FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w96 1/12 p. 32
  • Iza no ho Tonga Evanjelisitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza no ho Tonga Evanjelisitra?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
w96 1/12 p. 32

Iza no ho Tonga Evanjelisitra?

TAMIN’NY fivoriana iray nataon’ny Konsily Maneran-tanin’ireo Fiangonana, 40 taona lasa teo ho eo izay, dia nampirisihina ireo mpikambana ao aminy mba “hanao izay hahafantarana ny tenany, amin’ny fananana toe-tsaina tia manao ny asan’ny evanjelisitra” ary hampianatra ireo andian’ondriny “handeha hitory ny evanjily”. Dimy taona tatỳ aoriana, dia nanoratra momba ny ilana hamokarana mpianatra vaovao “amin’ny fanatonana azy ireny”, fa tsy “amin’ny fipetrahana any an-tokantranontsika” fotsiny, ny anisan’ny klerjy katolika iray, dia i John A. O’Brien. Ary tamin’ny Janoary 1994, dia nilaza ny Papa Jean-Paul II fa “tsy fotoana hahatsiarovan-tena ho menatra noho ny Filazantsara izao, fa fotoana hitoriana azy io kosa avy eny amin’ny tampon-trano”.

Miharihary fa ireny antso atao tsindraindray itadiavana evanjelisitra ireny dia niantefa tany an-tsofin’ny marenina. Nilaza toy izao ny lahatsoratra iray tao amin’ilay gazety aostraliana hoe Illawarra Mercury: “Ireo Katolika be mpahalala any amin’ny Moron-tsiraka Atsimo dia tsy dodona hanaraka ny karazan’ny fomba iainan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny finoany.” Nanambara ny lehilahy iray fa “tsy anisan’ny fomba fihevitra katolika” fotsiny ny fanaovana ny asan’ny evanjelisitra. Nanjohy hevitra toy izao ny hafa iray: “Tsara ho an’ny Eglizy ny mampandroso ny tenany, saingy tsy amin’ny alalan’ny fandehanana mandondom-baravarana. Ho tsara kokoa angamba ny hanaovana izany amin’ny alalan’ny sekoly na ny fandefasana taratasy.” Na dia ny lehiben’ny katedraly iray teo an-toerana aza dia tsy tena nahazo antoka ny amin’ny fomba tokony hanazavana ny hevitr’ireo fanamarihana nataon’ny papa. “Izahay dia hampirisika ny olona hampihatra izay fantany momba ny Filazantsara eo amin’ny fiainany manokana”, hoy izy. “Raha ny amin’ny hoe midika ho fandehanana mandondom-baravarana izany, dia zavatra hafa indray izany.” Ny matoam-baovao tamin’ilay lahatsoratra an-gazety dia namintina azy io tsara toy izao: “Tsy hanoina ny antso nataon’ny Papa mba hitory ny Katolika.”

Na dia teo aza ny tsy fahombiazan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana tamin’ny asan’ny evanjelisitra, dia Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny dimy tapitrisa no manaraka ny baikon’i Jesosy mba ‘handeha hanao mpianatra ny firenena rehetra’. (Matio 28:19, 20; ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 5:42.) Ny fitorian’izy ireo isan-trano ankehitriny dia tontosaina any amin’ny tany mihoatra ny 230. Ny hafatra entin’izy ireo dia hafatra manorina iray, izay manasongadina ireo fampanantenana mahatalanjona momba ny hoavy ao amin’ny Baiboly. Nahoana raha miresaka amin’izy ireo amin’ny fotoana hitsidihany manaraka?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara