Dieny izao dia voalamina ho fitsinjovana ny arivo taona ho avy
“Hiara-manjaka aminy arivo taona” ireo. — APOKALYPSY 20:6.
1. Hanao ahoana ny tany rehefa afaka arivo taona mahery?
AHOANA HOE? Milaza ve izany fa afaka arivo taona mahery dia mbola hisy olona ihany eto ambonin’ny tany? Izany dia izany tokoa! Ary ambonin’izany, izy rehetra dia ho tanteraka amin’ny lafiny ara-batana, ara-pihetseham-po ary ara-tsaina — tahaka ilay lehilahy voalohany sy ilay vehivavy voalohany teo am-piandohan’ny fiainan’ny olombelona teto ambonin’ity gilaoby ity. Eny tokoa, rehefa afaka arivo taona, dia ho araka ny tarehin’Andriamanitra sy ho araka ny endriny ny olombelona, satria efa ho naveriny ho amin’ny fahatanterahana izy ireo amin’izay. (Genesisy 1:26-30). Hankafy amin’ny fomba feno ny fiainana ao amin’ny “saha Edena”, paradisam-pahafinaretana iray, izy ireo, eo amin’ny tany voadio izay tsy ho feno olona tafahoatra akory (Genesisy 2:15). Izany rehetra izany dia ho tanteraka araka ny fikasan’ilay Mpamorona tany am-boalohany mikasika ny tany sy ireo ho mponina eo aminy. Izany fahatanterahana mahatalanjona izany dia ho anisan’izay hanamarina an’Andriamanitra, ary hanaporofo fa mahatoky izy raha ny amin’ny fampanantenana nomeny tamim-pitiavana, dia ny hitahy ny taranak’olombelona rehetra, na manao ahoana na manao ahoana fanoherana ho hitany.
2. Taonjato 19 lasa teo ho eo izay, ahoana no nahafahan’ireo Isiraelita nahazo an-tsaina izay ho toetry ny taranak’olombelona tafaverina amin’ny fahatanterahana?
2 Izany fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra izany dia hanapitra ary hanome voninahitra ny Fanjakana arivo taona izay hotarihin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Zanany nomem-boninahitra, izay niaina teto an-tany nandritra ny 33 taona sy tapany tamin’ny naha-olombelona tanteraka, maherin’ny taonjato 19 lasa izay. Izao no vakintsika ny amin’ny fisehoany tamin’izany fotoana izany: “Ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra mendrika ho an’ny Lahitokana avy tamin’ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.” (Jaona 1:14). Tamin’ny fandinihana an’i Jesosy Kristy àry dia hitan’ireo Isiraelita ny toetoetry ny olombelona tanteraka iray (Lioka 3:23, 38). Eny, taonjato 19 lasa izay, ny olona sasantsasany dia afaka naka sary an-tsaina ny ho toetry ny taranak’olombelona ho tafaverina amin’ny fahatanterahana ao amin’ny Paradisa an-tany ho avy.
3, 4. a) Hafiriana marina moa no hanjakan’i Jehovah amin’ny alalan’i Jesosy Kristy sy ireo 144 000? b) Inona moa no teny ampiasaina mba hanondroana izany fe-potoana izany, ary ahoana no ampisehoan’ny lohatenin’ireo zavatra vita an-tsoratra navoakan’ny Fikambanana Watch Tower izany?
3 Toy ny nanambarana azy mialoha, ny Fanjakan’i Jehovah izay napetrany teo an-tanan’i Jesosy Kristy sy ireo mpianany nomem-boninahitra 144 000 dia haharitra arivo taona. Momba io Fanjakana arivo taona io dia izao no nosoratan’ny apostoly Jaona tao anatin’ny fahanterany: “Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin’izay notapahin-doha noho ny filazana an’i Jesosy sy ny tenin’Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan’ny bibi-dia na teo anoloan’ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin’ny handriny na ho eo amin’ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin’i Kristy arivo taona. (Fa ny sisa amin’ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona.) Izany no fitsanganana voalohany. Sambatra sy masina izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan’ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.” — Apokalypsy 20:4-6.
4 Antsoina hoe Fanjakana arivo taonan’i Kristy, na “Millénium”, io vanim-potoana maharitra arivo taona io. Ireo izay manaiky ka mampianatra io fampianarana ao amin’ny Baiboly io indraindray dia antsoina hoe ireo “mpino ny Fanjakana arivo taona” na ireo “chiliastes”, voambolana avy amin’ny teny grika izay midika hoe “arivo”. Aoka homarihina fa tamin’ny voalohany ny fitohitohizan’ny Etudes des Ecritures (fitohitohizam-boky natontan’ny Watch Tower Bible and Tract Society taloha) dia nantsoina hoe L’Aurore du Millénium. Ary fahiny ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly iraisam-pirenena dia nampiasa hira avy tao amin’ny boky nanana lohateny hoe Hymnes de l’aurore du Millénium.
5. Tarehin-javatra manao ahoana moa no hisy an’i Satana sy ireo demonia mandritra ny Fanjakana arivo taonan’i Kristy?
5 Tsy ara-panoharana akory ny teny hoe “arivo taona” ampiasaina ao amin’ny Apokalypsy 20:4, fa manondro arivo taona araka ny masoandro. Mandritra ireo arivo taona ireo, i Satana Devoly sy ireo demoniany dia ho ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa, satria taloha kelin’ny niresahan’ny apostoly Jaona ny amin’ny Fanjakana arivo taonan’i Kristy dia izao no nambarany: “Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany; dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra azy arivo taona, dia nanipy azy ho amin’ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy.” — Apokalypsy 20:1-3.
6. a) Oviana moa no nolazain’ny katolika sasany fa nifarana ny Fanjakana arivo taonan’i Kristy? b) Raha marina ny filazan’izy ireo, efa naharitra hafiriana izay ny fotoana kelikely nanafahana an’i Satana avy ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa?
6 Misy katolika sasany nanantitrantitra fa nifarana tamin’ny 1799 ny Fanjakana arivo taonan’i Jesosy Kristy, rehefa nanafika an’i Roma ny tafika frantsay, nanala ny papa izay nanjaka tao ary nitondra azy ho babo tany Frantsa mandra-pahafatiny tany. Ny klerjy katolika dia nilaza fa tamin’izay i Satana sy ireo demoniany no novahana avy tao amin’ny “lavaka tsy hita noanoa”, ary nanandrana indray ny hamitaka ny olombelona nandritra ny fotoana “kelikely”. (Apokalypsy 20:1-3, Jerosalema, fandikan-teny katolika.) Raha marina izany fanazavana izany, dia tokony hotsoahina avy amin’izany fa ilay “fotoana kelikely” resahina eo dia efa naharitra 190 taona izao, ary tsy hita izay mety ho farany.
7. Inona moa no lazain’ny Baiboly raha ny amin’ny Fanjakana arivo taonan’i Jesosy Kristy?
7 Araka ny Soratra Masina anefa, ilay tena Fanjakana arivo taonan’i Jesosy Kristy dia mbola ho avy. Ny fahatanterahan’ireo faminanian’ny Baiboly amin’izao andro izao dia mampiseho fa efa akaiky dia akaiky izy io. Mandritra io Fanjakana arivo taona tena izy io, i Satana sy ireo demoniany dia tena hatsipy ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa; ary mandritra izany fotoana izany, i Jesosy Kristy sy ireo 144 000 mpiara-mandova aminy dia hanjaka amin’ny taranak’olombelona manontolo tsy hisy fanoherana avy amin’ny fandaminan’ny Devoly. Mifanaraka amin’ilay fanekena nataon’i Jehovah tamin’i Abrahama “sakaizany”, ny olombelona voavotra rehetra dia handray fitahiana mandrakizay. Izany fitahiana izany dia homena voalohany indrindra ny “olona betsaka”, ireo izay ho tafita velona amin’ny fahoriana tsy hanam-paharoa izay hampanjavona izao fandehan-javatra ratsy ankehitriny izao, ary avy eo, an’ireo maty an-davitrisany maro izay navotan’ny “ran’ny Zanak’ondry”, dia i Jesosy Kristy (Jakoba 2:21-23; Apokalypsy 7:1-17; Genesisy 12:3; 22:15-18; Matio 24:21, 22). Mba hahafahany mandray izany fitahiana izany, dia tsy maintsy hatsangana amin’ny maty izy ireo, hofohazina avy amin’ny torimason’ny fahafatesana ary hatsangana avy ao amin’ny fasam-pahatsiarovana mba hiaina eto ambonin’ny tany. — Jaona 5:28, 29.
Fandaminana kristiana iray
8. Fandaminana inona moa no nohazavain’ny boky La nouvelle création, ary asa fandaminana inona no tsy nambarany?
8 Ho fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra dia teraka taonjato maro talohan’ireo fitahiana ireo ny fandaminana vaovao iray. Izao no vakintsika momba io fandaminana io: “Raha misy olona no amin’i Kristy, dia olom-baovao [zavaboary vaovao, MN ] izy.” “Fa samy tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny ho olom-baovao [noforonina vaovao, MN ]. (2 Korintiana 5:17; Galatiana 6:15). Vao tamin’ny taona 1914, ny boky La nouvelle création (Ny noforonina Vaovao) dia nampiharihary io zavaboary vaovao io izay teraka tamin’ny taonjato voalohany. (Etudes des Ecritures, boky faha-VI, fianarana faha-V, mitondra ny lohateny hoe “Ny fandaminana ny noforonina vaovao”). Noho ny hevitra nomeny ny faran’ny andron’ny Jentilisa, farany izay tsy maintsy ho tonga tamin’ny 1914, io boky io dia tsy nanambara ny asa fandaminana mahagaga izay hitranga rehefa hanjavona ireo vokatra manimba nateraky ny ady lehibe voalohany teo amin’ny tantaran’ny olombelona. — Lioka 21:24, Crampon 1905.
9. Ho fitsinjovana ny asa manao ahoana moa no namelomana indray ny sisa amin’ny noforonina vaovao?
9 Ireo anisan’ny sisa amin’ny noforonina vaovao, ara-panahy, dia sady gaga no ravoravo noho izy ireo voaro hatramin’ny faran’ny Ady Lehibe Voalohany, tamin’ny 1918, ary mbola velona ihany teto ambonin’ny tany tamin’ny 1919, taona voalohany nanaraka ny ady. Ireo toe-javatra voambara fa hisy mandritra ny Fanjakana arivo taona anefa dia mbola tsy tafaorina. Miharihary fa mbola ho be asa hatao eto an-tany ihany ny sisa tavela amin’ny noforonina vaovao alohan’ny fahatanterahan’ny fanantenany ny ho any an-danitra, dia ny hiara-miasa amin’i Jesosy Kristy mandritra ny Fanjakana arivo taona. Tena nilain’ireo anisan’io asa io mihitsy àry ny hovelomina indray sy hanao fandaminana indray. Izany indrindra àry no nataony tamin’ny finoana tanteraka sy tamin’ny faniriana lalina ny hanatontosa ilay sisa mahafinaritra nivelatra teo anoloany.
10. Fanontaniana inona avy no nitranga raha ny amin’ireo olona an-tapitrisany maro ho tafita velona ka hiditra ao amin’ny fandehan-javatra vaovao?
10 Ny sisa voahosotra dia nanantena ny hisian’ny olona ho tafita velona amin’ny fiafarana mahatsiravin’izao fandehan-javatra ratsy ankehitriny izao mba hiaina eto an-tany eo ambanin’ny Fanjakana arivo taonan’i Kristy. Takatr’izy ireo izany, indrindra fa taorian’ilay lahateny nitondra ny lohateny hoe “Olona an-tapitrisany maro velona ankehitriny no tsy ho faty mihitsy”, izay natao tany Los Angeles, tany Californie (Etazonia), nandritra ny ady, tamin’ny 1918. Ireo olona an-tapitrisany maro izay ho tafita velona amin’ny Haramagedona ireo, moa ve izy ireo tsy maintsy ho voalamina (Apokalypsy 16:14-16)? Alohan’ny hampidirana azy ho ao amin’ny Fanjakana arivo taona mba ho anisan’ny “tany vaovao”, moa ve izy ireo handray anjara amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana eo anilan’ny sisa (2 Petera 3:13)? Ireo fisehoan-javatra nitranga taorian’ny ady dia hitondra ny valin’ireo fanontaniana ireo.
11. a) Inona no tokony hatao amin’ny ondry hafa satria tsy maintsy ho tonga andiany iray ihany miaraka amin’ny sisa izy ireo? b) Nahoana no tsy antony tokony hampisaraka ireo ondry hafa amin’ny sisa ny fananan’izy ireo fanantenana samy hafa?
11 Ireto tenin’i Jesosy Kristy, ilay Mpiandry tsara dia tsara, ireto dia naroso ara-drariny tokoa: “Manana ondry hafa izay tsy amin’ity vala ity Aho, ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry.” (Jaona 10:16). Raha nilain’ny sisa voahosotra ny ho voalamina ho fitsinjovana ilay asa tsy maintsy hataony aorian’ny ady, nanomboka tamin’ny 1919, ary raha toa, ato aoriana ireo ondry hafa ka ho tonga andiany iray ihany miaraka amin’ny sisa ao amin’ny vala iray ihany, inona no tokony hotsoahina avy amin’izany? Izao: ireo ondry hafa ireo koa dia tokony halamina miaraka amin’io sisa io! Tsy antony tokony hampisaraka ireo ondry hafa amin’ny sisa akory ny fananan’izy ireo fanantenana samy hafa, dia ny hiaina ao amin’ny paradisam-pahafinaretana eto an-tany. Mpiandry iray ihany no narahin’izy rehetra, ary tsy hisy fisarahana eo amin’ireo antokon’olona roa ireo mandra-panomezana voninahitra ny sisa voahosotra ao amin’ny Fanjakana.
12. a) Inona moa no zava-dehibe lavitra noho ny famonjena ny olombelona? b) Oviana ary nahoana moa ny fanambarana ilay Fanjakana no nanjary asa nitana ny toerana voalohany?
12 Lafiny mahatalanjona amin’ilay fikasana nataon’Andriamanitra tamim-pitiavana ny fanafahana ny olombelona amin’ny fahotana sy ny fahafatesana, ny faran’ny fanapahan’i Satana izao tontolo izao ary ny famerenana ny olombelona mankato indray ao amin’ny Paradisa tafaorina indray eo amin’ny tany manontolo. Kanefa, misy zavatra iray izay lehibe lavitra noho izany rehetra izany ho an’izao rehetra izao. Inona izany? Ny fanamarinana ny fiandrianan’i Jehovah Andriamanitra manerana izao rehetra izao, ary ny fanamasinana ny anarany masina. Tamin’ny 1922, tamin’ny fivoriambe faharoa nataon’ny Fikambanana iraisam-pirenen’ny Mpianatra ny Baiboly tany Cedar Point, Ohio (Etazonia), dia nosoritana fa izao no fotoana mety mba hanambarana ilay Fanjakan’i Jehovah tarihin’i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka efa manapaka. Koa satria ireo andron’ny Jentilisa nifarana tamin’ny 1914, dia tonga ny fotoana hanatanterahana ireto teny ara-paminanian’i Jesosy ireto: “Hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14). Ny Fanjakana izay hanamarina ny fiandrianan’i Jehovah manerana izao rehetra izao ary hanamasina ny anarany masina dia efa naorina tany an-danitra tamin’ny 1914, ary tamin’izay i Jesosy Kristy dia nanjaka teo afovoan’ny fahavalony. Izany vaovao mahafinaritra izany no tsy maintsy notorina tamin’ny alalan’ny fomba azo nampiasaina rehetra mba hanambarana ilay Mpanjaka sy ny Fanjakany.
13. Inona moa no nataon’i Jehovah mba hahafahana manatontosa ny asa fanambarana ilay Fanjakana, ary nahoana?
13 Jehovah dia mandamin-javatra eo amin’izao rehetra izao, satria izy no Avo Indrindra, ny Fisiana ambony indrindra. Niahy ny amin’ny hahatongavan’ny asa fitoriana ny Fanjakany iraisam-pirenena ho voalamina tanteraka alohan’ny fiafaran’izao fandehan-javatra izao àry izy. Ireo anisan’ny sisa voahosotra, izay mbola velona hatramin’izao, dia nakambana mba hahaforona fandaminana iraisam-pirenena hanatanterahana ny sitrapony. Tsy maintsy manambara amin’izao tontolo izao izy ireo fa, noho ny fihaikana nataon’i Satana, dia tsy maintsy hohamarinina mandrakizay ny tena fisian’ny fiandrianan’i Jehovah manerana izao rehetra izao sy ny maha-ara-dalàna ny fisiany.
Fandaminana iray naorina talohan’ny Fanjakana arivo taona
14. a) Talohan’ny andro kristiana, fandaminana inona moa no tonga ny tapany teto an-tany tamin’ny fandaminan’i Jehovah manerana izao rehetra izao? b) Tamin’ny fomba ahoana no nampisehoan’i Davida fa mpahay mandamin-javatra niavaka izy?
14 Nandritra ireo taonjato dimy ambin’ny folo nialoha ny andron’ny kristianisma, i Jehovah Andriamanitra dia nanana fandaminana hita maso teto an-tany. Nampiasa an’i Mosesy mpaminany izy mba ho mpanalalana handamina ny firenena Isiraely taorian’ny nanafahana azy ireo avy tany Egypta, ny empira maneran-tany voalohany araka ny tantaran’ny Baiboly. Teo ambanin’ny Lalàn’ny Mosesy, ny Isiraely dia tonga ny tapany hita maso amin’ny fandaminan’i Jehovah manerana izao rehetra izao. Davida, ilay mpiandry sady mpanjaka, dia mpahay mandamin-javatra niavaka iray nitsangana avy tamin’io vahoaka voafidin’Andriamanitra io. Izao no vakintsika momba azy: “Nozarazarain’i Davida ho antokony ireo [ireo Levita izay niasa tao amin’ny tempolin’i Jehovah] araka ny zanakalahin’i Levy, dia Gersona sy Kehata sy Merary.” “Samy nozarazaraina tamin’ny filokana avokoa izy rehetra [ireo mpisorona]; fa samy mpifehy masina, dia mpifehy ho an’Andriamanitra avokoa, na ny avy tamin’ny taranak’i Eleazara, na ny avy tamin’ny taranak’Itamara.” — 1 Tantara 23:3, 6; 24:1, 5.
15. a) Tamin’ny fomba ahoana no nivoahan’ny Isiraelita avy tao Egypta? b) Olona hafa iza no nanapa-kevitra ny handao an’i Egypta koa, ary nijanona niaraka tamin’ireo Isiraelita ve izy ireo?
15 Taonjato maro talohan’ny andron’i Davida, rehefa niala avy tany Egypta ny Isiraelita, dia tsy nanao izany tao anatin’ny fifanosehana sy fikorontanana be izy ireo. Tsia, fa nanomboka ny diany tamin’ny fomba nilamina izy ireo, ka izany dia porofon’ny asa feno filaminana notontosain’i Mosesy, ilay Mpanalalana teo amin’izy ireo sy Andriamanitra. Nisy olona betsaka voaforon’ny olona tsy Isiraelita niaraka tamin’izy ireo, satria nifidy ny hampifamatotra ny fiainany tamin’ny an’ny vahoakan’i Jehovah, ilay Andriamanitra mpanao fahagagana izay mahery kokoa noho ireo andriamanitra rehetra tany Egypta. Na dia teo aza ny zava-nanahirana maro be, fotoana fohy tatỳ aoriana, ireo “olona maro samy hafa firenena” ireo izay nanam-pikasana tsara raha ny amin’ilay vahoaka voafidin’i Jehovah, dia mbola niaraka tamin’izy ireo ihany fony izy ireo tany amin’ny efitr’i Sinai nahatahotra (Eksodosy 12:37-51; Nomery 11:4). Ireo olona avy amin’ny firenena samy hafa ireo dia azo antoka fa niditra tao amin’ny tany nampanantenaina niaraka tamin’ny Isiraelita, teo ambany fitarihan’i Josoa, mpandimby an’i Mosesy, satria nanome baiko Andriamanitra mba hanaovana fandaharana ho an’ireny vahiny ireny.
16. a) Tandidon’iza moa ireo olona samy hafa firenena ireo? b) Inona moa no tsy maintsy ataon’ireo anisan’ny olona betsaka mba hahatafitana velona amin’ny fifaranan’izao fandehan-javatra izao?
16 Ireo olona maro be samy hafa firenena avy any Egypta tamin’ny andron’i Farao ireo dia tandindon’ny olona betsaka izay angonina amin’ny taonjato faha-20. Ireo mahaforona azy dia tsy Isiraelita ara-panahy, fa ondry hafan’i Jesosy Kristy, ilay Mpiandry tsara. Miaraka amin’ny sisa voahosotra, izy ireo dia miandry amim-pifaliana ny fanafahana azy amin’ny ho avy, avy amin’ilay nanana an’i Egypta ho tandindona, dia ny fandehan-javatra maneran-tany izay i Satana Devoly, ilay Farao Lehibe, no andriamaniny (Jaona 10:16; 2 Korintiana 4:4; Apokalypsy 7:9). Inona anefa no tsy maintsy ataon’izy ireo, mba hahatafitana velona amin’ny fandringanana mahery vaika ny fandehan-javatr’i Satana efa tranainy, ary mba hidirana ao amin’ny fandehan-javatra vaovao nampanantenaina, eo ambany fitarihan’i Jesosy Kristy, ilay Josoa Lehibe (2 Petera 3:13)? Izy ireo dia tsy maintsy manohy manaja ireo fandaharana ara-pandaminana nataon’ilay mahaforona ny fototry ny fandaminana hita mason’i Jehovah, dia ny sisa voahosotra.
17. Inona no ataon’ireo anisan’ny olona betsaka eo anivon’izao tontolo izao mikorontana, ary inona no andrasan’izy ireo amim-pifaliana?
17 Nanomboka teo antenantenan’ireo taona 1930, ny olona betsaka amin’ireo ondry vitsy dia nampidirina tao amin’ilay hany Mpiandry nomem-boninahitra, dia i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka efa manapaka. Eo anivon’izao tontolo izao izay mihamikorontana na dia eo aza ny Fandaminan’ny Firenena mikambana, ireo anisan’ny olona betsaka ireo dia manohana ny sisa voahosotra amin’ny fony rehetra, ary manome porofo amin’izany ny fahefana mampiray ananan’ny fanahy masin’i Jehovah. Vonona izy ireo ny hilamina hatrany miaraka amin’ny sisa voahosotra ary miandry amim-pifaliana ny handray raharaha manokana eto an-tany eo ambanin’ny Fanjakana arivo taonan’i Jesosy Kristy.
Ahoana ny hevitrao?
◻ Inona moa no asehon’ny Soratra Masina raha ny amin’ny Fanjakana arivo taonan’i Jesosy Kristy?
◻ Inona moa no zava-dehibe lavitra noho ny famonjena ny taranak’olombelona?
◻ Talohan’ny andron’ny kristianisma, fandaminana inona moa no tonga ny tapany hita maso amin’ny fandaminan’i Jehovah manerana izao rehetra izao?
◻ Inona moa no tsy maintsy ataon’ireo izay nasehon’ireo olona samy hafa firenena mba hahatafitana velona sy hahitana ny Fanjakana arivo taona?