FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 15/3 p. 28-29
  • Ireo Mpanjaka magy: tena nisy sa angano?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ireo Mpanjaka magy: tena nisy sa angano?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Mitovitovy Aminy
  • Iza Ireo “Magy Telo”? Nasain’Andriamanitra Nanaraka An’ilay ‘Kintan’i Betlehema’ ve Izy Ireo?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Nisy Mpanjaka Telo Nitsidika An’i Jesosy ve Tany Betlehema?
    Mifohaza!—1999
  • Iza no Nandefa An’ilay “Kintana” Nitarika An’ireo Mpanandro?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Nitsidika An’i Jesosy Ireo Mpanandro
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 15/3 p. 28-29

Ireo Mpanjaka magy: tena nisy sa angano?

“C + M + B”

Milaza zavatra aminao ve ireo litera ireo? Izany angamba no izy raha monina any amin’ny faritra katolika iray amin’ny Repoblika federalin’i Alemaina ianao satria any dia matetika ireo no soratana amin’ny tsaoka eo amin’ny tolam-baravarana, arahin’ny daty nanaovana azy. Inona no antony?

Araka ny lovantsofim-bahoaka, ireo litera ireo dia mifanitsy amin’ny fiandohan’anaran’ny “Mpanjaka magy” telo, Gaspar (Caspar amin’ny teny alemanina), Melchior, sy Balthasara izay ny sisan-javatra avy aminy dia toa hoe nafindra any Cologne tamin’ny 1164, avy eo dia napetraka ao amin’ny katedralin’io tanàna io izay tonga toerana ambony fankamasinana azy. Isan-taona, ny 6 janoary, dia ankalazaina any Alemaina ny Fetin’ireo mpanjaka masina telo. Misy antokon-jatovo manao fitafia-mpanjaka tranainy fahizay mitety isan-trano manoratra amin’ny tsaoka ireo litera telo ireo eo amin’ny tolam-baravarana, ka araka ny fanao, izany dia fiarovana ny mponina amin’ny loza.

Araka ny lovantsofina sy ny hairaha ara-pivavahana, ireo Magy na “Mpanjaka” telo dia notarihin-kintana hatreo amin’ny toerana nahaterahan’i Jesosy. Ny voninahitra, na ny fankamasinana mihitsy aza, omena an’ireo “mpanjaka” ireo dia mitarika hanontany tena raha miankina amin’ny Soratra Masina io zavatra inoana io.

Ny hany Filazantsara miresaka ny amin’ireny mpitsidika ireny dia ny an’i Matio (2:1-12). Nefa moa ve lazainy mazava fa telo izy ireo, mpanjaka, ary omeny ny anarany? Miaiky toy izao ny gazety katolika iray (Kirchenzeitung für das Bistum Aachen): “Tsy tena miresaka ny amin’ny Mpanjaka magy telo ny Baiboly. Nanomboka tamin’ny taonjato faha-6, dia notondroina ho mpanjaka telo (...) ireo magy ireo. (...) Fa raha ny amin’ny isan’ny mpanandro, (...) dia tsy miresaka ny amin’izany i Matio. (...) Tamin’ny taonjato faha-9 vao nisy fanombohana niresaka azy ireo tamin’ny anarana hoe Gaspar, Melchior sy Balthasar.” Etsy an-daniny koa, araka ny boky katolika iray fakan-kevitra (Lexikon für Theologie und Kirche), ny teny grika hoe magoï dia tsy manondro mpanjaka, fa “ireo izay mahalala ny tsiambaratelon’ny fanandroana”. Justin le Martyr, Origène sy Tertullien dia nanome izany heviny rehetra izany an’io teny io. Misy koa fandikan-tenin’ny Baiboly amin’ny andro ankehitriny mandika azy amin’ny hoe “mpanandro” ao amin’ny Matio 2:1, 7. — Le Nouveau Testament, fanontana Farel; An American Translation.

Ireo sarin’ny Nahaterahana dia mampiseho foana ireo “mpanjaka telo” eo anilan’i Jesosy vao teraka, nefa teo ve izy ireo tamin’ny nahaterahany? Milaza toy izao ny amin’izany ilay leksika voatonona etsy ambony: “Ahariharin’ny Matio 2:16 fa nety ho herintaona na mahery taorian’ny nahaterahan’i Jesosy no nitsidihan’izy ireo.” Milaza mazava koa ny Mt 2 andininy faha-11 fa “nahita ny zazakely” “tao an-trano” izy ireo fa tsy tao an-tranon’omby. — Ostyb.

Inona no hoeritreretina ny amin’ny fitenenana hoe “mpanjaka masina” ilazana azy ireo any Alemaina? Azo lazaina ara-drariny ve fa “masina” ireny mpitsidika ireny? Tsy misy mihitsy na aiza na aiza ao amin’ny Soratra Masina filazana azy ho toy izany. Raha ny marina, dia nandika ny lalàn’Andriamanitra izy ireny, satria, ao amin’ny Isaia 47:13, 14, dia melohin’Andriamanitra “ireo mpamantatra ny lanitra [“mpanandro”, araka ny Septante] sy mpandinika ny kintana”. (Jereo Deoteronomia 18:10.) “Avy tany atsinanana” ireo mpanandro ireo, tena azo inoana fa avy any amin’ny foiben’ny asan’ny maizina, dia Babylona ratsy tamin’izany fotoana izany, izay nivavahan’izy ireo tamin’ny andriamanitra sandoka. Notarihin’izay noheveriny ho “kintana” àry izy ireo, ka toa izy ireo ihany no nahita izany. Afa-tsy izany koa, dia tantarain’i Matio fa ilay “kintana” dia nitondra azy ireo nivantana ho any an-tranon’i Heroda izay nitady hamono hahafaty an’i Jesosy hatreo. — Matio 2:1, 2.

Tsia, tsy Andriamanitra akory no nampiseho “kintana” iray mba hitarika ireo lehilahy ireo hankany amin’i Jesosy. Moa ve tsy azo inoana kokoa fa io “kintana” io dia nalefan’olona izay naniry hanafoana an’i Jesosy alohan’ny hahafahany manatanteraka ny asa nankinin’Andriamanitra taminy? — Jereo Genesisy 3:15.

Nasehon’i Jesosy fa mety hahatonga ny Tenin’Andriamanitra ‘tsy hisy vokany’ ny tena raha mampiaraka izany amin’ny “lovantsofina”. (Matio 15:6.) Miharihary fa tsy araka ny Baiboly ireo lovantsofina mifandray amin’ireny olona ireny. Tsy heverinao ve fa tsy mety ny mankamasina ireny mpanandro ireny na mihevitra azy ho masina?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny klerjy dia mampifandray koa ireo litera telo ireo amin’ny fehezanteny latina hoe Christus mansionem benedicat (“Hitahy ity trano ity anie Kristy!”)

b Mba hahitana andinindininy misimisy kokoa ny amin’ny fahatongavan’ireny mpanandro ireny, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 martsa 1981, pejy faha-30, 31.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara