FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 1/12 p. 30-31
  • Zava-bita miavaka any Costa Rica

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Zava-bita miavaka any Costa Rica
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 1/12 p. 30-31

Zava-bita miavaka any Costa Rica

“MAMPIASA fomba fanorenana mbola vao eo am-pandinihana eo aminay ianareo!” Izany fanamarihana izany dia nataon’ny mpanao mari-trano tonga nitsidika ireo trano vaovaon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower teo am-panorenana, any amin’ny 11 kilaometatra avy eo San José.

Fomba manokana inona no nampiasaina mba hanorenana ireo trano ireo? Ny fananganana rindrina efa vita mialoha — vao voalohany tany Costa Rica. Nalatsaka aloha ny fototra sy ireo andry. Avy eo, teo amin’ny toeram-panorenana mihitsy, dia nampifanosonina ny hatao rindrina vita amin’ny “béton”, izay narenina rehefa avy eo, nakarina sy napetraka tamin’ny toerany tamin’ny alalan’ny milina fampakarana enta-mavesatra. Farany, dia napetraka ny tafo, ary dia ny asa famitana sisa tokony hatao.

Vao voalohany ny Fikambanana Watch Tower no nanorina trano tamin’ny fampiasana izany fomba izany tany ivelan’i Etazonia. Noho izany antony izany, dia nisy mpikambana tao amin’ny sampana hafa izay nikasa ny hanorina trano vaovao na hanitatra ny toerany efa miorina, tonga mba handinika ny fandehan’ny raharaha. Nisy koa injeniera sy mpanao mari-trano nalefan’ny fiantohan-draharaha samihafa. Nanaitra ny sain’izy ireo izay hitany.

Ireo trano tsara tarehy, araka ny fahita any amin’ny zanatany espaniola, dia mitafo tanimanga mena sy misy varavarankely andohalambo. Ny lalankely boribory iray dia manodidina ny zaridaina mahafinaritra ary mitarika ho any amin’ny fidirana lehibe indrindra sy ny birao fandraisana olona. Eo ankavanana no mitsangana ny trano tsara tarehy misy rihana iray. Misy efitrano 24 ao ary efitrano fandraisam-bahiny lehibe iray ahitana fitehirizam-boky hovakina, toerana fianarana sy lafaoro tsara tarehy iray. Miorina eo akaikin’izany ny efitrano fisakafoana malalaka iray mahalany olona 100 sy ny lakozia iray ary ny toerana fanasan-damba ary fomba iray. Eo amin’ny ilany hafa amin’ny tokotany no misy ny trano fiasana ahitana birao 13 sy efitrano fanaovana lahateny iray milahatra manodidina ny zaridaina tropikaly iray rakotry ny fitaratra. Ny trano lehibe eo ankavia dia fitehirizana zavatra vita an-tsoratra sy fitaovana hafa.

Talanjona ny olona rehetra tonga nitsidika ireo toerana ireo. Nandeha ny fanamarihana: “Tsara tarehy izany raha zavatra!” “Mbola tsy nahita zavatra tsara tarehy toy izany mihitsy aho!” “Tena asa natao tamim-pitiavana tokoa izao!”

Io zava-bita io tokoa dia vokatry ny ‘asa tamim-pitiavana’ nataon’ny rahalahy sy anabavy maherin’ny 4 700, ka avy any an-tany hafa ny 295. Niasa nandritra ny 24 volana teny amin’ny toeram-panorenana izy ireo. Natao teo an-toerana ny ankamaroan’ny fitaovana sy ny fiasana. Ohatra, teo am-panombohan’ny asa, ireo rahalahy dia namorona fampakarana entana nantsoiny tamim-piraiketam-po hoe Julio, izay nahatonga ho afaka hampakatra ny fitaovana tany ambony rihana. Novidina sy namboarina koa ny milina fanamboarana “béton” anankiroa nomena anaram-bosotra hoe Bertha sy Martha. Ny fametahana izay mahakasika ny herimbaratra, ny fanamboarana ny makarakara vy voatefy, ny fametahana ny marbra paladiana tao amin’ireo tohatra sy gorodona, ets., izany rehetra izany dia nataon’ny rahalahy tsy nanana fahaizana manokana tamin’ny lafiny samihafa. “Niavaka ny hafanam-pon’ireo rahalahy eto Costa Rica tamin’ity fanatanterahan-javatra ity”, hoy ny nambaran’ny tompon’andraikitra amin’ny toeram-panorenana.

Lehibe indrindra izany hafanam-po izany tamin’ny 4 janoary 1987, andro nahatafavory olona 13 111 mba hanao ny fitokanana. Ny lavarangana teo avaratry ny efitrano fandraisam-bahiny no nampiasaina ho lampihazo ary nivory teo amin’ny tokotany malalaka teo ambaniny ireo mpanatrika. Azo natao indrindra ny nandre ny rahalahy Henschel sy ny rahalahy Swingle, avy tao amin’ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny rahalahy Swingle dia niresaka tamin-kafanam-po araka ny foto-kevitra hoe “Manohy mampitombo izany Jehovah”. Tao amin’ny lahateny fitokanana, ny rahalahy Henschel dia nanampy ny mpanatrika rehetra hahatakatra fa tsy mahasoa ireo mpanompon’i Jehovah ny trano tsara tarehy iray raha tsy manohy mamoa ny vokatry ny fanahy izy ireo. Tonga tamin’io fotoana manokana io ireo misionera voalohany nahazo diplaoma avy any Gileada tonga nitory tany Costa Rica. Ireny mpitory ireny, efa zokinjokiny izao, dia nihetsi-po lalina rehefa nifankahita indray toy izany. Noporofoin’io fisehoan-javatra io tokoa fa tao anatin’ireo taona dia nitahy be dia be ny fitoriana ilay Fanjakana tany Costa Rica Jehovah. Niaiky ny mpanatrika rehetra fa ireo trano malalaka ireo, ary fomba sy araka ny ilàna azy dia hahatonga ny Vavolombelona ho afaka hanome voninahitra bebe kokoa ihany ny anaran’i Jehovah ao amin’io tany tropikaly io.

[Sary, pejy 31]

Arenina... sy atao eo amin’ny toerany ny ilany iray amin’ny rindrina mialoha.

Mitarika ho ao amin’ilay trano araka ny fahita any amin’ny zanatany espaniola ny lalankely boribory iray.

Ny sasany amin’ny mpanatrika nafana fo, tamin’ny andron’ny fitokanana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara