Marainam-pahatoniana iray
Izany no nolazain’ny mpamaky iray avy any Illinois, Etazonia, ny amin’izay natolotry ny gazety Réveillez-vous! “Nitolagagam-pifaliana aho rehefa avy namaky iray tamin’ny gazetinareo Réveillez-vous!”, hoy ny nosoratan’io olona io. “Natolotry ny vehivavy iray ahy teo amin’ny garan-dalamby androany maraina ilay gazety. Nahatonga ahy ho tony sy hilamina izy io, ary tena ahitana fianarana tokoa. Aza fady, mba ampahafantaro ahy ny fomba hahazoako maromaro amin’io zavatra vita an-tsoratra io amin’ny fomba tsy tapaka.
“Mbola mamerina ny fisaorana anareo indray noho ny nanomezana ahy fahafahana hahita, fara fahakeliny, marainam-pahatoniana iray.”
Inoanay fa ianao koa dia handray soa avy amin’ireo lahatsoratra manintona ao amin’ny Réveillez-vous! Raha irinao ny hahazo io gazety io, dia fenoy fotsiny ary alefaso paositra ilay tapakila eto ambany.
Iriko ny handefasana gazety Réveillez-vous! atỳ an-tokantranoko. Ampiarahiko amin’ity ny fandraisana anjara an-tsitrapo 11 000 FMG (Famandrihana herintaona “par avion”). (Raha mipetraka any ivelan’i Madagasikara ianao, dia manorata any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-2 mba hahazoana fanazavana.)