Rehefa Milaza Fanekena ny Fanginana
RESAHIN’ILAY boky hoe Betrayal—German Churches and the Holocaust amim-pahamarinana ny anjara asan’ny fivavahana teo amin’ny Nazisma. “Fahita teo amin’ny Kristianina ny fanohanana ilay fitondrana”, hoy ilay boky, “ary tsy nanohitra mihitsy ny fanenjehana ny Jiosy ny ankamaroany. Teto, dia naneho mazava ny fihetseham-po ny fanginana.”
Inona no nanintona ireo nitonona ho Kristianina tamin’ny Nazisma? Manazava ilay boky fa maro no voasinton’ny fikasan’i Hitler “hampanjaka ny lalàna sy ny filaminana teo amin’ny firenena alemà”. Hoy ilay boky hoe: “Notoheriny [i Hitler] ny boky sy sary vetaveta sy ny fivarotan-tena, ny fanalana zaza sy ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy ary ny ‘fahavetavetana’ eo amin’ny zavakanto maoderina, ary nomeny meday varahina sy volafotsy ary volamena ireo vehivavy izay niteraka zaza efatra, enina, sy valo, ho fampirisihana azy ireo hihazona ny anjara asany hatramin’izay tao an-tokantrano. Io fiverenana ho amin’ny soatoavina hatramin’izay io, nampiarahina tamin’ny fanindrahindram-pirenena teo amin’ny ara-tafika, izay nasetrin’i Hitler ny fampietrena ny firenena tao amin’ny Traité de Versailles, dia nahatonga ny Sosialisma Nasionaly [Nazisma] ho safidy iray nanintona ny maro, ary na ho an’ny ankamaroan’ny Kristianina tany Alemaina mihitsy aza.”
Nifanohitra tanteraka tamin’izany ny antokon’olona iray. Nanamarika ny Betrayal fa “nandà tsy handray anjara tamin’ny herisetra na tamin’ny fampiasana hery ara-tafika ny Vavolombelon’i Jehovah”. Izany dia tsy maintsy nitarika fanafihana nahery vaika teo amin’io antokon’olona io, ka mpikambana maro tamin’izy io no nalefa tany amin’ireo toby fitanana. Tsy nihontsina mba hanohitra izany anefa ny hafa izay nilaza tena ho mpanara-dia an’i Kristy. Manampy teny toy izao ilay boky: “Fankahalana fa tsy fangorahana ireo Vavolombelon’i Jehovah no nasehon’ny Katolika sy ny Protestanta tamin’ny ankapobeny, ary niray hevitra tamin’ny fitsipika henjan’i Hitler izy ireo, fa tsy tamin’ny fitsipika tsy tia ady narahin’ny Vavolombelona.” Tsy isalasalana fa nanampy trotraka ny fitondrana tamin’ny fomba ratsy ny Vavolombelona teo ambanin’ny fitondrana nazia, ny fanginan’izy ireo.
Na dia mbola miteraka adihevitra mafana hatrany aza ny fandraisan’ireo fiangonana anjara tamin’ny raharaha politikan’ny nazia, dia antsoin’ny Betrayal hoe “antokom-pivavahana iray tsy nety nankasitraka na niara-niasa tamin’ilay fitondrana” kosa ny Vavolombelon’i Jehovah.