FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w92 15/6 p. 32
  • Afaka Mianatra avy Amin’ny Tantely Izy Ireo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Afaka Mianatra avy Amin’ny Tantely Izy Ireo
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
w92 15/6 p. 32

Afaka Mianatra avy Amin’ny Tantely Izy Ireo

“Tsy ela izay, ireo enjeniera sy ireo mpanao drafitra eo amin’ny fanaovan-javatra, dia nahavita, tamin’ny fomba nitombo hatrany, zavatra izay toa efa fantatry ny tantely hatramin’izay: ny fanomezana endrika fitaovana iray, na dia tena manify aza, araka ny môdelin’ny toho-tantely manana zoro enina, dia mahatonga azy io ho mafy kokoa noho ny raha omena endriny hafa.” — The New York Times, 6 Oktobra 1991.

TSY mahagaga raha afaka mandray soa avy amin’ny fandinihana amim-pitandremana ny bibikely ny olombelona. Niteny toy izao indray mandeha ny lehilahy nanam-pinoana iray fahiny atao hoe Joba: “Anontanio ange ny biby, fa hampianatra anao izy, ary ny voro-manidina, fa hanambara aminao izy (...) Iza no tsy mahalala, raha mandinika ireny rehetra ireny, fa ny nanao izany dia ny tànan’i Jehovah”? (Joba 12:7-9). Eny, ny fahendren’ny Mpamorona dia miharihary eo amin’ny zavatra mahazatra toy ny endrika enindafy ananan’ireo efitrefitra kely mety ho hitanao eo amin’ny toho-tantely.

Na dia ampahatelon’ny milimetatra monja aza ny hatevin’ireo rindrina savoka amin’ireny efitrefitra kely ireny, dia faran’izay matanjaka izy ireny. Raha ny marina dia mahazaka zavatra avo 30 heny eo ho eo noho ny lanjany izy.

Io hamafisana io dia azo ampiasaina eo amin’ny fanaovan-javatra azo ampiharina, toy ireo kojakoja fiarovan-javatra amin’ny dona mafy mety hitranga. Niaro kojakojan’ny tafika nalatsaka tamin’ny elon’aina ho etỳ an-tany mihitsy aza izany. Nanao izao fanamarihana izao momba izany ny The New York Times: “Nisy zavatra mavesa-danja toy ny jeep nafatotra tamina lampihazo nisy vaingana toho-tantely teo ambaniny mba hahamoramora ny fitontonana amin’ny tany.”

Ireo zavatra nataon’olombelona araka io drafitra io dia azo namboarina avy tamin’ny fitaovana maro. Ny mahazatra indrindra dia toa ny taratasy. Taratasy vita amin’ny tsiratsiraka nylon sy ditin-kazo no nampiasaina mba hanamboarana endrika toho-tantely ao amin’ny vatan’ny fiaramanidina lehibe sasany. Azo ny fahamafisana nefa tamin-javatra izay azo lazaina hoe maivan-danja ihany. Nahoana? Ny ankamaroan’ny elanelana eo amin’ireo takelaka dia rivotra, koa noho izany dia maivana. Ny rivotra dia manana toetra manefitra tsara koa.

Tsy tena “mahalala” izany rehetra izany ny tantely tsotra, satria izy tsy mba manana mari-pahaizana eo amin’ny raharahan’ny enjeniera. Isan’andro anefa izy dia somokotra amin’ny asany, manana ilay fahendrena voajanahary izay nomen’ny Mpamorona, dia i Jehovah.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara