FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 15/3 p. 31
  • Mampanakoako ny feony i Afrika!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mampanakoako ny feony i Afrika!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 15/3 p. 31

Mampanakoako ny feony i Afrika!

HOY ny mpanao salamo: “Avy amin’ny vavan’ny ankizy madinika sy ny minono no nanorenanao hery”. (Salamo 8:2). Ohatra velona ny amin’izany i Moïse kely, 8 taona, izay monina any Sierra Leone. Mahafinaritra azy ery ny mandeha mitory, hany ka ny tenany mihitsy no matetika mangataka fotoana amin’ny mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona misy azy mba hiaraka hitory amin’izy ireo. Nisy zavatra nanahiran-tsaina azy anefa. Voatery nindrana gazety sy bokikely izy isaky ny handeha hitory. Amin’ny fomba ahoana àry no hahazoany ny zavatra vita an-tsoratra ho azy manokana, nefa ny ray aman-dreniny tsy nanome azy vola am-paosy? Tsy noresahiny na tamin’iza na tamin’iza ilay zava-nanahirana azy, fa nanapa-kevitra izy ny haka ampahany kely amin’ny vola fanomen’ny ray aman-dreniny azy mba hoentiny any amin’ny toeram-pisakafoana any an-tsekoly. Rehefa afaka telo andro, dia nahangona vola ampy mba hividianana bokikely telo izy. Nefa hataony inona ny vola azony rehefa voapetraka ny bokikeliny? “Hoentiko any amin’ny Efitrano Fanjakana, dia hividianako bokikely hafa indray!” hoy ny navalin’i Moïse.

‘Arehitry ny fanahy’, toy izany no azo ilazana ny vahoakan’i Jehovah any Libéria (Rom. 12:11, MN ). Nomarihina ny tampon’isan’ny mpitory 1 576, izany hoe nisy fitomboana 20% izany amin’ny antsalan’ny tamin’ny taona lasa. Nisy 8 254 ny mpanatrika ny Fahatsiarovana, ka izany dia mamela hamantatra ny fahalianana asehon’ny mponina ao amin’io tany io amin’ny hafatr’ilay Fanjakana.

Ny fitokanana ireo trano lehibe vaovaon’ny sampana, tamin’ny volana martsa 1987, dia nanokatra ny lalana ho amin’ny asa mitombo. Kianja vaovao iray naorina Sinoa, no toerana nofidina hanaovana ny fitokanana. Vao voalohany tamin’izay no nisy fisehoan-javatra ara-pivavahana nalamina tao amin’io kianja io. Nefa hanao ahoana ny ho fihetsik’ireo mpitantana an’io kianja io, izay sady tsy mino an’Andriamanitra no olom-pirenena sinoa? Rehefa avy nandinika ny fitondrantenan’ireo mpanatrika 2 126 ny solontena anankiray avy amin’ny sampan-draharaha mitantana an’ilay kianja, dia nanambara toy izao: “Tsapanay fa tsy vao izao ianareo no nandamina fivoriambe toy izao. Azonareo atao ny miverina araka izay tianareo.”

Roa andro sisa dia ho tonga ny Fahatsiarovana, raha tojo zava-manahirana lehibe ireo rahalahy tao amin’ny kongregasiona iray any Libéria. Ilay toerana fivoriana mahazatra azy ireo dia nofain’ny olon-kafa teo amin’izao tontolo izao, ka ny hany fanafodiny dia ny hivory ao amin’ny efitrano foana iray izay tsy misy seza. Satria olona 400 no nantenain’ireo rahalahy ho tonga amin’io Fahatsiarovana io, dia nangataka seza tamin’ny sekoly iray teo an-toerana izay efa nampindrana seza azy teo aloha izy ireo, nefa nolavina tanteraka ny fangatahany. Seza maro tokoa mantsy, izay nampindramin’io sekoly io antokon’olona hafa no nisy nangalatra. Indray mandeha koa, ny antokom-pivavahana iray dia mamela teny ivelany nandritra ny faran’ny herinandro iray ireo seza ireo.

Tsy nisy vokany ny fikarakaran’ireo rahalahy, satria tsy nety nilefitra mihitsy ny fiandraiketan-draharahan’ilay sekoly. Ho ala nenina farany, dia nankany amin’ilay vehivavy tonian’ny sekoly ny rahalahy sasantsasany, rehefa avy nitory izy ireo, mba hanandrana hanao fangatahana farany. Nanazava tamin’ilay tonia ny rahalahy iray, fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia olona manao ny marina sy voalamina tsara hany ka tsy mahalana no ahitana indray na dia ariary aza, any amin’ireo zavatra very, mandritra ny fivoriamben’izy ireo. Noho izany, dia tsy hisy ho very na dia iray aza amin’ny seza hampindraminy ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ity indray mitoraka ity, hoy ny fanazavan’ilay rahalahy.

Nefa tsy nampihontsina akory ilay vehivavy tonia izany fanamarinan-tena izany. Tsitapitapitr’izay, iny nihazakazaka avy any an-jaridainan’ilay tonia ny zazalahy kely iray, 6 taona sy tapany, izay zana-drahalahin’ny Vavolombelona iray tonga teo, ka nilaza izy fa nahita vola. Nomeny an’ilay dadatoany ilay 5 dôlara hitany, ary io kosa namerina izany tamin’ilay vehivavy tonia, izay talanjona aoka izany. “Raha ny iray tamin’ireo zanako no nahita an’ity vola ity, hoy ny fiaikeny, dia tonga dia nataony am-paosy satria heveriny fa fanomezan’ny lanitra izany!” Nomeny lalana haka ny seza rehetra izay azo ampiasaina tao ireo rahalahy. Tatỳ aoriana, dia niresaka ny amin’izany ohatra amin’ny fanaovana ny marina izany tamin’ireo mpikambana amin’ny antokom-pivavahany io vehivavy tonia io, ary rehefa nanontany azy ny mpikambana amin’ny fivavahana hafa hoe nahoana no nampindraminy an’ireo rahalahy ny seza, dia namaly izy fa satria ny Vavolombelon’i Jehovah dia olona manao ny marina ary azony antoka fa hokarakarain’izy ireo tsara ireo seza ireo. Nahatratra 474 ny mpanatrika ilay Fahatsiarovana. Naverina tany amin’ilay sekoly ny harivan’iny ihany ny seza rehetra.

Tatsy Afrika Atsimo, ny lehilahy iray izay nanenjika ny Vavolombelon’i Jehovah fahiny, dia nanaiky ny fahamarinana. Indray andro, raha niresaka politika izy sy ny namany, dia nanapaka tamim-panajana ny resaka ny rahalahy iray ka nampahafantatra azy ireo ny fomba fihevitry ny Baiboly. Liana ta-hahafantatra bebe kokoa ireo lehilahy ireo, ka nilaza fanontaniana sesehena tamin’io rahalahy io. Ny anankiray tamin’izy ireo dia nampiseho fahalianana manokana ary nihaino tamim-pitandremana ireo teny fanaporofoana ara-Baiboly. Hoy izy tamin’ilay rahalahy izay nitsidika azy tany an-tranony tatỳ aoriana: “Tiako ny hamaky ny Baiboly, nefa iza no mba afaka hanampy ahy amin’izany?” Nanomboka niara-nianatra Baiboly tamin’io lehilahy io ilay rahalahintsika tamin’ny fampiasana ilay boky hoe Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany amin’ny fiteny zoloa. Tsy ela dia niaiky tamin’ilay rahalahy tamin-kenatra lehibe io lehilahy io fa, taona vitsivitsy lasa izay, dia nonina tany amin’ny tany iray izay nandrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, ary satria izy miaramila tao amin’io tafik’io tany io, dia nanenjika ny Vavolombelon’i Jehovah koa izy. Amin’izao fotoana izao, dia nanova azy ny fahamarinana. Tonga mpitory be zotom-po ilay Fanjakana izy, ary migoka fifaliana mivimbina, tsy fitaovam-piadiana intsony, fa kitapo feno zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly.

[Loharanon-kevitra]

Sombin-dahatsoratra avy ao amin’ny Diary 1988 (anglisy)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara