FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 1/12 p. 32
  • 1987 Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 1987 Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 1/12 p. 32

1987 Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah

SRI LANKA: Nikorontana ity taona ity ho an’ny nosy mitarehim-paradisan’i Sri Lanka. Azo natao ny namaky tao amin’ireo gazety, lohateny tamin’ny sora-baventy toy ny hoe “Ny ady ao amin’ny Paradisa” na koa ‘Miady amin’ny tenany ny firenena iray’. Mifanohitra amin’izany kosa dia manjaka eo amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah ny filaminana ary tsy asiana fiheverana ao any tsy fitoviana ara-pirazanana na ara-tsosialy. Ny isan’ireo mpitory dia nahatratra ny tampony 996. Niorim-paka hatrany ny toe-tsaina tia ny asan’ny mpitory maharitra teo amin’ireo izay nanome vidiny mihakely hatrany an’ireo zava-kendrena ara-nofo ary manomboka mihevitra ho zava-dehibe ireo zava-kendrena ara-panahy. Voaporofo izany tamin’ny fitomboana 43,7 isan-jato tamin’ny isan’ny mpitory maharitra mandavantaona sy mpanampy.

Any Sri Lanka, i Reginald dia mpitory maharitra manokana izay manam-pahaizana manokana amin’ny fampianarana. Mitarika fampianarana Baiboly any an-tokantrano eo amin’ny roapolo eo izy. Hazavainy amin’ireo miara-mianatra aminy fa tsy irery akory izy fa anisan’ny kongregasiona iray, avy eo dia tantarainy amin-kafanam-po amin’izy ireo ny fivoriana mahaliana izay anasany azy ireo fatratra hatrehina. Tamin’ireo izay niara-mianatra taminy dia maro no tsy niandry ela mba hahatongavana any amin’ireo fivoriana.

HONG KONG: Ho toa inona re ny fiainana any Hong Kong rehefa hiverina ho faritany sinoa indray izy io amin’ny taona 1997 e! Inona avy ireo loza handrahona ny fiainana reheafa ho voaorina tsy lavitra eo, izany hoe eo amin’ny 50 kilaometatra avy eo fotsiny ny foibe noklehera iray? Izany no fanontaniana roa lehibe mampanahy ireo mponina. Maro no efa lasa ary ny hafa mikasa ny hanao izany. Ao anatin’ny toe-javatra toy izany dia mampahery ny mahita ireo rahalahintsika sy anabavintsika 1416 mitazona finoana tsy azo hozongozonina ny amin’ireo fampanantenan’i Jehovah sady mametraka ny tombontsoan’ilay Fanjakana eo amin’ny voalohan-toerana.

Ny mpitory maharitra manokana iray any India dia nanomboka niara-nianatra tamin’ny katolika iray notoherin’ny vadiny, ny rahalahiny sy ny reniny mba tsy hianatra amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nefa arakaraka ny nanandraman’ilay rahalahiny hampiova hevitra azy dia nanjary liana ny fahamarinana koa izy io ka nanomboka nianatra. Mpanamboatra sampy izy mirahalahy ireo. Rehefa afaka herinandro vitsivitsy nianarana dia takatr’izy ireo mazava tsara ny mahatsinontsinona ny fivavahana amin’ny sampy ka nopotehiny avokoa ireo sampy rehetra nananany mbamin’ireo fitaovana fampiasany hanaovana azy. Ny iray taminy dia nianatra nandoko ka amin’izao fotoana izao izy dia mamelona ny ankohonany amin’ny fanaovana ny asan’ny mpandoko trano. Nasainy nokosehina ny anarany tao amin’ireo bokin’ny Eglizy katolika, nanomboka nitory izy ary mikasa ny hatao batisa. Ny vadin’ireo lehilahy roa ireo dia liana tamin’ny fahamarinana koa ka nanomboka nanatrika ireo fivoriana. Endrey izany valisoa mahita fianakaviana toy izany manao fandrosoana tsara eo amin’ny fanompoana an’ilay Andriamanitra velona, dia Jehovah!

REPOBLIKAN’I KOREA: Any amin’ny Repoblikan’i Korea, ny lafiny matanjaka tamin’ity taona ity dia mbola ny toe-tsaina tia ny asan’ny mpitory mahatalanjona ihany. Raha ampidirina ao koa ireo mpitory maharitra mpanampy dia ny ampahatelon’ireo mpitory ao amin’io tany io no nandray anjara tamin’ny endri-mpanompoana manontolo andro iray amin’ny antsalany isam-bolana.

Koa satria tena ratsy ny fiheveran’ny olona ny raharaha momba ny ra, dia mpitsabo sy foibem-pitsaboana maro no manda tsy hitsabo ireo rahalahintsika. Rehefa nila ny hodidiana vavony ny anabavy iray avy any Inchon ka nangataka ny tsy hampidiran-dra dia nisafoaka tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah ireo mpitsabo tamin’ny filazana fa tsy misy ny maha-olona azy ireo, mirehitra foana tsy amin’ny antony izy ireo, diso ny fivavahany, sy ny sisa... Tamim-pahaiza-mandalanjalanja ilay anabavy dia tsy nitady hiady hevitra; nomeny an’ireo mpitsabo fotsiny ilay boky hoe La vie: comment est-elle apparue? Evolution ou création?. Rehefa niverina nitsidika azy tao amin’ny efitranony ireo mpitsabo dia niova fihetsika tanteraka. Nohazavainy tamin’ilay anabavintsika fa hitan’izy ireo ho nampiseho ny zavatra amin’ny toe-tsaina tena siantifika sy ara-dalàna ny boky Création. Nanampy toy izao izy ireo: “Raha toa ny fivavahanareo ka mianatra foto-kevitra toy ireny amin’ny fomba tsara aoka izany dia tsy maintsy manana antony tena ara-dalàna handavana ny fampidiran-dra ianao.” Nandidy azy tsy nisy fampiasana ra izy ireo ka nandeha tsara ny zavatra rehetra.

[Loharanon-kevitra]

Sombin-dahatsoratra avy ao amin’ny Diary 1987 (anglisy)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara