Ny fitomboan’ilay Fanjakana any amin’ny tanin’ireo emperora
DINIHO ny sarintanin’i Eoropa afovoany iray, dia ho voamarikao, mitokotoko eo am-pototr’i Alpes, tany kely iray izay 83 850 km2 monja ny velarany, Autriche. Tany no teraka i Johann Strauss, mpanjakan’ny “valse”. Any no misy tonga mba hijery amim-pahafinaretana ireo sary nataon’ny “lipizzans”, zavatra atao marika. Tany koa, tamin’ny fotoana sasany, no nisy ny renivohitry ny empira “austro-hongrois” nahery, izay nanapaka tany Bohême, Moravie, mbamin’ny faritra sasany tamin’i Italie, Pologne, Roumanie sy Yougoslavie.
Fahatsiarovana fotsiny sisa io empira io amin’izao andro izao, kanefa mbola nisy izy io tamin’ny 1911, fony Charles Russell, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower voalohany, nitsidika an’i Vienne ka nanao tany, lahateny iray noresahin’ny gazety teo an-toerana be dia be. Mbola nisy foana io empira io telo taona taty aoriana, rehefa tonga nitondra ny vaovao tsara tany ny lehilahy hafa iray.
Io lehilahy io, Max Freschel, dia Jiosy nantsoina hoe Maxwell Friend taty aoriana. Nitantara toy izao izy: ‘Rehefa tonga tao amiko i Joseph Rutherford, izay ho tonga prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower faharoa, dia nanontany ahy izy raha ho tiako ny hirahina any Autriche-Hongrie, mba hampiely ny vaovao tsaran’ny Fanjakana mesianika eo amin’ireo Jiosy maro tany. Nanaiky tamim-pifaliana izany fanasana izany aho, ary teo am-piandohan’ny 1914, dia nandeha ho any Prague aho. Avy eo dia lasa nankany Vienne aho. Tsy nisy afa-tsy olona efatra nanao famandrihana tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tany Vienne; nitsidika azy ireo imbetsaka aho ka nampitombo ny fankafizany ny Tenin’Andriamanitra.’
Taty aoriana anefa, tamin’io taona io ihany, dia nisy namono ny zanaky ny mpanjaka mpandova tany Autriche, ary latsaka tao amin’ny Ady Lehibe Voalohany i Eoropa. Resy tamin’ny ady ireo fanjakana mahery tany Eoropa afovoany, anisan’izany ny Empira “austro-hongrois” nahery, ary nirodana ity voalaza farany. Nipoitra avy tao amin’ny sisan-javatra rava ny repoblika kelin’i Autriche miteny alemana.
Araka ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly anefa, dia tokony ho teraka tamin’izany fotoana izany ny firenena ara-panahy iray izay hanana mpikambana haneran-tany (Isaia 66:8). Koa satria io “firenena” io nanomboka nampiely tamin’ny toerana rehetra ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra naorina vao haingana, tsy ela dia tsapa ny heriny.
Tamin’izany no nandrenesan’i Joseph Ehm, mpampianatra mozika iray tany Deutsch Wagram, any akaikin’i Vienne, izany hafatra izany ka nahafantarany ny feon’ny fahamarinana araka ny Baiboly. Tsy ela dia nanomboka nampita ny vaovao tsara tamin’ny hafa izy. Tamin’ny taona nanaraka, tamin’ny 1921, Franz Ganster, “comptable” iray tany Klagenfurt izay tia ny fahamarinana koa, dia naharay boky nalefa avy tany Soisa. Tamin’izany fotoana izany ihany koa, Simon Riedler, mpiompy sady mpamboly tany Haute-Autriche, dia nahazo bokikely avy tamin’ny sakaiza iray nonina tany Linz. Fanombohana kely izany, ary tamin’ny 1923 dia nosokafana tany Autriche, any Vienne, ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower. Latsaka teo amin’ny tany lonaka ny voan’ny fahamarinana ka nanomboka nitombo. Tamin’ny 1937, dia olona 549 no nandray anjara tamin’ny asa fitoriana ny vaovao tsara.
Fahasahiranana maneran-tany faharoa
Kanefa, tao anatin’izany fotoana izany ihany koa, dia nitranga ny fisehoan-javatra hafa izay hisy vokany hahatsiravina tokoa ka handefa indray an’i Autriche eo anoloan’ny sehatra iraisam-pirenena. Tamin’ny 1938, dia nisy fikorontanam-pirenena sy fifandrafiana ara-politika nahatonga an’i Adolf Hitler, mpitahiry ny fanombohan-kasem-panjakana alemana avy any Autriche, ho afaka hanambatra ny tany niaviany tamin’ny Reich na empira alemana. Ny fanaovana izany dia lanin’ny vahoaka nanerana ny firenena sy notohanan’ny ambaratongam-pivavahana katolika teo an-toerana, kanefa avy hatrany izany dia niteraka zava-nanahirana tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izay nonina tany Autriche.
Noho ny fialanalanan’izy ireo, dia maro taminy tamin’izay no nalefa ho any amin’ireo toby fitanana. Izao no notantarain’ilay boky hoe Die Geschichte des Konzentrationslagers Mauthausen (Tantaran’ny toby fitanana tany Mauthausen), izay ny sasinteniny dia nosoratan’i Franz Jonas, prezidàn’ny Repoblika federalin’i Autriche taloha: “Tao amin’ny toby fitanana tany Mauthausen dia nisy antokon’olona mpigadra izay tsy nenjehina afa-tsy noho ny antony ara-pivavahana: ireo anisan’ny antokon’ny ‘Mpianatra ny Baiboly tso-po’ na ‘Vavolombelon’i Jehovah’. Noho izy ireo tsy nety nanao fianianam-pahatokiana tamin’i Hitler sy nanao raharaha miaramila na inona izany na inona — vokatra ara-politikan’ny zavatra inoany — no nanenjehana azy ireo.”
Fitomboana vao haingana
Tsy naharitra afa-tsy taona vitsivitsy ny Reich ‘arivo taonan’i’ Hitler, ary rehefa lavo izy dia nahita indray ny fahafahany ireo mpanompo mahatokin’Andriamanitra. Alois Moser, 84 taona, izay nandany taona maro tany amin’ireo toby fitanana, dia nahatsiahy toy izao ny andro nanafahana azy tamin’ny 1945: “Tao amin’ny ala iray teny akaikin’i Schwerin, any Mecklembourg, no nivorian’ny Vavolombelona 230 avy amin’ny firenena folo. Naneho ny fankasitrahana sy ny fifaliana nahasafononoka ny fonay tamin’izao fanapahan-kevitra izao izahay: ‘Izahay, Vavolombelon’i Jehovah tafavory eto, dia mandefa ny fiarahabanay mafana amin’ny vahoaka mahatokin’ny faneken’i Jehovah sy ireo namany maneran-tany (...). Manambara ampahibemaso izahay fa tokana ihany ny fanirianay: noho izahay velom-pankasitrahana lalina noho ireo porofo tsy tambo isain’ny fomba mahatalanjona niarovana sy nanafahana anay tamin’ny fahasahiranana sy ady ary fahoriana maro nandritra ny nivahinianay tao an-davaky ny liona, dia irinay ny havela hanompo an’i Jehovah sy ilay Mpanjakany lehibe, Jesosy Kristy, amin’ny fo tsara fikasa sy falifaly mandrakizay doria.’ ”
Herintaona taty aoriana, dia olona 730 no nanome filazana ny asa vitan’izy ireo mba hiderana an’i Jehovah. Roa taona taty aoriana, dia 1551 ny isan’ny Vavolombelona ary tsy nitsahatra ny fitomboana isa hatramin’izay. Nisy vokany koa ny asa fitoriana teo amin’ireo mpiasa vahiny an’arivony maro. Amin’izao fotoana izao any Autriche dia misy antokon’olona kristiana miteny “hongroise”, anglisy, polone, “roumaine”, espaniola, tiorka sy arabo, ambonin’ireo kongregasiona 229 miteny alemana sy ireo kongregasiona 6 miteny “serbo-croate”. Maherin’ny 15 000 izao ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’io tany io, kanefa olon-kafa maro be hafa koa no voasinton’ny vaovao tsara. Tamin’izany no nanisana tamin’ny 1985, mpanatrika 27 502 tamin’ny fahatsiarovana isan-taona ny nahafatesan’i Jesosy Kristy. Tsy azo lavina fa ‘tonga arivo ny kely’. — Isaia 60:22.
Fampisehoana firaisan-tsaina maneran-tany
Noho ny toeran’i Autriche ara-jeografia, dia nisy Vavolombelona avy any Gresy, Yougoslavie, Pologne, Hongrie sy Tiorkia faly nivory tao amin’io tany io tao anatin’izao taona faramparany izao. Tamin’ny 1981, tamin’ny fivoriamben’ny distrika “Ny tsy fivadihana amin’ilay Fanjakana”, dia nampihetsi-po tokoa ny nahita Vavolombelona aotrisiana niara-nitsangana tamin’ireo rahalahiny avy any Yougoslavie, Pologne sy Hongrie, mba hamarana ny fivoriambe tamin’ny fihirana tamim-pifaliana hira iray ho fiderana an’i Jehovah!
Tamin’ny 1982, ny Vavolombelona aotrisiana dia nandray indray ireo rahalahiny “hongrois” tamin’ny fivoriambe iray natao tany Vienne. Ny mpanao fanatanjahan-tena “viennois” taloha dia nitantara tamin’ny mpanatrika fa teo amin’io kianja nanaovana ny fivoriambe io indrindra izy taloha no nanao fanazaran-tena, ary ny fifaninanana nandraisany anjara farany dia nampifanohitra azy tamin’ny antoko “hongroise”. Taty aoriana, ny Vavolombelona “hongrois” iray dia niseho tao amin’ny biraon’ny fivoriambe mba hanazava fa izy koa dia nanao ny fanatanjahan-tena ho anton-draharahany ary tamin’ny fihaonana ara-panatanjahan-tena nataony farany izy dia niady tamin’ny antoko aotrisiana. Ankehitriny dia tsy mitady hifampihoatra intsony ireo lehilahy ireo. Miara-manao ny fihazakazahana kristiana ho amin’ny fiainana mandrakizay izy ireo. — Hebreo 12:1.
Mitohy ny fitomboan’ilay Fanjakana
Misy olona samy hafa fiaviana sy hevitra ara-politika ary zavatra inoana ara-pivavahana mahatakatra fa ireo zava-manahirana ny olombelona dia tsy ho voalamina amin’ny farany na amin’ny alalan’ny fitondran’ny mpanjaka tokana, na ny fitondrana tsy refesi-mandidy, na ny fitondrana entim-bahoaka. Marihina àry ny fitomboana tsy misy toy izany eo amin’ny laharan’ireo izay manaiky ny Fanjakan’Andriamanitra ho zavatra tena misy ka manaiky izany amin’ny fo rehetra amin’ny maha-vahoakany mahatoky. Ny Vavolombelon’i Jehovah any Autriche dia hanohy hampita amin-jotom-po ny vaovao tsaran’ny fanjakana amin’ny olona isan-karazany. Ao amin’io tanin’ireo emperora io, dia omeny ny toerana voalohany foana io Fitondram-panjakana io izay ny fanapahany mahasoa dia hitatra “hatramin’ny ranomasina ka hatramin’ny ranomasina (...), ary hatramin’ny Ony ka hatramin’ny faran’ny tany”. — Salamo 72:8.
[Sarintany, pejy 26]
(Jereo ny gazety)
RÉPUBLIQUE FÉDÉRALE D’ALLEMAGNE
TCHÉCOSLOVAQUIE
AUTRICHE
HONGRIE
YOUGOSLAVIE
ITALIE
ALPES
SOISA