Ny fanarahana ireo lovantsofina ara-pivavahana — Fivavahana amin’Andriamanitra amin’ny fahamarinana ve izany?
“SALGA, salga, salga” (“Mivoaha, mivoaha, mivoaha”). Avy ao amin’ny toeram-pandevenana maizina izany antsoantso fitarainana izany. Any Meksika isika, any amin’ny nosy Janitzio, ao amin’ny fariny Pátzcuaro. Namaky vavaka ny Indiana Taraska iray ka nitalaho tamin’ny anankiray amin’ireo ray aman-dreniny efa maty tamin’izao teny izao: “Enga anie ny Rosaire Masina hanapaka ny gadranao!”
Fetin’ny Maty tamin’izay. Nisy vehivavy sy ankizy nandeha vao maraina be nandravaka ny fasam-pianakaviana tamin’ny felam-boninkazo sy ny tapatapa-kazo voaravaka. Nametrahan’izy ireo fanatitra voankazo sy mofomamy koa teo anoloan’ireo fasana. Na dia tao aza izao ny hatsiaka amin’ny alina, dia nihira sy niari-tory mangina izy ireo, nohazavain’ny jiro labozia mitsilopilopy an’arivony maro nampirehetina ho fanomezam-boninahitra ny maty.
Ireny fombafomba ireny, izay mety hahagaga na hahavery hevitra vahiny mihitsy aza, dia mifanitsy amin’ny lovantsofina ara-pivavahana narahina tamim-pitandremana mandrakariva: ny Toussaint, fety katolika. Any amin’ny tany maro any Amerika latina, ny lovantsofina dia mitaky ny hivorian’ny mpivavaka maro ao amin’ny toeram-pandevenana mba hamaky vavaka ao sy hanolotra fanatitra ho an’ny havany maty.
Mampiavaka an’i Amerika latina koa ny lovantsofina maro mifamatotra amin’ny sary ara-pivavahana. Aseho ao amin’ny ankamaroan’ny trano sy ny fivarotana ireo sarin’i Kristy sy Maria; hita hatraiza hatraiza izany. Rehefa miakatra ao amin’ny fiarambahoaka ny tena dia tsy maintsy mahatazana sary kelin’i Maria eo ambonin’ny sezan’ny mpamily. Erỳ amin’ny faran’ny lalantsara afovoany aza dia ametahana sarivongana kelin’i Maria voazavan’ny jiro miloko mipendrampendrana na solon’ny labozia.
Any Kolombia, dia matetika no atsangana eny an-tampon-tendrombohitra eo ambonin’ireo tanàna ny sary makadiry mampiseho an’i Kristy sy Maria. Eo amin’ny tendrombohitra milingilingy malazan’i Montserrat dia misy eglizy izay ny sary ao aminy dia anaovana fankamasinana manokana. Amin’ny herinandro masina, dia mponina an’arivony maro ao Bogotá no mianika an’io vatolampy io, ny sasany sady mandohalika ka vetivety dia maradratra sy mivoa-dra.
Ny fankamasinana sary sy vokovoko ary ny fankalazana fety ara-pivavahana dia samy fanao anisan’ny fiainan’ny olona maneran-tany. Naharitra tao anatin’ireo taranaka nifandimby ireny lovantsofina ireny, ary mirona hihevitra izany ho masina ny olona.
Fivavahana amin’ny fahamarinana ve izany?
Na dia olona maro aza no mianina amin’ny fanarahana an-jamba ireo lovantsofina, ireny fanao ireny dia miteraka zava-manahirana ho an’ireo izay manaraka ny kristianisma. Moa ve tsy ny tenan’i Jesosy mihitsy no nanambara hoe: “Ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”? (Jaona 4:23.) Lovantsofina ara-pivavahana maro no mahagaga fa misy itoviana amin’ireo fombafomba tsy kristiana raha tsy nindramina tsotra izao avy amin’izany aza. Ny Toussaint, ohatra, dia misy ifanahafana be dia be amin’ny fety bodikan’ny “Ullambana”, andro natokana ‘hampisehoan’ny zanaka fitiavana ireo razambeny efa maty; fotoana anafahana ireo fanahy amin’ny fatoran’izao tontolo izao’. (Nouvelle Encyclopédie britannique, fanontana tamin’ny 1976, Micropædia, boky 1, pejy faha-260.) Mivavaka amin’Andriamanitra amin’ny fahamarinana ve ireo izay mitandrina lovantsofina toy izany?
Milaza ny sasany fa manjary ara-dalàna ireny lovantsofina ireny rehefa ampidirina eo anivon’ny Eglizy, porofon’izany ity fanambarana natao tamin’ny 1965 ity, tamin’ny konsily Vatican II: “Tsy amin’ny alalan’ny Soratra masina ihany no anovozan’ny Eglizy ny fahazoany antoka ny amin’izay rehetra ambara. Noho izany antony izany, ny Soratra masina sy ny Lovantsofina dia samy tokony horaisina sy hankamasinina amim-pahatsiarovana fitiavam-pivavahana mitovy, amim-panajana mitovy.”
Fa inona no holazaina rehefa mifanohitra ny lovantsofin’olombelona sy ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra? Aoka hodinihintsika amin’ny andinindininy ny lovantsofina vitsivitsy, amin’ny fahazavan’ny Baiboly.