Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
3-9 FEBROARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | GENESISY 12-14
“Fifanekena Iray Mahakasika Anao”
it “Fifanekena”: “Fifanekena tamin’i Abrahama” § 1
Fifanekena
Fifanekena tamin’i Abrahama. Toa nanomboka nanan-kery ilay fifanekena, tamin’i Abrama (Abrahama) nita ny Reniranon’i Eofrata mba ho any Kanana. Natao 430 taona taorian’izay ny fifaneken’ny Lalàna. (Ga 3:17) Tany Oran’ny Kaldeanina tany Mezopotamia i Abrahama no nasain’i Jehovah nankany amin’ilay tany mbola hasehony azy. (As 7:2, 3; Ge 11:31; 12:1-3) Milaza ny Eksodosy 12:40, 41 (LXX) fa ‘tamin’ilay andro’ nahataperan’ny 430 taona nipetrahan’ny Israelita tany Ejipta sy Kanana, no niala tany Ejipta izy ireo. Ny 14 Nisana 1513 T.K., tamin’ny Paska, io andro nanafahana azy ireo io. (Ek 12:2, 6, 7) Toa midika àry izany fa nita an’i Eofrata tamin’ny 14 Nisana 1943 T.K. i Abrahama, ka tamin’izay no nanomboka nanan-kery ilay fifanekena natao taminy. Nanome tsipiriany fanampiny momba ilay fampanantenana Andriamanitra, rehefa nankany Kanana i Abrahama ka tonga hatrany Sekema. Niseho taminy indray Izy ka nilaza hoe: “Ny taranakao no homeko ity tany ity.” Midika izany fa misy ifandraisany amin’ilay fampanantenana tany Edena ilay fifanekena, ary olombelona no razamben’ilay ‘taranaka.’ (Ge 12:4-7) Nisy tsipiriany hafa koa nolazain’i Jehovah tatỳ aoriana, araka ny hita ao amin’ny Genesisy 13:14-17; 15:18; 17:2-8, 19; 22:15-18.
Ny antony ilànao hahafantatra ny fahamarinana momba an’i Abrahama
Fampanantenana hafa dia hafa izany, ary indroa fara fahakeliny no namerenan’Andriamanitra izany tamin’i Abrahama tamin’ny fotoana hafa (Genesisy 18:18; 22:18). Mba hahatanterahan’io faminaniana io dia hisy solontenan’ireo fianakaviana efa maty hatsangan’ilay Andriamanitr’i Abrahama mihitsy aza. Ho fitahiana ho an’ireo hatsangana amin’ny maty tokoa ny fiainana, satria ny ankamaroany hiverina ao amin’ny tany izay ny toe-piainana ao aminy dia hampahatsiahy ny nanjaka tany amin’ny Paradisa voalohany narian’ny olombelona. Manaraka izany, dia hianatra ny fomba hahazoana ny fiainana mandrakizay izy ireo.— Genesisy 2:8, 9, 15-17; 3:17-23.
it “Lalàna”: “Lalàna ho an’i Noa sy ireo loham-pianakaviana fahiny” § 10
Lalàna
Nilaza ny manam-pahaizana sasany nandinika porofo ara-tantara fa rehefa hividy tany ny olona iray, dia nasaina nojereny aloha ilay izy, ary naseho azy ny fetra namaritra azy io. Araka ny lalàna, dia nanaiky hividy izy rehefa niteny hoe “hitako.” Nampanantena an’i Abrahama i Jehovah fa homeny azy ny tany Kanana. Nasainy nitazana azy io aloha izy, ka nijery nianavaratra sy nianatsimo sy niantsinanana ary niankandrefana. Tsy nilaza anefa i Abrahama hoe “hitako”, angamba satria efa nilazana izy fa ny taranany no homena an’ilay Tany Nampanantenaina. (Ge 13:14, 15) I Mosesy no solontenan’ny firenen’Israely, ka nasaina ‘nijery’ an’ilay tany izy. Lasan’ny Israely tamin’ny fomba ara-dalàna àry ilay izy rehefa ‘hitan’i Mosesy’, raha marina ilay fanazavana teo aloha. Haka an’ilay tany tokoa izy ireo, ary i Josoa no hitarika azy. (De 3:27, 28; 34:4; diniho koa ny zavatra natolotr’i Satana an’i Jesosy; Mt 4:8.) Lasan’ny olona iray tamin’ny fomba ara-dalàna koa ny tany iray, rehefa nitety azy io izy na niditra teo mba haka azy io. (Ge 13:17; 28:13) Fanao koa indraindray ny nanoratra ny isan’ny hazo rehetra teo amin’ilay tany namidy.—Ampit. Ge 23:17, 18.
Andao Hikaroka Harena Miafina
Miezaha Haneho Fitiavana Rehefa Mandamina Tsy Fifankahazoana
Tena azo atao ny mihavana foana amin’ny hafa. Mampiseho an’izany ny tantaran’i Abrahama sy Lota zana-drahalahiny. Nifanditra ny mpiandry ny biby fiompin’izy ireo, angamba satria tsy ampy ny kijana. Samy nanana biby fiompy be dia be mantsy izy mianaka. Te hitandro fihavanana i Abrahama, ka nilazany i Lota hoe tsara raha misaraka ry zareo. I Lota no nasainy nifidy voalohany an’izay faritra tiany hipetrahan’izy mianakavy. (Gen. 13:1, 2, 5-9) Tena ohatra tsara i Abrahama! Tsy nitady izay hahasoa azy izy, fa nitandro fihavanana. Matiantoka ve anefa izy satria tsara fanahy? Tsia! Nampanantena azy i Jehovah taoriana kelin’izay fa hahazo fitahiana be dia be izy. (Gen. 13:14-17) Marina fa mety ho matiantoka isika noho isika miezaka haneho fitiavana rehefa mandamina tsy fifankahazoana. Hotahin’i Jehovah anefa isika raha manao izany.
it “Mpisorona”: “Tany am-boalohany” § 2
Mpisorona
Mpisorona (kôhen) tena niavaka i Melkizedeka mpanjakan’i Salema. Tsy resahin’ny Baiboly ny razambeny, na ny nahaterahany, na ny nahafatesany. Tsy nolovany tamin’olona ny andraikiny, ary mbola tsy nisy mpisorona nodimbiasany na nandimby azy. Mpanjaka sady mpisorona i Melkizedeka. Nanome ampahafolon-karena azy i Abrahama ka nahazo tsodrano taminy. Toy ny hoe nandoa ampahafolon-karena taminy i Levy izay mbola tao an-kibon’i Abrahama. Lehibe noho ny asa fisoronan’ny Levita àry ny an’i Melkizedeka. (Ge 14:18-20; He 7:4-10) Tsy mahagaga raha lazaina fa ‘mpisorona mandrakizay, tahaka an’i Melkizedeka’ i Jesosy Kristy.—He 7:17.
Famakiana Baiboly
10-16 FEBROARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | GENESISY 15-17
“Novan’i Jehovah ny Anaran’i Abrama sy Saray”
it “Fahadisoana”: “Fiheveran’i Jehovah ny olombelona” § 2
Fahadisoana
Ny olombelona kosa manao fahadisoana matetika. Nandova ota sy fahadisoana avy tamin’i Adama mantsy izy rehetra. (Ro 5:12; Sl 51:5) Na tsy manao fahadisoana mihitsy aza i Jehovah, dia “fantany tsara ny nanaovana antsika, ary tsaroany fa vovoka ihany isika.” (Sl 103:13, 14) Nilaza izy fa “tsy nisy tsiny [i Noa] teo amin’ny mpiara-belona taminy”, satria tsy nivadika sy nankatò. (Ge 6:9) Nandidy an’i Abrahama koa izy hoe: “Mandehana eo anatrehako, ka aoka ianao tsy hanan-tsiny.” (Ge 17:1) Samy tsy lavorary sy mety maty i Noa sy Abrahama. “Mijery ny fo” anefa i Jehovah, ka tsy nihevitra azy ireo ho nanao fahadisoana. (1Sa 16:7; ampit. 2Mp 20:3; 2Ta 16:9.) Nandidy ny Israely izy hoe: “Aoka ianao tsy hanan-tsiny eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao.” (De 18:13; 2Sa 22:24) Nanome ny Zanany tsy misy tsiny izy (He 7:26) mba ho sorom-panavotana. Amin’izay dia sady azony ambara ho “marina” (na tsy manao fahadisoana) ny olona maneho finoana sy mankatò no tsy voatohintohina koa ny maha Mpitsara marina sy tsy mety diso azy.—Ro 3:25, 26; jereo LAVORARY, TONGA LAFATRA; TSY FIVADIHANA.
it “Abrahama”: “Tonga ilay taranaka nampanantenaina” § 2
Abrahama
Nandeha teny ny fotoana. Efa folo taona teo ho eo izao no nonenan’izy ireo tany Kanana, nefa mbola tsy niteraka foana i Saraha. Nanipy hevitra àry izy mba heken’i Abrahama hisolo azy i Hagara mpanompovaviny ejipsianina, ka hahazo zanaka avy amin’i Hagara izy. Nanaiky i Abrahama. Teraka tamin’ny 1932 T.K. àry i Ismaela, tamin’i Abrahama 86 taona. (Ge 16:3, 15, 16) Mbola nandeha teny ihany ny fotoana. Tamin’ny 1919 T.K., tamin’i Abrahama 99 taona, dia nasain’i Jehovah noforana ny lahy rehetra anisan’ny ankohonany, mba ho famantarana na tombo-kase manamarina fa nisy fifanekena manokana teo aminy sy Abrahama. Tamin’io fotoana io koa no novan’i Jehovah ilay anarany hoe Abrama, ka nataony hoe Abrahama, “satria hataoko rain’ny firenena maro ianao”, hoy izy. (Ge 17:5, 9-27; Ro 4:11) Tsy ela taorian’io, dia nisy anjely telo nitafy nofo nitsidika an’i Abrahama, ka noraisiny tsara tamin’ny anaran’i Jehovah. Nampanantena ireo anjely ireo fa hitoe-jaza i Saraha ka hitera-dahy, ao anatin’ny herintaona.—Ge 18:1-15.
Ny Dikan’ny Anarana Sasany
Nanova ny anaran’ny olona sasany Andriamanitra, mba hilazana zavatra mbola hiseho. Novany hoe Abrahama, ohatra, ny hoe Abrama. “Rain’ny Fisandratana” no dikan’ny hoe Abrama, fa “Rain’ny Maro” ny hoe Abrahama. Lasa rain’ny firenena maro tokoa i Abrahama. (Genesisy 17:5, 6) Novany hoe Saraha koa ny hoe Saray, anaran’ny vadin’i Abrahama. “Tia Ady” angamba no dikan’ny hoe Saray. “Andriambavy” kosa ny hoe Saraha. Azo inoana fa faly be i Saraha rehefa novana ny anarany. Lasa razamben’ny mpanjaka maro tokoa izy.—Genesisy 17:15, 16.
Andao Hikaroka Harena Miafina
it “Fanisan-taona”: “Nanomboka tamin’ny famoronana ny olombelona ka hatramin’izao” § 19
Fanisan-taona
Hoy i Jehovah tamin’i Abrama (Abrahama): “Aoka ho fantatrao tsara fa ho vahiny honina any amin’ny tany tsy azy ny taranakao. Ary tsy maintsy hanompo ny olona any izy ireo, ka hampahoriny efajato taona.” (Ge 15:13; jereo koa As 7:6, 7) Mbola tsy teraka tamin’izay i Isaka, ilay mpandova na “taranaka” nampanantenaina. Teraka tamin’ny 1932 T.K. i Ismaela, zanak’i Abrama tamin’i Hagara, mpanompovavy ejipsianina. Tamin’ny 1918 T.K. kosa i Isaka no teraka. (Ge 16:16; 21:5) Nifarana ilay ‘fampahoriana’ (Ge 15:14) rehefa nafahana tany Ejipta ny Israelita (1513 T.K.). Raha avy eo no manisa 400 taona mihemotra, dia tonga any amin’ny 1913 T.K. Dimy taona teo ho eo i Isaka tamin’izay, ary nosarahi-nono. Efa “vahiny” nonina tany an-tanin’olona sahady izy, ary nanomboka koa ilay fampahoriana nambara mialoha, satria “nihomehy naneso” azy i Ismaela, izay 19 taona teo ho eo tamin’izay. (Ge 21:8, 9) Tsy azo hamaivanina mihitsy io fanesoan’i Ismaela an’ilay mpandova an’i Abrahama io, fa tena zava-dehibe tamin’izany andro izany, matoa tezitra be i Saraha ka nanizingizina ny handroahana an’i Hagara sy Ismaela, ary nankasitraka izany Andriamanitra. (Ge 21:10-13) Matoa izany nosoratana tamin’ny an-tsipiriany tao amin’ny Baiboly, dia nanomboka teo ilay fampahoriana 400 taona nambara mialoha, izay nifarana rehefa niala tany Ejipta ny Israelita.—Ga 4:29.
it “Fanafahana ny Israelita avy Tany Ejipta”: “Ny isan’ireo Israelita nafahana” § 2
Fanafahana ny Israelita avy Tany Ejipta
“Amin’ny andron’ny zafiafiny.” Tadidio fa nilaza tamin’i Abrahama i Jehovah fa hiverina any Kanana ny taranany amin’ny andron’ny zafiafin’izy ireo, izany hoe amin’ny andron’ny taranak’izy ireo fahatelo. (Ge 15:16) Na ela velona aza anefa ny olona tamin’izany, dia tsy taranaka telo monja no nisy nandritra ireo 430 taona, nanomboka tamin’ny fotoana nampanan-kery ny fifanekena tamin’i Abrahama ka hatramin’ny nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta. Efa hitantsika koa fa 215 taona monja ny Israelita no tena nipetraka tany Ejipta. Ahoana àry no hamaritana an’izany hoe taranaka telo izany? Haka ohatra ny amin’ny fokon’i Levy isika. Ireto no taranaka telo nifandimby avy amin’i Levy: 1) Kehata, 2) Amrama, ary 3) Mosesy.—Ek 6:16, 18, 20.
Famakiana Baiboly
17-23 FEBROARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | GENESISY 18-19
“Nandrava An’i Sodoma sy Gomora Ilay ‘Mpitsara ny Tany Manontolo’”
Manao ny Rariny Foana Ilay “Mpitsara ny Tany Manontolo”
HOY i Abrahama: ‘Tsy hanao ny rariny ve ny Mpitsara ny tany manontolo?’ (Gen. 18:25) Tsy hoe nisalasala akory izy matoa nanontany an’izany. Nasehony kosa hoe natoky izy fa tena hanao ny rariny i Jehovah rehefa hitsara an’i Sodoma sy Gomora. Resy lahatra izy hoe tsy i Jehovah mihitsy no “hamono ny marina miaraka amin’ny ratsy fanahy.” “Sanatria” aminy ny hanao an’izany. Nasain’i Jehovah nilaza toy izao momba azy i Mosesy, 400 taona teo ho eo tatỳ aoriana: “Tonga lafatra izay ataon’ilay Vatolampy, fa ara-drariny daholo ny lalany. Andriamanitra mendri-pitokisana izy, ary tsy mba manao ny tsy rariny. Marina sy mahitsy izy.”—Deot. 31:19; 32:4.
Fahari-po: Sady Miaritra no Tsy Manary Toky
Modely ho antsika i Jehovah satria izy no manam-paharetana indrindra. (2 Pet. 3:15) Misy tantara maro mampiseho an’izany ao amin’ny Baiboly. (Neh. 9:30; Isaia 30:18) Tamin’i Jehovah nanapa-kevitra handrava an’i Sodoma, ohatra, dia nametraka fanontaniana be dia be taminy i Abrahama. Tsy nanapaka ny teniny anefa i Jehovah, fa nohenoiny tsara ny fanontaniana tsirairay napetrany sy ny zavatra nampitebiteby azy. Naverin’i Jehovah taminy koa ny zavatra noresahiny, mba hampisehoana hoe tena nihaino azy izy. Nomeny toky koa izy hoe tsy horinganiny i Sodoma na folo fotsiny aza ny olona marina ao. (Gen. 18:22-33) Tena modely ho antsika i Jehovah satria mihaino tsara ary tsy mora tezitra.
I Jehovah no Tompo Fara Tampony!
Afaka matoky isika fa tsy ho ela i Jehovah dia hanamarina ny zony hitondra. Tsy handefitra foana amin’ny faharatsiana mantsy izy, sady efa andro farany koa izao. Nanasazy ny mpanao ratsy i Jehovah, tamin’ny Safodrano. Naringany koa i Sodoma sy Gomora, ary i Farao sy ny tafiny. Tsy nisy dikany tamin’ilay Avo Indrindra ny nandringana an’i Sisera sy ny tafiny, ary i Sankeriba sy ny miaramila asyrianina. (Gen. 7:1, 23; 19:24, 25; Eks. 14:30, 31; Mpits. 4:15, 16; 2 Mpanj. 19:35, 36) Afaka matoky àry isika fa tsy handefitra lava amin’ireo tsy manaja ny anarany sy mampijaly ny Vavolombelony izy. Efa miseho koa ny famantarana ny fanatrehan’i Jesosy sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.—Mat. 24:3.
Andao Hikaroka Harena Miafina
Efa nisy nahita an’Andriamanitra ve?
Hatramin’izao isika dia afaka mahatakatra hoe nahoana Abrahama no niteny tamin’ny mpitondra teny iray anjelin’Andriamanitra izay nitafy nofo toy ny hoe ny tenan’i Jehovah Andriamanitra mihitsy no nitenenany. Koa satria io anjely io nilaza tsy nisy diso izay tian’i Jehovah hampitaina amin’i Abrahama ary satria izy io no Solontenany manokana, dia afaka nilaza toy izao ny fitantarana ao amin’ny Baiboly: “Ary Jehovah niseho tamin’i Abrahama.”— Genesisy 18:1.
Tadidio fa ny anjely mpitondra tenin’Andriamanitra dia afaka mampita ny hafatra avy Aminy amim-pahatokiana toy ny telefaonina na ny radiao afaka mampita ny tenintsika amin’ny olon-kafa. Takatra mora foana àry ny hoe nahoana Abrahama, Mosesy, Manoa mbamin’ny hafa koa no afaka niresaka tamin’ny anjely hita maso iray toy ny hoe tamin’Andriamanitra mihitsy. Na dia afaka nahita ireny anjely ireny sy ny voninahitr’Andriamanitra izay hita taratra teo amin’izy ireo aza izy ireny, dia tsy afaka nahita an’Andriamanitra akory. Noho izany, dia tsy manohitra mihitsy ireto tenin’ny apostoly Jaona ireto izany: “Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana.” (Jaona 1:18). Raha ny marina, ireny lehilahy ireny dia nahita anjely solontenan’Andriamanitra, fa tsy ny tenan’Andriamanitra mihitsy.
Ampio ny Hafa Hizaka ny Adin-tsainy
Tsy nety ny safidy nataon’i Lota. Nanapa-kevitra ny hipetraka tany Sodoma mantsy izy, nefa ratsy fitondran-tena be ny olona tao. (Vakio ny 2 Petera 2:7, 8.) Marina fa nanankarena io faritra io. Novidiny lafo anefa ilay safidy nataony. (Gen. 13:8-13; 14:12) Noringanin’i Jehovah tamin’ny afo sy solifara mantsy i Sodoma. Nafoin’i Lota tao daholo àry ny fananany sy ny tranony. Maty tamin’izay koa ny fofombadin’ny zanany roa vavy. Fa ny mangidy indrindra, dia hoe namoy ny ainy tamin’ilay fandringanana koa ny vadiny. Tsy nankatò an’i Jehovah mantsy ny vadiny, satria angamba lasa tia be an’ilay tanàna na ny olona sasany nipetraka tao. (Gen. 19:12-14, 17, 26) Azo antoka fa nampiady saina an’i Lota izany rehetra izany. Tsy tezitra taminy anefa i Jehovah fa mbola nanam-paharetana ihany.
Famakiana Baiboly
24 FEBROARY–1 MARTSA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | GENESISY 20-21
“Manatanteraka ny Fampanantenany Foana i Jehovah”
wp17.5 14 § 5–15 § 2
Ilay Nantsoin’Andriamanitra hoe “Andriambavy”
Tsy ampy finoana ve i Saraha matoa nihomehy? Tsia. Hoy mantsy ny Baiboly: “Finoana koa no nahazoan’i Saraha hery hananana anaka, na dia efa nihoatra ny taona ahafahana miteraka aza izy. Nihevitra mantsy izy fa tsy mivadika amin’ny teniny ilay nampanantena.” (Hebreo 11:11) Nahalala an’i Jehovah i Saraha. Fantany fa afaka manatanteraka ny teniny izy. Iza amintsika no tsy mila finoana hoatr’izany? Ilaintsika àry ny miezaka hahalala tsara an’ilay Andriamanitra resahin’ny Baiboly. Ho hitantsika amin’izay fa ara-dalàna i Saraha raha nanam-pinoana. Tena tsy mivadika i Jehovah, ary tanterahiny foana izay lazainy. Mety hahagaga na tsy hampino antsika ny fomba anaovany an’izany indraindray, ka mety hihomehy isika!
“HENOY NY TENINY”
Efa 90 taona izao i Saraha. Tonga ihany ilay fotoana efa nandrasany hatry ny ela. Tera-dahy tamin’i Abrahama vady malalany izy. Efa 100 taona i Abrahama tamin’izay! Nataony hoe Isaka na “Fihomehezana” ny anaran’ilay zaza, araka ny nolazain’Andriamanitra. Na efa reraka aza i Saraha, dia mety ho nitsiky izy rehefa nilaza hoe: “Nataon’Andriamanitra izay hihomehezako, ka hiara-mihomehy amiko izay rehetra mandre izany.” (Genesisy 21:6) Azo antoka hoe tena nahafaly azy mandra-pahafatiny io fanomezana mahagaga avy tamin’i Jehovah io. Andraikitra be koa anefa ilay izy.
Nanao fety ilay fianakaviana rehefa nosarahi-nono i Isaka, tamin’izy dimy taona. Tsy ny rehetra anefa no faly. Milaza ny Baiboly fa “tsikaritr’i” Saraha hoe naneso foana an’i Isaka kely i Ismaela, izay efa 19 taona. Tsy hoe sangisangy fotsiny anefa no nataon’io zanak’i Hagara io. Nilaza i Paoly tatỳ aoriana fa fanenjehana ilay izy. Hitan’i Saraha fa hisy vokany ratsy amin’ny zanany ilay fampijaliana. Tsy hoe zanany fotsiny mantsy i Isaka, fa olona voatendry hanatanteraka ny fikasan’i Jehovah koa. Nisikina herim-po àry izy, ka niresaka tamin’i Abrahama. Nasainy noroahina i Hagara sy Ismaela.—Genesisy 21:8-10; Galatianina 4:22, 23, 29.
Nanao ahoana ny fihetsik’i Abrahama? Hoy ny Baiboly: ‘Tena nahasosotra azy izany noho ny amin’ny zanany.’ Tiany be i Ismaela, ka tsy hitany hoe inona no tena olana. Niharihary tamin’i Jehovah anefa ilay zava-nitranga, ka hoy izy tamin’i Abrahama: “Aza atao mahasosotra anao izay lazain’i Saraha aminao momba ny zaza sy ny mpanompovavinao. Henoy ny teniny, satria avy amin’i Isaka ilay hantsoina hoe taranakao.” Nanome toky an’i Abrahama i Jehovah hoe hikarakara an’i Hagara sy ilay zaza izy. Nino an’izany i Abrahama ka nankatò.—Genesisy 21:11-14.
Andao Hikaroka Harena Miafina
wp17.3 12, f.a.p.
“Vehivavy Tsara Tarehy Ianao”
Anabavin’i Abrahama i Saraha saingy hafa reny. Samy zanak’i Tera mantsy izy ireo. (Genesisy 20:12) Tsy mety ny manambady havana akaiky toy izany ankehitriny. Hafa mihitsy anefa ny zava-nisy tamin’izany. Marina fa tsy lavorary ny olona, tsy hoatran’i Adama sy Eva tany am-boalohany. Mbola nanakaiky ny fahalavorariana anefa izy ireo. Tsy natahorana hiteraka sampona àry ireo nanambady ny havany akaiky. Efa lavitra kokoa ny fahalavorariana anefa ny olona, 400 taona teo ho eo taorian’izay. Nilaza àry ny Lalàn’i Mosesy fa tsy mahazo manao firaisana ny mpihavana akaiky.—Levitikosy 18:6.
Abrahama— Ohatra iray ho an’izay mitady ny fisakaizan’Andriamanitra
Tamin’izay dia nanao asam-pinoana hafa indray Abrama. Milaza ny fitantarana fa “nanorina alitara teo izy ho an’i Jehovah.” (Genesisy 12:7.) Toa midika izany fa nanao fanatitra biby izy satria ny teny hebreo nadika hoe “alitara” dia midika hoe “toerana fanaovana fanatitra.” Tatỳ aoriana, dia namerina asam-pinoana mitovy amin’izany Abrama tany amin’ny faritra maro amin’ilay tany. Ankoatra izany, dia “niantso ny anaran’i Jehovah” izy. (Genesisy 12:8; 13:18; 21:33.) Ny fitenenana hebreo nadika hoe “miantso ny anaran’i Jehovah” dia manana heviny koa hoe “manambara (mitory) ilay anarana.” Tsy maintsy nanambara tamim-pahasahiana ny anaran’ny Andriamaniny, Jehovah, teo anoloan’ny ankohonany sy teo anatrehan’ny Kananita ilay patriarka (Genesisy 14:22-24). Tahaka izany koa amin’izao androntsika izao, izay rehetra mitady ny fisakaizan’Andriamanitra dia tokony hiantso ny anarany amim-pinoana. Ilainy, ankoatra ny zavatra hafa, ny mandray anjara amin’ny fitoriana ampahibemaso, amin’ny ‘fanaterana fanati-piderana (...) ho an’Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany.’— Hebreo 13:15; Romana 10:10.
Famakiana Baiboly