanjary nitondra koa ny anarana hoe Onim-borona na URUGUAY amin’ny teny “tupi”, fitenim-paritanin’ny Indiana.
Amin’izao andro izao anefa, dia azo atao ny mandre “fihiram-baovao” ao amin’ny Onim-borona. Efa ela be izay, dia niresaka ny amin’izany tamin’izao teny izao Isaia: “Hianareo izay midina any amin’ny ranomasina sy ny ao aminy rehetra, dia hianareo nosy sy ny mponina ao aminy, samia mihira fihiram-baovao ho an’i Jehovah, dia ny fiderana Azy hatramin’ny faran’ny tany.” (Isaia 42:10). Fa tamin’ny fomba ahoana no nahatongavan’io “fihiram-baovao” mahakasika ny fiorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra io tany Uruguay?
Ireo naoty voalohany amin’ny “fihiram-baovao”
Tamin’ny 1923 no nanombohana nandre nitsilopilopy tany Uruguay ny hafatra mahery momba ilay Fanjakana. Tamin’io taona io, ny Vavolombelon’i Jehovah iray dia namakivaky ilay tany sy nampiely bokikely teo amin’ny zato. Avy eo, tamin’ny septambra 1924, dia tonga i Juan Muñiz. Pretra katolika tany Espaina izy io, nefa noho ny Eglizy nandiso fanantenana be dia be azy, dia nandao azy izy. Tamin’ny 1916, raha mbola tany Etazonia izy, dia nisy Mpianatra ny Baiboly (anarana nahalalana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany fotoana izany) namelabelatra taminy ny hafatra momba ilay Fanjakana, ary izany dia namelona indray ny fitiavany ny Baiboly. Nody tany Espaina izy mba hampahafantatra izay nianarany. Tojo fanoherana mafy tokoa anefa izy tany, hany ka narahiny ny fanipazan-kevitra nataon’ny prezidàn’ny Fikambanana Watchtower, ka lasa izy nankany Amerika Atsimo. Notendrena hikarakara ny asan’ilay Fanjakana tany Argentina, tany Paraguay sy tany Uruguay, i Juan Muñiz.
Mpandahateny niavaka tanteraka ny rahalahy Muñiz. Lazaina fa azony natao ny nitana ny sain’ny mpihaino nandritra ny ora maro tsy nisy fampiasana planina na fitadidiana an-tsoratra, fa ny Baiboly ihany. Noho izy nanamarika fa naneho fahalianana lehibe ho an’ny fahamarinana ny mponina tany Uruguay, dia nangataka tamin’ny Fikambanana i Juan Muñiz mba handefa olona hanampy azy.
Ho valin’io antso io, Carlos Ott dia nandao an’i Alemaina tamin’ny 1925 ary tonga tany Uruguay taty aoriana. Nandritra ireo valo taona nanaraka izany, dia nanokan-tena tanteraka ho an’ny asan’ilay Fanjakana tao amin’io tany io izy. Noho ny fahatsapana fa nilaina ny hanatratrarana olona faran’izay betsaka, dia nampiasa tsara ny radiao ny rahalahy Ott. Ny foibe iray aza dia nanaiky hampita maimaimpoana lahateny noraisina feo. Nanomboka tamin’izany fiandohana nitsilopilopy kely izany, dia nitatra tany amin’ireo provansa 19 any Uruguay ny asa.
Latsaka teo amin’ireo vahiny ny voan’ny fahamarinana vitsivitsy. Ohatra, tany avaratr’ilay tany dia nisy Rosiana maromaro izay nandao ny tany niaviany nandritra ny Ady Lehibe Voalohany. Ny anankiray tamin’izy ireo, Nikifor Tkachenco, dia nahazo ilay bokikely hoe Aiza moa ireo maty? ka nahita soritry ny fahamarinana tao. Tsy nisalasala izy fa niezaka hizara tamin’ny mpiray tanindrazana taminy ireo zavatra ninoany vaovao. Maromaro no nanaiky ny fahamarinana ka nahaforona ireo voalohandohany anisan’ny kongregasiona tany Salto sy Paysandú, tanàn-dehibe roa tao amin’ilay tany.
Tamin’ny 1939, dia mpitory maharitra enina no notendrena ho atỳ Uruguay. Nila enin-taona anefa izy ireo mba hanatratrarana an’io tany io. Nokarohin’ny nazia mafy naharitra nanerana an’i Eoropa tokoa izy ireo. Na dia tao aza izany, rehefa tonga taty Uruguay izy ireny tamin’ny farany, dia niasa avy hatrany. Nanandrana namantatra ny toerana nisy ireo fianakaviana alemana aloha izy ireo mba hanaovana fanambarana tamin’izy ireny. Avy eo, sady nianatra ny fitenin’ilay tany izy ireo no nampiasa “karatra fitoriana” tamin’ny teny espaniola izay nanazava fohy ny anton’ny fitsidihany.
Ireny kristiana vitsivitsy ireny dia nitety tamin-jotom-po ny tany manontolo tamin’ny bisikileta, ka nanakalo ireo boky tamin’ny sakafo ary natory tao amin’ny lay kely nanaraka ny arabe rehefa tsy nisy olona nampiantrano azy ireo. Nentiny tamin’ny bisikiletany ny fitafiana ampy ho an’ny vanin-taona, ny fatana kely mandeha amin’ny solitany, fitaovana vitsivitsy momba ny lakozia, fonografy sy lahateny maro noraisina feo. Nisetra ny hatsiaka, ny hafanana, ny rivotra sy ny tondra-drano izy ireny. Nefa noho ny fiezahan’izy ireo, dia nisy voan’ny fahamarinana voafafy nanerana ilay tany. Tsy ela, dia nisy olon-kafa koa niray feo rodobe tamin’ireo mpihira an’izany “fihiram-baovao” izany.
Nanafaingana ny fitomboana ny fahatongavan’ireo misionera
Tamin’ny martsa 1945, N. Knorr sy F. Franz, solontenan’ny Fikambanana Watch Tower, dia tonga voalohany tany Uruguay. Tsy vitan’ny hoe nanoro hevitra sy nanatanjaka ireo rahalahiny izy, fa ambonin’izany, dia nomeny an’i Uruguay ny voalohany nahazo diplaoma avy any Galaad, Russell Cornelius. Tamin’ny voalohany, dia teny espaniola vitsivitsy monja no hain’izy io, kanefa rehefa afaka volana iray sy tapany, dia afaka nanao lahateny ampahibemaso tamin’io fiteny io izy. Nanohy nandroso izy ary nitondra zavatra be dia be tamin’ny fitarihana ny asan’ilay Fanjakana. Tsy ela, dia tonga ny misionera tanora hafa, ary nisy hatramin’ny 27 izy ireny — saika nitovy tamin’ny isan’ny mpitory tao amin’ilay tany — tao amin’ilay trano nohofana izay nampiasaina ho sampana koa. Mazava ho azy fa tsy maintsy nitana ny sain’ny mponina ny fahatongavan’ny anabavy tamin’ireny misionera hafa firenena ireny, ka somary nanaraby aza ny gazety iray tamin’ny firesahana ny amin’ny “anjely mena volo” nameno an’i Montevideo.
Mabel Jones no anankiray tamin’izy ireny. Raha mbola tany amin’ny fivoriambe tany Salto izy tamin’ny 1950, dia niresaka ny amin’ny fanantenana momba ilay Fanjakana tamin’i Carola Beltramelli sy Catalina Pomponi, mpiray monina niseho ho sakaiza. Tonga tany amin’ny fivoriambe izy roa vavy, ary iray volana taty aoriana, dia nandeha 500 km izy ireo mba hanatrika fivoriambe iray hafa koa tany Montevideo. Nandroso haingana tamin’ny ara-panahy izy ireo. Nanaiky ny fahamarinana koa ireo zanakalahin’i Carola. Ny anankiray tamin’izy ireny, Delfos, dia nanomboka ny asa manontolo andro, ary tamin’ny 1965 izy dia nanaraka ny fianarana tany amin’ny Sekolin’i Galaad. Amin’izao fotoana izao izy io dia mpandaha-draharaha ao amin’ny Komitin’ny sampana. Ny zandriny, Luis, dia loholona ao amin’ny kongregasiona iray. Tonga mpitory maharitra ny anabavy Pomponi tamin’ny 1953 ary nanampy olona maherin’ny 80 hanokana ny fiainany ho an’i Jehovah.
Amin’ny fitambarany, dia 82 nahazo diplaoma avy any Galaad no niasa tany Uruguay. Na dia voatery nody tany aminy noho ny antony iray na noho ny antony hafa aza ny sasany, dia nisy vokany ny fiezahan’izy ireo. Amin’izao fotoana izao, any amin’ireo kongregasiona any Uruguay, dia re ny rahalahy be taona milaza hoe: “Mbola kely noho ireo zafikeliko ireo zanako rehefa tonga nampianatra ahy ny Baiboly Mary Batko” na: “Mbola tany amin’ny sekoly fanabeazana fototra aho fony nitondra ahy nitory niaraka taminy ny alahady i Jack sy Jane Powers.”
Fitomboana sy fitarana
Sofina malady maro no nandre ny “fihiram-baovao”. Tamin’ny 1949, Gerardo Escribano, tsy mpino an’Andriamanitra iray, dia nasaina ho any amin’ny fivoriana fianarana Baiboly iray. Nanaiky ho tonga izy tamin’ny filazana mazava fa tsy hiverina izy raha mahita sampy na raha asaina manao tsianjery vavaka. Nanohina ny fony izay reny; tamin’ny farany izy dia natao batisa, ary amin’izao fotoana izao izy dia manompo amin’ny maha-mpiandraikitra ny distrika sy anisan’ny Komitin’ny sampana.
Ilay sarimihetsika hoe Ny Fikambanan’izao tontolo izao vaovao miasa, izay natao tamin’ny 1956, dia nalefa saika tany amin’ireo tanàna rehetra ao amin’ilay tany. Injatony maro ny Rahalahy Liber Berrueta no nampiseho azy tany amin’ireo Efitrano Fanjakana, tany an-tranon’olona manokana, tany amin’ny zaridainam-bahoaka sy tany amin’ny efitrano tsy nomanina mialoha. Nandray anjara be dia be koa io rahalahy io tamin’ny fanoratana ara-dalàna ny Fikambanana teto Uruguay. Ny rahalahy Berrueta tokoa no prezidàn’ny fikambanana voambara ara-dalàna voalohany, dia raharaha niantsorohany mandra-pahafatiny.
Tamin’ny faran’ny taona 1961, rehefa 1 570 ny isan’ny Vavolombelona tao amin’io tany io, ny fitokanana ny Betela vaovao dia nanamarika dingana lehibe. Rehefa vita ny fanorenana, ilay mpita-marika nanao sarin’ny trano, Justino Apolo, dia natao batisa ho mariky ny fanolorany ny tenany ho an’Andriamanitra. Taty aoriana izy io, dia tonga loholona ary nandray anjara tamim-pahalalahan-tanana tamin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana teo amin’ny efapolo taty Uruguay.
Toy izany koa, taorian’ny fanorenana ny tranon’ny sampana, Avelino Filipponi, mpianto-draharaha fanorenana nahay tokoa, dia nilatsaka hanao ny asa manontolo andro niaraka tamin’ny vadiny. Manao ny asan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany izy izao. Izy io koa dia nitondra fanampiana tamin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana maro. Vao haingana kokoa, dia nandray anjara tamin’ny fitarihana ireo asa fanitarana ny Betela teto Uruguay izy.
Ny trano vaovaon’ny sampana
Ny trano vaovaon’ny sampana dia misy rihana iray sy efitra ambany tany malalaka koa. Koa satria eo amin’ny 800 metatra toradroa ny velarany, raha ny marina dia lehibe noho ny trano voalohany izy io. Misy fanontam-pirinty iray ao, ireo sampan-draharaha momba ny gazety sy ny fandefasana entana, ny fitehirizam-boky, garazy iray sy efitrano Fanjakana mahafinaritra iray. Ny ankamaroan’ny fitaovana nampiasaina tamin’ny fanorenana dia nomen’ireo rahalahy ary ny asa rehetra dia nataon’ny mpilatsaka an-tsitrapo eo amin’ny 500 eo. Nisy Vavolombelona tambato, mpametaka varavarana, mpandrafitra, na nanao asa maro hafa, nanome tamin’ny fotoanany sy ny fahaizany mba hanaovana sary, hanorenana, handravahana sy hanasiana fanaka ny trano manontolo.
Ny 4 febroary 1985, dia natao ny fitokanana an’io trano vaovao io. Grant Miller, anisan’ny Komitin’ny sampana, dia nanomboka tamin’ny fanasoritana fohy ny tantaran’i Uruguay sy ny fandrosoan’ny asa teto amin’ny tanin’ny Onim-borona. Avy eo dia nisy fitantarana zava-nitranga nahaliana vitsivitsy natao nifandray tamin’ilay trano vaovao. Ho famaranana, ny mpanatrika 250 dia nanaraka tamim-pahalianana ny lahateny fitokanana hoe “Vahoaka sambatra manana zava-kendrena”, nasehon’i Delfos Beltramelli. Fotoana tsy hay hadinoina tokoa izany!
Aoka isika hitodika any amin’ny ho avy
Hatraiza no mety mbola handrosoan’ny asan’ilay Fanjakana eto Uruguay? Hevero ireo fandrosoana haingana vita. Tamin’ny 1964, dia niisa ho 2 000 ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ity tany ity. Tamin’ny 1974, dia avo roa heny io isa io. Nandritra ny taona 1985 izahay dia nahatratra tampon’isan’ny mpitory 5 329. Ambonin’izany, ny zavatra rehetra dia mahatonga hino fa hitombo io isa io, satria tamin’ny 1985, dia olona 15 243 — olona iray isaky ny mponina 190 — no nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy.
Kanefa ny mbola manohina ny fo kokoa ihany, dia ireo toetra tsara kristiana asehon’ireo rahalahintsika eto Uruguay. Ohatra, tsy navelan’ny fitondram-panjakana hanao fivoriambe izy ireo ka, hatramin’ny taona vitsivitsy, dia tsy maintsy nankany Brésil mba hanatrika ireo fivoriamben’ny distrika. Tamin’ny 1982, dia namoaka didy ny fitondram-panjakana fa ny olom-pirenena sy ny vahiny rehetra izay niala tao amin’ilay tany dia tokony handoa hetra. Enta-mavesatra ara-bola ho an’ny maro anefa izany. Nanampy an’ireo fianakaviana mahantra kokoa anefa ireo rahalahy nanana kokoa. Nisy aza Vavolombelona nanokana ny fotoana tsy fiasany hanaovana fanamboaran-javatra simba mba handraisana anjara amin’ny fandanian’ireo namany. Noho izany, dia Vavolombelona teo amin’ny 3 500 no afaka nankany amin’ny fivoriambe iray natao tany Brésil.
Taty aoriana, noho ny fiovan’ny tarehin-javatra tampoka, dia nahazo lalana handamina fivoriambe tany Montevideo ny Vavolombelona. Tokony hitranga tamin’ny herinandro nialoha ny fitokanana ny trano vaovaon’ny sampana izany. Tao anatin’ny 20 andro monja, dia nilaina ny hanomanana ny zavatra rehetra: fizarana ny tapany samy hafa amin’ny fandaharana, fandaminana ireo sampan-draharaha, fanamboarana sy fanadiovana ny toerana fanaovana hazakaza-tsoavaly izay tsy nampiasaina intsony sy simba. Toy inona anefa ny fahasambaran’ireo mpanatrika 6 245 afaka nivory!
Afaka matoky àry isika fa hanohy hitahy ny fiezahan’ireo rahalahintsika Jehovah, dia ireo izay miasa ao anatin’ny firaisan-tsaina mba hihira ny hafatra malaza momba ny Fanjakan’Andriamanitra, manaraka ny Onim-borona, dia Uruguay.
[Sarintany/Sary, pejy 27]
(Jereo ny gazety)
URUGUAY
Salto
Paysandú
Montevideo
[Sarintany]
Amerika Atsimo
[Sary, pejy 29]
Ny Efitrano Fanjakana, ao amin’ilay trano vaovaon’ny sampana.