“Tsy Manonofy Aho, sa Ahoana?”
Avy any Malawi ny tatitra manaraka, ary momba ny iray tamin’ireo Fivoriamben’ny Distrika nanan-tantara “Mpidera An’Andriamanitra Amim-pifaliana” nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany nandritra ny fahavaratra tamin’ny 1995.
“NANARAKA ny lalam-be iray, tokony ho teo amin’ny antsasa-dalana miakatra amin’ny moron-dranon’ny Farihy Malawi, dia nisy soratra fampahafantarana iray napetraka voalohany indrindra tao anatin’ny 29 taona. Vakina toy izao izy io: ‘Fivoriamben’ny Distrikan’ny Vavolombelon’i Jehovah’.
“Nisy kamiao ngezabe iray nipetraka teo anilan’ilay soratra fampahafantarana, ary avy tao aoriany dia nahitana solontena maherin’ny 200 avy any amin’ny tanànan’i Mzuzu. Nitondra fonosan’akanjo, bodofotsy, vilany, siny, sakafo, kitay hazo, sy Baiboly izy ireo mba hiaraka amin’ireo rahalahy sy anabaviny tokony ho 3 000 avy any amin’ny toerana hafa.
“Teo am-piarahabana ireo rahalahy nivoaka tamin’ilay kamiao izahay no tonga i George Chikako, 63 taona, nanosika ny bisikiletiny teo amin’ny fasika, nandeha dia lavitra nandritra ny roa andro avy any amin’ny vohitr’i Nkhotakota. Nandritra ny taona maro, ny Rahalahy Chikako dia nampiharana sazy an-tranomaizina inefatra ho vokatry ny fandavany tsy hanaiky lembenana amin’ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Ny zanak’olo-mpirahalahy taminy dia maty noho ny daroka azony raha tany am-pigadrana. ‘Tsy manonofy aho, sa ahoana?’, hoy ny Rahalahy Chikako nanontany. ‘Atao amin’ny antoandrobenanahary itỳ fivoriambe itỳ, ary mihira amin’ny feo mafy ny hiran’ilay Fanjakana ireto olona ireto! Hatramin’izay fotoana rehetra izay isika dia tsy maintsy nivory tao amin’ny haizin’ny alina, nibitsika ireo hiran’ilay Fanjakana, sy nampifampikasoka ireo tanantsika ho fitehafana. Izao isika dia mivory an-karihary, ary gaga ny olona mahita fa maro aoka izany isika raha noeritreretin’izy ireo hoe vitsy kely monja!’
“Ny toerana nanaovana ilay fivoriambe dia nofefena tamin’ny bozaka ary notafoana nigoragora tamin’ny zozoro mba hampisy aloka. Naorina ny trano bozaka iva sy efitrano lehibe fatoriana an-kalamanjana mba hampiantranoana ireo solontena. Ny rivotry ny alina dia nofenoin’ireo feo kanto mirindra izay tsy nampanginina intsony noho ny tahotra ny fanenjehana.
“Mifanentana tsara toy inona moa ny nananan’ilay fivoriambe loha hevitra hoe ‘Mpidera An’Andriamanitra Amim-pifaliana’!”
[Sary nahazoan-dalana]
Mountain High Maps® Copyright © 1995 Digital Wisdom, Inc.