Fanontanian’ny mpamaky
■ Marina ve fa nisy marary sy kilemaina sitrana tao amin’ny rano misamboaravoaran’i Betesda, araka ny ho azo inoana rehefa mamaky ny Jaona 5:2-7? Raha izany no izy, hery inona no nanaovana ireny fahagagana ireny?
Tsy milaza akory ny fitantarana voasoratra ao amin’ny Jaona 5:2-9 fa hoe nisehoam-panasitranana mahagaga maro io farihy tany Jerosalema fahiny io. Ny hany fahagagana tena nitranga tao dia ilay nataon’i Jesosy Kristy rehefa nanasitrana lehilahy iray narary hatramin’ny 38 taona izy. Azontsika antoka fa tena nisy tokoa io fahagagana io, satria tantaraina ao amin’ny Soratra masina ara-tsindrimandrin’Andriamanitra (2 Timoty 3:16). Tamin’izany fotoana izany anefa dia nisy mponina maro tany Jerosalema nino mafy fa nitrangam-pahagagana maro hafa koa tao amin’io toerana io, toy ny inoan’olona maro be amin’izao andro izao fa misy fahasitranana mahagaga mitranga any amin’ny toerana masina sasany.
Aoka hojerentsika izay lazain’ny Baiboly sy izay tsy lazainy: “Ary misy farihy any Jerosalema, eo akaikin’ny vavahadin’ondry, izay atao amin’ny teny Hebreo hoe Betesda, misy fialofana dimy. Tao no nandrian’ny marary maro, ny jamba, ny mandringa, ny mati-ila. Ary nisy lehilahy anankiray teo, izay efa narary valo amby telopolo taona. Raha nahita azy mandry Jesosy ka nahalala fa efa toy izany ela izy, dia hoy Izy taminy: Te-ho sitrana va hianao? Ilay marary namaly Azy hoe: Tompoko, raha hetsehina ny rano, dia tsy mba misy olona handroboka ahy eto amin’ny farihy; nefa raha mandeha aho, dia misy olon-kafa misosoka eo alohako. Hoy Jesosy taminy: Mitsangàna, ento ny fandrianao, ka mandehana. Ary niaraka tamin’izay dia sitrana ralehilahy ka nitondra ny fandriany, dia lasa nandeha.” — Jaona 5:2-9.
Ilay farihy resahina dia ‘teo akaikin’ny vavahadin’ondry’, izay toa tany avaratra atsinanan’i Jerosalema, teo akain’ny tendrombohitra niorenan’ny tempoly (Nehemia 3:1; 12:39). Nisy fikarohana natao vao haingana nahatonga ho afaka hamongatra sisan-javatra avy amin’ny farihy roa, mbamin’ny sisa tavela avy amin’ny andry sy ny fanorenana mampiseho fa tamin’ny andron’i Heroda tao dia nisy trano nanana laharan’andry na fialofana, araka ny ilazan’ny Jaona 5:2 azy. Fa inona no nitranga teo amin’io toerana io araka ny finoam-bahoaka tamin’izany andro izany?
Tsy isalasalana fa voamarikao fa misy fanamarihana ambany pejy eo amin’ny andininy faha-3 amin’ny Jaona 5:2-9 noraisina etsy ambony. Eo tokoa sy amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly sasany, dia ahitana andininy fanampiny mitondra ny maridaharana 4. Izao no azo vakina eo: “Fa nisy anjely nidina tany amin’ny farihy indraindray ka nampihetsika ny rano; koa izay iray niroboka aloha, rehefa nihetsika ny rano, dia sitrana, na inona na inona aretina nanjo azy.”
Fandikan-teny maro vao haingana anefa, anisan’izany ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao, no tsy ahitana an’ireo teny ireo. Inona no antony? Satria ny zavatra rehetra dia mahatonga hino fa tsy hita ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona ireo teny ireo. Milaza mazava ny fanamarihana ao amin’ny Baibolin’ny kardinaly Liénart Fa tsy mahalala an’io andininy io “ireo vavolombelona tsara indrindra” tao amin’ny lovantsofina grika. Izany “vavolombelona tsara indrindra” izany dia ireo sora-tanana grika tranainy, toy ny Codex Sinaïticus sy ny Vaticanus 1209 (izay samy natao tamin’ny taonjato faha-4 amin’ny fanisan-taona iraisana), mbamin’ireo fandikan-teny siriaka sy latina voalohany. Rehefa avy nanamarika ‘ny tsy fahitana ny andininy faha-4 ao amin’ireo sora-tanana tsara indrindra’ ny Famoaboasana ny hevi-tenin’ny Baiboly (anglisy) dia manampy teny toy izao: “Ekena amin’ny ankapobeny fa izy io dia fivoasan-teny nampidirina ao amin’ny soratra mba hanazavana ny fihetsehan’ny rano mielanelana, izay nety ho niteraka fahasitranana, araka ny hevitry ny olona.”
Araka izany, dia tsy milaza akory ny Baiboly hoe nisy anjelin’Andriamanitra nanao fahagagana tao amin’ny farihin’i Betesda. Nisy fahasitranana mahagaga nitranga ve tao rehefa nihetsika ny rano? Tsy misy mihitsy afaka milaza izany amin’ny fomba azo antoka amin’izao andro izao. Angamba nitatra tamin’ny fomba isan-karazany ny lovantsofina iray nitantara ny amin’ny fanasitranana marary na kilemaina tao amin’io toerana io. Taorian’ny nielezan’ny tsaho momba izany noheverina ho fahasitranana izany, dia angamba nisy marary tsy nety sitrana nivory teo amin’io toerana io noho ny fanantenana ny ho sitrana. Mitranga koa izany any amin’ny toerana samihafa amin’izao androntsika izao, na dia tsy misy porofo mafy orina ny amin’ny fanasitranana avy amin’Andriamanitra aza.
Tsy tokony hisalasala anefa isika ny amin’ny hoe nanaovan’ny Zanak’Andriamanitra fanasitranana tao amin’ny farihin’i Betesda. Tsy niroboka tao anaty rano akory ilay marary dia nositraniny, izy ilay Mpitsabo lehibe. Ny porofon’ny fahefany hanao fahagagana toy izany dia tokony hanosika antsika hiandry amin-toky ireo fanasitranana hotanterahiny mandritra ny Fanjakana arivo taona efa antomotra izao. Hanasitrana ny olona mahatoky izy ka hanampy azy ireny hahita indray ny fahatanterahana. — Apokalypsy 21:4, 5; 22:1, 2.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]
Pictorial Archive (Tantaran’ny any Atsinanana akaiky)