Nanompo An’i Jehovah Tamim-panetren-tena Izy
“TSY zava-dehibe loatra ny hoe aiza no anompoanao fa ny tena zava-dehibe dia ny hoe iza no tompoinao.” Tia nilaza ireo teny ireo i John Booth, ary niainany izy ireo. Ny tantaram-piainany teto an-tany, izay nifarana tamin’ny alatsinainy 8 Janoary 1996, dia tsy namela fisalasalana raha ny amin’ny hoe iza no nofidiny hotompoina.
Tamin’ny 1921, fony izy tovolahy, dia teo am-pitadiavana ny zava-kendren’ny fiainana i John Booth. Nampianatra sekoly alahady tao amin’ny Fiangonana Nohavaozina Holandey izy, kanefa dia nanohitra ilay hevitra hoe hampiofanina mba ho tonga mpitondra fivavahana satria nihevitra izy fa nanana fiainana feno fitiavan-tena ireo anisan’ny klerjy. Rehefa nahita taratasy fanasana ho amin’ny lahateny iray mitondra ny lohateny hoe “Olona An-tapitrisany Maro Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy” izy, dia tsy nandany fotoana fa tonga dia nanafatra ilay zavatra vita an-tsoratra nambaran’izy io. Nahavariana azy izay novakiny ka tsy ela dia nandeha 24 kilaometatra tamin’ny bisikilety izy, ho any amin’ny fivorian’ny Mpianatra ny Baiboly, araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany. Natao batisa tamin’ny 1923 izy ary nanomboka nitory isam-baravarana tao amin’ny faritr’i Wallkill, New York, izay toerana nananan’ny fianakaviany toeram-piompiana nisy fanodinan-dronono.
Nirotsaka tamin’ny fanompoana manontolo andro ny Rahalahy Booth tamin’ny Aprily 1928. Nitory tao amin’ny faritany niaviany sy tany ambanivohitra amin’ny faritra atsimo amin’i Etazonia izy, ka nanakalo zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly tamin’ny sakafo sy ny toeram-pilasiana. Tsy maintsy nisetra loza tamin-kerim-po izy, loza toy ireo tompon’ny fanasitiliana alkaola tsy ara-dalàna izay nanambana basy azy. Nitifitra ny iray tamin’izy ireny ka nandratra ilay namana mpisava lalana niaraka tamin’i John Booth. Tamin’ny 1935, dia notendrena ho mpiandraikitra mpitety faritany ny Rahalahy Booth ary nanomboka nitsidika kongregasiona sy antokon’olona kely kokoa nanerana ilay tany. Nandamina fivoriambe izy ary nanampy ireo rahalahy sy anabavy mba haharitra na dia teo aza ny fanoherana. Ny fiatrehana vahoaka romotry ny hatezerana sy ny fijoroana teo anoloan’ny fitsarana ary ny fizakana fanaovana an-tranomaizina dia samy nanjary zava-nitranga nahazatra ny Rahalahy Booth. “Hila boky iray ny hanomezana ny tsipiriany ny amin’ireny fotoana nampientana ireny”, hoy ny nosoratany indray mandeha.
Tamin’ny 1941, i Joseph F. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izany, dia nanendry ny Rahalahy Booth hiasa tao amin’ny Kingdom Farm, any akaikin’i Ithaca, New York. Nanompo tamim-pahatokiana nandritra ny 28 taona izy tao. Tsy nety lefy ny fitiavany ny fanompoana ka ravoravo nandritra ny taona maro izy, nifanerasera tamin’ireo mpianatra an’arivony maro tao amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower, sekoly fampiofanana misionera, izay tao amin’ny Kingdom Farm no nisy azy hatramin’ny 1961. Tamin’ny 1970, ny Rahalahy Booth dia nasaina hanompo tao amin’ny Toeram-piompian’ny Watchtower tany Wallkill, New York, ka dia tao amin’ilay faritra nanombohany ny asan’ny mpisava lalana ihany, 45 taona teo ho eo talohan’izay, no nisy azy.
Tamin’ny 1974, dia notendrena ho mpikambana tao amin’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Brooklyn, New York, ny Rahalahy Booth. Nanompo tamim-pahatokiana tamin’io toerany io izy, mandra-pahafatiny teo amin’ny faha-93 taonany. Nolalaina i John Booth noho ny toetrany kristiana feno fanetren-tena sy hatsaram-panahy lalina. Mandra-pahatongan’ny tenany ho tsy nanana fahasalamana sy tanjaka, dia nitory isam-baravarana sy teny amin’ny arabe tao an-tanàna tamim-pahatokiana izy.
Na dia malahelo noho ny fahalasanany aza ireo niara-nanompo taminy, dia mahita fampiononana izy ireo amin’ny fampanantenan’ny Baiboly momba ireny Kristiana voahosotra ireny, dia ny hoe hatsangana amin’ny maty ho any amin’ny fiainana any an-danitra izy ireny ary koa fa “ny asany manaraka azy”. (Apokalypsy 14:13; 1 Korintiana 15:51-54). Azo antoka fa tontolo iainana vaovao izany, nefa tontolo hahafahan’i John Booth hanompo an’i Jehovah mandrakizay!
[Sary, pejy 32]
John Booth 1902-1996
[Sary, pejy 32]
HERALD-AMERICAN, ANDOVER 1234
76 Jehovites Jailed in Joliet
[Sary nahazoan-dalana]
Chicago Herald-American