Ny fanomezana diplaoma ny kilasin’i Gileada faha-85: Fotoam-pifaliana
REHEFA avy nitokana ny tempoly i Solomona, 3 000 taona lasa teo ho eo izay, dia “nampodiny ho any an-dainy avy ny olona, ary faly sy ravoravo izy”. (2 Tantara 7:10.) Ireo teny ireo dia milazalaza tsara ny fihetseham-pon’ny olona 4 000 mahery nivoaka avy tao amin’ny Efitrano fanaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah fivoriambe any Jersey City (Etazonia) tamin’io 11 septambra 1988 io. Fa nahoana no nivory izy ireo? Tonga izy ireo mba hanatrika ny fizarana ny diplaoman’ny kilasin’i Gileada, Fianarana Baiboly an’ny Fikambanana Watchtower, kilasy faha-85.
Natomboka tamin’ny hira ny maraina, narahin’ny vavaka nampihetsi-po nataon’ny rahalahy Lloyd Barry, anisan’ny Kolejy foibe. Nitari-draharaha tamin’io andro io ny rahalahy Theodore Jaracz, mpikambana hafa iray ao amin’ny Kolejy foibe. ‘Mba hahatonga izao fotoana izao hampahery sy hanatanjaka tokoa, hoy izy, dia mila ny fitahiana sy ny fanahin’i Jehovah isika.’ Tsapa tokoa ny vokatr’izany tao anatin’io andro io.
Taorian’ny teny fiarahabana tonga soa aman-tsara, dia nihaino torohevitra vitsivitsy farany ireo mpianatra, tamin’ny endriky ny fitohitohizan-dahateny fohy azo ampiharina. Nandray ny fitenenana voalohany i R. Rains, anisan’ny Komitin’ny Betela. Naka ny teny ao amin’ny Genesisy 12:1, 2 ny rahalahy Rains ka nanome izao torohevitra izao: ‘Misehoa ho fitahiana ao amin’ny faritaninareo.’ Ahoana no hahatongavana amin’izany? ‘Ny zavatra rehetra dia miankina amin’ny fomba fiaina harahinareo rehefa tonga any an-toerana’, hoy ny fanazavany. Nasongadiny koa ny hevitra roa hafa izay hahasoa tokoa ireo misionera vaovao: 1) tokony ho fantatr’izy ireo fa tsy maintsy manao fiovana sasany izy mba hifankazarana amin’ny faritaniny vaovao; ary 2) tokony hataony izay hitanana fifandraisana milamina amin’ny hafa.
Niteny tamin-kafanam-po tamin’ireo mpianatra rehefa avy eo i John Barr, anisan’ny Kolejy foibe, tamin’ny famelabelarana ny foto-kevitra hoe “Ampitomboy ny finoanay”, nalaina avy ao amin’ny Lioka 17:5. Nananatra azy ireo tamin’izao teny izao izy: ‘Aza avela hisy andro handalo na dia iray monja aza ka tsy nangatahana tamin’i Jehovah mba hanome anareo finoana misimisy kokoa.’ Tsy tokony hohadinoin’ny misionera na oviana na oviana ny antony nanirahan’i Jehovah azy ireo. Nahazo izao fampaherezana izao izy ireo: ‘Tsapao ny herin’ny fandaminan’Andriamanitra, na ny hita maso na ny tsy hita maso. Manohana anareo andro aman’alina izany. Tsy matetika loatra akory raha mangataka toy izao amin’ny vavaka ianareo: “Jehovah o, raha sitraponao, ampitomboy ny finoako.” ’
Nanaitra ny fahalianana ny lohatenin’ny lahateny nataon’ny mpandahateny manaraka, rahalahy Dean Songer, anisan’ny Komitin’ny fanontam-pirinty, manao hoe: “Zavatra apetraka tsy manam-paharoa sy fanalahidy manokana.” Nanatsoaka ny fanazavany avy amin’izay vakina ao amin’ny 1 Tantara 9:26, 27 momba ireo mpiandry varavarana levita ny rahalahy Songer. ‘Zavatra napetraka tsy manam-paharoa ny asan’izy ireo’, hoy ny fanazavany. Ireny mpiandry varavarana ireny dia nitana ny fanalahidy — zavatra nampiseho ny fahafahana hanara-maso ny fidirana ho ao amin’ireo faritra masina amin’ny tempoly. Ireny lehilahy mendrika itokiana ireny dia namoha ny varavarana isa-maraina. Ho famaranana, dia niteny tamin’ireo mpianatra toy izao ny rahalahy Songer: ‘Nandray ara-panoharana zavatra apetraka tsy manam-paharoa sy fanalahidy manokana ianareo, ka izany dia mamela anareo, isa-maraina isa-maraina, hamoha ny tokotanin’ny fanompoam-pivavahana marina ho an’ireo izay mitady hiditra ao. Tahirizo tsara izany zavatra napetraka aminareo izany ary misehoa ho mendrika itokiana amin’ny fomba hampiasanareo an’io fanalahidy io.”
Rehefa avy eo ny rahalahy Milton Henschel, anisan’ny Kolejy foibe, dia nandray ny fitenenana araka ny foto-kevitra hoe “Tano hatrany ny mariky ny teny mahasoa”. Nifototra tamin’ny 2 Timoty 1:13, 14 (MN ) ny rahalahy Henschel ka niresaka ny amin’ny anankiray amin’ireo torohevitra farany nomen’i Paoly an’i Timoty: ‘Ampiasao ny mariky ny teny mahasoa noraisinao tamiko, ary tano ho toy ny harena izany, zavatra napetraka.’ Manana harena koa ireo misionera. Tao anatin’ireo dimy volana lasa dia nianatra ny Baiboly sy lafiny samihafa amin’ny fanompoana izy ireo. ‘Nataon’Andriamanitra eo an-tananareo izany mariky ny teny mahasoa izany, hoy ny fanazavan’ny rahalahy Henschel, mba hampiasanareo azy, tsy ho an’ny tenanareo manokana fotsiny, fa ho an’ny hafa.’
Torohevitra farany inona no homen’ireo mpampianatra roa tao amin’ny Sekoly ireo mpianany? Noresahin’ny rahalahy Jack Redford aloha ny amin’ny foto-kevitra hoe “Miaike ny fahadisoanareo”. Araka ny nasainy nomarihina, na dia fantatsika aza fa “tafintohina amin’ny zavatra maro isika”, dia mirona hanamarin-tena ihany isika raha aseho amintsika fa nanao fahadisoana isika (Jakoba 3:2). ‘Ny fandavana tsy hanaiky ny fahadisoan’ny tena dia fihamboana ho tsy mety diso’, hoy ny rahalahy Redford. Ny lalam-pahendrena dia ny fiekena ny fahadisoantsika. Nahoana? Nanome izao fanazavana izao ny mpandahateny: ‘Tsy misy olona afaka mitana ny fanajan’ny hafa raha manamafy izy fa marina ny azy rehefa hita miharihary izao fa diso izy. Ahoana no mety hatokiana olona fantatra fa mety hamadika ny fahamarinana mihitsy aza mba hisehoana fotsiny fa manana ny marina ny tenany? Mahatonga hatanjaka kokoa ny fiekenany fahadisoan’ny tena ary mampitombo ny fanajan-tena. Fahakanosana no mifanohitra amin’izany, ary mampahosa antsika eo amin’ny lafiny ara-pitondrantena.’ Tsy maintsy hanampy an’ireo misionera hiaina amim-pihavanana eo amin’izy samy izy izany torohevitra azo ampiharina izany.
Ulysses Glass, mpampianatra hafa iray koa sady mpitantsoratry ny sekoly, dia nanatsoaka ireo toroheviny farany avy amin’ny fitantarana ao amin’ny Baiboly mahakasika an’i Gideona izay nampiasain’i Jehovah mba hanafaka ny Isiraely tamin’ny Midianita (Mpitsara, toko faha-6 ka hatramin’ny faha-8). Noporofoin’i Gideona fa mendrika ny fitokiana nasehon’i Jehovah taminy izy, satria nolaviny ny fanipazan-kevitry ny vahoaka izay nitady hanao azy ho mpanjaka. Hoy ny navaliny azy ireo: “Jehovah ihany no hanapaka anareo.” (Mpitsara 8:23). ‘Tsy tokony hitady fisandratana koa ny tenanareo, hoy ny rahalahy Glass. Efa nampiseho ny fahaizanareo ianareo, kanefa tsy milaza akory izany hoe anareo ny voninahitra amin’ny ady. Jehovah no manohana anareo.’
Ny rahalahy Albert Schroeder, anisan’ny Kolejy foibe, no mpandahateny farany tamin’ny maraina. Nampiseho ny fiheverany ho zava-dehibe tokoa ny Sekolin’i Gileada ny teniny. Misy antony tsara amin’izany, satria izy no mpitantsoratra tao raha vao tamin’ny 1943, taona namoronana an’io sekoly io. Araka ny foto-kevitra hoe “Aoka ianareo ho hita fa mahatoky”, araka ny 1 Korintiana 4:2 no nitenenan’ny rahalahy Schroeder. Inona no dikan’ny hoe hita ho mahatoky? ‘Izany dia milaza fanehoana finoana tanteraka ireo fanambarana sy ireo fampanantenana sarobidy nomen’i Jehovah Andriamanitra, hoy ny fanazavany. Izany dia manondro koa olona izay marina, tsy mivadibadika, tsy mivadika eo anatrehan’i Jehovah.’ Efa nisy olona hita ho nahatoky ve? Eny; ireo lehilahy sy vehivavy tamin’ny andro talohan’ny kristianisma izay resahina ao amin’ny Hebreo toko faha-11; Jesosy Kristy; ireo apostoly mbamin’ny mpianatra voahosotra hafa tamin’ny taonjato voalohany. Rehefa avy nilaza oha-pahatokiana vitsivitsy tamin’ny andro ankehitriny ny rahalahy Schroeder dia nanontany hoe: ‘Ary isika?’ Avy eo dia hoy ny teny nanampiny: ‘Tsy azo atao ny sady hahatoky no tsy hahatoky. Na kristiana voahosotra isika na anisan’ny olona betsaka, isika rehetra tsy misy avakavaka dia samy tokony hahatoky amin’izay niantsoana antsika.’
Rehefa vita ny fandraisan’ny rahalahy Schroeder anjara, dia nampita fiarahabana avy amin’ny tany maro ny mpitari-draharaha. Tonga ny fotoana hanomezana ny diplaoma. Avy any amin’ny tany enina samy hafa ireo mpianatra 22: Alemaina, Kanada, Etazonia, Finlande, Grande-Bretagne sy Soeda. Hirahina ho any amin’ny tany iraika ambin’ny folo hafa izy ireo: Bélize, Dominique, Equateur, Hong-Kong, Lesotho, Pakistan, Paraguay, Porto Rico, Salvador, Sénégal sy Taiwan. Naniry hilaza zavatra ve ireo mpianatra tamin’ny fanomezana ny diplaomany? Namaky taratasy natao ho an’ny Kolejy foibe sy ho an’ny fianakavian’ny Betela ny anankiray taminy. Izao indrindra no nolazainy: “Misaotra anareo rehetra indray izahay noho ny nanaovanareo ireo dimy volana ireo ho fotoana tsy hay hadinoana.”
Taorian’ny fiatoana, ny rahalahy W. Van de Wall, anisan’ny Komitin’ny asa fitoriana, dia nanokatra ny fotoam-pivoriana tolakandro tamin’ny fitarihana fianarana Ny Tilikambo Fiambenana nohafohezina. Rehefa avy eo ireo mpianatra dia nampiseho tantara fohy nampiseho zava-nitranga mahaliana, mahatsikaiky indraindray, sendra hita tamin’ny fitoriany tao amin’ny tanànan’i New York. Taorian’izany, izay rehetra nanatrika teo, tao anatin’izany ireo anisan’ny kilasy faha-85, dia nanatrika fampisehoana sary maizina nitondra ny lohateny hoe “Aoka isika hamantatra kokoa ireo misionera be zotom-po”. Noho ny “diapositives” sy ny feo noraisina, dia azon’ny mpanatrika natao ny nahita, nefa koa nahare misionera hatramin’ny ela be.
Ho famaranana, nitovitovy tamin’izany ihany, ireo mpianatra dia nampiseho tantara araka ny Baiboly nitafiana araka ny fotoana, izay nanipika ny maha-zava-dehibe ny hanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra amin-jotom-po. Taorian’ny hira, ny rahalahy Frederick Franz, 95 taona sady prezidàn’ny Fikambanana Watchtower, dia nanao vavaka famaranana tamin-kafanam-po. Taorian’izany, dia nody tany an-trano ny tsirairay avy, “faly sy ravoravo”.
Naorina tamin’ny 1943 Gileada, Sekoly fianarana Baiboly an’ny Fikambanana Watchtower, ka mampiofana sy maniraka misionera maneran-tany. Ireo fotoam-pianarana 35 voalohany dia natao tao amin’ny Toeram-piompian’ilay Fanjakana an’ny Fikambanana Watchtower, tany akaikin’i South Lansing (Etazonia) aloha. Nanomboka tamin’ny kilasy faha-36 izay nivoha ny 6 febroary 1961, dia nafindra tany amin’ny foiben’ny Fikambanana, any Brooklyn (New York) izany ka niasa tao tatỳ aoriana. Nanomboka tamin’ny 17 oktobra 1988, amin’ny kilasy faha-86, ny anaovana ny sekoly dia ao amin’ny Toeram-piompian’ny Fikambanana Watchtower, eo akaikin’i Pine Bush, ao amin’ny Fanjakan’i New York.
[Efajoro, pejy 21]
Ilay kilasy jerena amin’ny ambangovangony
Antsalan’ny taona: 29,1
Antsalan’ny isan’ny taona naha-tao anatin’ny fahamarinana: 13,4
Antsalan’ny isan’ny taona nanaovana ny asa manontolo andro: 9,1
Isan’ny rahalahy mpitovo: 2
Isan’ny mpivady: 10
[Sary, pejy 23]
Kilasy faha-85 amin’i Gileada, Sekoly fianarana ny Baiboly an’ny Fikambanana Watchtower
Ao amin’ny lisitra eto ambany, ireo laharana dia asiana nomerao avy atỳ aloha mankany aoriana ary ireo anarana dia tononina avy any ankavia miankavanana:
1) Y. Johnston; S. Kuismin; Z. Ugarte; Z. Williams; G. Grischkewitz. 2) E. Powers; L. D’Angelo; J. Honsberger; J. Williams; J. James. 3) V. Kuismin; U. Grischkewitz; R. Urgate; A. Rogerson; K. Lantunen; D. James. 4) M. Rogerson; R. Johnston; T. D’Angelo; T. Honsberger; T. Powers; M. Danielson.