FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 1/12 p. 10
  • ‘Avy izay irina’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Avy izay irina’
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Mitovitovy Aminy
  • Mameno ny Tranon’i Jehovah Ireo “Zavatra Faniry”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Aoka ny Rehetra Hankalaza An’i Jehovah!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-37 — Hagay
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 1/12 p. 10

Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana

‘Avy izay irina’

TAMIN’NY 520 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia nanoratra ireto teny ireto ny mpaminany Hagay: “Ary hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra, ka ho avy izay irin’ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.” (Hagay 2:7). “Izay irin’ny firenena rehetra”, izay mameno voninahitra ny tranon’i Jehovah, dia ireo mpivavaka matahotra an’Andriamanitra. Olona tso-po toy izany no manaiky ny vaovao tsara any Italia, hany ka misy Vavolombelona 166 000 ankehitriny mampianatra ny Baiboly ny olona any amin’io tany io. Ny mpitondra fivavahana katolika any Italia dia mihevitra io fitomboana tsy araka ny mahazatra io ho “zava-mitranga mihamampivadi-po” izay ‘mampanahy’ sy ‘mahaketraka’ azy. Aoka havelantsika ny vehivavy nitady ny fahamarinana iray hitantara izay nitranga taminy.

“Mpampianatra katesizy nandritra ny folo taona aho, ary nino mafy fa izany no fomba tokony hanehoako ny fitiavako an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona amiko. Na dia nanana namana Vavolombelon’i Jehovah aza aho, dia tsy naka fotoana mba hihainoana ny hafatra avy ao amin’ny Baiboly mihitsy. Tsy ela anefa izay, rehefa tonga namangy ahy ireo Vavolombelona, dia nampandroso azy ireo aho. Naniry ny hilaza tamin’izy ireo aho mba tsy hamangy ny rafozambaviko intsony satria lasa very hevitra izy io. ‘Olona tahaka ahy iresahana fa tsy olona efa be taona tahaka azy’, hoy aho tamin’izy ireo. Tonga tsy tapaka tany amiko izy ireo hatramin’izay, nefa, isaky ny miresaka foto-pampianarana iray izy, dia nasaiko namela izany ho amin’ny manaraka mba hahafahako manao fikarohana.

Niresaka tamin’ny pretra maromaro aho, ary nahamarika fa tsy nanana valiny araka ny Baiboly izy ireo. Ny iray tamin’izy ireo, izay misionera, dia nilaza tamiko fa tsy dia tena zava-dehibe loatra ny fanatrehana lamesa. ‘Raha ny tena izy, hoy izy, any amin’ny tany toa an’i Brezila, ohatra, dia manao zavatra hafa ny olona toy izay handeha hamonjy lamesa. Ny zava-dehibe dia ny manompo an’Andriamanitra amin’ny fomba tsara indrindra araka izay fahafahan’ny tena.’ Ireo teny ireo dia nanome hery ampy ho ahy mba hanapahako ny fatorana nampifandray ahy tamin’ny Fiangonana Katolika. Nilaza tamin’ny vadiko, izay katolika koa, ny pretra iray fa raha naniry ny ho tonga Vavolombelon’i Jehovah aho, dia tokony havelany hanao izany satria fahadisoana iray ihany no ananan’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia ny fananana zotom-po be loatra. Natao batisa vao haingana aho niaraka tamin’ny iray amin’ireo zanako lahy. Mianatra ny Baiboly koa ny vadiko ary mampiseho fahalianana amin’ny hafatr’ilay Fanjakana.”

Raha mbola mampihorohoro ireo firenena i Jehovah amin’ny fanaovana izay hanambarana ireo didim-pitsarany maneran-tany, dia olona mikatsaka ny rariny maro be no mamela ireo fanao tsy marina mba hanarahana ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly. Talohan’ny nahalalany ny fahamarinana, ny lehilahy italiana iray dia latsaka tao anatin’ny trosa be, ary nihevitra fa afaka ny hamerina ny trosany tamin’ny vola azony avy tamin’ny karamany sy avy tamin’ireo “falim-po” tsy marina izay azony. Rehefa nahazo ny fahalalana ny fahamarinana izy, dia nanao fanapahan-kevitra sarotra ary tsy nanaiky ireo falim-po tsy marina intsony. Niara-natao batisa izy mivady ary avy hatrany dia nanomboka ny fanompoana manontolo andro. Ao amin’ny hôpitaly izay iasany, dia tsy maintsy manala ny akanjon’ireo olona maty izy matetika, ary tsy mahalana no ahitany vola be eo amin’izy ireny. Indray andro izy, ohatra, dia nahita 150 000 lira (eo amin’ny 181 700 FMG eo ho eo), ary tamin’ny andro hafa iray dia 600 000 lira (eo amin’ny 675 000 FMG eo ho eo) no hitany. Amin’ny maha-olo-marina azy dia naveriny ireo vola ireo, ary izany dia nanome fahafahana azy hiresaka ny amin’ny fahamarinana tamin’ireo mpiandraikitra ny hôpitaly sy ireo mpitsabo. Nandefa taratasy fiderana ho azy ireo mpiandraikitra ny hôpitaly noho ny fihetsika marina sy azo itokiana nasehony.

Ireo fitantarana zavatra hita teny am-pitoriana tany Italia ireo dia ohatra vitsy dia vitsy ihany mampiseho ny fomba andaozan’ireo “izay irina” ity fandehan-javatra ratsy sy mahery vaika ity, ary idirany ao amin’ny fandaminan’i Jehovah madio sady tia fiadanana, alohan’ny hampihorohoroany tanteraka ny fandehan-javatra ara-politikan’i Satana amin’ny fandringanana ao Haramagedona.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara