Nampiasa ny Anaran’Andriamanitra ve Ireo Kristiana Voalohany?
MISEHO inarivony maro ao amin’ny Soratra Hebreo ny anaran’Andriamanitra, ka ao izy io dia aseho amin’ny renisoratra efatra hoe יהוה (YHWH, ny Tetragrama). Ireo zavatra hita tamin’ny fikarohana tany ambanin’ny tany dia mahatonga hihevitra fa teo amin’ny Isiraely talohan’ny fahababoana, talohan’ny taona 607 al.f.i., dia fampiasa ilay anarana, ary miseho matetika izy io ao amin’ireo boky ao amin’ny Baiboly taorian’ny fahababoana toy ny an’i Ezra, Nehemia sy Daniela ary Malakia. Tsikelikely anefa, arakaraka ny nanatonan’ny fotoana nisehoan’ny Mesia, dia nanjary tsy nety nampiasa ilay anarana ireo Jiosy noho ny finoanoam-poana.
Moa ve ireo mpianatr’i Jesosy nampiasa ny anaran’Andriamanitra (izay adika mandrakariva amin’ny fiteny malagasy hoe “Jehovah” na “Yaveh”)? Eny, hoy ny porofo. Nampianatra ny mpanara-dia azy hivavaka amin’Andriamanitra toy izao i Jesosy: “Hohamasinina anie ny anaranao.” (Matio 6:9). Ary tamin’ny fifaranan’ny fanompoany teto an-tany, dia ny tenany mihitsy no nivavaka tamin’ny Rainy any an-danitra hoe: “Nasehoko tamin’ny olona izay nomenao Ahy avy tamin’izao tontolo izao ny anaranao”. (Jaona 17:6). Ankoatra izany, dia nirakitra ny anaran’Andriamanitra tamin’ny endriky ny Tetragrama hebreo ireo kopia voalohany amin’ny Septante, ilay fandikana tamin’ny fiteny grika ny Soratra Hebreo izay nampiasain’ireo mpianatr’i Jesosy.
Ahoana ny amin’ireo Filazantsara sy ny sisa amin’ny Soratra Grika Kristiana (ny “Testamenta Vaovao”)? Natao ny fanjohian-kevitra hoe: koa satria niseho tao amin’ny Septante ny anaran’Andriamanitra, dia tsy maintsy ho niseho koa izy io tao amin’ireo kopia voalohany indrindra amin’ireo Soratra ireo — fara faharatsiny teo amin’izay nanononana ny Septante. Araka izany, dia miseho maherin’ny in-200 ny anarana hoe Jehovah ao amin’ny Soratra Grika Kristiana — Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao. Nisy nanakiana izany ho tsy marim-pototra. Toa misy anefa fanohanana ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao avy amin’ny loharano iray sarotra inoana: ny Talmoda babyloniana.
Ny tapany voalohany amin’io asa soratra ara-pivavahana jiosy io dia mitondra ny lohateny hoe Shabbath (Sabata), ary mirakitra fitambaram-pitsipika maro be mifehy ny fitondran-tena amin’ny Sabata. Ao amin’ny tapany iray, dia misy ady hevitra iray mikasika ny maha-mety na tsia ny famonjena avy amin’ny afo ireo soratanana momba ny Baiboly mandritra ny Sabata, ary avy eo dia miseho izao andalan-teny manaraka izao: “Izao no voalaza ao amin’ilay soratra: Ny faritra tsy misy soratra [gil·yoh·nimʹ] sy ireo Bokin’ny Minim, dia tsy azontsika vonjena avy amin’ny afo. Hoy ny R[aby]. Jose hoe: Mandritra ireo andro amin’ny herinandro, dia tokony hohetezana hiala ireo Anaran’Andriamanitra ao amin’ireny sora-tanana ireny ka hafenina, ary dia hodorana ny sisa aminy. Hoy ny R[aby]. Tarfon hoe: Enga anie aho handevina ny zanako lahy raha tsy mandoro azy ireny miaraka amin’ireo anaran’Andriamanitra ao anatiny, raha mahazo izany eo an-tanako aho.” — Fandikan-teny nataon’ny Dr. H. Freedman.
Iza moa ireo mi·nimʹ? Ilay teny dia midika hoe “mpamorona antoko” ary izy io dia mety ho nanisy fitenenana ny amin’ireo Sadoseo na ireo Samaritana. Araka ny hevitry ny Dr. Freedman anefa, io andalan-teny io dia tena azo inoana fa manisy fitenenana ny amin’ireo Kristiana jiosy. Koa inona àry ireo gil·yoh·nimʹ, izay nadika hoe “faritra tsy misy soratra”, araka ny hevitry ny Dr. Freedman? Misy heviny roa azo aroso. Izany dia mety ho ireo sisim-pejy tsy misy soratra amin’ny horonana iray, na horonana tsy misy soratra mihitsy aza. Na — amin’ny fampiharana ilay teny amin’ny fomba maneso — mety ho ireo asa soratra nataon’ny mi·nimʹ, mba hilazana hoe tsy misy ilana azy toy ny horonana tsy misy soratra ireny asa soratra ireny. Ao amin’ireo rakibolana, dia lazaina fa “Filazantsara” io dikan-teny faharoa io. Mifanaraka amin’izany, dia vakina toy izao, ao amin’ny Talmoda, ilay fehezanteny miseho eo alohan’ilay tapany voatonona etsy ambony: “Ireo Bokin’ny Minim dia toy ny faritra tsy misy soratra [gil·yoh·nimʹ].”
Araka izany, dia nadika toy izao manaraka izao ilay tapany amin’ny Talmoda voatonona etsy ambony ao amin’ny boky hoe Who Was a Jew? nataon’i Lawrence H. Schiffman: “Izahay dia tsy mamonjy avy amin’ny afo (amin’ny Sabata) ireo Filazantsara sy ireo bokin’ny minim (‘ireo niala tamin’ny hevitra nekena’). Dorana eo amin’ny toerany kosa izy ireny, dia izy ireo sy ny Tetragrama eo aminy. Hoy ny Raby Yose Ha-Gelili hoe: Mandritra ny herinandro, dia tokony hohetezana hiala ny Tetragrama eo aminy ka hafenina, ary hodorana ny sisa. Hoy ny Raby Tarfon: Enga anie aho handevina ireo zanako lahy! Raha tonga eto an-tanako (ireny boky ireny), dia hodorako izy ireo miaraka amin’ny Tetragrama eo aminy.” Nanohy nanaporofo ny Dr. Schiffman fa eto ny minim dia ireo Kristiana jiosy.
Moa ve io tapany amin’ny Talmoda io tena miresaka tokoa ny amin’ireo Kristiana jiosy voalohany? Raha izany no izy, dia porofo mahery izy io fa tena nampiditra ny anaran’Andriamanitra, ny Tetragrama, tao amin’ireo Filazantsarany sy ireo asa soratra nataony tokoa ireo Kristiana. Azo inoana tanteraka fa eto ny Talmoda dia niresaka ny amin’ireo Kristiana jiosy. Misy fanohanan’ireo manam-pahaizana manokana izany hevitra izany, ary ny teny manodidina ao amin’ny Talmoda dia toa manampy fanamarinana bebe kokoa an’izany. Ny tapany manaraka ilay teny nalaina tao amin’ny Shabbath voatonona etsy ambony, dia milaza tantara iray mahatafiditra an’i Gamaliela sy ny mpitsara kristiana iray. Misy filazana an-kolaka tapatapany amin’ilay Toriteny teny An-tendrombohitra ao amin’izany tantara izany.
Efa tatỳ aoriana, rehefa nivaona tamin’ny fampianarana tsotran’i Jesosy ny Kristianisma nivadi-pinoana, vao nitsahatra tsy nampiasa ny anaran’Andriamanitra sy nanaisotra izany mihitsy tao amin’ireo kopian’ny Septante sy tao amin’ireo Filazantsara ary tao amin’ireo boky hafa ao amin’ny Baiboly ireo nilaza tena fa Kristiana.
[Sary, pejy 31]
Tamin’ny andron’i Jesosy, dia niseho tao amin’ny “Septante” ny anaran’Andriamanitra
[Sary nahazoan-dalana]
Israel Antiquities Authority