FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 15/8 p. 3-4
  • Inona no mahatonga ny fahorian’ny fianakaviana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no mahatonga ny fahorian’ny fianakaviana?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Antony vitsivitsy mahatonga ny fahorian’ny fianakaviana
  • Fahoriana Mahazo ny Fianakaviana — Toetra Mampiavaka Izao Androntsika Izao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Misy Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana Ve?
    Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
  • Omeo ny toerana voalohany Andriamanitra ao amin’ny fiainam-pianakavianao!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Jehovah no ‘Fiarovana Mafy ho Antsika Amin’ny Andro Fahoriana’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 15/8 p. 3-4

Inona no mahatonga ny fahorian’ny fianakaviana?

‘KAMOVAVY izy!’ hoy ny fihiakan’i Ndrema. ‘Mpikarakara tokantrano mahatsiravina!’

‘Lainga fotsiny izany!’ hoy ny navalin’i Soa. ‘Tsy mba misy ankasitrahany izay zavatra iezahako hatao. Tsy mbola nahita lehilahy mpanakiana lozan-tany toy izany aho!’

Inona no tsy mety eo amin’ny fiainan’i Ndrema sy i Soa?a Vao efa-bolana monja ny tokantrano vaon-dry zareo nefa efa tandindomin-doza sahady. Tsy maningana anefa akory ny toe-javatra iainan’izy ireo, satria asehon’ny antontan’isa fa hita hatraiza hatraiza ny tsy fifanarahan’ny mpivady. Milaza izao ireo manam-pahaizana fa ny antsasaky ny fanambadiana vaovao rehetra any Etazonia no miafara amin’ny fisaraham-panambadiana. Mitovy amin’izany ireo antontan’isa mahakivy avy any amin’ny tany maro be hafa. Kanefa, ampahany fotsiny amin’ny zava-misy ny fisaraham-panambadiana. Maro be mbola tsy nisy toy izany mihitsy ny fianakaviana ao anatin’ny fahoriana ary noho ny antony maro samihafa.

Antony vitsivitsy mahatonga ny fahorian’ny fianakaviana

Iharam-pahavoazana lehibe ireo zanaka rehefa mitranga ao anatin’ny fianakaviana ny fisehoan-javatra mahatonga fahoriana. Mitantara toy izao ny gazety Newsweek: “Ny ampahatelon’ny zaza rehetra teraka tao anatin’ny folo taona lasa [any Etazonia] dia azo ampoizina fa hiaina ao anatin’ny fianakaviana hisian’ny raikely na renikely alohan’ny faha-18 taonan’izy ireny. Iray amin’ny ankizy efatra amin’izao andro izao no velomin’ny ray na ny reny fotsiny. Eo amin’ny 22 isan-jaton’ny ankizy amin’izao andro izao no zazasary, ary ny ampahatelon’ireo eo ho eo no nateraky ny reny mbola tsy ampy taona akory.”

Raha nitantara antony iray mifandray amin’ny fahorian’ny fianakaviana i J. Patrick Ganon, manam-pahaizana mpandinika manokana ny amin’ny fampijaliana atao amin’ny ankizy, dia nilaza toy izao: “Asehon’ny fanadihadiana atao ankehitriny fa olona am-polony tapitrisa maro no nihalehibe tao anatin’ny fianakaviana sembana (tsy mandeha ara-dalàna), izay ny herisetra, na ny fandriana amin’ny havana akaiky, na ny tsy fifehezana ny fihetseham-po, vokatry ny fahazaran-dratsy amin’ny fisotro misy alikaola no iainana isan’andro vaky izao.” Tsy mahagaga raha ankizy maro be iharan’ny zavatra toy izany no mety tsy hahalala akory ny fomba hisakanana ny fahorian’ny fianakaviana rehefa tonga olon-dehibe izy ireny.

Ny mpandinika sasany dia mety hilaza ny fahorian’ny fianakaviana ho avy amin’ireo fiovana ara-toekarena sy ara-tsôsialy ary ara-pitondrantena, izay nanenika ireo tany manankarena. Ohatra, ny fidiran’ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny asa amin’ny ambaratonga lehibe dia nampipoitra fanavaozam-pandaharana mitondra fikorontanana matetika mikasika ny anjara asa sy andraikitra ao an-tokantrano. Ireo renim-pianakaviana dia taitaitra noho ny fiezahana hahay asa tsy manavanana, ireo raim-pianakaviana mirotsaka amim-pahalainana amin’ny asa ao an-tokantrano, ary ny ankizy indray mizatra amin-dranomaso ny miaina any amin’ny akany fitaizana isan’andro.

Fianakaviana maro be no eo ambany fanerena mafy any amin’ny tany maro manerana ny planeta. Ny ray aman-dreny iray miasa dia nampitovy izany tamin’ny “fiainana amin’ny maha-tra-boina mandrakariva”. Tsy mahagaga raha saika ny antsasak’ireo izay nanontaniana nandritra ny fanadihadiana Gallup natao vao haingana no nilaza fa ny “fianakaviana amerikana dia ratsy lavitra ankehitriny noho ny tamin’ny 10 taona lasa’, ary vitsy no nino fa hihatsara ny toe-javatra.

Noho izany, ny fahorian’ny fianakaviana dia foto-dresaka maharitra iray alefa amin’ny televiziona sy ny fandaharana ao amin’ny radiao. Ny sarambabem-bahoaka dia mandinika fatratra ireo boky fanampian-tena mahakasika ny fianakaviana, ka ny sasany mba manome ihany torohevitra mahasoa sy azo ampiharina. Na dia mety hanampy aza ny torohevitra mampirisika ‘hifandray amim-pahatsorana kokoa’ na ‘hifampahatakatra hevitra’, dia ilaina ny mihevitra ny amin’ny antony marina mampisy ireo olana ao an-tokantrano. Hiresaka momba izany ny lahatsoratra manaraka ary hampiseho ny fomba handaminana ny olana momba ny fahorian’ny fianakaviana.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Anarana noforonina ireo mba hitanana tsiambaratelo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara