Manaraka An’i Jehovah Amin’ny Fomba Feno ve Ianao?
“NY MARINA (...) dia matoky toy ny liona tanora.” (Ohabolana 28:1). Maneho finoana izy ireo, miantehitra amim-patokiana amin’ny Tenin’Andriamanitra ary mandroso amim-pahasahiana eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah na inona na inona loza atrehiny.
Fony tao Sinay ny Isiraelita rehefa avy nafahan’Andriamanitra avy tamin’ny fahababoana egyptiana tamin’ny taonjato faha-16 al.f.i., dia nisy lehilahy roa izay niseho indrindra ho natoky toy ny liona. Naneho fahatokiana teo anatrehan’i Jehovah tao anatin’ny toe-javatra sarotra koa izy ireo. Ny iray tamin’izany dia i Josoa efraimita, mpanompon’i Mosesy ary voatendry tatỳ aoriana ho mpandimby azy. (Eksodosy 33:11; Nomery 13:8, 16; Deoteronomia 34:9; Josoa 1:1, 2). Ilay faharoa dia i Kaleba, zanak’i Jefone, avy tamin’ny fokon’ny Joda. — Nomery 13:6; 32:12.
I Kaleba dia nanao ny sitrapon’i Jehovah tamin’ny tsy fivadihana sy tamin-jotom-po. Ny fiainany lava nanompoany an’Andriamanitra tamim-pahatokiana dia nahatonga azy hilaza fa ‘nanaraka an’i Jehovah tamin’ny fomba feno’ izy. (Josoa 14:8, NW ). “Izaho kosa dia tanteraka tamin’ny fanarahana an’i Jehovah [Andriamanitro]”, hoy ny fandikan-teny malagasy. Ny Baiboly Katolika dia milaza izany toy izao: “Izaho kosa nanaraka an-tsakany sy an-davany an’Iaveh Andriamanitro”. Raha lazaina amin’ny fomba hafa, dia nanambara toy izao i Kaleba: “Izaho dia (...) nanaraka ny TOMPO Andriamanitro tamin’ny foko rehetra.” (New International Version). Ary ianao? Moa ve ianao manaraka an’i Jehovah amin’ny fomba feno?
Fisafoana ilay tany
Alao sary an-tsaina ny tenanao eo anivon’ireo Isiraelita, tsy ela taorian’ny nanafahan’i Jehovah azy ireo tamin’ny fanandevozan’ny Egyptiana. Jereo ny fomba anarahan’i Mosesy mpaminany amim-pahatokiana ireo toromarika avy amin’Andriamanitra. Eny, ary mariho ny fatokian’i Kaleba fa homba ny vahoakany i Jehovah.
Ny taona faharoa aorian’ny Fialana tany Egypta izao, ary mitoby ao Kadesi-barnea, ao amin’ny efitr’i Parana, ny Isiraelita. Miandry eo amin’ny sisin’ny Tany Nampanantenaina izy ireo. Manome baiko Andriamanitra ka vonona ny handefa mpisafo tany 12 hiditra ao Kanana i Mosesy. Hoy izy: “Miakara atỳ amin’ny tany atsimo hianareo, ka miakara ho any amin’ny tany havoana; dia izahao izay toetry ny tany sy ny olona monina any, na mahery, na osa, na vitsy, na maro; ary izay toetry ny tany itoerany, na tsara, na ratsy; ary ny toetry ny tanàna izay itoerany, na ao an-day, na ao an-tanàna mimanda; ary ny toetry ny tany, na lonaka, na màzana, na misy hazo eo, na tsia; ary mahereza hianareo, ka itondray ny vokatry ny tany.” — Nomery 13:17-20.
Manomboka ny diany feno loza ireo 12 lahy. Maharitra 40 andro izany. Any Hebrona izy ireo dia mahita lehilahy goavam-be. Ao amin’ny lohasaha Eskola izy ireo dia mahamarika ny vokatr’ilay tany ary manapa-kevitra ny hitondra hody sasany amin’ny vokatra ao. Mavesatra aoka izany ny sampahom-boaloboka iray ka tsy maintsy lanjain-droa lahy amin’ny hazo! — Nomery 13:21-25.
Miverina eo amin’ny tobin’ny Isiraelita ireo mpisafo tany ka manao izao tatitra izao: “Tonga tany amin’ny tany izay nanirahanao anay izahay, koa tondra-dronono sy tantely tokoa izy; ary itony no vokatra avy tany. Kanefa kosa mahery ny olona izay monina eo amin’ny tany; ary ny tanàna dia mimanda sady lehibe dia lehibe; ary koa, nahita ny teraky ny Anakita teo izahay. Ny Amalekita no monina eo amin’ny tany atsimo; ary ny Hetita sy ny Jebosita ary ny Amorita no monina any amin’ny tany havoana; ary ny Kananita no monina eo amoron’ny ranomasina sy eo amoron’i Jordana.” (Nomery 13:26-29). Tsy vonona hanaiky ireo baikon’Andriamanitra ka hiditra ny Tany Nampanantenaina ny mpisafo tany folo.
“Jehovah momba antsika”
Noho ny finoana an’i Jehovah Andriamanitra anefa, dia mampirisika toy izao ilay mpisafo tany tsy matahotra atao hoe Kaleba: “Andeha isika hiakatra mihitsy mba hahazoantsika azy, fa haharesy azy tokoa isika.” Tsy mitovy hevitra aminy anefa ireo mpisafo tany folo lahy, ka milaza fa mahery kokoa noho ny Isiraelita ny mponin’i Kanana. Mihevi-tena ho toy ny tsingentana fotsiny, raha oharina aminy, ireo mpisafo tany tora-kovitra sy tsy manam-pinoana. — Nomery 13:30-33.
“Jehovah momba antsika; koa aza matahotra azy hianareo”, hoy ny fampirisihan’i Kaleba sy i Josoa. Tsy mety manaiky ny teniny ny olona. Rehefa milaza ny hitora-bato azy roa lahy ny vahoaka, dia misalovana Andriamanitra ka manonona izao didim-pitsarana izao momba ireo mpimenomenona ireo: “Hianareo (...) dia tsy ho tonga mihitsy any amin’ny tany izay nananganako tànana hamponenana anareo, afa-tsy Kaleba, zanak’i Jefone, sy Josoa, zanak’i Nona. Fa ny zanakareo madinika (...), dia izy no ho entiko miditra, ary izy no hahalala ny tany izay nolavinareo (...) ary ny zanakareo hirenireny toy ny mpiandry ondry atỳ an-efitra efa-polo taona (...) mandra-pahafatinareo rehetra atỳ an-efitra. Araka ny isan’ny andro efa-polo izay nisafoanareo ny tany, — ka ny andro iray hosoloana taona iray — no hitondranareo ny helokareo efa-polo taona”. — Nomery 14:9, 30-34.
Mbola mahatoky ihany taona maro atỳ aoriana
Mandroso ihany ireo 40 taona aharetan’ilay famaizana, ary nindaosin’ny fahafatesana avokoa ireo mpimonomonona rehetra. Fa i Kaleba sy i Josoa kosa dia mbola mahatoky eo anatrehan’Andriamanitra ihany. Teo amin’ny lemak’i Moaba, i Mosesy sy i Eleazara Mpisoronabe dia nanisa ireo lehilahy ampy taona ho an’ny tafika, dia ireo 20 taona no ho miakatra. Manonona lehilahy iray avy amin’ny foko tsirairain’ny Isiraely Andriamanitra mba hanankinana ny fizarana ny Tany Nampanantenaina. Anisan’izy ireo i Kaleba sy i Josoa ary i Eleazara. (Nomery 34:17-29). Na dia efa 79 taona aza izao i Kaleba, dia mbola matanjaka sy tsy mivadika ary be herim-po ihany.
Rehefa nanisa ny vahoaka tao Sinay, tsy ela talohan’ny nandavan’izy ireo tamin-tahotra tsy hiditra ny tany Kanana, i Mosesy, dia niisa ho 603 550 ireo lehilahy mpiadin’ny Isiraely. Rehefa avy nandany 40 taona tany an’efitra izy ireo, dia kely kokoa ilay tafika nisy 601 730 lahy. (Nomery 1:44-46; 26:51). Kanefa, rehefa nitarika azy i Josoa, ary teo anivony i Kaleba nahatoky, dia niditra ny Tany Nampanantenaina ny Isiraelita ka faly nahazo fandresena nisesy. Araka ny nampoizin’i Josoa sy i Kaleba foana, dia nandresy tamin’ireo ady ho an’ny vahoakany i Jehovah.
Mita ny Onin’i Jordana miaraka amin’ireo lehilahy mpiadin’ny Isiraely i Josoa sy i Kaleba efa be taona ary mizaka ny enta-mavesany amin’ireo ady manaraka. Rehefa avy nanao ady nandritra ny enin-taona anefa izy ireo, dia mbola be ihany ny tany tokony horesena. Horoahin’i Jehovah ireo mponina eo, kanefa izao izy dia mandidy ny hizarana ilay tany araka ireo fokon’ny Isiraely. — Josoa 13:1-7.
Nanaraka an’i Jehovah tamin’ny fomba feno izy
Amin’ny maha-mpiady menavazana avy nanao ady maro be azy, i Kaleba dia mijoro eo anatrehan’i Josoa ka manao hoe: “Efa-polo taona no andro niainako, fony aho nirahin’i Mosesy, mpanompon’i Jehovah, niala tany Kadesi-barnea hisafo ny tany; dia niverina aho nitondra teny taminy araka izay tao am-poko. Kanefa ireo rahalahiko izay niara-niakatra tamiko dia nanaketraka ny fon’ny olona; fa izaho kosa dia [nanaraka an’i Jehovah Andriamanitro tamin’ny fomba feno, NW ].” (Josoa 14:6-8). Eny, nanaraka an’i Jehovah tamin’ny fomba feno i Kaleba, ka nanao ny sitrapon’Andriamanitra tamin’ny tsy fivadihana.
Manampy teny toy izao i Kaleba: “Dia nianiana tamin’izany andro izany Mosesy ka nanao hoe: Ny tany izay nodiavin’ny tongotrao dia ho lovanao sy ny taranakao tokoa mandrakizay, satria [nanaraka an’i Jehovah Andriamanitro tamin’ny fomba feno, NW ] hianao. Ary ankehitriny, indro, efa namelona ahy Jehovah, araka izay nolazainy hatramin’ny dimy amby efa-polo taona lasa izay, dia hatramin’ny nilazan’i Jehovah izany teny izany tamin’i Mosesy no ho mankatỳ, raha mbola nandehandeha tany an-efitra ny Isiraely; ary ankehitriny, indro, efa dimy amby valo-polo taona aho izao. Nefa mbola matanjaka ihany aho izao tahaka ny tamin’ny andro nanirahan’i Mosesy ahy: tahaka ny tanjako tamin’izany ihany no mbola tanjako ankehitriny, mba hiady, na hivoaka, na hiditra. Ary ankehitriny omeo ahy irỳ tendrombohitra irỳ, izay nolazain’i Jehovah tamin’izany andro izany; fa efa renao tamin’izany andro izany fa nitoetra teo ny Anakita, sady nisy tanàna lehibe mimanda; angamba homba ahy Jehovah, dia haharoaka azy aho, araka izay nolazain’i Jehovah.” Azon’i Kaleba ho lova izao i Hebrona. — Josoa 14:9-15.
Nahazo ny fanendrena sarotra indrindra nasaina hataony i Kaleba efa antitra — faritany iray feno olona goavam-be. Kanefa tsy mafy loatra ho an’io mpiady 85 taona io izany. Amin’ny farany, dia resy ireo mpampijaly kely nonina tao Hebrona. Voababon’i Otniela, zanaky ny zandrin’i Kaleba sady mpitsara eo amin’ny Isiraely, i Debira. Honenan’ireo Levita atỳ aoriana ireo tanàna roa ireo, ary i Hebrona dia tonga tanàna fandosirana ho an’ny mpamono olona tsy nahy. — Josoa 15:13-19; 21:3, 11-16; Mpitsara 1:9-15, 20.
Manaraha an’i Jehovah amin’ny fomba feno foana
Olombelona tsy tanteraka i Kaleba sy i Josoa. Na dia izany aza, dia nanao ny sitrapon’i Jehovah tamim-pahatokiana izy ireo. Tsy nihena ny finoan’izy ireo nandritra ireo 40 taona nisian’ny zava-tsarotra tany an’efitra noho ny tsy fankatoavan’ny Isiraely an’Andriamanitra. Mitovy amin’izany koa, ireo mpanompon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny dia tsy mamela na inona na inona hanelingelina ny fanompoany ho fiderana an’Andriamanitra. Fantany fa misy ady eo amin’ny fandaminan’Andriamanitra sy ny an’i Satana Devoly, ka miorina mafy izy ireo, ary mitady tsy an-kijanona ny hahazo sitraka amin’ilay Rainy any an-danitra amin’ny zavatra rehetra.
Ohatra, maro amin’ny vahoakan’i Jehovah no nisetra ny loza hoentina amin-kalozana ary na dia ny fahafatesana mihitsy aza, mba hankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo, na ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy. (1 Korintiana 11:23-26). Momba izany, dia hoy ny tatitra nataon’ny vehivavy kristiana iray notanana tao amin’ny toby fitanana nazia iray nandritra ny Ady Lehibe Faharoa:
“Nasaina nankao amin’ny efitra fanasana lamba tamin’ny 11 ora alina ny rehetra. Tamin’ny 11 ora alina marina, dia tafavory izahay 105. Nijoro nifanakaiky kely izahay, nanao faribolana, ary teo afovoanay dia nisy seza bory kely voarakotra lamba fotsy ary nisy ireo marika. Labozia iray no nanazava ilay efitra, satria raha jiro elektrika, dia nety ho namadika anay. Nahatsiaro ho toy ireo Kristiana voalohany tao amin’ireo zohy niereny izahay. Fankalazana feno haja amam-boninahitra ilay izy. Naverinay indray ny voady nataonay tamin’ilay Rainay mba hampiasa ny herinay rehetra ho fanamarinana ny anarany masina, ary mba hijoro ho mahatoky ho an’Ilay Teokrasia.”
Na dia eo aza ireo fitsapana antsika noho ny fanenjehana antsika mpanompon’i Jehovah, dia afaka miantehitra amin’ny hery omen’Andriamanitra isika mba hanompoana azy amin-kerim-po sy hanomezam-boninahitra ny anarany masina. (Filipiana 4:13). Eo am-pikelezantsika aina hanao izay sitrak’i Jehovah, dia hanampy antsika ny fitadidiana an’i Kaleba. Ny ohatra nomeny tamin’ny fanarahana an’i Jehovah tamin’ny fomba feno dia tena nanaitra mafy ny zatovolahy iray nirotsaka hanao ny asa fitoriana manontolo andro tany amin’ny taona 1921. Hoy ny nosoratany:
“Na dia nidika ho fandaozana ny asako tsara karama tao amin’ny fanontam-pirinty maoderina iray tany Coventry [Angletera] aza ny fahatongavako ho mpisava lalana, dia tsy nisy fanenenana. Efa nanapaka ny amin’ilay raharaha ny fanolorako ny tenako; efa natolotro ho an’Andriamanitra ny fiainako. Tadidiko i Kaleba, izay niditra ny Tany Nampanantenaina niaraka tamin’i Josoa ka nilazana hoe: ‘Nanaraka an’i Jehovah tamin’ny fomba feno izy.’ (Josoa 14:8). Tamiko izany dia toy ny fihetsika faniry. Fantatro fa ny fanompoana an’Andriamanitra ‘amin’ny fomba feno’ dia hahatonga ny fiainako efa natolotro ho zava-dehibe kokoa; izany dia hanome ahy fahafahana lehibe kokoa hamokatra ny vokatra mampiavaka ny Kristiana iray.”
Tena notahina tokoa i Kaleba noho ny fanarahana tamim-pahatokiana an’i Jehovah tamin’ny fomba feno, sy tamin’ny fitadiavana foana ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Tahaka azy, ny hafa koa dia nahita fifaliana lehibe sy fitahiana tondraka teo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Enga anie ho izany koa no ho hitanao amin’ny maha-olona manaraka an’i Jehovah amin’ny fomba feno foana anao.
[Sary, pejy 26]
Nahatoky teo anatrehan’i Jehovah tao anatin’ny fitsapana i Kaleba sy i Josoa. Ary ianao?