FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 15/11 p. 32
  • Alina Tsy Nahitan-tory Izay Nitondra Soa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Alina Tsy Nahitan-tory Izay Nitondra Soa
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 15/11 p. 32

Alina Tsy Nahitan-tory Izay Nitondra Soa

NA DIA ny mpanjaka aza, dia sendra alina tsy ahitan-tory. Tratran’izany i Ahasoerosy, mpanapaka persiana nanan-kery tamin’ny taonjato fahadimy al.f.i. Angamba noho ny fahatsapany fa nisy adidy nataony tsirambina, dia nasainy novakina taminy ireo boky firaketan’ny fanjakana. Nanjary fantany fa i Mordekay, mpanompo nahatoky iray, dia nampandamòka ny tetika iray natao hamonoana olona, kanefa dia tsy novalian-tsoa. Tapa-kevitra ny hanitsy an’io fanadinoana io avy hatrany i Ahasoerosy. Ireo voka-tsoa nentin’ny zavatra nataony teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra dia manondro fa Andriamanitra no nahatonga an’ilay mpanjaka tsy hahita tory. — Estera 6:1-10.

Manana antony hitadidiana an’io tapany amin’ny Baiboly io ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Hermanus, tanàna amoron-tsiraka iray atsy Afrika Atsimo. Nivory tao amin’ny efitrano nohofana iray izy ireo taloha. Nandritra ny taona maro, dia niezaka nividy tany hanorenana Efitrano Fanjakana azy manokana izy ireo. Tamin’ny farany, tamin’ny 1991, dia nisy tany iray faran’izay tsara namidin’ny Filan-kevitry ny Tanàna.

Nanohitra ny fivarotana an’io tany io tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa ny sasany. Taorian’ny fanemoram-potoana naharitra volana maromaro, dia nampahafantarina an’ilay kongregasiona fa nasiana fotoam-piandrasana naharitra telo taona ny fivarotana tany tamin’ireo fiangonana, ary dia tsy namidy indray ilay tany. Tamin’ny May 1993, dia nanoratra indray ilay kongregasiona, ka nangataka an’ilay filan-kevitra mba handinika indray ilay fanapahan-keviny. Ho valiny, dia naharay taratasy nisy fehezanteny iray, izy ireo. Nambaran’izy io fa mbola nanan-kery ilay fotoam-piandrasana.

Tamin’ny Oktobra tamin’io taona io, ny mpikambana iray ao amin’ny filan-kevitry ny tanàna dia tsy nahita tory indray alina. Nandany ny alina tamin’ny famadibadihana ireo firaketana tranainin’ny filan-kevitra izy mba hahitana raha nisy raharaha nila fiheverana. Nanintona ny sainy ilay taratasy nosoratan’ireo Vavolombelona, dia ilay taratasy nangataka ny filan-kevitra mba handinika indray ilay fanapahan-keviny. Noho izany, dia nanapa-kevitra izy ny hampiditra an’io raharaha io tao amin’ny zavatra hodinihina ho amin’ny fivorian’izy ireo manaraka. Naniry hanazava izy fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia efa nangataka tany talohan’ny nanisiana fotoam-piandrasana momba ny tany ho an’ireo fiangonana.

Tamin’ny farany, ilay kongregasiona dia nomena an’io tany io, dia ilay namidy voalohany tamin’izy ireo tamin’ny 1991! Eo amin’ny lalam-be no misy azy io, hany ka mora ho an’ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona sy ireo olona liana ny mankao. Nanorina Efitrano Fanjakana kanto iray, izay notokanana ho an’i Jehovah tamin’ny 5 Oktobra 1996, izy ireo.

Na dia malahelo aza ilay kongregasiona noho ny fahasorisorena nahazo an’ilay mpikambana ao amin’ny filan-kevitra tamin’ny tsy nahitany tory indray alina, dia mety hahazo fampiononana kosa izy io amin’ny fahafantarana hoe, na dia i Ahasoerosy Mpanjaka aza dia sendra alina tsy nahitan-tory. Ary samy nitondra soa ny fiafaran’ireo fitrangan-javatra roa ireo. Ilay kongregasiona ao Hermanus dia azo antoka fa velom-pankasitrahana indrindra manana an’ilay Efitrano Fanjakana azy manokana, izay foiben’ny fanompoam-pivavahana madio sy ny fampiofanana teokratika, ao amin’io tanàna amoron-tsiraka be mpitia io. — Hebreo 10:24, 25.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara