Inona no Mahazo An’ireo Tanora?
NY VAOVAO tsara sa ny vaovao ratsy — iza amin’ireo no irinao ho re voalohany? Rehefa ametrahana io fanontaniana io ny olona, dia maro no mifidy ny handre ny vaovao ratsy aloha, amin’ny fanantenana fa hoe haharitra ao an-tsaina ilay vaovao tsara.
Eo am-pandinihantsika izay mahazo an’ireo tanora àry, dia diniho aloha ny tarehin-javatra misy amin’izao fotoana izao. Ireo be taona, amin’ny ankapobeny, dia manazava fa tsy mitovy amin’ireo tanora tamin’ny andro taloha ireo tanora amin’izao andro izao. Ireo tanora, etsy an-danin’izany, dia sorena noho izay mety ho filazana an-kolaka hoe tsy mahatratra ireo fari-pitsipika tamin’ny lasa, ny tenan’izy ireo. Na dia izany aza, ireo mpandinika mahira-tsaina momba ny olombelona dia miray hevitra fa hafa ireo tanora amin’izao andro izao.
Hafa ahoana?
Na dia mihevitra aza ny olona amin’ny ankapobeny fa tokony hahalala fomba sy hahatsapa andraikitra ary hanaja ny hafa ireo tanora, dia matetika ny zava-misy no lavitra be an’ireo filamatra ireo. Araka ny fanadihadiana iray navoaka tao amin’ilay gazety hoe The Independent any Londres, ireo tanora dia “mamboly ‘toe-tsaina vaovao tia fikomiana’ amin’ny tontolo iray izay hitan’izy ireo ho nandiso fanantenana be azy ireo”. Hita taratra ao amin’izao vokatr’ilay fandinihana izao io “toe-tsaina vaovao tia fikomiana” io: tanora vitsy kokoa amin’izao andro maoderina izao no maniry ny hihevitra ny tenany ho “mato-tsaina sy mahay mandray andraikitra”. Aleony kosa heverina ho “tsy mahafehy tena sy njainjay”.
Tany Grande-Bretagne, ohatra, dia nitombo avo folo heny ny heloka bevava nanaovana tatitra, teo anelanelan’ny 1950 sy 1993. Tanora no nanao ny ankamaroan’izany heloka bevava izany. Mitovy amin’izany ny fitomboan’ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny zava-pisotro mahamamo. Etsy an-danin’izany, hoy ny fanamarihan’ny The Times any Londres, dia saika ny tany mandroso rehetra no nahita “fitomboana lehibe teo amin’ny fikorontanana ara-tsaina sy ara-tsosialy, teo amin’ireo tanora, nanomboka tamin’ny Ady Lehibe Faharoa”. Araka ny voalazan’i David J. Smith, profesora momba ny fandinihana ny heloka bevava, ireo fikorontanana ireo dia “tsy misy ifandraisany tsotra izao amin’ny tsy fahampiana, na ny fananam-be mihamitombo”. Manondro ny fikarohana fa misy fiavahana lehibe kokoa miharihary izao eo amin’ireo tanora sy ireo be taona.
Miatrika fihenjanana mihamitombo amin’izao andro izao ireo ankizy sy zatovo. Nanjary fandre matetika ny famonoan-tena, na fanandramana fotsiny izany na tena nahomby mihitsy. Nitombo avo roa heny ny fanandraman’ankizy latsaka ny 12 taona hamono tena, tato anatin’ny folo taona latsaka, hoy ny tatitra nataon’ny Herald any Glasgow, any Ekosy. Mamela ny famoizam-po hitarika azy ho amin’izany koa ny ankizy zokiny kokoa. “Izany no fara tampony amin’ny fitomboan’ny zava-manahirana ara-tsaina sy ara-pihetseham-po mahazo ny tanora, dia zava-manahirana mety tsy ho arak’ireo sampan-draharaha natsangana mba hanampy azy ireo”, hoy ny fanazavan’ilay gazety.
Iza no tokony homen-tsiny?
Mora amin’ireo olon-dehibe ny manome tsiny an’ireo tanora noho ny fiheverana “mivaona” eo amin’ny fahatanorana. Kanefa, amim-pahatsorana tanteraka, moa ve tsy ireo olon-dehibe no manan-tsiny betsaka lavitra noho izay mahazo an’ireo tanora ankehitriny? Tononina matetika ho fanazavana izany ny ataon’ny mpampijaly kely, ny fanaovan’ny ray aman-dreny tsirambina, ny tsy fisian’ny olona modely azon’ny tanora itokiana. “Fahita toy ny tamin’ny 30 taona lasa ihany ny fahaketrahana eo amin’ny sarambaben’ny olona”, hoy ny Profesora Sir Michael Rutter, lehiben’ny Medical Research Council Child Psychiatry Unit (Foibe fikarohana momba ny fahasalaman’ny sain’ny ankizy), any Grande-Bretagne. “Kanefa”, hoy ny teny nanampiny, “nihanateti-piseho be izy io teo amin’ireo zatovo sy olon-dehibe mbola tanora. (...) Tsy isalasalana fa anisan’ny nahatonga izany ny faharavan’ny fianakaviana; tsy ny fisaraham-panambadiana fotsiny, fa ny tsy fifanarahana sy ny fifandonana amin’ny ankapobeny eo amin’ireo olon-dehibe, koa.”
Milaza ny mpikaroka iray fa “manilika ireo fomba amam-panao”, ireo tanora. Nahoana? “Satria ireo fomba amam-panao dia tsy natao ho azy ireo.” Raiso, ohatra, ny fiheverana niova ananan’izy ireo momba ny toetra tokony ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy. Zatovovavy maro no manjary maka ireo lafin-toetran-dehilahy kokoa, tia ady sy mahery setra; etsy an-danin’izany, ireo zatovolahy dia manjary mihavavivavy toetra. Endrey ny tsy fitovian’izany amin’ny fari-pitsipika tamin’ny lasa!
Nahoana anefa isika no mahita fiovana lalina toy izany ankehitriny? Ary vaovao tsara inona mahakasika ny tanora no misy amin’izao andro izao? Ahoana no ahafahan’izy ireo manana hoavy azo antoka? Mandinika ny valin’ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratsika manaraka.