Ahoana no mety “hahazoantsika sitraka indrindra” amin’i Jehovah?
VITSY dia vitsy amin’izao andro izao ny olona miahy ny amin’ny hahafantarana raha ankasitrahan’Andriamanitra ny teniny sy ny ataony. Na dia ireo izay mihambo ho miahy ny amin’izany aza, amin’ny ankamaroany dia toa manompo an’Andriamanitra amin’ny molotra fotsiny. Raha ny marina, dia izao no azo lazaina ny amin’ny ankamaroany: “Tsy mahazo sitraka amin’Andriamanitra izy ireny.” — I Tesaloniana 2:15, MN.
Ny sasany izay milaza tena fa kristiana dia mihevitra fa mahazo sitraka amin’Andriamanitra izy raha mbola tsy mandika koa ny Didy Folo. Tsy izany anefa no izy! Izao no nambaran’i Jesosy Kristy, Ohatra halaintsika tahaka: “Izaho manao izay sitrany [sitrak’Andriamanitra] mandrakariva.” (Jaona 8:29). Eny, nahazo sitraka tamin’ny Rainy izy satria nanao zavatra sasany. Tena ilaina ny hanaovan-javatra, araka ny miharihary amin’ny vavaka notononin’ny apostoly Paoly ho an’ireo rahalahiny tany Kolosia. Nangataka izy mba hahafahan’izy ireo “mandeha amin’ny fomba mendrika an’i Jehovah, mba hahazoana sitraka indrindra aminy, raha mbola [nanohy] nahavokatra tamin’ny asa tsara rehetra izy ireo”. — Kolosiana 1:9, 10, MN.
Kanefa tena azo atao ve ny ‘hahazo sitraka indrindra’ amin’i Jehovah? Marina fa noho ny kristiana tsy tanteraka dia tsy afaka ny hahazo sitraka tanteraka amin’Andriamanitra izy. Na dia izany aza, dia afaka miasa amim-paharisihana amin’io heviny io izy, amin’ny fananana ho zava-kendrena ny “hahazoana sitraka indrindra” aminy. Koa satria i Paoly niresaka ny amin’ny hoe “nahavokatra tamin’ny asa tsara rehetra”, dia ilaina ny hanatanterahana asa mahasoa. Mazava ho azy fa tsy azontsika atao ny mitanisa eto ny asa rehetra toy izany. Azontsika atao anefa ny manome foto-javatra vitsivitsy hoeritreretina. Raha toa ka ahariharin’ireo hevitra ireo fa tokony hanao fiovana eo amin’ny lafiny sasany amin’ny fiainanao ianao, dia matokia fa hitahy ny fiezahana hataonao mba hahazoana sitraka aminy i Jehovah. Mba “hahazoana sitraka indrindra” amin’i Jehovah tokoa, dia ilaintsika ny mitandrina tanteraka ny fisainantsika sy ny tenintsika ary ny ataontsika.
Inona no holazaina ny amin’ny fisainantsika?
Milaza amintsika ny Tenin’Andriamanitra fa “tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’Izay iafaran’ny ataontsika”. (Hebreo 4:13.) Na ny olona na ny demonia dia tsy afaka mamaky ao amin’ny eritreritsika, fa afaka manao izany kosa Andriamanitra. Irintsika anefa ny hankasitrahany ny eritreritsika rehetra. Ho tsara àry ny hametrahana ireto fanontaniana ireto: Inona no tiako hoeritreretina rehefa tsy mitaky fifantohan-tsaina lehibe ny asa ataoko? Inona avy no foto-kevitra alehan’ny saiko avy hatrany?
Afaka manontany tena toy izao koa isika: Mahafinaritra ahy ve ny manao ariary zato am-pandriana, ny manonofinofy harena, voninahitra na fiderana mety hoentin’ny zavatra malaza vita maro ho ahy? Manana hevitra tsy manorina ve aho? Ohatra, moa ve aho manavesa-tena amin’ny tsy rariny izay resahiko miverimberina foana sy mandrakariva? Moa ve aho mirona saika tsy ankijanona hamela ny saiko hiato eo amin’ny fahafinaretana momba ny lahy sy ny vavy? Sa kosa aho mamolavola tsy misy fiatoana planina sy volavolan-kevitra noho ny fikendrena ny hahazo vola?
Eritrereto izao: Afaka ny ‘hahazo sitraka indrindra’ amin’i Jehovah ve isika amin’ny famenoana ny saintsika amin’ny hevitra toy izany? Azo antoka fa tsy izany! Roahy àry izany amin’ny fanaovana vavaka amin-kafanam-po, amin’ny fangatahana ny fanampian’Andriamanitra sy amin’ny famenoana ny saintsika amin’ny hevitra mahitsy, manorina, mahasoa, madio sy mendrika (Filipiana 4:8). Hahasoa antsika lavitra ny hifehezana ny saintsika sy ny hampifantohana azy amin’ny zavatra mifandray amin’ny fanompoam-pivavahana atolotsika ho an’i Jehovah. Eritrereto ny Fanjakan’Andriamanitra akaiky dia akaiky. Tadidio ireo hevitra nianaranao vao haingana tao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Halalino ireo hevitra hodinihina ao amin’ireo fivoriana manaraka, indrindra fa ireo tapany amin’ny fandaharana tokony hovelabelarinao. Eritrereto ny fomba azonao anatsarana ny fitorianao. Tadidio fa, alohan’ny zavatra rehetra, dia minisitra kristiana ianao.
Ny sasany nampiana tamin’izany tamin’ny fijerena indray andinin-teny ao amin’ny Soratra Masina nianarany tsianjery na tamin’ny fikalokaloana hiran’ilay Fanjakana. Mba hampahatsiarovana ny tenany izay tokony hatao, dia hitan’ny minisitra kristiana iray fa nilaina ny hamoronana izao tononkalo izao sy ny hisaintsainana azy:
“Andriamanitra ô, ampio aho hanaiky
Izay avelan’ny sitraponao sy ny fitiavanao hatao.
Enga anie aho ka tsy hikomy mihitsy,
Satria tanteraka ny ataonao sy ny asanao ary ny lalanao.”
Eny, mivavaha hatrany toy ny nataon’i Davida mpanjaka fahiny hoe: ‘Aoka ny fisainan’ny foko hankasitrahana eo imasonao, Jehovah ô!’ — Salamo 19:14.
Inona no holazaina ny amin’ny tenintsika?
Izao koa no nolazain’i Davida tao amin’ny vavaka nataony: “Aoka ny tenin’ny vavako (...) hankasitrahana eo imasonao, Jehovah ô!” (Salamo 19:14). Araka ny asehon’ny andinin-teny ao amin’ny Jakoba 3:2-12, dia olona tanteraka ihany no afaka mitana tsy misy diso ny lelany. Tokony hiezaka hifehy azy io anefa isika raha tiantsika ny ‘hahazo sitraka indrindra’ amin’i Jehovah.
Manonona teny be dia be isika isan’andro ary mazava ho azy fa tsy afaka manantena ny hiresaka foana ny amin’ny foto-kevitra araka ny Baiboly isika. Na inona na inona anefa foto-kevitra resahintsika, dia azontsika atao ny miahy ny amin’ny hahazoana sitraka amin’i Jehovah. Fantatsika, ohatra, fa tsy mety hahafaly ny Raintsika any an-danitra ny ompa, ny teny mahamenatra, tsy manaja na tsy mendrika. Tokony hohalavirintsika àry ny fanaovan-dresaka sahala amin’izany. — Efesiana 5:3, 4.
Etsy andaniny koa, mba hahazoana sitraka indrindra amin’ny Mpamorona antsika amin’ny lafin’ny fitenenana, dia tokony hitandrina isika mba tsy hanendrikendrika na hanebaka ny hafa amin’ny tenintsika. Tokony ho azo atao ny hilaza toy izao ny amintsika: “Tsy manendrikendrika amin’ny lelany, sady tsy manisy ratsy ny sakaizany, ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany.” Na dia mety hiharan’ny tsy rariny aza isika, dia tokony hitandrina mba “tsy hiteny ratsy olona”. — Salamo 15:3; Titosy 3:2.
Eo amin’ny ora fisakafoana, dia manana fahafahana maro hanao izay “hahazoana sitraka indrindra” amin’i Jehovah isika amin’ny teny ataontsika. Mazava ho azy fa tsy fotoana tokony hahatezerana sy hanaovana izay hahasosotra olona akory eo. Be dia be aoka izany ny zavatra mahafinaritra azo ifanakalozan-kevitra! Tokony hanararaotra izany indrindra isika rehefa asain’olona na manasa olona. Matetika tokoa no ny kristiana be resaka indrindra fa tsy ny kristiana matotra no mitarika ny resaka. Hanasa kristiana iray efa nanana fanandraman-javatra nandritra ny taona maro tao amin’ny asa manontolo andro ve ianao? Mahalala tsara ny Tenin’Andriamanitra ve izy? Mampiasà àry fahaiza-manavaka mba hampitenenana azy. “Rano lalina ny hevitra ao am-pon’ny olona; fa izay manan-tsaina dia mahay manovo azy ihany”, mba hahasoa izay rehetra hanatrika eo. — Ohabolana 20:5.
Afa-tsy izany koa, mba “hahazoana sitraka indrindra” amin’i Jehovah amin’ny fitenintsika, dia tokony hanararaotra ny toe-javatra miseho rehetra isika mba hanaovana fanambarana tampotampoka ho an’ny anaran’Andriamanitra sy ny Fanjakany. Raha ny marina, ny minisitra kristiana iray dia mety hahazo vokatra tsara dia tsara amin’io karazam-pitoriana io. Na dia izany aza, ny fomba voalohany hahazoana sitraka amin’i Jehovah amin’ny tenintsika sady hitondrana soa ho an’ny hafa koa dia ny fampahafantarana ny hafatra momba ilay Fanjakana isan-trano. — Asan’ny apostoly 20:20.
Mba hahatonga ny tenintsika ‘hankasitrahan’i Jehovah indrindra’ rehefa mandeha mitory isika, dia aoka isika hanao fiezahana mandrakariva mba hanatsara ny fomba fampisehoantsika ny hafatra momba ilay Fanjakana. Noho isika notendrena hitondra ny “vaovao tsara”, sahala amin’ny apostoly Paoly dia tiantsika ny hiteny ‘tsy toy ny mila sitraka amin’olona, fa amin’Andriamanitra, Izay mizaha toetra ny fontsika’. Ary aoka tsy hohadinointsika fa ilaina ny hampiasana ny molotsika mba hiaikena ampahibemaso ny finoantsika ao amin’ireo fivoriana kristiana izay azontsika amporisihana ny hafa ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara. — I Tesaloniana 2:4; Hebreo 10:23-25.
‘Aoka isika hanao izay hahazoana sitraka indrindra’ amin’i Jehovah amin’ny fitondrantenantsika sy amin’ny ataontsika
Mba “hahazoana sitraka indrindra” amin’i Jehovah, dia tokony hotandremantsika koa ny fitondrantenantsika isan’andro ary indrindra fa ny fialam-bolintsika. Eny, na dia rehefa mitady ny hiala voly aza isika, dia tsy tokony hailika Andriamanitra. Toa tafahoatra loatra aminao ve izany fihetsika izany? Tsy toy izany velively rehefa heverina amin’ireto tenin’i Paoly ireto: “Na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.” Tokony hotadidiantsika ao an-tsaina ny fampitandremana fa “izay ao [mifanaraka, MN] amin’ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon’Andriamanitra [tsy mety hahazo sitraka amin’Andriamanitra, MN]”. Alohan’ny zavatra rehetra àry, dia tokony hahasoa ny fialam-bolintsika. — I Korintiana 10:31; Romana 8:8.
Tsy azontsika odian-tsy fantatra koa ny anton-javatra toy ny fahalalana onony sy ny fotoana. Mba “hahazoana sitraka indrindra” amin’i Jehovah, dia tokony homentsika ny toerana tandrifina azy ny fialam-boly, izany hoe tokony ho ambinambiny izany fa tsy zava-dehibe voalohany indrindra. Tsy tokony hikatsaka fialam-boly aoka izany mihitsy isika, na fandaharana manokana ao amin’ny televiziona izany na fifaninanana amin’ny fanatanjahan-tena, ka hamela izany hisalovana eo amin’ny famonjentsika ireo fivoriana na ny fandraisantsika anjara tsy tapaka amin’ny fitoriana. — Matio 6:33.
‘Ny fahazoana sitraka indrindra’ amin’i Jehovah dia mitaky koa ny hanaovantsika soa amin’ireo rahalahintsika kristiana rehefa misy azo anaovana izany na rehefa tsapa fa ilaina izany. Izao no vakintsika ny amin’izany: “Aza manadino hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak’Andriamanitra.” Ny apostoly Paoly dia nampitaha ny hatsaram-po nasehon’ireo kristiana tany Filipy taminy, tamin’ny “fanatitra tian’Andriamanitra sady ankasitrahany”. — Hebreo 13:16; Filipiana 4:18.
Ahoana no mety hahazoan’ny zanaka “sitraka indrindra” amin’i Jehovah eo amin’ny lafin’ny fitondrantenany? Nasehon’i Paoly fa ny fomba iray lehibe dia lehibe hanaovana izany dia ny fankatoavana ireo ray aman-dreniny “ao amin’ny Tompo”. Hoy koa izy: “Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin’ny Tompo izany.” — Efesiana 6:1-3; Kolosiana 3:20.
Amin’ny maha-mpanompon’Andriamanitra vita fanoloran-tena, isika rehetra dia nandray soa tamin’ny hatsaram-po aoka izany avy amin’i Jehovah sy ny fiasany eto an-tany, hany ka tokony hiahy ny amin’ny “hahazoana sitraka indrindra” aminy isika, hetsehin’ny fankasitrahana sy ny fitiavana lalina an’Andriamanitra. Tsy azo lavina fa ny fankasitrahantsika sy ny fitiavantsika dia mitaky ny tsy “handraisana foana ny fahasoavan’Andriamanitra”. (II Korintiana 6:1.) Marina sy tsara koa ny hitadiavana ‘hahazo sitraka indrindra’ amin’i Jehovah satria izy no Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao. Ambonin’izany, dia ny fitadiavana ‘hahazo sitraka indrindra’ amin’i Jehovah no lalam-pahendrena indrindra, satria ilaina izany dieny izao ary manana ny fampanantenana ny fiainana ho avy. — I Timoty 4:8.
Eny, tiantsika ny hitandrina ny fisainantsika, ny tenintsika, ny fitondrantenantsika sy ny ataontsika. Noho ny fanampian’i Jehovah, dia hanao toy izany isika mba hahazoana sitraka aminy amin’ny fomba feno kokoa hatrany. Aoka isika tsy hitsahatra ny handroso amin’io lafiny io. Enga anie isika hihevitra kosa amin’ny toe-javatra rehetra ny torohevitra nomen’ny apostoly Paoly ho an’ny kristiana tany Tesalonika manao hoe: “Ary farany, ry rahalahy, mangataka aminareo sy mananatra anareo ao amin’i Jesosy Tompo izahay, mba ho araka ny nandraisanareo taminay izay mety handehananareo sy hanaovanareo ny sitrapon’Andriamanitra — dia araka ny andehananareo ihany — no hitomboanareo bebe kokoa.” — I Tesaloniana 4:1.
[Sary, pejy 23]
Aza mamela ny fialam-boly hisalovana amin’ireo asanao amin’ny maha-kristiana.