‘Aoka isika hitaingina handroso noho ny teny marina’
“Ary mitaingena handroso soa aman-tsara amin’ny voninahitrao; noho ny teny marina sy ny fahalemem-panahim-pahamarinana; ary hampianatra anao zava-mahatsiravina ny tànanao ankavanana.” — SALAMO 45:4.
1, 2. a) Hafatra inona no nanosika ny mpanao salamo hanao zavatra? b) Nahoana no tokony hampihetsi-po antsika io hafatra io?
ILAY poety sady mpihira dia naniry fatratra hanomboka ny hirany. Ny fiandrasana fitondram-panjakana tsara iray ho avy, nankinina tamin’ny filoha marina sy tsy mandray kolikoly iray, dia toa nanomboka nahareraka azy. Tsy afaka nihazona fanginana izy. Tsy vitany intsony ny nifehy ny fihetseham-pony ela kokoa, ka nihiaka toy izao ilay mpanao salamo: “Mampiboiboika teny tsara ny foko; miteny aho, ka ny hilaza ny mpanjaka no teny ataoko; fanoratan’ny faingan-tsoratra ny lelako.” (Salamo 45:1). Efa maty ela io poety io, nefa ny hirany ara-paminaniana dia mbola velona foana, sady mihamahery tsy mbola nisy toy izany. — Jereo Kolosiana 3:16.
2 Ny “teny tsara” nampihetsika ny fon’ilay mpanao salamo dia mifamatotra amin’ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny hafatra momba ilay Fanjakana dia “tsara” aoka izany ka mendrika “hotorina amin’izao tontolo izao (...) ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra”, alohan’ny fiavian’ny “farany” ho an’ireny firenena ireny (Matio 24:14). Ankehitriny, moa ve nampihetsi-po anao ny foto-kevitra “tsara” momba ny Fanjakana mesianikan’Andriamanitra? Tokony ho nanao toy izany izy. Inona àry ny antony? Satria ny matoanteny hebreo rahash, izay adika hoe “mampiboiboika” dia manana hevitra hoe “nanosika hihetsika”, toy ny rano mangotrakotraka. Tafiditra amin’io matoanteny io koa ny hevitra hoe fahafenoana. Ary aoka tsy hohadinointsika ny tenin’ny Mpitarika antsika, Jesosy Kristy manao hoe: ‘Fa amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava.’ (Lioka 6:45). Noho izany, moa ve ny fonao mitafotafo, sahala amin’ny an’ny mpanao salamo, ny amin’io “teny tsara” io? Raha eny, dia tsy misy na inona na inona hanakana anao tsy hihira ity fahamarinana tampony ity: Manjaka ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra Jesosy Kristy!
Aoka hataontsika ren’ny olona ny hiran’ny fahamarinana
3. Inona ireo fomba roa lehibe hampielezana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana amin’izao andro izao?
3 Ahoana no mety handrenesana any lavitra io hiran’ny mpanjaka io? Tamin’ny alalan’ny fanahy masina, izay nahafahan’ny lelan’ilay mpanao salamo ho tonga ‘fanoratana’ teo an-tanan’i Jehovah (jereo II Samoela 23:2). Ny poezia namoahany ny fihetseham-pony, natao an-tsoratra, dia nohiraina tamin’ny fomba izay handrenesan’ny mpivavaka rehetra amin’i Jehovah tamin’ny andro lasa azy. Ny tenantsika koa amin’izao andro izao, amin’ny tenintsika, dia afaka miaro ny fahamarinan’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny fomba roa mitovy amin’izany. Voalohany, amin’izay mety ho ren’ny olona rehefa mitory ampahibemaso isika; avy eo, amin’izay azony vakina ao anatin’ireo zavatra vita an-tsoratra avoakantsika. Noho izany, rehefa mizara zavatra nosoratana momba ny Baiboly isika, dia mamerina ny teny efa nolazain’ireo lehilahy masina nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra (II Timoty 3:16; II Petera 1:20, 21). Ary amin’izao andro izao, ny hafatra natonta mahakasika ilay Fanjakana dia avoaka amin’ny isany sy fiteny ary hafainganana izay tsy azon’ny mpanao salamo noeritreretina. Mandray anjara tsy tapaka amin’ny fampielezana an’io hafatra io ve ianao, indrindra amin’ny alalan’ny fampielezana Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous!?
4. a) Ahoana no nahatonga an’i Jesosy Kristy ho “tsara tarehy noho ny zanak’olombelona”? b) Amin’ny fomba ahoana no anahafan’ny kilasin’ny mpiambina voahosotra ny ‘fahasoavan’ny molotr’i Kristy’?
4 Ny endrika mahafinaritr’ilay Mpanjakan’i Jehovah dia nanosika ny mpanao salamo hanao hoe: “Tsara tarehy noho ny zanak’olombelona ianao. Fahasoavana no naidina tamin’ny molotrao. Izany no nitahian’Andriamanitra anao mandrakizay.” (Salamo 45:2). Ny molotr’i Jesosy dia nitory tamim-paharetana ilay Fanjakana, hatramin’ny andro nahavoahosotry ny fanahin’Andriamanitra azy ka hatramin’ny nampanginana an’izany tamin’ny fomba voafetra noho ireo fitaovana olombelona nampiasain’i Satana. Satria Jesosy nitoetra ho nahatoky, Jehovah dia nitahy azy mandrakizay tamin’ny fananganana azy tamin’ny maty sy tamin’ny fanandratana azy ho ambony noho ny zavaboary hafa rehetra (Filipiana 2:8-11). Hatramin’ny nanandratana an’i Jesosy tany an-danitra, ka nahatongavany tamin’izany ho ‘endriky ny tenan’Andriamanitra indrindra’, dia tonga tsara tarehy lavitra noho izay zanak’andriana ambony indrindra, na amin’ny olombelona na amin’ny anjely izy (Hebreo 1:3, 4). Ary amin’izao fotoana izao, izay nandraisany ny seza fiandrianana, Jesosy Mpanjaka dia mameno fahefana ny molotry ny kilasin’ny mpiambina voahosotra sy ny an’ireo namany, mba hahafahany hihira amim-pahasahiana ny vaovao tsara momba ny Fanjakana. Kanefa io salamo io koa dia hira fiadiana.
5, 6. a) Inona no hevitry ny ‘fitaingenan’i Kristy handroso noho ny teny marina’? b) Ahoana no ampiasan’ny kilasin’ny mpiambina Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous!?
5 Ny mpanao salamo dia nihiaka toy izao raha niresaka tamin’ilay Mpanjaka nahazo fahefana: “Fehezo eo am-balahanao ny sabatrao, ry ilay mahery, dia ny fiandriananao sy ny voninahitrao. Ary mitaingena handroso soa aman-tsara amin’ny voninahitrao, noho ny teny marina sy ny fahalemem-panahim-pahamarinana; ary hampianatra anao zava-mahatsiravina ny tànanao ankavanana.” (Salamo 45:3, 4). Hatramin’ny 1914, Kristy, vonona ho amin’ny ady, dia nitaingina soavaly fitondra an’ady (Apokalypsy 6:1, 2). Ny sabatra eo am-balahany dia mampiseho ny ady sy ny fahefana ary ny fanapahana nomen’Andriamanitra azy, mba hampiharany ny didim-pitsarany eo amin’ny firenena mpikomy. Kristy dia efa niady tamin’i Satana sy ireo demoniany; nandroaka azy ireo avy tany an-danitra izy, nanery azy tamin’izany hitoetra eo amin’ny manodidina ny tany. — Apokalypsy 12:1-13.
6 Kanefa alohan’ny hanorenana indray ny fiadanana dia hanatanteraka asa mbola mahatahotra kokoa hatrany ihany ny tanana ankavanan’ny Mpanjaka, rehefa ‘hitaingina handroso noho ny teny marina’ izy ao Hara-magedona, mba handringana ny fahavalon’Andriamanitra rehetra etỳ an-tany (Salamo 45:4; Apokalypsy 16:14, 16; 19:17, 18). Nomen’i Kristy ny fahasahiana ilaina ny kilasin’ny mpiambina voahosotra, mba hanaovany izay handrenesana koa an’io fampiomanana io. Fitaovana inona anefa no ampiasain’ny “mpiambina” mba hanamafisana ny feony? Mampiasa ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana indrindra izy, izay manambara ny Fanjakana naorin’i Jehovah amin’ny fomba miavaka. Toy ny tafi-balala azo ampitahaina amin’ny maingoka, ny kilasin’ny mpiambina dia hetsehin’ny fanahy mitovy amin’izay nanosika an’i Kristy ‘hitaingina handroso noho ny teny marina’. (Apokalypsy 9:7-11.) Mampiasa amin’ny fomba mandaitra Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous!, voaomana “noho ny teny marina”, izy, eo ambany fitarihan’ny “mpiambina”. — Matio 24:45; jereo Apokalypsy 9:16-19.
‘Aoka isika hitaingina handroso ho an’ny fahamarinana’
7. Amin’ny fomba feno faherezana manao ahoana no iarovan’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly?
7 Efa maherin’ny taonjato iray izao no niarovan’ny Ny Tilikambo Fiambenana “ny teny marina” izay an’ilay Fanjakana. Mampiasa amim-pahakingana ny Tenin’Andriamanitra izy ho toy ny sabatra hanalana ireo fahadisoana manarona ireo fampianarana mamitaky ny fivavahana (jereo Efesiana 6:17; Hebreo 4:12). Ny gazety Réveillez-vous! koa dia miaro ny tombontsoan’ny fahamarinana. Alain’ny Réveillez-vous! ho fototra ny vaovao, ka manala sarona ireo tsangan-kevitra ara-tsiansa izay manaratsy ny Baiboly izy, ary koa ireo fironana mampidi-doza ara-tsosialy sy ara-pitondrantena. Inona no azontsika atao mba hahafahan’ny olona maro kokoa hatrany ihany mahazo eny am-pelatanany ireo gazety ireo sy handrenesany ny hafatra momba ilay Fanjakana, izay afaka mamonjy ny ainy?
8, 9. Ahoana no ahazoana ‘hiboiboika’ ny amin’ny fanambarana amin’ny alalan’ny gazety, amin’ny fampiharana ny fotopoto-pitsipika tononina ao amin’ny Efesiana 5:16 amin’ny famakiana Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous!? Manomeza ohatra.
8 Ny hafatra ao anatin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! dia tokony ‘hampiboiboika’ an’ireo rehetra tia ny fahamarinana (Salamo 45:1). Noho izany, nahoana no tsy mamaky avy hatrany an’ireo gazety ireo ianao raha vao maharay azy? ‘Tsy hamaky gazety na boky tsy ara-pivavahana hafa mihitsy aho raha tsy efa nahavaky manontolo ny gazetiko’, hoy ny filazan’i Liliane, folo taona lasa izay. Nahatana izany fahatapahan-keviny izany izy hatramin’izao (Matio 6:33). Rehefa avy namaky ny gazety ianao, inona no azonao atao? Azonao atao ny miresaka an’izany amin’ny olon-kafa toy ny mpikambana amin’ny fianakavianao na ny kongregasiona. Izany koa dia tokony hanosika anao hitory amin-jotom-po amin’ny fampiasana ny gazety mba hampitana amin’ny mpifanila trano aminao ny zava-tsoa novakinao. Tsy isalasalana fa hirinao ny handray anjara isan-kerinandro amin’ny fitoriana amin’ny alalan’ny gazety, amin’ny fanolorana izany isan-trano amin’ny mpiara-monina aminao. Azo oharina amin’ny fomba nanaovan’ny apostoly Paoly ‘fanambarana’ [feno, MN ]’ izany. — Asan’ny apostoly 20:20, 21.
9 Peter sy Petra vadiny dia misionera any amin’ny tany iray ao Afrika hatramin’ny efa-taona izao. Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! no iray amin’ireo loharanon-keriny ara-panahy lehibe indrindra. “Ny Tilikambo Fiambenana dia manampy anay hitoetra ho mifoha ara-panahy ao amin’ny faritaninay”, hoy i Petra. “Ny nomerao tsirairay avy amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! dia manome herim-po sy tanjaka ho anay, hoy ny nanampin’i Peter. Isaky ny tonga ny gazety dia ohatra ny mandray taratasy avy amin’ny fianakavianay izahay.” (Jereo Salamo 46:1). Moa ve ianao mankasitraka ireo gazety ireo tahaka izany koa ka maneho fahamaikana hamaky azy sahala amin’i Peter sy Petra? Raha eny, dia ho voatosika koa ny tenanao hanolotra azy tsy tapaka amin’olon-kafa.
10. Inona no fihetsika tokony hananana mba hanaovana fanambarana mandaitra amin’ny alalan’ny gazety, ary soa inona no mety hoentin’izany?
10 Ny mpitorin’ilay Fanjakana dia tokony hanana fihetsika manorina manoloana ny fanambarana azo omena amin’ny alalan’ny gazety. Ankehitriny koa, ny mpino tso-po dia mandray tsara ny fampianarana avy ao amin’ny Baiboly raketin’izy ireny (jereo Asan’ny apostoly 10:15, 30-33). Nahoana moa? Satria fampianarana tsy mety ho hitany na aiza na aiza mihitsy izany. Maherin’ny dimy amby efapolo taona izao, tany Soeda, Lars dia nahazo antontany iray tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana avy tamin’ny mpiasa iray. “Mitombona izany, hoy izy tamin’ny vadiny rehefa avy namaky ireny. Izay lazain’ny Ny Tilikambo Fiambenana dia izay ambaran’ny Baiboly.” Ny famakian-teny nataon’i Lars dia nanosika azy hatao batisa; tamin’ny martsa 1940 izany. Hevero koa ity ohatra hafa iray, izay nampitain’ny mpitory maharitra roa tany atsimon’i Etazonia:
“Nandritra ny fizarana gazety dia nifanena tamin’ny mpitahiry volan’ny Eglizy batista lehibe iray ny mpitory, vehivavy iray nianatra tamin’ny fo tokoa ny Baiboly izy io. Faly io olona io namaky fitohitohizan-dahatsoratra miresaka ny Hara-magedona nivoaka tao amin’ny nomeraon’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 aprily ka hatramin’ny 15 may 1985. Nanao fikarohana nandritra ny ora maro ny amin’io raharaha io izy, nefa tsy nahita afa-tsy ny andininy tao amin’ny Apokalypsy 16:16. Talohan’izay, dia nanontany ny pastorany izy hoe: ‘Afaka manazava amiko ny amin’ny Hara-Magedona ve ianao?’ Nijery azy izy, nanao hoe: ‘Foto-kevitra lalina izany’, sady lasa izy. Nomarihin’io olona io kosa fa Ny Tilikambo Fiambenana dia namaly ny fanontaniany rehetra, ary izy irery no zavatra nosoratana nahitany andalan-teny ao amin’ny Baiboly mifandray amin’ny Hara-Magedona.”
11. a) Nahoana no tsara ny manao fandaharana ho an’ny asa amin’ny alalan’ny gazety, ary fotoana manao ahoana no tokony ho lany amin’izany fandraisana anjara izany? b) Mety hanampy antsika amin’ny fanombohana fampianarana Baiboly ve ny fampielezana gazety? Hazavao hoe amin’ny fomba ahoana? d) Ahoana no azo ampielezana Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous!? Jereo ny soratra voafefy.
11 Azonao atao ve ny manomana mialoha ny fandaharam-potoananao mba handraisana anjara indray mandeha isan-kerinandro fara fahakeliny amin’ny fampielezana gazety, ka manao izany ho fahazarana ara-panahy (jereo Filipiana 3:16)? “Na ny mpitory tsotra, na ny mpitory maharitra dia tsy manokana fotoana ampy ho an’ny fanolorana gazety”, hoy ny fanamarihana nataon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower ao Nigeria. Kanefa tokony hanafoana ny asa fanaovana mpianatra ve izany asa izany? Mifanohitra lavitra amin’izany no izy! Ary ny filazana voarainay avy amin’ny sampana any Aostralia sy Brezila dia mampiseho fa ny fampielezana gazety dia fiantombohan’ny fampianarana Baiboly maro. “Nanomboka fampianarana Baiboly telo aho tamin’ny olona izay nametrahako gazety tamin’ny voalohany”, hoy ny fitantaran’ny anabavy iray any Aostralia. Ny soratra voafefy mitondra ny lohateny hoe “Ny asa amin’ny alalan’ny gazety” dia manoro hevitra anao ny amin’ny fomba samihafa hanolorana gazety izay mety hitarika ho amin’ny fampianarana Baiboly.
Nanandrana nanaraka ireo torohevitra ireo ve ianao?
12. Torohevitra inona no nahasoa ny vehivavy mpitory iray?
12 Ny fanompoana ilay Fanjakana tamin’ny septambra-oktobra 1984 dia nisy taratasy fanampiny miresaka ny amin’ny fanolorana gazety. Nanandrana nanaraka ireo torohevitra nomena tao ve ianao? Ho tsara raha vakin’ny mpitorin’ilay Fanjakana indray io taratasy fanampiny io, ka ampihariny ny fanipazan-kevitra ao anatiny. Izany no nataon’ny anabavy iray tany Etazonia. Ny vokatra azony dia nanaitra azy tamin’ny fomba mahafinaritra. Izao no fitantarany:
“Nampihariko ny torohevitra nomena tao anatin’ny taratasy fanampin’ny Fanompoana ilay Fanjakana tamin’ny septambra-oktobra 1984 momba ny fanolorana gazety, ary azoko lazaina aminareo fa mandaitra tokoa izy ireo. Tamin’ny 1983, dia tsy nametraka afa-tsy gazety enina amby telopolo monja aho tamin’ny fitambarany. Tsy faly aho, tsy dia noho ny fahakelezan’ny filazana asako loatra, fa satria tsy afaka nampita an’io hafatra iankinan’ny aina io tamin’ny olona aho. Noresahiko tamin’i Jehovah tao amin’ny vavaka izany. Tapa-kevitra ny hanao fiezahana mafy aho mba hampielezana Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous!. Nampihatra ireo torohevitra izay milaza fa tokony hametra ho zava-kendrena ny hametraka gazety voatondro ny isany àry aho, sy hanolotra amin’ny fomba fohy gazety iray, handray anjara tsy tapaka amin’ny andro fizarana gazety ary hanana fihetsika manorina. Rehefa lavin’ny olona iray izao ny fanolorana mahazatra, dia milaza aho hoe: ‘Raha izany, dia apetrako aminao ireto nomerao farany amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! ireto amin’ny sarany efapolo cents.’ Tena mandaitra tokoa ireo torohevitra ireo, satria, nandritra ny efa-bolana farany, dia nahapetraka gazety efatra ambin’ny folo amin’ny ara-keviny isam-bolana aho.”
13. Torohevitra inona voalaza ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona tamin’ny 1888 no mbola manan-kery ankehitriny?
13 Ny nomeraon’ny Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona tamin’ny desambra 1888, amin’ny teny anglisy, dia nanambara teo ambanin’ny lohateny hoe “Torohevitra ho an’ny mpijinja” izao manaraka izao: “Ho an’ny maro, ny zava-tsarotra lehibe indrindra dia toa ao amin’ny hoe feno ny vaovao tsara tokoa ny fony ka mirona amin’ny firesahana be loatra ny amin’ny Planin’Andriamanitra izy.” Moa ve mbola manan-kery ihany io torohevitra io? Nanontaniana ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray any Frantsa mba hanondro izay azon’ny mpitory atao mba hametrahana gazety bebe kokoa amin’ny olona. Izao no valin-teny nataony: “Ataovy fohy ny teninao. Lazao avy hatrany izay zava-kendrenao.”
14, 15. Ahoana no azo ampiasana ny sary ao anatin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! mba hanaovana fanambarana? Manomeza ohatra.
14 Ireo sary manintona amin’ny loko efatra dia nanampy tamin’ny hatsaran’io hafatra momba ilay Fanjakana io; amin’ny endriny io tokoa no ahatongavany any amin’ny karazan’olona samihafa, amin’ny fiteny maro ampiasain’ny gazetintsika. Hatramin’ny nomeraony tamin’ny 8 janoary ny Réveillez-vous!, tahaka Ny Tilikambo Fiambenana koa, dia natonta tamin’ny loko efatra ao amin’ny ankamaroan’ny fiteny fatra-piely indrindra. Moa ve ianao mampiasa ny sary ao anatin’ireny gazety ireny rehefa manolotra izany? Maro no nanao toy izany sy tamim-pahombiazana. Izany no nitranga tamin’i Theresa, izay misionera any amin’ny Farany-Atsinanana hatramin’ny 1976, ka mizara gazety enimpolo sy roanjato isam-bolana. Mampiasa ny sary aho mba hampiharihariana ny hevi-dehibe amin’ny fanolorana ataoko, hoy izy. Matetika tokoa dia mianina amin’ny fampisehoana ny fonon’ilay gazety amin’ny olona aho, sy amin’ny fanomezana azy ny foto-keviny, ka mila ny ho lasa ho azy eny an-tanany ny gazety.”
15 Kay, izay misionera any Suriname, dia manao sahalahala amin’izany koa. Folo taona izao no niainan’izy sy ny vadiny ao amin’io tany io, ary hitany fa ny sary dia mandaitra tokoa amin’ny fitoriana, indrindra raha mifampiraharaha amin’ny hindoa izy. Manazava ny antony izy:
“Ny fivavahana hindoa dia fivavahana amin’ny sary. Indray andro dia niseho teo am-baravarana iray aho ary nanontany hoe: ‘Mba azonao lazaina amiko ve ny anaran’ireo andriamanitrao, ireo izay voasoratra eo amin’ny sarinao?
— Ity izao dia Shiva no anarany, hoy ilay ramatoa.
— Iza no lehibe indrindra amin’izy rehetra? (Tsy misy valiny.) Irinao ve ny hamakiantsika ny Jeremia 10:10-12? Iza no Andriamanitra afaka mihambo ho manana ny anaram-boninahitra hoe Mpamorona? Tsy misy afa-tsy Jehovah. Fantatray fa tianao tokoa ny sary. Tsy hitanao ho tsara tarehy sy mahaliana ery ve ireto sary ireto (asehoko Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous!)? Ho tianao ve ny hahita fifaliana hahafantatra ny heviny?’ ”
Nahoana raha manandrana mampiditra ny sary ao anatin’ny resadresaka ataonao amin’ny manaraka, rehefa manolotra gazety ianao?
16. Fanipazan-kevitra inona nataon’ny mpitory iray tany Hong Kong no hitanao fa ilaina?
16 Tamin’izy misionera tany Hong Kong, Gene dia nahapetraka gazety telonjato mahery amin’ny ara-keviny isam-bolana. Hazavainy amintsika ny fomba hahatongavana amin’izany:
“Voalohany, mivavaha amin’i Jehovah mba hitahiany ny asa hataonao amin’ny alalan’ny gazety. Faharoa, aoka ianao hiseho ho sakaiza, manorina sy mitsikitsiky. Fahatelo, mahaiza mifanaraka amin’ilay olona, aza manohitra ny teniny tsy aman’antony, mitadiava kosa hevitra iombonana aminy. Fahefatra, manafara gazety ampy ho an’ny volana iray manontolo. Ny tenako mihitsy dia nanana fanafarana lehibe, izay vao mainka manome antony manosika ahy. Fahadimy, miomàna hanolotra gazety indray hariva isan-kerinandro, satria olona maro kokoa no ao an-tranony amin’io fotoana io sady milamina kokoa. Fahenina, ataovy izay hanananao lalana fizarana gazety, na dia mety tsy ho betsaka aza izany amin’ny voalohany.”
Nefa ahoana no anombohana lalana fizarana gazety?
17. a) Amin’ny endriny inona amin’ny fitoriantsika amin’ny alalan’ny gazety no azo ampiharana ny fotopoto-pitsipika voalaza ao amin’ny Asa. 15:36? b) Any amin’ny tany izay tsy ahazoana antoka ny paositra, inona no iray amin’ireo fomba fanolorana gazety?
17 “Ny fomba iray hampitomboana ny isan’ny gazety zaraina dia amin’ny fanamarihana amin’ny fomba hentitra ny toerana nametrahana gazety ary amin’ny fiverenana mitsidika tsy tapaka ny olona”, hoy Ollie, izay mipetraka any amin’ny tany afrikana iray, ao Burkina Faso. “Toy izany no nahafahako nanisa olona dimy ambin’ny folo tao amin’ny ‘lalana’ fizarako gazety. Koa satria Burkina Faso tsy manonta ny gazetiny sady tsy marim-potoana ny paositra, dia matetika ny Vavolombelona no mahazo nomerao efatra na dimy hozaraina miaraka.” Moa ve toy izany koa no miseho ao amin’ny taninao? Raha eny, inona no azonao atao mba handresena an’izany vato misakana izany amin’ny fampielezana gazety? “Azonao aseho miaraka ny nomerao maromaro samy hafa, ary asaivo mifidy izay iriny hovakina ilay olona liana, hoy ny torohevitr’i Ollie. Amin’ny ankapobeny, dia horaisiny daholo ny rehetra.”
‘Aoka hiboiboika zavatra tsara isika’
18. Endriny inona amin’ireo fitantarana vao haingana momba ny fitoriana no mendri-piderana manokana, nefa amin’inona no ho azontsika anokanana fiheverana bebe kokoa?
18 Ry mpitorin’ilay Fanjakana, nitombo be dia be ny isan’ny famandrihana amin’ireo gazety roa noho ianareo. Mendrika ny fiderana ianareo tamin’ny nampielezanareo tamin-jotom-po ny vaovao tsara tamin’izany fomba izany, nefa koa noho ny fitomboan’ny isan’ny gazety nozarainareo tamin’ny fitambarany. Kanefa, azontsika atao angamba ny mihevitra bebe kokoa ny amin’ny isan’ireo gazety zaraintsika manokana. Koa satria ny faritany iasan’ny mpitory mihamaro hatrany, ny isan’ny gazety naelin’ny tsirairay dia nihena amin’ny ara-keviny. Koa satria efa mandroso lavitra isika ao amin’ny fotoan’ny farany, azontsika atao ve ny ‘mbola hiboiboika betsaka teny [zavatra, MN ] tsara’ ny amin’ny Fanjakana amin’ny fanaovana fanambarana amin’ny alalan’ireo gazety? — Salamo 45:1; I Petera 4:7.
19. Ho antsika, inona ireo fomba roa hiarovana ny fahamarinana momba ilay Fanjakana?
19 Kristy, ao amin’ny voninahitry ny Fanjakany, dia mitaingina mandroso ho amin’ny fahombiazana amin’ny fanamasinana ny anarana masin’ny Rainy sy amin’ny fanohanana ny Fiandrianany manerana izao rehetra izao (Apokalypsy 6:2). Aoka àry isika hampiasa ny lelantsika sy ireo zavatra vita an-tsoratra mba hanambarana ny fahatongavany. Enga anie isika hanandratra amim-pahatokiana ny feontsika miaraka amin’ny kilasin’ny mpiambina voahosotra, izay miaraka amin’i Kristy mba hiaro ny fahamarinana ny amin’ny Fanjakana mesianika naorin’Andriamanitra. Eny aoka isika hizara gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! maro, izay manana anjara asa iankinan’ny aina amin’ny fotoana ‘itaingenan’ny Mpanjakantsika handroso noho ny teny marina”. — Salamo 45:4.
Tadidinao ve?
◻ Inona moa ny “teny tsara” tokony hampihetsi-po antsika?
◻ Vokatra inona no azon’i Kristy ‘mitaingina mandroso noho ny teny marina’?
◻ Amin’ny heviny ahoana no azo ilazana fa Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! dia ampiasaina “noho ny teny marina”?
◻ Ahoana no azontsika iheverana bebe kokoa ny amin’ny fanaovana fanambarana amin’ny alalan’ny gazety?
[Efajoro/Sary, pejy 18]
NY ASA AMIN’NY ALALAN’NY GAZETY
Amin’ny fomba ahoana?
◆ Ny fanaovana fanambarana isan-trano
◆ Ny fanaovana fanambarana eny an-dalana (any amin’ny tany amelan’ny lalàna hanao izany)
◆ Ny fanaovana fanambarana any amin’ny birao sy magazay
◆ Ny fanaovana fanambarana amin’ny alalan’ny lalana fizarana gazety
◆ Ny fanaovana fanambarana amin’ny takariva
◆ Rehefa lavina ny fanolorana amin’ny volana
◆ Rehefa manao fiverenana mitsidika
◆ Amin’ny fitsidihana an’ireo olona nianatra ny Baiboly taloha
◆ Rehefa manao dia lavitra na miantsena
◆ Amin’ny firesahana amin’ny havana, ny mpiara-miasa, ny mpifanila trano, ny mpiara-mianatra na ny mpampianatra