“Toa Tsy Afaka Mifandray Tsotra Izao Fotsiny Izahay!”
TSY maintsy ho mpifandray aman’olona narisika i Michael, mpisolovava. Nitaky izany ny asany. Taorian’ny 16 taona nanambadiana anefa, dia voatery niaiky i Michael fa rehefa nody tany an-trano, tany amin’i Adrian vadiny izy, dia toa nanjavona ilay fahaizany nifandray taman’olona. “Tamin’ny fanakianana ho filana ady sy ny filam-baniny lava ary tamin’ny fanaovana safeli-teny”, hoy ny tsaroan’i Michael, “dia tsy nifanaraka sy nifamaly foana izahay sy i Adrian, ary nieritreritra aho fa handreraka anay fotsiny izany. Nanontany tena aho raha izany no fanambadiana, dia ilay fefin’ny tsy fahafaham-po sy fahasosorana lava. Raha izany no tsy maintsy hanjo amin’ny andro sisa hiarahanay miaina, dia naniry ny hiala tamin’ny fanambadiana aho — tsy vazivazy izany. Tsy afaka niatrika 20, 30, 40 taona amin’izany karazana fahasosorana sy fihenjanana lava izany tsotra izao aho.”
Tsy manokana ho an’i Michael sy i Adrian velively ny fihetseham-po toy izany. Zava-misy izany ho an’ny mpivady maro izay ny fifandraisany dia elanelanin’ny ady sy ny fampitsaharana poa-basy. Ny resaka tsotra indrindra dia mipoaka ho ady antsanga. “Mandre” zavatra tsy nolazaina izy ireo. Milaza zavatra tsy tiana holazaina izy ireo. Mamely sy miampanga izy ireo, ary avy eo dia manepoka ao anatin’ny fanginana feno fahasosorana. Tsy misaraka izy ireo, kanefa dia tsy tena “nofo iray” koa. (Genesisy 2:24). Miziriziry eo ny fifandraisan’izy ireo. Ny fihetsehana mihemotra dia hidika hoe fisarahana; ny fihetsehana mandroso dia hidika hoe fiatrehana mivantana ireo tsy fifanarahana. Mba hanalavirana ny fanaintainana avy amin’ny tsirairay amin’ireo safidy ireo, dia milavo lefona ireo mpivady ireo amin’ny fitanana fifampihatahana ho fiarovana ny fihetseham-po.
Mila mahazo ‘fitarihana tsara’ eo amin’ny fanambadiany ny mpivady toy izany. (Ohabolana 1:5). Azo raisina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, io fitarihana io. Milaza ny taratasy faharoan’i Paoly ho an’i Timoty fa ny Baiboly dia “mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso”. (2 Timoty 3:16). Izany no izy eo amin’ny fanasitranana ny faharavan’ny fifandraisan’ny mpivady, araka ny ho hitantsika.