FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w93 15/6 p. 31
  • Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny Mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Aoka isika hitady teny mahafinaritra, teny mahitsy’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Raran’ny Baiboly ve ny Filokana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Fanontanian’ny mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1981
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
w93 15/6 p. 31

Fanontanian’ny Mpamaky

Raha tsy mametraka vola hatao loka ny Kristiana, moa ve izy mahazo manaiky karatra na mandray anjara amin’ny fisarihana, izay mety hahazoany loka?

Izy io dia fanontaniana izay nipoitra indraindray ka dia efa noresahina tao amin’ireo zavatra vita an-tsoratra navoakanay. Amin’ny fiteny sasany dia nataonay izay hahazoana mampiasa indeksa momba ireo bokinay, toy ny Publications de la Société Watch Tower — Index 1950-1985 (ary ny iray mitovy amin’izay mahafaoka 1986-1989). Raha manana izany indeksa izany amin’ny fiteniny ny Kristiana iray, dia tena mahasoa izy ireny mba hahitana valiny mahafa-po haingana.

Ohatra iray amin’izany ilay fanontaniana etsy ambony. Rehefa mijery ny Index ho an’ny 1950-1985 eo ambanin’ny lohateny hoe “Questions des lecteurs” isika dia hahita ny lohatenikely hoe “loterie, chrétien peut-il y prendre part?” Asaina mijery ny fizarana hoe “Fanontanian’ny mpamaky” ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Oktobra 1973, pejy faha-603, ny mpamaky.a Vavolombelona maro no manana volume relié (na nomerao mitokana) amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1973, na azo atao ny mijery izany ao amin’ny fitoeram-bokin’ny Efitrano Fanjakana maro.

Ilay famelabelarana navoaka tamin’ny 1973 dia nampiseho fa ny Kristiana dia tsy mandray anjara amin’ny tiercé na amin’ny fisarihana izay mitaky ny hividianana karazana tombola, na ny hametraham-bola sao sendra mahazo loka. Raha tsorina, dia halavirintsika ny filokana izay azo antoka fa fisehoan’ny fieremana na faniriana mihoa-pampana. — 1 Korintiana 5:11; 6:10; Efesiana 4:19; 5:3, 5.

Mety hampiasa fisarihana ho toy ny fomba fanaovana dokam-barotra ny tranom-barotra na raharaham-barotra iray. Ny hany tokony hataon’ny olona iray dia ny manome ny anarany na mamerina taratasy nofenoina na karatra iray, fa tsy mividy na inona na inona. Anisan’ny tetika fanaovana dokam-barotra fotsiny ilay fisarihana, fomba tsy misy fanavakavahana iray hifidianana izay homena ilay na ireo loka. Mety hihevitra ny Kristiana sasany fa azony atao ny manaiky ny loka amin’ny fisarihana iray izay tsy nisy filokana, tsy misy hafa amin’ny hahafahany hanaiky santionan-javatra maimaim-poana na fanomezana hafa izay mety hampiasain’ny raharaham-barotra na tranom-barotra iray eo amin’ny fandaharany fanaovany dokam-barotra.

Kanefa, misy Kristiana izay hanalavitra izay zavatra rehetra toy izany, noho izy ireo tsy maniry hanafintohina na hahavery hevitra ny hafa, ary koa noho izy ireo mitady hihataka lavitra izay fitaomana rehetra hiantehitra amin-dRavintana. Araka ny asehon’ny Isaia 65:11 (fanamarihana ambany pejy), ny mpanompon’Andriamanitra dia tsy mifandray amin’ny “andriamanitra Zara” na amin’ny “andriamanitra Vintana”. Mety hihevitra koa izy ireo fa tsy iriny ny ho tafiditra amin’ny dokam-barotra izay mety hitakiana ny handraisan’ireo mpandresy anjara. Ireo izay manana izany fiheverana izany dia tena tsy tokony hanakiana ny Kristiana na ireo Kristiana izay mihevitra fa afaka mandray anjara amin’ny fisarihana toy izany ny tenany. — Ampitahao amin’ny Romana 14:1-4.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Io foto-kevitra io dia voalahatra eo ambanin’ny lohateny hoe “Publicité”, “Affaires (Commerciales)”, ary “Jeux (D’argent)”, koa ny firesahan’ny Index foto-kevitra isan-karazany dia manampy ny tena hahita ilay fanazavana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara