Tantara tian’ny ankizy
TAMIN’NY taona lasa, tany Brooklyn, ny foibe iraisam-pirenen’ny Fikambanana Watch Tower dia naharay izao taratasy manaraka izao avy any Sherwood (Etazonia):
“Tompokolahy isany,
“Tsy ela izay, dia nindramiko tao amin’ny fitehirizam-bokin’ny tanàna ny boky iray mitondra ny lohateny hoe Ny Bokiko misy fitantarana avy ao amin’ny Baiboly ho an’ireo zanako 4 sy 6 taona. Voasoratra amin’ny teny azony ireo tantara, ary tiany tokoa izany. Irinay àry ny hampiditra io boky io ao amin’ny fitehirizam-bokinay manokana.
“Ao amin’ny faran’io boky io, dia lazaina mazava fa azo atao ny mahazo anankiray aminy amin’ny fandefasana amin’ny adiresinareo, taratasy miaraka amin’ny 2 dôlara. Toa efa elaela no nanontana an’io Boky io, ka ho azonareo atao ve ny mampahafantatra ahy ny vidiny ankehitriny mba hanafarako iray amin’izany?”
Ny vidin’ny Bokiko misy fitantarana avy ao amin’ny Baiboly ankehitriny amin’ny teny malagasy dia 360 ariary. Azonao atao koa ny hahazo anankiray amin’io boky 256 pejy io, misy sary mahafinaritra ary voatonta amin’ny sora-baventy. Ampy anao amin’izany ny mameno sy mamerina ny tapakila famaliana eto ambany miaraka amin’ny vola 360 ariary.
Aza fady mba alefaso ho ahy, tsy misy fandoavam-bola eo am-pandraisana ny zavatra, ilay boky mifono baoritra mitondra ny lohateny hoe Ny Bokiko misy fitantarana avy ao amin’ny Baiboly. Ampiarahiko amin’ity ny vola 360 ariary.