Manaja ny Toerana Fanaovanao Fanompoam-pivavahana ve Ianao?
“Hatrany am-piandohan’ny fahazazan’ny filazantsara, dia nanana toerana raikitra sy voafaritra tsara ho amin’ny fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra foana ny Kristiana.” — “Primitive Christianity”, nosoratan’i William Cave.
NAHITA fahafinaretana mandrakariva tamin’ny fiaraha-mivory ho amin’ny fanompoam-pivavahana ny vahoakan’Andriamanitra. Marina izany tamin’ny taonjato voalohany toy ny maha-marina izany amin’izao fotoana izao. Ireo mpanoratra sy teolojiana voalohany, toa an-dry Lucien, Clément sy Justin le Martyr ary Tertullien, dia samy nanaiky avokoa fa ny Kristiana dia nanana toerana manokana nivoriany mba hanaovana fanompoam-pivavahana miaraka tsy tapaka.
Milaza hevitra mitovy amin’izany ny Baiboly, manisy fitenenana maro be ny amin’ny fivoriana tsy tapaka nataon’ny antokona Kristiana. Ireny antokon’olona ireny dia fantatra ho kongregasiona. Nifanentana tsara izany satria ny teny hoe “kongregasiona” amin’ny fiteny tany am-boalohany ao amin’ny Baiboly dia milaza antokon’olona miara-mivory ho amin’ny fikasana na asa manokana iray.
Toerana fanaovana fanompoam-pivavahana kristiana tany am-boalohany
Inona no nataon’ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany rehefa niara-nivory izy ireo? Milazalaza maromaro amin’ny fivoriana toy izany ny Baiboly ary asehony fa ny fampianarana dia tapany iray lehibe. (Asan’ny Apostoly 2:42; 11:26; 1 Korintiana 14:19, 26). Nalamina ny fandaharam-pampianarana nisy lahateny sy ny fitantarana ireo fanandraman-javatra mampahery, ary ny fandinihana tamim-pitandremana ireo taratasy voaray avy tamin’ny fitambara-mpitantana tany Jerosalema na avy tany amin’ny apostoly iray.
Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 15:22-35, dia vakintsika fa taorian’ny namakiana ny taratasy iray toy izany tamin’ny antokona Kristiana tany Antiokia, “dia namporisika ny rahalahy tamin’ny teny maro (...) ka nampahery azy” i Joda sy i Silasy. Milaza ny fitantarana iray fa rehefa tonga tany Antiokia i Paoly sy i Barnabasy “ka namory ny fiangonana, dia nilaza izay rehetra nataon’Andriamanitra tamin’ny nombany azy”. Tapany lehibe iray tamin’ny fivoriana kristiana koa ny fivavahana tamin’i Jehovah. — Asan’ny Apostoly 14:27.
Ny toerana nivorian’ireo kongregasiona tamin’ny taonjato voalohany ho an’ny fanompoam-pivavahana dia tsy rafi-trano voakaly toy ireo fiangonan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana amin’izao andro izao. Tamin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, ireo Kristiana voalohany dia nivory tany amin’ny tranon’olona manokana. (Romana 16:5; 1 Korintiana 16:19; Kolosiana 4:15; Filemona 2). Matetika dia nampiasaina ny efitrano tany an-tampon-trano na ny efitrano ambony rihana amin’ny tranon’olona manokana. Tao amin’ny efitrano ambony rihana iray no nanaovana ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Tao amin’ny efitrano ambony rihana iray koa no voahosotra tamin’ny fanahy masina ireo mpianatra 120 tamin’ny Pentekosta. — Lioka 22:11, 12, 19, 20; Asan’ny Apostoly 1:13, 14; 2:1-4; 20:7, 9.
Amin’izao andro izao ny Vavolombelon’i Jehovah dia manaraka ny modely naorin’ireo apostoly. Mampiasa toeram-pivoriana fantatra hoe Efitrano Fanjakana izy ireo. Any izy ireo dia ampiofanina amin’ny maha-mpitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 24:14). Mianatra ny Soratra Masina koa izy ireo any amin’ny Efitrano Fanjakana, mivavaka, ary mifampahery. Izany dia mifanaraka amin’ilay fampirisihan’ny Baiboly ao amin’ny Hebreo 10:24, 25 hoe: “Aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.”
Fampiasana araka ny tokony ho izy ny toerana fanaovantsika fanompoam-pivavahana
Tsaroanao ve ny tenin’ny apostoly Paoly hoe: “Andriamanitra tsy mba loharanon’ny fikorontanana fa loharanon’ny fiadanana”, sy ny hoe “Aoka hatao amim-pahamendrehana sy filaminana avokoa ny zavatra rehetra”? Raha mandinika ny teny manodidina ireo teny ireo ianao dia hahita fa i Paoly dia niresaka ny amin’ny fomba tokony hitarihana ireo fivoriana kristiana. Toy ny tamin’ny andron’ny apostoly, ny Kristiana amin’izao andro izao dia manao izay hahazoana antoka fa ny fivorian’izy ireo dia milamina sy voalamina tsara. — 1 Korintiana 14:26-40, DIEM.
Nilaza toy izao ny nomeraon’ny Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 15 Oktobra 1969: “Ny rivo-piainana ara-panahy ao amin’ny Efitrano Fanjakana dia tsy sandoka, ateraky ny tena fahalianana amin’ny fanompoam-pivavahana marina sy ny fampianarana ara-baiboly. Ary ny manodidina mazava sy tsotra ao amin’ilay efitrano dia mampirisika izay manatrika ao mba ho tia mifandray amin’ny hafa sy ho sariaka, fa tsy ho voagejan’ny fahamaotinana an-tery mifono zava-miafina.” Mazava ho azy fa ampiharina koa ny fitandremana mba hahatonga ny fampiasana ny Efitrano Fanjakana ahitana taratry ny fanajana sy ny fahamendrehana lalandava.
Nampiseho tsy fisian’ny fanajana miharihary tamin’io lafiny io ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Misy fandaminana ara-pivavahana sasany mampiasa ny toerana fanaovany fanompoam-pivavahana ho foibe fanaovana fialam-boly eo an-tanàna. Manana rindran-kira momba ny mozika rock ara-pivavahana atao an-tsehatra izy ireo, manana efitrano fanaovana fibatana fonjam-by, latabatra filalaovana billards, akanin-jaza, ary sinema anaty trano. Ny fiangonana iray dia nanana fifaninanana tolona ho anisan’ny fandaharany. Izany dia tsy mifanaraka velively amin’ny modely navelan’ireo apostoly.
Raha nisy kongregasiona tamin’ny taonjato voalohany nanao zavatra tsy araka ny tokony ho izy, dia mendrika ny fanitsiana. Ny sasany tao amin’ny kongregasiona kristiana tany Korinto, ohatra, dia nampiasa ny fankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo ho toy ny fotoana iray hihinanana sy hisotroana. Nitondra ny sakafony hariva niaraka taminy izy ireo mba hihinanana izany taloha na nandritra ilay fivoriana, ny sasany aza nihinana sy nisotro tafahoatra mihitsy. Zavatra tena tsy nifanentana tokoa izany. Nanoratra ho azy ireo toy izao ny apostoly Paoly: “Moa tsy manan-trano hihinanana sy hisotroana va hianareo?” — 1 Korintiana 11:20-29.
Mifanaraka amin’ny torohevitr’i Paoly, ny Vavolombelon’i Jehovah dia miezaka mafy mba hikarakara ireo raharahany manokana any an-tranony na any an-toeran-kafa fa tsy any amin’ny Efitrano Fanjakana. Marina fa ny fivoriantsika tsy tapaka dia manome fahafahana mety tsara mba hahitana namana maromaro amin’ny fotoana iray ihany. Voatokana ho an’i Jehovah anefa ny Efitrano Fanjakana, koa tsy tokony hampiasaina afa-tsy ho an’ny fanompoam-pivavahana aminy ihany. Tsy hanararaotra ny fanatrehantsika any isika mba hanaovana raharaha tsy ara-pivavahana na hikarakarana raharaha manokana ara-bola ifanaovana amin’ny hafa.
Fanampin’izany, ny Efitrano Fanjakana dia tsy tokony hampiasain’ny kongregasiona ho an’ireo fandaharana natao hialana voly, na ireo fanaovan-javatra natao hahazoam-bola, na ireo fikarakarana ara-tsosialy, toy ny fikarakarana ankizy. Misy toerana hafa azon’ny tena ikarakarana raharaha sy zavatra an’ny tena manokana toy izany.
Nahamarika ireo loholona tao amin’ny Efitrano Fanjakana iray fa misy mpikambana ao amin’ny kongregasiona manao ho fahazarana ny mindran-javatra na mamerina zavatra nindramina any amin’ny fivoriana. Mazàna koa izy ireo dia mifanakalo sary mihetsika amin’ny vidéocassette any amin’ny Efitrano Fanjakana. Na dia tsy varotra aza izany fanaovan-javatra izany, dia nanampy azy ireo ny loholona mba hahatsapa fa fahendrena ny mikarakara ireny raharaha ireny any an-trano, raha azo atao.
Mba hialana amin’ny tarehin-javatra izay mety hanome fiheverana diso sy mba hahazoana antoka fa ampiasaina araka ny tokony ho izy ny Efitrano Fanjakana, dia tokony hanontany tena toy izao ny tsirairay: ‘Moa ve misy raharaha manokana karakaraiko any amin’ny Efitrano Fanjakana, nefa azo karakaraina any an-trano?’ Rehefa mandamina fitsangantsanganana na fiaraha-mikorana, ohatra, moa ve tsy tsaratsara kokoa ny mandinika ny fandaharana toy izany any an-trano? Moa ve isika afaka mampiasa ny telefaonina na mitsidika any an-tranon’ireo izay irintsika hifandraisana? Amin’ny findramana ny tenin’i Paoly dia afaka miteny isika hoe: ‘Manan-trano hikarakarana raharaha toy izany isika, sa tsy izany?’
Fotoana sy toerana voatokana hanaovana fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah
Milaza toy izao ny Baiboly ao amin’ny Mpitoriteny 3:1: “Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra atỳ ambanin’ny lanitra.” Rehefa manatrika ireo fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana isika dia afaka ny ho revo tanteraka amin’ireo fanaovan-javatra izay mifandray amin’ny fanompoana kristiana. Izany dia fotoana voatokana hanaovana fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah.
I Jakoba, rahalahy iray reny tamin’i Jesosy dia nanome torohevitra manohitra ny fiangarana ao anatin’ny kongregasiona kristiana. (Jakoba 2:1-9). Ahoana no ahafahantsika mampihatra io torohevitra io ao amin’ny Efitrano Fanjakanantsika? Ny toa fisehoan’ny fiangarana dia mety hitranga rehefa atao ao amin’ny fomba misarika ny maso ny fampandalovana fanasana an-tsoratra ho amin’ny fanaovan-javatra miaraka. Tany amin’ny kongregasiona iray dia fahazarana ny nametraka fanasana toy izany tao anatin’ny kitapo na tao anatin’ny Baibolin’ireo tonga teo. Ekena aloha fa izany dia manamora zavatra kokoa noho ny fandefasana ireo fanasana amin’ny paositra na ny fanaterana azy ireny isan-trano. Ahoana anefa ny fihetseham-pon’ireo izay tsy nahazo fanasana rehefa avy nandinika fa nisy fanasana nampitaina tany amin’ny hafa? Moa ve izany mety ho toa mampiseho fiangarana?
Mazava ho azy fa tsy voatery hisy fitsipika hentitra milaza hoe tsy misy mahazo manolotra hafatra manokana na fonosan’entana ho an’ny olon-kafa raha ao amin’ny Efitrano Fanjakana; na hoe tsy mety ny firesahana ny amin’ny asa sy ny fisehoan-javatra andavanandro any amin’ny Efitrano Fanjakana, na ny manasa olona any an-tranonao, na ny manontany olona mba hiaraka aminao amin’ny fialam-boly sasany. Tokony haningana anefa izany, ary hatao mangingina sy tsy hisarika ny maso. Ireo fandaharana an’ny tena manokana dia tsy tokony hampivily mihitsy ny saina hiala amin’ilay tena zava-kendren’ny fiarahantsika any amin’ny Efitrano Fanjakana, dia ny hahazo fahalalana ara-panahy. — Matio 6:33; Filipiana 1:10.
Ireo lehilahy izay mamela ohatra
Ireo loholona sy mpikarakara momba ny asa dia mamela ohatra amin-jotom-po eo amin’ny fanajana ny Efitrano Fanjakana. Mazàna dia misy loholona iray na roa sy mpikarakara momba ny asa voatendry mba hampifandrindra ireo raharaha mahakasika ny fikojakojana ny Efitrano Fanjakana. Rehefa mihoatra ny iray ny kongregasiona mampiasa efitrano iray ihany, dia misy komitin-doholona manara-maso ireny raharaha ireny.
Na dia misy aza olona sasany voatendry manokana mba hikarakara izany andraikitra izany, ireo mpikarakara momba ny asa rehetra sy ireo loholona dia tokony hampiseho tena fiahiana marina ny amin’ilay efitrano. Miaiky izy ireo fa voatokana ho an’i Jehovah ny Efitrano Fanjakana ary ampiasaina amin’ny fanompoam-pivavahana aminy.
Tsy tokony hangataka andro ireo loholona rehefa misy ilana fanamboarana. (2 Tantara 24:5, 13; 29:3; 34:8; Nehemia 10:40, NW; 13:11). Any amin’ny kongregasiona sasany dia misy fisafoana tsy tapaka ny Efitrano Fanjakana atao mba hikarakarana haingana izay fanamboarana ilaina. Misy taratasy filazana isan-javatra tanana mba hahazoana antoka fa misy sy azo ampiasaina ireo tahirin-javatra ilaina. Raha misy toerana voatondro mba hampirimana ireo tahirin-javatra sy fiasana ary fitaovana fanadiovana, ny loholona sy mpikarakara momba ny asa rehetra dia tokony hampiseho fiahiana ny amin’ny toetran’izy io, amin’ny fanaovana izay hitanana azy ho madio sy milamina. Ireo izay miasa eo amin’ny latabatra famoahana boky sy gazety dia afaka mampiseho ny fiahiany amin’ny fanaovan-javatra haingana mba tsy hiparitahan’ny baoritra tsy misy na inona na inona intsony ao amin’ilay efitrano.
Amin’ny famelana ohatra tsara, ireo loholona sy mpikarakara momba ny asa dia afaka manampy ny sisa ao amin’ny kongregasiona mba hampiseho zotom-po ho an’ny Efitrano Fanjakana. (Hebreo 13:7). Afaka mampiseho fanajana araka ny tokony ho izy ny rehetra amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanadiovana ilay efitrano ary amin’ny fanehoana fiheverana marina amin’ny fisehoany ivelany amin’ny ankapobeny.
Hoy i Jesosy ao amin’ny Matio 18:20: “Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho.” Eny, i Jesosy dia liana amin’izay ataontsika rehefa miara-mivory isika mba hanolotra fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah. Izany dia mahatafiditra izay fivoriana hafa rehetra atao any amin’ny tranon’olona manokana sy ireo fivoriana lehibe toy ireo fivoriambe.
Ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany maro, dia tsy misy toerana akaikin’ny fony kokoa noho ilay toerana fanaovan’izy ireo fanompoam-pivavahana tsy tapaka, dia ny Efitrano Fanjakana. Mampiseho fanajana araka ny tokony ho izy an’io toerana io izy ireo. Maneho toe-tsaina feno zotom-po izy ireo eo amin’ny fikarakarana azy io, ary mikely aina foana izy ireo mba hampiasa izany araka ny tokony ho izy. Enga anie ianao koa hanaraka ilay fananarana izay nomen’ny tenan’i Jehovah mihitsy manao hoe: “Tandremo ny tongotrao, raha mankao an-tranon’Andriamanitra hianao”. — Mpitoriteny 4:17.