Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
6-12 JANOARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | GENESISY 1-2
“Namorona An’ireo Zavamananaina eto An-tany i Jehovah”
it “Famoronana, Zavaboary”: “Namorona zavatra hafa teto an-tany Andriamanitra” § 4-6
Famoronana, Zavaboary
Nilaza Andriamanitra tamin’ny Andro Voalohany hoe: “Aoka hisy mazava.” Azo inoana fa nisy tara-pahazavana namakivaky an’ilay rahona matevim-be tamin’izay, saingy mbola tsy hita avy tetỳ an-tany hoe avy taiza ilay hazavana. Toa nipoitra tsikelikely ilay izy, rehefa jerena ny nandikan’i J. Watts an’ilay andininy, manao hoe: “Dia nisy tsikelikely ny mazava.” (Ge 1:3, Fomba Miavaka Nandikana ny Genesisy) Nosarahin’Andriamanitra ny mazava sy ny maizina, ka nantsoiny hoe Andro ny mazava ary Alina ny maizina. Porofo izany fa nihodina tamin’ny tenany ny tany sady nihodidina tamin’ny masoandro. Nifandimby nahazo hazavana sy haizina àry ny ilany atsinanana sy ny ilany andrefana tamin’ny tany.—Ge 1:3, 4.
Inona no nataon’Andriamanitra tamin’ny Andro Faharoa? Nampisy habakabaka izy, rehefa nosarahiny “ny rano ambony sy ny rano ambany.” Nozarainy roa ny rano, ka nisy tsy nihetsika teto an-tany, fa nisy be dia be kosa nakarina tany ambony be tany. Nisy habakabaka niforona àry teo anelanelan’ireo. Nantsoin’Andriamanitra hoe Lanitra ilay habakabaka. Tsy ny lanitra misy ny kintana anefa no tiany holazaina, fa ilay faritra babangoana teo ambonin’ny tany. Tsy voalaza mantsy hoe nisy kintana sy zavatra hafa tao amin’io habakabaka io.—Ge 1:6-8; jereo HABAKABAKA.
Nampiasa ny heriny mahagaga Andriamanitra tamin’ny Andro Fahatelo, ka niangona tamin’ny toerana iray ny rano teto an-tany ary nipoitra ny faritra maina. Nantsoiny hoe Tany ilay faritra maina. Tamin’io andro io koa Andriamanitra no namelona (toy ny hoe nanisy aina) an’ireo ataoma, mba hisian’ny ahitra, ny zavamaniry, ary ny hazo fihinam-boa. Tsy vokatry ny kisendrasendra na ny evolisiona (na fiovana miandalana) izany. Afaka namokatra araka ny “karazany” avy ny ahitra, ny zavamaniry, ary ny hazo fihinam-boa.—Ge 1:9-13.
it “Famoronana, Zavaboary”: “Namorona zavatra hafa teto an-tany Andriamanitra” § 9-12
Famoronana, Zavaboary
Tsara homarihina koa fa ilay teny hebreo hoe ʽasah (midika hoe “manao”) no ampiasaina ao amin’ny Genesisy 1:16, fa tsy ilay teny hebreo hoe baraʼ (midika hoe “mamorona”). Efa ela be talohan’ny Andro Fahefatra no noforonina ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, satria ny “lanitra” misy azy ireo no resahin’ny Genesisy 1:1. Inona àry no dikan’ilay hoe ‘nanao ireo zavatra manome hazavana’ Andriamanitra? Nanomboka tamin’ny andro fahefatra, dia ‘nataony’ tazana avy tetỳ an-tany ireny loharanom-pahazavana teny amin’ny lanitra ireny, ka toy ny hoe teo amin’ny habakabaka. Izany no tiana holazaina amin’ilay hoe: “Nataon’Andriamanitra eo amin’ny habakabaky ny lanitra ireny mba hanazava ny tany.” Natao mba ho “famantarana” koa ireny zavatra manome hazavana ireny, sady “hanondro fizaran-taona sy andro ary taona”, ka hitari-dalana ny olona amin’ny lafiny maro.—Ge 1:14.
Nanomboka namorona ny biby Andriamanitra tamin’ny Andro Fahadimy. Tsy hoe biby iray fotsiny no noforoniny ary avy eo iny no nataony hiova miandalana ho lasa karazany hafa. Zavamananaina be dia be mifanaretsaka kosa no noforoniny tamin’ny heriny. Hoy ny Baiboly: “Andriamanitra nanomboka namorona ireo biby goavam-be any an-dranomasina sy ny zavamananaina rehetra mihetsiketsika izay mifanaretsaka ao anaty rano, samy araka ny karazany avy, ary ny biby manidina manana elatra rehetra araka ny karazany avy.” Nahafaly an’Andriamanitra ny zavatra noforoniny, ka nitso-drano azy ireo izy mba ‘hihabetsaka.’ Nataony afaka miteraka “araka ny karazany avy” mantsy izy ireo.—Ge 1:20-23.
Izao no nitranga ny Andro Fahenina: “Andriamanitra nanomboka nanao ny bibidia eny ambonin’ny tany araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra mandady amin’ny tany araka ny karazany avy.” Tsara ireo zavatra nataony ireo, toy ny zavatra hafa rehetra noforoniny talohan’izay.—Ge 1:24, 25.
Namorona zavaboary vaovao tanteraka Andriamanitra, tamin’ny faramparan’ny andro fahenina. Ambony noho ny biby izy io nefa ambany kokoa noho ny anjely. Tsy inona izany fa ny olona. Noforonina araka ny endrik’Andriamanitra sy nisy itovizana taminy izy io. Milaza fotsiny ny Genesisy 1:27 fa namorona olona lahy sy vavy Andriamanitra. Ny Genesisy 2:7-9 kosa miresaka fa avy tamin’ny vovoky ny tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny olona. Nitsoka fofonaina nankao am-bavorony izy, ka lasa zavamananaina ny olona, ary napetrany tao amin’ny paradisa sady nomeny sakafo. Zavatra avy tamin’ny tany no nampiasain’i Jehovah mba hamoronana an’i Adama. Avy tamin’ny taolan-tehezan’i Adama indray avy eo no namoronany ny vehivavy. (Ge 2:18-25) Nanjary nanana fameno, toy ny karazan-javaboary hafa rehetra, koa ilay lehilahy voalohany, taorian’ny namoronana ny vehivavy.—Ge 5:1, 2.
Andao Hikaroka Harena Miafina
Tena Mahasoa ny Siansa
Taonan’ny tany sy taonan’izao rehetra izao
Milaza ny mpahay siansa fa mety ho 4 arivo tapitrisa taona teo ho eo izay no nisian’ny tany, ary 13 000tapitrisa na 14 000tapitrisa taona teo ho eo kosa izao rehetra izao. Tsy manome ny daty namoronana an’izao rehetra izao ny Baiboly. Tsy milaza mihitsy izy io hoe vao an’arivony taona izay no nisian’ny tany. Hoy fotsiny ny andininy voalohany ao: “Tany am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.” (Genesisy 1:1) Afaka mikaroka tsara àry ny mpahay siansa hoe mety ho firy taona izay no nisian’izao rehetra izao.
it “Jesosy Kristy”: “Talohan’ny naha olombelona azy” § 4
Jesosy Kristy
Tsy Mpamorona mitovy amin’Andriamanitra. Nandray anjara tamin’ny famoronana ilay Zanaka, kanefa tsy hoe Mpamorona mitovy amin’ny Rainy izy. Avy amin’Andriamanitra mantsy ny hery nentina namorona, satria ny fanahiny masina no hery nampiasainy. (Ge 1:2; Sl 33:6) I Jehovah no ahaveloman’ny zavaboary rehetra, na ny hita maso na ny tsy hita, satria Izy no Loharanon’aina. (Sl 36:9) Tsy Mpamorona mitovy aminy àry ilay Zanany, fa tamin’ny alalan’izy io fotsiny no namoronany ny zavaboary. Na i Jesosy aza niaiky fa Andriamanitra no Mpamorona, toy ny voalazan’ny Baiboly ihany.—Mt 19:4-6; jereo FAMORONANA, ZAVABOARY.
Famakiana Baiboly
13-19 JANOARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | GENESISY 3-5
“Ratsy Be ny Vokatr’ilay Lainga Voalohany”
Ho Tanteraka ny Fikasan’i Jehovah!
Nampiasa bibilava i Satana mba hamitahana an’i Eva, dia lasa tsy nankatò an’i Jehovah Rainy i Eva. (Vakio ny Genesisy 3:1-5; Apok. 12:9) Nataony izay hahatonga azy mivady hieritreritra hoe tsy navelan’i Jehovah hihinana “ny voan’ny hazo rehetra” tao amin’ilay zaridaina ry zareo. Te hilaza izy hoe: ‘Ianareo ange izany tsy mahazo manao izay tianareo e!’ Nandainga izy avy eo ka nilaza hoe: “Tsy ho faty velively ianareo.” Nandresy lahatra an’i Eva izy hoe tsy voatery mankatò an’Andriamanitra i Eva. Hoy izy: “Fantatr’Andriamanitra fa amin’ny andro hihinananareo azy io, dia hahiratra ny masonareo.” Te hilaza i Satana hoe tsy tian’i Jehovah hihinana tamin’ilay voankazo ry zareo, satria raha mihinana an’ilay izy, hono, ry zareo dia hitombo ny zavatra fantany. Nilaza koa izy hoe: “Ho tahaka an’Andriamanitra ianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.” Lainga anefa izany!
Afaka Maka Lesona avy Amin’ny Mpivady Olombelona Voalohany Isika
Tsy azo nihodivirana ve ny fahotan’i Eva? Tsy izany velively! Mipetraha ange eo amin’ny toerany e! Nanolana tanteraka izay nolazain’Andriamanitra sy i Adama ilay bibilava. Hanao ahoana ny fihetseham-ponao raha misy olona tsy fantatra iray miampanga ny olona iray tianao sy itokisanao ka milaza azy ho nanao ny tsy marina? Tokony ho hafa ny fihetsik’i Eva, ka ho nampiseho rikoriko sy hatezerana, ary ho nanda tsy hihaino mihitsy aza. Rehefa heverina, iza moa ilay bibilava no sahy hametraka fisalasalana momba ny fahamarinan’Andriamanitra sy ny tenin’ny vadiny? Ho fanajana ny fahefan’izay lohany, dia tokony ho nitady torohevitra aloha i Eva vao nanapa-kevitra. Izany koa no tokony hataontsika, rehefa ilazana zavatra mifanohitra amin’ireo toromarika avy amin’Andriamanitra isika. Nino ny tenin’ilay Mpaka Fanahy anefa i Eva, ka naniry hanapa-kevitra samirery ny amin’izay tsara sy ratsy. Arakaraka ny nieritreretany foana ilay izy no nahitany ilay izy ho nanintona. Fahadisoana lehibe tokoa no nataony rehefa nanolokolo fanirian-dratsy, fa tsy nanaisotra izany tao an-tsainy na niresaka ilay raharaha tamin’ilay lohan’ny fianakaviany!— 1 Korintiana 11:3; Jakoba 1:14, 15.
Nihaino ny feon’ny vadiny i Adama
Tsy ela dia nitaona an’i Adama hiaraka hanota taminy i Eva. Nahoana i Adama no nanaraka ambokony? (Genesisy 3:6, 17). Teo anoloan’i Adama ny safidy: Iza tamin’ireo andaniny roa nifanandrina no hanehoany tsy fivadihana? Hankatò ny Mpamorona azy, izay nanome azy ny zava-drehetra, anisan’izany i Eva, vady malalany, ve izy? Moa ve i Adama hitady ny fitarihan’Andriamanitra ny amin’izay tokony hataony izao? Sa hiara-dia amin’ny vadiny hatramin’ny farany ralehilahy? Tena fantatr’i Adama tsara fa hevi-dravina ilay zavatra nantenain’ny vadiny ho azo tamin’ny fihinanana ilay voankazo voarara. Nahazo tsindrimandry hanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Tsy Adama no voafitaka, fa ny vehivavy no voafitaka, ka dia tonga mpanota.” (1 Timoty 2:14). Koa fanahy inian’i Adama àry ny nifidy ny hihantsy an’i Jehovah. Niharihary fa lehibe noho ny finoany ny fahaizan’Andriamanitra handamina ilay raharaha, ny fahatahorany ny ho tafasaraka tamin’ny vadiny.
Mitsinjo ny Vehivavy Tokoa ve Andriamanitra?
Voaozon’Andriamanitra ve ny vehivavy?
Tsia. “Ilay menarana tany am-boalohany, ilay antsoina hoe Devoly” no ‘voaozon’Andriamanitra.’ (Apokalypsy 12:9; Genesisy 3:14) Inona àry no tian’Andriamanitra holazaina tamin’ny hoe “hanjaka” amin’ny vadiny i Adama? (Genesisy 3:16) Tsy te hilaza akory izy fa mahazo manjakazaka amin’ny vehivavy ny lehilahy. Te hilaza ny voka-dratsin’ny fahotan’i Adama sy Eva fotsiny izy.
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Genesisy—Fizarana I
3:17—Inona no dikan’ny hoe voaozona ny tany, ary naharitra hafiriana izany? Ilay fanozonana ny tany dia nidika hoe ho sarotra ny hamboly eo amin’izy io. Tsapan’ny taranak’i Adama ny vokatr’ilay ozona, mbamin’ny tsilo sy ny ahidratsy misy tsilo teo amin’ny tany. Izany no nahatonga an’i Lameka, rain’i Noa, hiresaka ny amin’ny “fisasaran’ny tànantsika noho ny tany izay voaozon’i Jehovah.” (Genesisy 5:29) Nitso-drano an’i Noa sy ny zanany lahy anefa i Jehovah taorian’ny Safodrano, ka nilaza ny fikasany hamenoan’izy ireo ny tany. (Genesisy 9:1) Toa foana tamin’izay àry ilay fanozonan’Andriamanitra ny tany.—Genesisy 13:10.
it “Fanaintainan’ny Mihetsi-jaza” § 1
Fanaintainan’ny Mihetsi-jaza
Fahararian’ny vehivavy efa hiteraka. Rehefa nanota i Eva, dia nilaza taminy Andriamanitra fa hisy vokany eo amin’ny fiterahana ny fahotany. Raha mba nankatò mantsy i Eva, dia ho nitahy azy foana Andriamanitra, ka tsy ho semban-drahona mihitsy ny fifaliany rehefa niteraka izy. “Ny fitahian’i Jehovah” tokoa “no mampanan-karena ary tsy ampiany fahoriana izany.” (Oh 10:22) Lasa tsy lavorary anefa i Eva, ka tsy niasa tsara intsony ny vatany ary tsy maintsy nanaintaina izy rehefa niteraka. Hoy àry Andriamanitra: “Hataoko mihamafy ny fanaintainanao rehefa bevohoka ianao. Hanaintaina ianao rehefa hiteraka.” Matetika no lazaina hoe ataon’Andriamanitra ny zavatra avelany hitranga.—Ge 3:16.
Andao Hikaroka Harena Miafina
it “Lameka” § 2
Lameka
Hita amin’ilay tononkalo nataon’i Lameka ho an’izy roa vavy vadiny (Ge 4:23, 24) hoe tia herisetra ny olona tamin’izany. Izao ilay tononkalo: “Henoy ny feoko, ry vadin’i Lameka; henoy izao lazaiko izao: Nisy lehilahy novonoiko ho faty satria nandratra ahy izy, eny, tovolahy iray, satria namely ahy izy. Raha ampiharana valifaty avo fito heny izay mamono an’i Kaina, dia ho avo fito amby fitopolo heny kosa ny an’izay mamono an’i Lameka.” Azo inoana fa te hilaza i Lameka hoe niaro tena izy, ka nohamafisiny fa tsy ninia namono olona tahaka an’i Kaina izy. Niaro tena izy, araka ny filazany, ka matiny ilay lehilahy namely sy nandratra azy. Tsy inona àry ilay tononkalony fa fiangaviana mba hiarovana azy amin’izay mitady hamaly faty azy noho ny namonoany an’ilay namely azy.
it “Fanevatevana” § 6
Fanevatevana
Voalaza fa nanomboka “nantsoina ny anaran’i Jehovah” tamin’ny andron’i Enosa, talohan’ny Safodrano. Azo antoka fa tamin’ny fomba ratsy no nanaovana izany, satria efa ela talohan’izay i Abela no niantso an’Andriamanitra tamin’ny anarany. (Ge 4:26; He 11:4) Misy manam-pahaizana milaza fa nampiasaina tamin’ny fomba ratsy ny anaran’Andriamanitra tamin’ny andron’i Enosa, satria olona na sampy no nantsoina hoe Jehovah. Raha marina izany, dia fanevatevana an’Andriamanitra ilay fiantsoana ny anarany.—Jereo ENOSA.
Famakiana Baiboly
20-26 JANOARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | GENESISY 6-8
“Izany Indrindra no Nataony”
Miezaha Hanam-pinoana sy Hankatò toa An’i Noa sy Daniela ary Joba
Inona no olana natrehin’i Noa? Efa lasa ratsy fanahy be ny olona tamin’ny andron’i Enoka, dadan’ny dadaben’i Noa. Nilaza “teny manafintohina” hanoherana an’i Jehovah mihitsy aza izy ireo. (Joda 14, 15) Nihanitombo ny herisetra ka lasa nameno ny tany izany tamin’ny andron’i Noa. Nanao paozin’olombelona ny anjely, dia nanambady vehivavy tetỳ an-tany. Nahery setra sy ratsy fanahy be ny zanak’izy ireo. (Gen. 6:2-4, 11, 12) Hafa mihitsy anefa i Noa. ‘Tsy nisy tsiny izy teo amin’ny mpiara-belona taminy. Niara-nandeha tamin’Andriamanitra izy, ary nankasitrahany.’—Gen. 6:8, 9.
“Niara-nandeha Tamin’Andriamanitra Izy”
Efa ho 40 na 50 taona angamba ilay sambofiara vao vita. Nila nanapaka sy nibata hazo be dia be ry Noa, ary nandrafitra an’ireny mba hisy endriny sy hitambatra. Nila nasiana efitrefitra sy rihana roa ilay sambofiara. Tsy maintsy nasiana varavarana iray koa tamin’ny lafiny ilany ary varavarankely maromaro teny amin’ny rihana ambony indrindra. Azo antoka koa fa nisolampy ny tafon’ilay sambofiara, izany hoe natao niakatra kely ny teo afovoany mba tsy hiangonan’ny rano.—Genesisy 6:14-16.
Mahareta Amin’ilay Hazakazaka Hahazoana Fiainana
Inona no nanampy an’ireo mpanompon’i Jehovah ireo hiaritra sy hamita an’ilay hazakazaka? Mariho izay noresahin’i Paoly momba an’i Noa ao amin’ny Hebreo 11:7. (Vakio.) Mbola tsy nisy safodrano mihitsy talohan’izay, ary ‘mbola tsy nahita’ safodrano ‘nandringana ny nofo rehetra’ mihitsy izy. (Gen. 6:17) Tsy nieritreritra anefa izy hoe tsy hitranga mihitsy izany. Nahoana? Satria nino izy fa manatanteraka ny teniny foana i Jehovah. Tsy nihevitra àry i Noa hoe sarotra loatra ny zavatra nasaina nataony. Nankatò tanteraka an’i Jehovah izy. Hoy ny Baiboly: “Izany indrindra no nataony.” (Gen. 6:22) Eritrereto ange ny zavatra tsy maintsy nataon’i Noa e: Nanamboatra sambofiara, nanangona biby, nanangona sakafo ho an’ny olona sy ny biby, nitory sy nampitandrina ny olona, ary nanampy ny fianakaviany hifandray tsara amin’i Jehovah. Sarotra izany asa nataon’i Noa izany. Nanam-pinoana sy niaritra anefa izy, ka nanao foana an’ilay asa. Novonjen’i Jehovah àry izy sy ny fianakaviany, ary nomeny fitahiana maro.
Andao Hikaroka Harena Miafina
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Genesisy—Fizarana I
7:2—Inona no fototra nanavahana ny biby ho madio na tsy madio? Noho ilay biby natao fanatitra ho an’i Jehovah no nanavahana azy ho madio, fa tsy noho ilay biby azo nohanina akory. Tsy nihinana nofom-biby ny olona, talohan’ny Safodrano. Rehefa nisy ny Lalàn’i Mosesy vao nisy fanondroana hoe “madio”, na “tsy madio” ka tsy azo nohanina. Nifarana anefa ireny fameperana ireny, rehefa nofoanana ny Lalàn’i Mosesy. (Asan’ny Apostoly 10:9-16; Efesianina 2:15) Toa fantatr’i Noa hoe inona no mety hatao fanatitra, rehefa mivavaka amin’i Jehovah. “Nanorina alitara ho an’i Jehovah” izy, raha vao niala tao amin’ny sambo fiara, “ary ny biby madio rehetra sy ny vorona madio rehetra dia nanalany ka nataony fanatitra odorana teo ambonin’ny alitara.”—Genesisy 8:20.
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Genesisy—Fizarana I
7:11—Avy taiza ny rano nahatonga ilay Safodrano naneran-tany? Nisy rano teo “ambanin’ny habakabaka” sy teo “ambonin’ny habakabaka”, rehefa noforonina ny ‘habakabaky’ ny tany na atmosfera, nandritra ilay fotoam-pamoronana, na “andro”, faharoa. (Genesisy 1:6, 7) Ny rano “ambanin’ny habakabaka”, dia ireo rano efa teto ambonin’ny tany. Ny rano “ambonin’ny habakabaka” kosa, dia ny hamandoana be nihandrona teny amin’ny lanitra, izay tonga “loharano rehetra amin’ny lalina lehibe.” Niraraka teto ambonin’ny tany ireny rano ireny, tamin’ny andron’i Noa.
Famakiana Baiboly
27 JANOARY–2 FEBROARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | GENESISY 9-11
“Mbola Nampiasa Fiteny Iray Ihany ny Tany Manontolo”
it “Babylona Lehibe”: “Ny mombamomba an’i Babylona fahiny” § 1
Babylona Lehibe
Ny mombamomba an’i Babylona fahiny. Niara-naorina tamin’ny Tilikambon’i Babela teo amin’ny Lemak’i Sinara ny tanànan’i Babylona. (Ge 11:2-9) Ny ‘hampahalaza ny anarany’ no tanjon’ireo mpanorina, fa tsy ny hanandratra ny anaran’Andriamanitra. Toa nampiasaina tamin’ny fivavahana ilay tilikambo, na manao ahoana na manao ahoana bikany, rehefa jerena ireo tempoly nofongarina tao Babylona fahiny sy tany amin’ny faritra hafa tany Mezopotamia. Nampiasaina tamin’ny fivavahan-diso ilay izy, matoa natsahatr’i Jehovah Andriamanitra ilay tetikasa fanorenana. “Fisafotofotoana” no dikan’ny hoe Babela, izay anaran’ilay tanàna amin’ny teny hebreo. Samy midika hoe “Vavahadin’Andriamanitra” kosa ny anarany amin’ny teny somerianina (Ka-dingir-ra) sy akadianina (Bab-ilo). Novan’ny mponina sisa tavela tao ny anaran’ilay tanàna, mba tsy ho hita fa misy ifandraisany amin’ny hoe “Fisafotofotoana.” Mbola hita amin’ilay anarany vaovao ihany anefa hoe foiben’ny fivavahana tao.
it “Fiteny”: “Ny niaviany” § 6
Fiteny
Nisy olona niray hina mba hanao tetikasa mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra (izay nolazaina tamin’i Noa sy ny zanany), taorian’ny Safodrano. (Ge 9:1) Tsy niparitaka ‘hameno ny tany’ izy ireo, fa nivondrona teo amin’ilay toerana nantsoina hoe Lemak’i Sinara tany Mezopotamia. Tao koa ny foiben’ny fivavahany, ary nasiany tilikambo fivavahana tao.—Ge 11:2-4.
it “Fiteny”: “Ny niaviany” § 7
Fiteny
Tsy vita anefa ilay tetikasa satria nataon’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra nisafotofoto ny fitenin’izy ireo. Tsy afaka niray hina sy niara-niasa intsony izy ireo ka niparitaka eran-tany. Tsy afaka ny hanao ratsy bebe kokoa ka hanohitra ny sitrapon’Andriamanitra àry izy ireo. Tsy afaka ny hanambatra ny fahaizany sy ny heriny mba hampahalaza ny tenany mantsy izy ireo. Ho sarotra amin’izy ireo koa ny hanovo amin’ny fahalalana azon’ireo olona samy hafa fiteny, dia fahalalana azo avy tamin’ny traikefa na ny fikarohana natao, fa tsy avy tamin’Andriamanitra. (Ampit. Mpto 7:29; De 32:5.) Nampisara-bazana ny olona ny nampisafotofotoana ny fiteniny, nefa koa nahasoa azy ireo satria ho elaela indray izy ireo vao ho afaka hanatratra tanjona mampidi-doza sy ratsy. (Ge 11:5-9; ampit. Is 8:9, 10.) Efa tsinjon’Andriamanitra hoe inona no hitranga raha tsy nosakanany ilay tetikasa tao Babela. Jereo fotsiny ange izay vitan’ny olona ankehitriny noho ny fampiasany amin’ny fomba ratsy ny fahalalana nangoniny e!
it “Firenena”: “Ny niandohan’ireo firenena” § 2
Firenena
Tsy nifankahazo resaka izy ireo, ka izay nitovy fiteny no niaraka ary nanjary nanana ny kolontsainy, ny zava-kantony, ny fombany, ny toetrany, ary ny fivavahany. Samy nanana ny fanaony ny antokon’olona tsirairay. (Le 18:3) Tafasaraka tamin’Andriamanitra ireny vahoaka samihafa ireny, ary samy nanamboatra sampy mba hampisehoana an’ireo andriamanitra voalazan’ny anganony.—De 12:30; 2Mp 17:29, 33.
Andao Hikaroka Harena Miafina
it “Hama” § 5
Hama
Angamba i Kanana mihitsy no nanao an’ilay zava-dratsy, ary tsy nanitsy azy i Hama rainy. Na koa efa tsinjon’i Noa mialoha fa hotahafin’ny taranak’i Kanana ny toetra ratsin’i Hama, izay angamba efa hita teo amin’i Kanana zanany, ka notarihin’ny fanahin’Andriamanitra i Noa hilaza an’ilay faminaniana. Tanteraka ny ampahany tamin’ilay ozona rehefa nandresy an’ireo Kananita ny Israelita taranak’i Sema. Lasa andevon’ny Israelita kosa ireo tsy naringana (anisan’ireny ny Gibeonita [Js 9]). Taonjato maro tatỳ aoriana, dia tanteraka koa ny ampahany hafa tamin’ilay ozona, rehefa lasa teo ambany vahohon’ny firenena matanjaka avy tamin’ny taranak’i Jafeta ny sasany tamin’ny taranak’i Kanana, zanak’i Hama. Taranak’i Jafeta mantsy ny Medianina sy Persianina, mbamin’ny Grika sy ny Romanina.
it “Nimroda” § 3
Nimroda
Tamin’i Nimroda nanomboka nanjaka, dia tao anatin’ny fanjakany ny tanànan’i Babela, Ereka, Akada, ary Kalne, izay samy tany Sinara. (Ge 10:10) Azo inoana àry fa baiko avy taminy no nanorenana an’i Babela sy ilay tilikambo tao. Izany koa no fiheveran’ny Jiosy hatramin’ny ela. Hoy i Josèphe: “Novan’i [Nimroda] tsikelikely ho fanjakana tsy refesi-mandidy ny fitondrany. Nataony izay niheveran’ny olona hoe tena nila ny fitondrany foana izy ireo. Izay ihany no fomba hitan’i Nimroda hoe azony nitaomana ny olona tsy hatahotra an’Andriamanitra intsony. Nandrahona ny hanao valifaty tamin’Andriamanitra izy raha mbola nitady hanao safodrano indray Andriamanitra. Hanorina tilikambo avo tsy ho saron’ny rano mantsy, hono, izy ary hamaly faty noho ny nandringanana an’ireo razambeny. Faly erỳ ny olona nanohana an’i Nimroda, ka noheverin’izy ireo ho fanandevozana ny fanekena an’Andriamanitra. Nifarimbona nanorina an’ilay tilikambo àry izy ireo ... ary haingana be tsy araka ny nanampoizana azy ny fiakaran’ilay izy.”—Rakitry ny Ela Jiosy, I, 114, 115 (iv, 2, 3).
Famakiana Baiboly