FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 15/10 p. 30
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Mitovitovy Aminy
  • Tian’ny Olona Eran-tany ny Miloka
    Mifohaza!—2002
  • Raran’ny Baiboly ve ny Filokana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Halaviro ny Fandriky ny Filokana
    Mifohaza!—2002
  • Natao ho An’ny Kristiana ve ny Filokana?
    Mifohaza!—1995
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 15/10 p. 30

Fanontanian’ny mpamaky

◼ Mety ve ny hividianan’ny kristiana iray karatra loteria noho ny fikendrena fotsiny ny hiala voly, raha lasa any amin’ny asa fanasoavana ny tombombarotra azo?

Tsy manameloka velively ny fialam-boly mety ny Baiboly, satria “Andriamanitra finaritra” i Jehovah. (1 Timoty 1:11.) Azon’ny mpanompony atao ny miala voly amin’ny fihainoana mozika, amin’ny fandihizana amim-pahamendrehana, amin’ny fihinanana amim-pahalalana onony, amin’ny fanaovana fanatanjahan-tena sy lalao mahasoa (Salamo 150:4; Mpitoriteny 2:24). Hiharihary fa hanohitra ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra mampiseho fahendrena anefa izy raha mandray anjara amin’ny filokana vola, anisan’izany ny loteria.

Inona marina tokoa moa no atao hoe loteria? Lalao ividianana karatra mba hananana vintana hahazo loka. Tondroina amin’ny alalan’ny antsapaka na izay rehetra mety ho fomba hafa fifidianana isa araka ny kisendrasendra ny nahazoa. Matetika no misy loka lehibe izay mety ho tafakatra hatramin’ny an-tapitrisany dôlara, pezoa na ariary maro. Manintona aoka izany ny loka lehibe toy izany, hany ka tonga “ny karazam-pilokana vola miely indrindra”. (The World Book Encyclopedia.) Olona an-jato tapitrisany maro no mividy karatra loteria.

Marim-pototra ve izany fiheverana izany? Na dia fialam-boly tsotra fotsiny tsy andaniam-bola be aza ny fividianana karatra loteria eo imason’ny sasany, dia mampiseho fieremana ihany ny fanaovana izany. Mividy karatra ny olona noho ny fanantenana hahazo vola be. Izany dia mifanohitra amin’ny fampitandreman’Andriamanitra manameloka ny fieremana, fahazaran-dratsy mety hihamafy ka hisakana olona iray tsy “handova ny fanjakan’Andriamanitra”. Noho izany, raha toa ny kristiana iray ka mampiseho, amin’ny fandraisana anjara amin’ny filokana vola, fironana maharitra ho amin’ny fieremana, dia mety horoahina tsy ho ao amin’ny kongregasiona izy (1 Korintiana 5:11; 6:10). Izao no lazain’ny Baiboly: “Ny harena malaky azo foana eo am-boalohany dia tsy hotahina any am-parany.” (Ohabolana 20:21). Ny kristiana iray izay haniry ny “hitsapa ny vintany” amin’ny loteria dia tokony hieritreritra tsara ny fiankinan’io lalao io amin’ny fieremana. Koa satria, araka ny Efesiana 5:3, dia ‘tsy tokony hotononina eo amintsika akory ny fieremana’, dia vao mainka tsy tokony haneho izany ny kristiana iray.

Ny ankamaroan’ireo izay mandray anjara amin’ny loteria dia tsy manan-karena. Na dia kely aza ny vidin’ny karatra, io lalao io dia mamilivily ny vola tokony hampiasaina hanomezana izay ilain’ireo fianakaviana indrindra: sakafo misimisy kokoa, fitafiana tsara sy fitsaboana tsaratsara kokoa. Ary anefa izay rehetra milaza tena fa kristiana, nefa tsy miraharaha izay ilain’ny ankohonany dia “ratsy noho ny tsy mino aza”.

Na dia tsy mandany ny volan’ny olona iray na ny fianakaviana iray aza ny vidin’ny karatra loteria, dia tsy milaza akory izany fa hoe tsy iharam-pahavoazana mihitsy ireo mpilalao hafa. Ahoana izany? Azo lazaina hoe izay rehetra mividy karatra loteria dia manantena hahazo loka. Avy aiza anefa ny vola amin’izany? Raha ariary zato, ohatra, ny vidin’ny karatra ka mandray folo tapitrisa ariary ilay nahazo ny loka, dia milaza izany fa lasany ny vola vidin’ny karatry ny olona iray alina. Moa ve izany mifanaraka amin’ny didin’Andriamanitra mibaiko mba tsy hitsiriritra ny fananan’ny mpiara-belona amin’ny tena (Deoteronomia 5:21)? Raha ny marina, ny hoe mahazo ny loka dia mitovy amin’ny fakana volan’olona maro kokoa, satria tokony ho betsaka lavitra noho ny iray alina ny isan’ny karatra lafo. Ny vidin’ny karatra maro tokoa dia tokony hanonerana ny lany tamin’ny fandaminana ny loteria, ary ny vola vidin’ny karatra sasany lasa any amin’ny asa fiantrana nolazaina fa anton’ny nanaovana loteria. Koa na dia afaka mividy karatra iray ariary zato aza ny olona iray, inona no holazaina ny amin’ny mpiloka hafa? Afa-tsy izany koa, dia azo inoana fa hatao resaka ny nahazoany loka, hany ka olona maro be no ho voataona hanomboka hiloka na hividy karatra maro kokoa na dia tsy manana ny hoenti-mividy izany aza izy.

Tsy azo lavina koa fa tsy misaraka amin’ny nofinofy hahazo vola tsy misy fiezahana ny loteria. Eny, mamporisika ho kamo sy midera ny hakamoana ny loteria. Mananatra ny mpanompon’Andriamanitra mba hahay hitsitsy sy ho tia asa anefa ny Baiboly. Tsy mankasitraka velively ireo mitady tany malemy hanorenam-pangady izy fa izao no ambarany: “Raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy.” — 2 Tesaloniana 3:10; Ohabolana 13:4; 20:4; 21:25; 1 Tesaloniana 4:9-12.

Tsy hoe satria an-tsitrapo no andraisana anjara amin’ny loteria ary ara-dalàna io filokana io dia hoe manana zo hanao izany ny kristiana. Mihevitra ho ara-dalàna ny karazam-pilokana hafa, ny fivarotan-tena sy ny famporafesana ny fitondram-panjakana sasany. Na dia mety ho ara-dalàna aza ireo fanao ireo ka olona maro be no manao izany an-tsitrapo, dia tsy tsara eo imason’Andriamanitra akory izany. Noho izany no iezahan’ny kristiana manome taratry ny toe-tsain’i Davida izay nivavaka toy izao: “Ampahafantaro ny làlanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho. Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy.” — Salamo 25:4, 5.

Raha maniry amin’ny fony tokoa hanampy ny mahantra, ny kilemaina na ny be taona ny kristiana iray dia hanao izany amin’ny fomba mivantana amin’ilay olona ihany, na amin’ny fomba hafa iray koa izay tsy mifandray amin’ny filokana.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny sasany tonga amin’ny fiheverana fa tsy ratsy ny mandray anjara amin’ny loteria satria kely dia kely indraindray ny vidin’ny karatra ka an-tsitrapo no anaovana azy ary azo arotsaka amin’ny asa fanasoavana ny tapany amin’ny tombombarotra mba hanampiana ny mahantra, ohatra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara