‘Aoka ianareo tsy halaky hohetsiketsehina amin’ny sainareo’
“Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy (...) mba tsy halaky hohetsiketsehina amin’ny saina na hampitahorina hianareo, na amin’ny fanahy, na amin’ny teny, na amin’ny epistily izay toa avy aminay.” — II TESALONIANA 2:1, 2.
1. Inona no fahatsiarovana tsara ananantsika ny amin’ny fotoana nahitantsika ny fahamarinana?
ISIKA izay kristiana, dia mahita fahafinaretana foana isika rehefa mahatsiaro ny fotoana nahitantsika ny fahamarinana voarakitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tamin’izany fotoana izany io fahamarinana io dia hitantsika ho sady nahafinaritra no marim-pototra sy nahafapo. Safononoky ny fankasitrahana tokoa ny fontsika rehefa nianatra hahafantatra an’i Jehovah sy ireo toetrany ambony dia ambony isika, indrindra fa ny fitiavany tsy manam-paharoa sy ny famindrampony. Tetsy andaniny koa, dia faly daholo isika rehetra nifankahalala tamin’ny lehilahy sy vehivavy izay nitovy finoana tamintsika, izay naneho ny tena fitiavana kristiana ka niaina nifanaraka tamin’ireo fotopoto-pitsipiky ny Soratra Masina.
2. Fahatsinjovan-javatra inona avy no mivoha ho antsika izay manompo an’i Jehovah, ary ao anatin’ny tarehin-javatra ara-panahy manao ahoana isika?
2 Faly aoka izany isika nandre fa hampanjavona tsy ho ela ny fanaintainana sy ny alahelo ary na dia ny fahafatesana koa aza Jehovah (Apokalypsy 21:3, 4)! Eritrereto kely ange: azontsika natao ny nanantena ny hiaina mandrakizay teo amin’ny tany paradisa, hanana fahasalamana tonga lafatra ary ao anatin’ny fahasambarana tsy misy fangarony! Hitantsika ho kanto loatra izany ka tsy ho marina. Kanefa dia marina izany. Nifototra tsara tamin’ny Tenin’Andriamanitra izany fanantenana izany izay nampipararetra ny tenantsika manontolo. Tsy isalasalana fa tamin’izany isika dia nitovy fihetseham-po tamin’ireo mpianatra nisehoan’i Jesosy taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty. Nifampiresaka izy ireo hoe: “Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dàlana Izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masina tamintsika?” (Lioka 24:32). Araka izany, tamin’ny fotoana nanarahantsika ny fahamarinana sy nanolorantsika ny fiainantsika ho an’i Jehovah, dia tonga tao anatin’ny paradisa ara-panahy isika. Tombontsoa re izany!
3. Ahoana no ataon’ny Devoly sy ireo fahavalontsika hafa mba hanandramana mampanary antsika ireo soa ananantsika ao anatin’ny paradisa ara-panahin’i Jehovah?
3 Kanefa, tsy azo amin’ny fomba raikitra akory ny maha-ao amin’io paradisa ara-panahin’i Jehovah io antsika. Niditra an-tsitrapo ho ao isika, nefa mety hivoaka avy ao koa — na horoahina tsy ho ao — raha manary ny finoana isika na raha mandika ireo lalàna marin’i Jehovah. Mazava ho azy fa tsy ho tonga amintsika izany raha toa isika ka mamelona ‘ny fitiavana nananantsika tamin’ny voalohany’ ary raha toa isika ka manohy mandray soa amim-pankasitrahana amin’ny fandaharana rehetra nataon’i Jehovah mba hijanonantsika ho matanjaka ara-panahy (Apokalypsy 2:4). Hita anefa fa kinga amin’ny fahaiza-mamitaka ny devoly mbamin’ny fahavalon’ny fanompoam-pivavahana marina hafa. Tsy tokony hohadinointsika na oviana na oviana fa izy ireo dia mikendry foana ny fahafahana hanapaka ny tsy fivadihantsika. Afa-tsy izany koa, ny fampielezan-kevitr’izy ireo dia natao indrindra mba hampihenana ny finoantsika, hampangatsiahana ny fitiavantsika an’Andriamanitra, hamafazana fisalasalana ao an-tsaintsika, raha lazaina amin’ny teny indraim-bava dia mba hanaovana izay hinoantsika fa rehefa dinihina, ny paradisa ara-panahy dia tsy misy maha-paradisa azy velively.
4. Inona no mety hitranga amintsika raha avelantsika hihena ny finoantsika ka hitombo ao an-tsaintsika ny fisalasalana lehibe?
4 Raha raisina ny oha-teny iray, rehefa jerena akaiky loatra ny hazo (ireo olona tsy tanteraka ao anatin’ny paradisa ara-panahy amin’izao andro izao) dia mety hanakontakona na hanafina tanteraka mihitsy aza ny ala (ny paradisa ara-panahy). Ao anatin’izany toe-javatra izany, ny fihetseham-po tsapantsika fony isika nianatra ny fahamarinana, ny fanantenana mahafinaritra azontsika, ny fampitomboantsika fitiavana an’Andriamanitra sy ireo rahalahintsika ara-panahy, ny zotom-po nanetsika antsika teo amin’ny asan’i Jehovah, izany rehetra izany dia mety hihena. Raha tsy mandray fandaharana hentitra isika mba handrodanana izay rehetra mety ho fironana hihaosa ara-panahy, vetivety dia hoheverintsika fa maneritery ireo fitsipik’ilay Andriamanitsika tia. Ho toa tsinontsinona amintsika ny sakafo ara-panahy tsara omen’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina” antsika. Na dia ao aza ny fitiavana mampiray azy, eo imasontsika, ny fianakavian’ireo mpanompon’i Jehovah dia ho tonga tena tranom-pahavalo. Amin’izay, ny hany ho fahafahampontsika, ratsy anefa, dia angamba ny hiodina hanohitra ireo mpanompo namantsika ka hamely azy ireny amin’ny fanendrikendrehana na ny zavatra tsy tena marina. — Matio 24:45-51.
5. Ahoana no mety hiafarantsika amin’ny fanariana ny mitovy amin’izay verin’i Adama sy Eva fony izy ireo noroahina tsy ho ao amin’ny sahan’i Edena?
5 Raha tonga amin’izany faritra izany isika, dia tsy vitan’ny hoe hamoy ny soa ananantsika dieny izao ao amin’ny paradisa ara-panahy fa, ny mbola ratsiratsy kokoa ihany, dia hanimba ny fanantenantsika hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa ara-bakiteny isika. Ary izany dia noho ny antony mihitsy efa nahatonga ireo ray aman-drenintsika voalohany hamoy ny Paradisan’i Edena. Adama sy Eva tokoa dia nanana izay rehetra nilainy mba hahasambatra tanteraka. Izy ireo ihany no nisafidy raha hiaina mandrakizay izy. Kanefa, ny tsy fiankinana — fampianarana vaovao raha ny marina — dia hitan’izy ireo ho tsaratsara kokoa noho ny fankatoavana an’i Jehovah sy ny fifaliana tao Edena. Voafitaka Eva. Marina fa tsy voafitaka Adama, navelany ny toe-javatra niseho — sy ny fitaoman’ny vadiny nahery — hitarika azy hanota. Tamin’izany dia noroahina tsy ho ao amin’ny Paradisa izy ireo mba hanana fiainana nahantra eo am-piandrasana ny fahafatesana. Samy namoy ny fanantenana fiainana mandrakizay izy mivady ary nampandova fahotana sy fahafatesana ny taranany rehetra (Genesisy 3:1-7, 14-19, 24; I Timoty 2:14; Romana 5:12). Novidiny lafo loatra tamin’izany izay nolazainy ho fahaleovan-tena.
6. a) Inona no fanahiana nolazain’i Paoly momba ny mpikambana sasany tao amin’ny kongregasiona tany Korinto? b) Ahoana no nilazany fanahiana toy izany tao amin’ny taratasy nosoratany ho an’ny kongregasiona tany Tesalonika?
6 Nilaza izao fanahiana izao i Paoly: “Fa matahotra aho, fandrao ny sainareo ho simba hiala amin’ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin’i Kristy, tahaka ny namitahan’ny menarana an’i Eva tamin’ny fihendreny.” (II Korintiana 11:3). Noheverin’ilay apostoly fa nilaina ny handinihana ny sasany tamin’ireo fampianaran-diso niely tamin’ny androny. Ohatra, tao amin’ny taratasiny faharoa ho an’ny kongregasiona tany Tesalonika, dia izao no nosoratany: “Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, (...) mba tsy halaky hohetsiketsehina amin’ny saina na hampitahorina hianareo, na amin’ny fanahy, na amin’ny teny, na amin’ny epistily izay toa avy aminay, milaza fa efa miandoha ny andron’ny Tompo [Jehovah, MN]. Aza mety hofitahin’olona akory hianareo.” — II Tesaloniana 2:1-3.
Aoka isika hitandrin-tena amin’izay rehetra mety ho fifandraisana amin’ny mpivadi-pinoana
7. a) Raha mahita soratra nataon’ny mpivadi-pinoana ianao ao amin’ny taratasy voarainao, inona avy no fanontaniana hipetraka noho izany? b) Nahoana no mampidi-doza ny matoky tena loatra rehefa tokony hiaro tena amin’ny fitaoman’ny mpivadi-pinoana?
7 Ary ianao, inona no hataonao raha toa ianao ka tojo hevitry ny mpivadi-pinoana iray manana fiheverana mamitaka kendrena hampiaikena anao fa diso ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah? Ohatra, ahoana no ho fihetsikao raha toa, rehefa manokatra taratasy iray natao ho anao ianao, ka mahatsikaritra avy hatrany fa avy amin’ny karazan’olona toy izany izy io? Moa ve ny fahalianana ta-hahafanta-javatra hanosika anao hamaky izany, na dia mba hahalalana fotsiny izay resahiny aza? Angamba ianao hiteny anakampo hoe: “Tsy misy tokony hatahorako mihitsy. Ampy tanjaka ao amin’ny fahamarinana aho. Ary na ahoana na ahoana, dia tsy misy tokony hatahorantsika raha manana ny fahamarinana isika. Hivoaka handresy amin’ny fitsapana ny fahamarinana.” Noho ny niheverana toy izany, ny sasany dia namelona ny sainy tamin’ny hevi-diso ka nanomboka nisalasala mafy (jereo Jakoba 1:5-8). Tadidio ny fampitandremana voasoratra ao amin’ny I Korintiana 10:12 manao hoe: “Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.”
8. Mila fanampiana inona moa ireo izay tafihin’ny fisalasalana?
8 Noho ny fiahian’ireo rahalahiny, ny sasany tamin’ireo namafazan’ny mpivadi-pinoana fisalasalana dia tafarina indray taorian’ny fanaintainana sy fikorontanana maro tamin’ny lafiny ara-panahy. Nety ho afaka nitsimbina ny tenany tsy hahita izany zava-manahirana rehetra izany anefa izy ireny. Izao no vakintsika ao amin’ny Ohabolana 11:9: “Ny vavan’ny mpihatsaravelatsihy [mpivadi-pinoana, MN] no animbany ny namany; fa ny fahalalana no hanafahana ny marina.” Tetsy andaniny koa, dia nanao izao fananarana izao ho an’ireo namany kristiana i Joda: “Ary amindrao fo ny sasany izay miahanahana; ary ny sasany kosa sariho avy amin’ny afo no famonjy azy.” (Joda 22, 23). Fa i Paoly kosa, dia nanoro hevitra ny mpiandraikitra iray, Timoty, izy, mba hampianatra “ny mpanohitra amin’ny fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana hahalalany tsara ny marina, ka hody ny sainy ho afaka amin’ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona hanao ny sitrapony”. — II Timoty 2:25, 26.
9. Ao anatin’ny tarehin-javatra mampamoifo inona moa ireo izay miala amin’ny fanompoam-pivavahana marina?
9 Mampalahelo anefa fa tafalentika tao anatin’ny maizina tanteraka ny hafa ka niverina mihitsy aza any amin’ny fampianaran-dison’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Nolazalazain’i Petera koa ny toerana mampamoifo notanan’olona nandeha kelikely tao amin’ny fahamarinana, kanefa niala tamin’izany tamin’ny farany. Izao no nolazainy: “Fa raha misy efa afaka amin’ny fahalotoan’izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an’i Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy, nefa voasingotr’izany indray ka resy, ny farany dia ratsy noho ny voalohany.” Rehefa avy eo, ilay apostoly dia nampitaha azy ireny tamin’ny amboa miverina amin’ny loany sy ny kisoavavy zara raha vao avy nisasa dia mihosim-potaka indray. — II Petera 2:20-22.
10. a) Inona no lazain’i Jehovah raha ny amin’ny fihetsitsika eo anoloan’ny mpivadi-pinoana? b) Hitovy amin’inona moa ny famakiana zavatra voasoratry ny mpivadi-pinoana iray?
10 Angamba isika mirona hanampin-tsofina rehefa misy olona milaza amintsika hoe: “Aza mamaky izao!” na: “Aza mihaino izany!” Aza hadinoina anefa fa amin’io toe-javatra hentitra io dia Jehovah no milaza amintsika amin’ny alalan’ny Teniny ny fihetsika tokony harahina. Inona anefa no ambarany momba ny mpivadi-pinoana? “Mialà amin’ireny olona ireny.” (Romana 16:17, 18). ‘Aza mifanerasera aminy intsony.’ (I Korintiana 5:11, MN). “Aza mampiantrano azy na miarahaba azy akory.” (II Jaona 9, 10). Toromarika mazava izany, baiko hentitra. Raha toa, noho ny fahalianana ta-hahafanta-javatra, ka mamaky zavatra voasoratry ny mpivadi-pinoana fantatry ny maro iray isika, moa ve izany tsy ho toy ny fanasana fahavalon’ny fanompoam-pivavahana marina iray ao an-tranontsika mba hanaranany fo hamelabelatra amintsika ny heviny?
11, 12. a) Ohatra inona no manampy antsika hahatakatra fa tsy afaka mamaky zavatra nosoratan’ny mpivadi-pinoana isika nefa tsy hisetra loza? b) Ahoana no ampisehoan’izany fa mihevitra tokoa ny olony i Jehovah?
11 Aoka isika haka ohatra iray. Raha mahita boky maloto ao anatin’ny vatakely fasiana taratasy ny zanakao mbola zatovo, inona no hataonao? Aoka hatao hoe maneho faniriana ny hamaky izany izy noho ny fahalianana ta-hahafanta-javatra. Moa ve ianao amin’izay hilaza aminy hoe: “Eny, vakio, anaka. Na ahoana na ahoana, dia tsy misy atahoranao mihitsy: hatramin’ny fahazazanao dia nohazavaina taminao fa ratsy ny fahalotoam-pitondrantena. Rehefa dinihina, dia ilaina ny hahafantaranao izay mitranga eo amin’izao tontolo izao mba hampiaiky anao fa tena tsy mahafinaritra izany.” Hanao karazam-pamakafakana toy izany ve ianao? Mazava ho azy fa tsy izany. Tsy isalasalana na dia kely akory aza fa hasehonao ny zanakao lahy fa mampidi-doza ilay boky resahina ka hitaky ny hanafoanany izany ianao. Nahoana? Satria na toy inona na toy inona hery azon’ny olona iray tao amin’ny fahamarinana, raha mamahan-tena amin’ny hevi-dratsy aseho ao amin’ny boky toy ireny izy, dia tsy maintsy handoto ny sainy sy ny fony izany. Ny fanirian-dratsy kobonina hafafin’izany famakian-teny izany ao am-pony anefa, rehefa ela ny ela, dia tena mety hiteraka fahamaimaizana maloto eo amin’ny lahy sy ny vavy. Inona no ho vokany? Nampitandrina antsika ny amin’izany i Jakoba fa ny fanirian-dratsy, rehefa torontoronina dia miteraka ota, ary ny ota kosa miteraka fahafatesana (Jakoba 1:15). Nahoana no misetra ny mety hipoahan’izany vokany mitohitohy izany?
12 Noho izany, dia azo antoka fa hanao fandaharana hentitra isika mba hiarovana ireo zanatsika amin’ny zavatra maloto. Raha izany no izy, moa ve tsy araka ny fandrindran-kevitra raha toa ny Raintsika any an-danitra miaro antsika amin’ny fomba toy izany amin’ny fijangajangana ara-panahy izay anisany ny fivadiham-pinoana? Izany no antony ilazany amintsika tsy misy olakolaka hoe: “Aza mikasika izany!”
13. Any am-pitoriana, inona no azo atao raha misy olona mametraka fanontaniana amintsika ny amin’izay lazaina na soratan’olona mpivadi-pinoana?
13 Aoka anefa hatao hoe mametraka amintsika fanontaniana sy fanoherana sahala amin’ny an’ireo fahavalontsika ny olona iray eny am-pitoriana. Mazava ho azy fa raha tsy tso-po izy fa maniry hiady hevitra fotsiny, ny tsara indrindra dia ny hanapahana ny fifanakalozan-kevitra ka hankanesana ao amin’ny varavarana manaraka. Raha manontany antsika izao ny olona tso-po iray ny amin’ny fanizingizinana toy izao na izao ataon’ny mpivadi-pinoana, inona no hataontsika? Azontsika atao aloha ny manontany azy marina izay mampanahy azy. Angamba izany hevitra hentitra iray na roa. Raha izany no izy, dia tsy hihataka amin’izany isika. Hovaliantsika izy amin’ny alalan’ny Soratra Masina, ireo bokin’ny Fikambanana sy ireo fahamarinana nianarantsika momba ilay foto-kevitra. Tsy ilaintsika velively ny hamaky boky na bokikely iray feno fanendrikendrehana na zavatra tsy tena marina mba hanoherana ny fanantitranterana sy ny fampianarana laingan’ireo fahavalontsika.
Aoka isika hametraka ny fitokisantsika amin’i Jehovah
14. Ahoana moa no iahian’ny Raintsika any an-danitra antsika, ary nahoana isika no afaka mitoky tanteraka aminy?
14 Amin’ny fandrosoana, amin’ny fanatanjahana ny finoantsika sy amin’ny fijanonana ho marisika amin’ny asan’ilay Fanjakana, dia aza misalasala mametraka ny fitokisantsika amin’i Jehovah. Raintsika any an-danitra izy, tiantsika izy ary maniry ny hahasambatra antsika. Manome antsika fampitandremana sy mampianatra antsika amin’ny alalan’ny Teniny sy toromarika hentitra ampitain’ny fandaminany hita maso izy. Raha mangataka mofo sy hazandrano amin’ny rainy tia ny zanaka iray, dia tsy hanome azy vato na bibilava izy, sa tsy izany? Toy izany koa, Andriamanitra dia tsy handiso fanantenana ny fanampoizantsika (Matio 7:7-11). Na dia izany aza, dia tsy esoriny tanteraka amintsika ny fakam-panahy na ny lainga sy ny fampielezan-kevitra araka ny Devoly. Izao no nambarany ny amin’ny tenany: “Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no nampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao.” (Isaia 48:17). Eny, ‘mampianatra antsika hahita soa’ Jehovah. Mangataka antsika hihataka amin’ireo mpivadi-pinoana sy ny fampianarany izy, ary izany dia ho fiarovana antsika. Iankinan’ny aintsika izany.
15. Fampitandremana inona moa no nomen’i Paoly an’ireo izay hitady hitarika an’ireo mpianatra hanaraka azy?
15 Ireo izay loholona sahala aminy, dia nandefasan’ny apostoly Paoly izao fampitandremana izao: “Avy aminareo no hiposahan’ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy.” (Asan’ny apostoly 20:30). Raha henointsika foana ireo fanaporofoan-kevitra mamitaka sy fiheverana toa marina asehon’ny mpivadi-pinoana, amin’ny farany ireny “teny tsy marina” ireny dia mety ho toa mahitsy amintsika. Arakaraka ny nijeren’i Eva ny voankazo voarara sy nihainoany ny fiheveran-dison’ny Devoly no nampiaiky azy fa marina ny an’io. Nandefa izao fampitandremana izao i Paoly: “Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy.” (Kolosiana 2:8). Nambaran’ilay apostoly koa fa “teny malefaka sady tsara lahatra no amitahany [ny mpivadi-pinoana] ny fon’ny tsy ary saina.” (Romana 16:17, 18; jereo II Korintiana 11:13-15.) Marina fa tsy hoe misy sasany azon’ny fampielezan-keviny dia hoe hanaraka azy ireny isika. Mety anefa ny hitandremantsika tena.
16. Fampitandreman’ny Baiboly inona avy no mety hanampy antsika hahatohitra ireo fiezahan’ny Devoly nokendrena hamitahana antsika sy hampialana antsika amin’ny fanompoam-pivavahana marina?
16 Tsy niova ny tetikadin’ny Devoly hatrany Edena. Manohy mametraka fanontaniana mamitaka sy mampiasa ny fitiavan-tenan’ireo voany izy. Izao no nosoratan’i Petera: “Hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo, izay hahatonga mangingina sain-diso mahavery (...). Ary amin’ny hafatratry ny fitiavany harena no hanaovany varotra anareo amin’ny teny mamitaka.” (II Petera 2:1-3). Miseho ho toa fahamarinana foana ny teny mamitaka. Ao amin’ny II Timoty 2:14-19, dia asehon’i Paoly ny maha-zava-dehibe ny hampiasana ny Tenin’i Jehovah mba hanitsiana izay diso. Soritany koa anefa ny ilàna handa ny mpivadi-pinoana ‘mibedibedy foana’, satria, hoy izy, “ny teniny dia handany tahaka ny aretina mihady”.
17, 18. a) Amin’ny ahoana moa ny fampianaran’ireo apostoly no azo ampitahaina amin’ny aretina mihady? b) Ahoana no ampitandreman’ny apostoly Petera antsika amin’ireo izay miezaka hampiala antsika amin’ny fanompoam-pivavahana marina? d) Fanontaniana inona avy no hovaliantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
17 Mampiasa fanoharana tsara eo i Paoly. Tahaka ny aretina mihady tokoa, ny fiheveran’ireo mpivadi-pinoana dia tena tsy misy vokany afa-tsy fampielezana haingana ny fahafatesana ara-panahy. Etsy andaniny koa, noho ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona azo ampitahaina amin’ny tena iray, dia mety ho voaloto ny rehetra. Raha toa àry izay mampiely fampianaran’ny mpivadi-pinoana ka tsy mahita indray fahasalamana ara-panahy tsara na dia ao aza ny fampiharana amim-pahalemem-panahy sady amin’ny fomba hentitra ny balisaman’ny Tenin’Andriamanitra, dia tsy misy tokony hatao intsony afa-tsy ny fanapahana (fandroahana) azy mba hiarovana ny rantsam-batana hafa ao amin’ny tena (jereo Titosy 1:10, 11). Aza manaiky holotoin’izany aretina mihady ara-panahy miteraka fahafatesana izany. Arovy ny fahasalamanao ara-panahy amin’ny fanalavirana izay rehetra mety ho fifampikasohana amin’ny fiheveran’ny mpivadi-pinoana. Araho ny torohevitra feno fahendrena voarakitra ao amin’ny II Petera 3:17, 18, manao hoe: “Koa satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan’ny fahadisoan’ny ratsy fanahy hianareo ka ho lavo hiala amin’izay iorenanareo; fa mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy.”
18 Fa ahoana no azontsika iarovan-tena amin’ny fivadiham-pinoana. Izany no ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
Tadidinao ve?
◻ Ahoana no mety hamoizana ny soa ananantsika ao amin’ny paradisa ara-panahin’i Jehovah?
◻ Nahoana no azo atao ny manorina fampitahana ny famakiana zavatra nosoratan’ny mpivadi-pinoana sy ny famakiana boky maloto?
◻ Inona no azontsika atao raha ametrahana fanontaniana ny amin’ny fanambarana sasany ataon’ny mpivadi-pinoana isika?
◻ Nahoana ny fampianaran’ny mpivadi-pinoana no azo ampitahaina amin’ny aretina mihady?
[Sary, pejy 12]
Maneho fahendrena ve ianao ka manafoana ny zavatra nosoratan’ireo mpivadi-pinoana?