FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 15/5 p. 3-4
  • Velom-panahiana ve ianao noho ireo zanakao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Velom-panahiana ve ianao noho ireo zanakao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Zanakalahy iray very
  • Inona no Ianarantsika avy Amin’i Maria?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Bevohoka i Maria Nefa Tsy Nanambady
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Nianatra Nankatò i Jesosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • ‘Nandinika Lalina tao Am-pony Izy’
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 15/5 p. 3-4

Velom-panahiana ve ianao noho ireo zanakao?

MAZAVA ho azy izany. Telo monja amin’ireo loza mandrahona ny zanakao ny aretina, ny zavatra mahadomelina ary ny ditra. Ara-dalàna raha misy ray aman-dreny mitebiteby, ary manahy mafy mihitsy aza, noho ireo zanany.

Araka ny asehon’ny Baiboly, ireo fihetseham-po ireo dia mpahazo ny ankamaroan’ny ray aman-dreny tao anatin’ny tantara rehetra. Tsarovy fa naniraka an’i Josefa i Jakoba hanontany ny amin’ireo rahalahiny, satria velom-panahiana noho ny aminy izy (Genesisy 37:13, 14). Nitebiteby mafy koa i Joba ny amin’ireo zanany lahy, rehefa olon-dehibe ireo ary nanana ny ankohonany manokana. Niteny anakampo izy hoe: “Fandrao efa nanota ny zanako ka nandà an’Andriamanitra tao am-pony.” — Joba 1:4, 5.

Na dia i Josefa sy Maria aza dia velom-panahiana ny amin’i Jesosy tanteraka, zanak’izy ireo. Marina loatra raha indray andro — fony Jesosy 12 taona — izy ireo dia velom-panahiana mafy manokana, satria tsikariny fa very izy. Nanaja azy ireo anefa ny zanany, ary izy ireo koa dia tsy nanana na inona na inona hanakianan-tena. Aoka hodinihintsika izay tena nitranga marina tamin’io andro fahatsiaro io ary aoka hoheverintsika izay fianarana azon’ny ray aman-dreny ankehitriny tsoahina avy amin’io fisehoan-javatra io.

Zanakalahy iray very

Raha manan-janaka ianao, dia angamba hitovy fihetseham-po amin’i Maria rehefa niteny mafy an’i Jesosy izy tamin’ny filazana hoe: “Anaka, nahoana no nanao toy izany taminay Hianao? He! izato alahelon-drainao [velom-panahiana mafy, La Bible en français courant] sy izaho nitady Anao.” Tsy nahita an’i Jesosy nandritra ny telo andro Josefa sy Maria. Takatrao ny antony nitaintainan’izy ireo hahafantarana izay nisy ny zanany lahy 12 taona. — Lioka 2:48.

Nahoana Josefa sy Maria no tsy nahita an’i Jesosy? Nanakiana azy ireo ny amin’izany ny mpandinika ny Baiboly iray fantatra tsara, raha nanoratra hoe: “Rehefa fantany fa zava-tsarobidy toy inona no nananany, ahoana no nahandrasany ela loatra toy izany alohan’ny hitadiavana azy? Nankaiza ny fitiavana sy ny fiahiana feno fahalemem-panahin’ny reny?” Raha lazaina marina anefa, araka ny ho hitantsika, ny famakafakana amim-pitandremana ilay fitantarana dia manafaka an’i Josefa sy Maria amin’izay rehetra mety ho fanakianana lehibe.

Ny marina dia hoe lazalazain’ny Baiboly ho vehivavy tsara dia tsara sy reny tsy azo tsinina i Maria. Rehefa tonga nanambara taminy ny hahaterahan’i Jesosy ny anjely Gabriela, dia nilaza taminy fa “nahita fitia tamin’Andriamanitra” izy. (Lioka 1:28, 30.) Nekeny an-tsitrapo ny fanendrena hiteraka io zaza hafa dia hafa io, ary koa ny andraikitra mavesatra hanabe azy. Vehivavy nanetry tena, izay nanana finoana mafy orina an’i Jehovah izy. Taorian’ny nahaterahan’i Jesosy izy dia nanao izay rehetra notakin’ny lalàn’i Jehovah “araka ny voasoratra”. — Lioka 1:38, 45-48; 2:21-23, 39.

Josefa, ilay lehilahy nanambady an’i Maria sy tonga ray nitaiza an’i Jesosy koa dia olona tsara dia tsara sy marina; nifampiresaka tamin’ny anjelin’i Jehovah tamin’ny fisehoan-javatra efatra izy (Matio 1:19, 20; 2:13, 19, 22). Tsarovy fa nifidy an’i Josefa sy Maria i Jehovah mba hitaiza ny Zanaka lahitokana malalany. Koa zavatra kely monja ve no nifidianan’Andriamanitra mpivady iray afaka nanampy io zanakalahy io hitombo amin’ny fahendren’Andriamanitra?

Mazava ho azy, fa velom-panahiana noho ireo zanany toy izany koa ny ray aman-dreny amin’izao androntsika izao, noho ny manodidina mampidi-doza sy mikororosy itomboan’izy ireny. Ambonin’izany, dia fantany fa tsy tanteraka ireo zanany, mifanohitra amin’i Jesosy. Afaka mandray soa amin’ny ohatra navelan’i Josefa, Maria ary Jesosy anefa isika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara