FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 1/3 p. 28-31
  • Nitodika tany amin’ilay Loharanon’ny tena rariny izahay

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nitodika tany amin’ilay Loharanon’ny tena rariny izahay
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Teo am-pitadiavana ny rariny
  • Teo amin’ny fampiharana, endrey izany fahadisoam-panantenana!
  • Niresaka ny amin’Andriamanitra tamiko i Linda
  • Hitanay ny lalana tsara
  • Zava-kendrena vaovao eo amin’ny lalan’ny rariny
  • Tafaraka Ihany Rehefa Ela ny Ela!
    Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2016
  • Nisy Nanafintohina: “Manana Antony Hitarainana”
    Miverena Amin’i Jehovah
  • ‘Tsy Velona ho An’ny Tenanay Intsony Izahay’
    Mifohaza!—1998
  • Nianatra Nitoky Tamin’Andriamanitra Aho
    Mifohaza!—2006
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 1/3 p. 28-31

Nitodika tany amin’ilay Loharanon’ny tena rariny izahay

Nosoratan’i Erwin Grosse

TAONA vitsivitsy lasa izay, dia ho nahita ahy nitety varavarana vao maraina be ianareo, tao amin’ny fandrafetan-tsambo midadasika iray any Kiel (Alemaina), teo am-pizarana trakitra sy teo am-pivarotana ny revio Rote Fahne, natontan’ny KPD/MLa, sady niezaka hitari-dresaka tamin’ireo mpiasa sy mpianatra asa. Asa tsy nahafinaritra akory ny nanandrana nitarika azy ireny hanaraka ny hevitra kaominista narahiko.

Tsy nanaiky ho kivy anefa aho. Nahita zava-kendrena teo amin’ny fiainana aho: fandraisana anjara tamin’ny fanorenana toe-piainana ara-drariny amin’ny alalan’ny tolom-piavotana maneran-tany. Ahoana no nahatonga ahy hanaraka izany hevitra izany? Hanome fahafahampo ny hetahetako ny rariny ve io zava-kendrena io?

Teo am-pitadiavana ny rariny

Tsy velona afa-tsy mba hiantoka ny fiadanany ara-nofo ny ray aman-dreniko, ka hitako ho tsinontsinona tanteraka izany. Nitady zava-kendrena ambony kokoa ny tanora niara-belona tamiko. Nanandrana fomba fiaina vaovao izahay ary nanantitrantitra fa nahita zava-kendrena tsy fahita teo amin’ny fiainana. Tamin’izany fotoana izany, dia nameno ny pejy voalohany amin’ireo gazety ny adin’i Viet Nam sy ireo fihetsiketsehan’ny mpianatra. Ho anay, dia nisy tsy manan-tsiny namoy ny ainy noho ny fitiavam-boninahitra mihoa-pampana nasehon’ireo mpanao politika sy kapitalista. Nahasosotra ahy izany ka nanomboka nankahala ny kapitalisma aho.

Niala tamin’ny fivavahana mahazatra koa aho, indrindra fa noho ny fisehoan-javatra iray tamin’ny raharaha miaramila nataoko tao amin’ny tafik’i Alemaina andrefana. Indray andro, dia notapahina ny matson’ny antokon’ny tafika nisy ahy mba hanaovana fotoam-pivavahana. Nozaraina ho antokony roa ireo miaramila, katolika sy protestanta, avy eo, teo amin’ny faran’ny fotoam-pivavahana, dia nitso-drano ny tafondro ireo mpitondra fivavahana tao amin’ny Fiangonana roa! Saika tsy nino aho: mitso-drano fiadiana natao hamafazana fahafatesana! Tena nampianarina ahy tany an-tsekoly anefa, rehefa nisy fianarana momba ny fivavahana, fa nanome izao baiko izao Andriamanitra: “Aza mamono olona.” — Eksodosy 20:13.

Narahiko ny hevitr’i Karl Marx izay nihevitra ny fivavahana ho “opioman’ny vahoaka” izay mampangina ny olona eo anoloan’ny tombontsoan’ny kapitalisma. Noho izany antony izany, rehefa avy niala tamin’ny tafika aho, dia nandao ny Eglizy ary nanomboka nanaraka tsy tapaka fianarana momba ny marksisma leninisma. Novakiko koa ny zavatra nosoratan’i Mao Tsé-toung. Izany rehetra izany dia nampahatanjaka ahy tamin’ny fiekeko fa tolom-piavotana maneran-tany ihany no ho afaka hanongotra ny ratsy. Nihevitra aho fa io no hany fomba hanorenana fikambanan’olona vaovao araka ny rariny.

Nampianarin’ny KPD/ML aho mba hitaona mpiasa hanaraka ny fampianaran’i Lénine sy hizara trakitra mbamin’ny revio Rote Fahne. Nitondra sila-damba nisy soratra koa aho ary namily fiara misy fanamafisam-peo tamin’ireo fihetsiketsehana. Na dia tao aza izany rehetra izany, dia nihevitra ahy ho mpiombon-kevitra fotsiny ilay antoko. Talohan’ny handraisan’ny komity foibe ahy ho mpikambana, dia nila ny nampiseho ny fahaizako aho tamin’ny fiaraha-miasa tamin’ilay antoko kelikely sy tamin’ny fanohanana azy ara-bola.

Teo amin’ny fampiharana, endrey izany fahadisoam-panantenana!

Mpanao sary momba ny taozava-baventy aho araka ny fiofanana azoko, nefa nanintona ahy kokoa ny hairahan’ny mpanao hosodoko sosialista noho ny fahaizako manokana, ary naniry hiseho hahay hamorona tahaka azy ireny aho. Nangataka hiditra tao amin’ny Sekolin’ny Zava-kanto tany Berlin Andrefana àry aho. Voaray tao aho ary nanomboka nianatra tao tamin’ny febroary 1972.

Tany koa, dia nifandray tamin’ilay antoko aho ary tsy ela dia nijoro teo anoloan’ireo varavaran’ny orinasa mba hivarotra Rote Fahne. Nanao sary hatao petadrindrina koa aho, mbamin’ny sarin’i Marx, Engels, Lénine sy Mao Tsé-toung teo amin’ny saina mena.

Nanapa-kevitra ny tsy hanambady mihitsy aho, fara faharatsiny talohan’ny nihaonako tamin’i Linda. Nahita toetra tsy fahita firy tao aminy aho, dia ny fahatokiana, ka izany no nanintona ahy taminy. Nampakatra azy aho rehefa afaka dimy volana, ka nanomboka nahaforona mpivady nifanentana izahay.

Talohan’izay, dia niaina niaraka tamin’ny antokon-tanora nankasitraka hevitra manohitra samihafa aho. Niarahanay nandinika izao foto-dresaka rehetra izao, nefa nisy fifandonana sy fahatezerana koa teo aminay. Toy izany koa tao amin’ireo antoko kaominista samy hafa. Nanamafy ny tsirairay avy fa tsy nahazo tsara ny filamatra kaominista ny hafa rehetra ka tokony hiaraka amin’ny “tena” antoko. Ady mafy dia mafy izany!

Fahita ny ady teo amin’ny ilany ankavia sy ankavanana teo anivon’ny antoko nisy ahy. Nanandrana nifandroaka ireo tompon’andraikitra. Leon’ny ady hevitra an-tsoratra sy ny vava ratsy aho ka nanapaka tsikelikely izay rehetra nety ho fifamatorana tamin’io antoko io. Tsy hitako izay nilana hiaraka amin’ny antoko iray tsy afaka nitondra fiovana mihitsy raha ny marina. Niharihary ho tsy tratra ny filamatra kaominista teo amin’ny fampiharana. Na dia tao aza izany rehetra izany dia nitana ny hevitra marksista narahiko aho.

Niresaka ny amin’Andriamanitra tamiko i Linda

Indray alina, rehefa nandeha fiarakodia ho any Kiel any Berlin izahay, dia ankona aho nandre an’i Linda nilaza tamiko hoe: “Miaiky aho fa misy Andriamanitra iray; mino azy ao anatiko ao aho.” Gaga aho, satria hatramin’izay dia niaro ny hevitra marksista narahiko foana i Linda.

Nanaraka izany ny fifanakalozan-kevitra momba ny materialisma dialektika sy ny marksisma. Araka ny fampianarana marksista, ny fiainana ara-panahy sy ara-tsaina ary ara-pitondrantenan’ny olombelona dia voavolavolan’ny manodidina azy tanteraka. Noho izany, ny olona “vaovao” dia teraka avy amin’ny fanabeazana araka ny hevitra kaominista sy ny fanovana tanteraka ny toerana manodidina. Nahafantatra bebe kokoa noho izaho ny amin’io raharaha io anefa i Linda izay teknisiana tao amin’ny laboratoara, ka noporofoiny tamiko fa misy heriny eo amin’ny fitondrantenan’ny olona koa ny fandovan-toetra. Notapahinay ny resaka mba tsy hiharatsy.

Nandritra ny dia iray tatỳ aoriana, dia nahatsapa faniriana ny hiresaka ny amin’Andriamanitra tamiko indray i Linda. Araka ny hevitro, ny tsangan-kevitra momba ny evaolisiona dia nanamafy fa avy amin’ny tenan-javatra araka ny kisendrasendra fotsiny ny zavatra rehetra. Nanintona ny saiko ho amin’ny fotopoto-pitsipika momba ny “thermodynamique”, ny lalàna momba ny tsy fihetsehana mbamin’ny lalàna fizika hafa koa izy mba hanaporofoana tamiko fa tsy maintsy nisy fisiana manan-tsaina fototry ny fiainana. Tsy tiako ny hiova hevitra, kanefa efa tena nihozongozona ny filozofiako ny amin’ny fiainana sy ny foto-pisainako.

Herintaona tatỳ aoriana, indray alahady maraina, dia nandray boky lehibe i Linda ka nanomboka namaky andinin-teny. Izany dia tantaran’ny lehilahy iray nikapa hazo, nampiasa ny tapany hanaovana sampy tsy manana aina izay nitalahoany toy izao rehefa avy eo, “Vonjeo aho.” Nanaitra ny saiko mafy io filazalazana niavaka ny amin’ny fivavahana io. Toy inona moa ny fahagagako nahafantatra fa notsoahina avy ao amin’ny Baiboly izany! — Isaia 44:14-20.

Nangataka tamin’i Linda aho mba hanohy, ka nanao izany izy nandritra ny adiny dimy: nanomboka tamin’ny fahotan’ny olombelona tany Edena izy ary namarana tamin’ny fanorenana indray ny Paradisa voalazalaza ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy. Tsy ilaina ny milaza fa sasatra tanteraka izy taorian’izany. Fa raha ny amiko kosa, dia toy ny hoe nisy kiran-javatra niala avy amin’ny masoko, toy ny hoe izay aho vao nahita mazava. Mazava ho azy fa nanontaniako an’i Linda hoe taiza no nianarany izany rehetra izany.

Nilaza tamiko izy fa teo amin’ny faha-14 taonany dia niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy tany Berlin, ary natao batisa aza tatỳ aoriana. Teo amin’ny faha-18 taonany, dia voatery nifindra fonenana lavitra izy noho ny asany ary nampalahelo fa niala tamin’ny lalan’ny fahamarinana izy. Tatỳ aoriana, rehefa tafaverina tao Berlin izy, dia nifanerasera tamin’ny olona amin’ny antoko ankavia. Ny fahasambarana hitany ankehitriny eo aminay mivady dia nanosika azy hitady indray an’Andriamanitra. Hamela ny fahadisoany ve anefa izy? Fantany fa ny hany fomba hiarovana ny fiainanay sy ny fahasambaranay ao anatin’ny fanambadiana dia ny fiverenana amin’Andriamanitra amin’ny fibebahana. Mbola tsy tonga tamin’izany anefa aho; nila fotoana misimisy kokoa aho.

Hitanay ny lalana tsara

Indray takarivan-dohataona, dia nandinika ny masoandro mody nidorehitra tao amin’ilay tanàna izahay raha nilaza tamiko toy izao i Linda: “Afaka mandray soa vetivety amin’ireny zavatra ireny angamba isika, ry Erwin, nefa moa ve hitana antsika ho velona Andriamanitra rehefa handray anjara izy? Inona no antony holazaintsika aminy fa nanaovantsika toy izao?” Nampieritreritra ahy ireo fanontaniana ireo. Nahazo fahalalana sasany an’i Jehovah aho, nefa niharihary fa tsy ampy izany. Nanao fanapahan-kevitra ny hitodika any aminy àry aho.

Tsy ela taorian’izany, dia tafahaona tamin’ny vehivavy be taona iray izay nanolotra Ny Tilikambo Fiambenana teo ambony sezany mikorisa teny an-tsena izahay. Nanontanianay azy ny ora fivoriana tao amin’ny Efitrano Fanjakanan’ilay tanàna. Miramirana avy hatrany izy ary nandray ny tananay sady namerimberina hoe: “Faly aoka izany aho mahita tanora tahaka anareo maniry hahalala ny Baiboly!” Safononoky ny fifaliana izy ka nitsangana teo amin’ny sezany mikorisa ary nanoroka an’i Linda. Nandray gazety vitsivitsy avy aminy izahay ary nampanantena azy fa hanatrika ny fivoriana manaraka.

Tonga tao amin’ny efitrano izahay taloha kelin’ny hanombohan’ny fivoriana. Lava ny voloko ary nanana volom-bava aho, nanao “jean” sy “tee-shirt”. Linda kosa nanao ny akanjo “bleu marine” nanaovan’ny nenitoany tamin’ny fampakaram-badiny, 30 taona lasa izay. Rehefa nahita lehilahy iray nanao palitao sy kravaty nijoro teo am-pidirana aho dia nieritreritra hoe: “Tranainy ity iray ity izany! Tsara fanombohana ka!’ Niseho ho sakaiza anefa izy io ary nandray anay tamin’izao teny izao: “Niandry anareo izahay!” Na dia sanganehana aza aho dia niteny taminy hoe: “Ho tianay ny hianatra Baiboly.” Tsy nahagaga azy na dia izany aza. “Efa voaomana”, hoy ny navaliny ahy. Somary sosotra izahay, nefa niditra.

Nandritra ny fivoriana, dia imbetsaka no tsapako ho toa ny tenako manokana no nitenenan’ilay mpandahateny. Teo am-piandohan’ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, dia nisy mpikambana tao amin’ny kongregasiona gaga nahita an’i Linda namoaka ny gazety efa voaomany. Taorian’ny fivoriana adiny roa, dia nanatona anay ilay vehivavy kristiana be taona tafahaona taminay tany an-tanàna ka nanoroka anay, feno fifaliana aoka izany. Izy no nilaza tamin’ny kongregasiona manontolo fa ho tonga izahay. Nisy fandaharana natao mba hianaranay tsy tapaka ny Baiboly niaraka tamin’ilay Vavolombelona nandray anay ary, rehefa afaka sivy volana, ny 4 aprily 1976, dia namarika ny fanolorana ny tenako ho an’i Jehovah tamin’ny batisa aho.

Sambatra aoka izany aho nanjary nahafantatra Ilay nanome fampanantenana toy izao: “Indro, havaoziko ny zavatra rehetra”! (Apokalypsy 21:5.) Fa ahoana no hanorenan’ny Mpamorona ny tena rariny? Mamaly amin’izao teny izao ny Ohabolana 2:21, 22: “Fa ny olona mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao; fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ny tany, ary ny mpivadika hongotana.”

Izaho izay nizara teo aloha ny Rote Fahne nitety varavaran’ireo orinasa, dia Ny Tilikambo Fiambenana izao no atolotro ao amin’ny arabe Karl Marx eto Berlin-Neukölln ny asabotsy. Azoko atao izao ny miresaka amin’ny olona ny amin’ny zavatra tsy hain’ny fandaharan’olombelona atolotra mihitsy, dia: ny fiainana mandrakizay (Jaona 17:3). Hitako fa dieny izao “ny marina” dia mianatra mitafy “ny toetra vaovao, izay havaozina ho amin’ny fahalalana tsara”. (Kolosiana 3:10.) Hahatratra ny zava-kendreny io fiofanana mba hiainana ao amin’izao tontolo izao vaovao io.

Fa raha ny amin’i Linda, dia tapa-kevitra izy izao tsy hiala intsony amin’ilay Loharanon’ny tena rariny. Peter sy Reni, izay nampianatra anay ny lalan’i Jehovah, dia nahatsapa izay nilainy ara-panahy ka nanampy azy handroso.

Zava-kendrena vaovao eo amin’ny lalan’ny rariny

Tao amin’ny fianarana Zava-kanto, dia nokianina an-karihary ireo zavatra inoana narovako tamin-jotom-po izao. Nilaza tamiko ny mpampianatra ahy, mpahay hosodoko be mpahalala, fa izay iray tokony hofidiko na ny fahaizako zava-kanto na ny finoako vaovao. Nialako àry ny fanaovana sary hosodoko ary nanomboka nitady asa izay hahatonga anay ho afaka hanatratra zava-kendrena vaovao izahay, dia: ny fanombohana ny asan’ny mpitory maharitra. Matetika izahay sy Linda no naneho io faniriana io tamin’i Jehovah tao amin’ny vavaka. Nameno ny fangatahanay hanao ny asan’ny mpitory maharitra izahay, enim-bolana talohan’ny 1 septambra 1977, daty nikasanay hanombohana ny asanay.

Tsy mora akory ny zavatra rehetra, kanefa noho ny fanampian’i Jehovah dia nahatratra ny zava-kendrenay izahay. Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, ny 1 janoary 1985, dia tonga mpitory maharitra manokana izahay sy Linda. Nahazo fahafahampo tamin’izany ny faniriana hafa iray nameno aoka izany ny fonay. Mahatsiaro fahafahampo lehibe izahay izao mampiasa ny herinay rehetra mba hanampiana ny mpiara-belona aminay hahita ny lalan’ny tena rariny.

Ary ny hetahetako ny rariny? Afa-po ve izany? Eny; fantatro ankehitriny ny tena hevitry ny tenin’i Jesosy voasoratra ao amin’ny Matio 5:6, manao hoe: “Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana.”

[Fanamarihana ambany pejy]

a Kommunistische Partei Deutschlands/Marxisten-Leninisten (Antoko kaominista alemanina/marksista leninista).

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara