Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
2-8 MARTSA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | GENESISY 22-23
“Nizaha Toetra An’i Abrahama Andriamanitra”
Nahoana i Abrahama no Nasain’Andriamanitra Hanao Sorona ny Zanany?
Hoy i Jehovah tamin’i Abrahama: “Ento, azafady, i Isaka zanakao, ilay lahitokanao izay tena tianao, ka ... atolory ho fanatitra dorana izy.” (Genesisy 22:2) Mariho fa nilaza i Jehovah hoe ‘tena tian’i Abrahama’ i Isaka. Fantany fa tena sarobidy tamin’i Abrahama io zanany io. Tena sarobidy amin’Andriamanitra koa i Jesosy Zanany. Tena tia azy izy ka indroa mihitsy no niteny tamin’i Jesosy mivantana avy any an-danitra hoe “Zanako malalako.”—Marka 1:11; 9:7.
Mariho koa fa nanao “azafady” i Jehovah rehefa niresaka tamin’i Abrahama. Milaza ny manam-pahaizana iray fa hita amin’izany hoe “fantatry ny TOMPO fa tena nihoa-pampana ny zavatra nangatahiny.” Azontsika sary an-tsaina angamba ny alahelon’i Abrahama, rehefa nasain’Andriamanitra hanao an’ilay sorona izy. Nalahelo be toy izany koa i Jehovah rehefa nijery ny Zanany malalany nijaly sy maty. Tamin’iny angamba no voalohany sady farany nahatsapany alahelo mafy indrindra hatramin’izay.
Marina fa mety tsy heken’ny saintsika ny hoe sahy nangataka an’i Abrahama hanao an’izany i Jehovah. Tokony hotadidintsika anefa fa tsy navelan’i Jehovah hanao an’ilay sorona io mpanompony tsy nivadika io. Tsy navelany hanjo an’i Abrahama ilay fahoriana faran’izay mangidy mety hanjo ny ray aman-dreny. Niaro an’i Isaka tsy ho faty mantsy i Jehovah. Tsy mba “niaro ny Zanany” kosa izy, fa “nanolotra azy hamonjy antsika rehetra.” (Romanina 8:32) Nahoana izy no nanaiky hiharan’ny fahoriana mafy be toy izany? “Mba hahazoantsika fiainana.” (1 Jaona 4:9) Hitantsika avy amin’izany àry fa tena tia antsika Andriamanitra. Tsy mandrisika antsika ho tia azy koa ve izany?
Mankatoava An’i Jehovah dia Hahasoa Anao ny Fianianana Nataony
Nianiana koa i Jehovah, mba hanampiana ny olombelona hatoky ny fampanantenany. Niteny toy izao, ohatra, izy: “‘Raha mbola velona koa aho’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.” (Ezek. 17:16) In-40 mahery izy no hita hoe nianiana, ao amin’ny Baiboly. Ny fianianana nataony tamin’i Abrahama angamba no tena be mpahalala. Nanao fifanekena, na fampanantenana maromaro tamin’i Abrahama i Jehovah, mba hanomezana toky fa ho taranak’i Abrahama sy Isaka zanany ilay Taranaka nampanantenaina. (Gen. 12:1-3, 7; 13:14-17; 15:5, 18; 21:12) Nizaha toetra an’i Abrahama i Jehovah taorian’izay. Tena sarotra ilay zavatra nasainy natao, satria nandidy an’i Abrahama izy mba hanolotra ny zanany malalany ho sorona. Nankatò avy hatrany anefa i Abrahama, ary efa saika hamono an’i Isaka, saingy nosakanan’ny anjely iray. Nilaza àry i Jehovah hoe: ‘Mianiana amin’ny tenako aho, fa noho ianao nanao izao zavatra izao ka nahafoy ny zanakao, ilay lahitokanao, dia hitahy anao tokoa aho, ka tena hataoko maro ny taranakao, eny, ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina. Ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony. Ary ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany dia hanao izay hahazoany fitahiana amin’ny alalan’ny taranakao, satria nihaino ny teniko ianao.’—Gen. 22:1-3, 9-12, 15-18.
Andao Hikaroka Harena Miafina
Nantsoin’i Jehovah hoe ‘Namany’ Izy
Hoy i Abrahama tamin’ireo mpanompo niaraka taminy: “Mijanòna eto ianareo, miaraka amin’ny ampondra, fa izaho sy ny zaza handeha ho erỳ, mba hiankohoka eo anatrehan’Andriamanitra. Ary hiverina eto aminareo ihany izahay avy eo.” (Gen. 22:5) Inona no tiany holazaina? Nandainga tamin’ny mpanompony ve izy hoe hiara-miverina aminy i Isaka, nefa efa fantany fa hatao sorona? Tsia. Manampy antsika hahazo ny tiany holazaina ny Baiboly. (Vakio ny Hebreo 11:19.) “Nihevitra [i Abrahama] fa hain’Andriamanitra na dia ny manangana an’i Isaka amin’ny maty aza.” Nino izy fa mbola hatsangana ny maty. Efa hitany fa nomen’i Jehovah hery izy sy Saraha ka mbola afaka niteraka, na dia efa antitra aza. (Heb. 11:11, 12, 18) Fantatr’i Abrahama fa tsy misy zavatra tsy hain’i Jehovah. Natoky àry izy fa tsy maintsy haverin’Andriamanitra aminy ilay zanany tsy foiny, na inona na inona hitranga amin’io andro io. Raha tsy izany mantsy, dia tsy ho tanteraka ny zava-drehetra nampanantenainy azy. Tsy mahagaga raha nantsoina hoe “rain’izay rehetra manam-pinoana” i Abrahama.
it “Fantatra Mialoha, Voatendry Mialoha”: “Lafin-javatra tokony hotadidina” § 14-15
Fantatra Mialoha, Voatendry Mialoha
Fantenany izay hofantariny mialoha. Raha marina ny hoe fantenan’Andriamanitra izay tiany hofantarina mialoha, dia tokony hifanaraka amin’ny fitsipiny sy izay lazain’ny Teniny momba azy izany. Asehon’ny andininy maro tokoa fa tsy mandahatra mialoha an’izay hitranga Andriamanitra, fa mandinika an’izay mitranga izy vao manapa-kevitra ny amin’izay hataony.
Nijery sy nandinika an’izay nitranga tao Babela izy, ohatra, vao nanapa-kevitra hoe inona no hatao mba hampandamòka ny tetikasan’ireo mpikomy tao. (Ge 11:5-8) Nilaza tamin’i Abrahama i Jehovah fa haniraka anjely hamotopototra momba ny fitomboan’ny faharatsiana tao Sodoma sy Gomora izy. Fa nahoana? Hoy izy: “Mba hahitako raha tena araka ny fitarainana tonga atỳ amiko tokoa ny zavatra ataony. Ary raha tsy araka izany, dia ho fantatro koa.” (Ge 18:20-22; 19:1) Nilaza koa Andriamanitra hoe ‘efa fantany tsara i Abrahama.’ Rehefa saika hanao sorona an’i Isaka anefa i Abrahama, vao tena niaiky i Jehovah hoe: “Fantatro tokoa izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao, satria nafoinao ho ahy ny zanakao, ilay lahitokanao.”—Ge 18:19; 22:11, 12; ampit. Ne 9:7, 8; Ga 4:9.
Famakiana Baiboly
9-15 MARTSA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | GENESISY 24
“Vady ho An’i Isaka”
“Vonona Handeha Aho”
Nasain’i Abrahama nianiana i Eliezera hoe tsy vehivavy avy any Kanana no halainy ho vadin’i Isaka. Nahoana? Satria sady tsy nanaja an’i Jehovah izy ireo no tsy nanompo azy. Efa fantatr’i Abrahama koa fa hanasazy azy ireo i Jehovah, satria zatra nanao ratsy izy ireo. Tsy tian’i Abrahama hifandray amin’ireo olona ratsy fitondran-tena ireo i Isaka. Fantany koa fa hampiasain’Andriamanitra mba hanatanterahana ny fampanantenany io zanany io.—Genesisy 15:16; 17:19; 24:2-4.
“Vonona Handeha Aho”
Notantarain’i Eliezera tamin-dry Betoela hoe nivavaka tamin’i Jehovah izy rehefa tonga teo amin’ilay fantsakana teo akaikin’i Harana. Tiany mantsy raha i Jehovah no hifidy an’izay vehivavy ho vadin’i Isaka. Amin’ny fomba ahoana anefa? Izao no nangatahiny tamin’i Jehovah: Ho tonga eo amin’ilay fantsakana ilay vehivavy. Rehefa hangataka rano aminy izy, dia homen’ilay vehivavy, ary homeny koa ny ramevany. (Genesisy 24:12-14) Dia iza àry no tonga teo sady nanao an’izany? I Rebeka! Eritrereto izay mety ho tsapan’i Rebeka raha naheno ny zavatra notantarain’i Eliezera tamin’ny fianakaviany izy!
wp16.3 14 § 6-7
“Vonona Handeha Aho”
Efa niresaka an’izany tamin’i Abrahama i Eliezera, herinandro vitsivitsy talohan’izay. Hoy izy: “Ahoana raha tsy te hiaraka amiko ravehivavy?” Namaly i Abrahama hoe: “Dia ho afaka adidy amiko ianao ka ho afaka amin’ilay fianiananao.” (Genesisy 24:39, 41) Zava-dehibe tamin-dry Betoela koa ny hevitr’i Rebeka. Faly be mihitsy i Eliezera satria nahita vady ho an’i Isaka, ka ny ampitson’iny ihany izy dia efa nanontany raha tonga dia afaka hitondra an’i Rebeka ho any Kanana. Tian’ny fianakaviany anefa raha mbola mijanona folo andro izy, fara fahakeliny. Ahoana àry no nataon’izy ireo? Nantsoin’izy ireo i Rebeka ary ‘nanontaniany ny heviny.’—Genesisy 24:57.
Tsy maintsy handray fanapahan-kevitra lehibe izao i Rebeka. Inona no holazainy? Azo antoka fa nalahelo an’azy ny dadany sy ny anadahiny. Hanararaotra an’izany ve anefa izy ka hiangavy azy ireo mba tsy hamela azy handeha? Efa fantatr’i Rebeka koa fa i Jehovah no nahatonga an’i Eliezera hihaona tamin-dry zareo. Hoheveriny ho tombontsoa àry ve ny hanaiky hampiasain’i Jehovah ka ho lasa vadin’i Isaka? Tampoka be ilay izy, sady angamba nampahatahotra. Hita tamin’ny valin-teniny anefa izay tao am-pony. Hoy izy: “Vonona handeha aho.”—Genesisy 24:58.
Andao Hikaroka Harena Miafina
“Vonona Handeha Aho”
Indray hariva, rehefa avy nameno ny sininy i Rebeka, dia nisy lehilahy be taona nihazakazaka nanatona azy. Hoy izy tamin’i Rebeka: “Mba omeo rano kely amin’ny sininao aho hosotroiko!” Zavatra tsotra no nangatahiny sady nahalala fomba tsara izy. Hitan’i Rebeka hoe avy nanao dia lavitra izy. Nampidininy haingana àry ny sininy ka nasainy nisotro izy. Tsy rano kely fotsiny akory no nomeny azy, fa rano nahafa-ketaheta sady nampangatsiatsiaka. Voamarik’i Rebeka koa hoe nisy rameva folo nipetrapetraka teo akaiky teo, nefa tsy mbola nisy rano hosotroin’izy ireo tao amin’ilay fasiana rano ho an’ny biby. Hitan’i Rebeka hoe nipitrapitra nijery azy ilay lehilahy, ka niezaka ny ho tsara fanahy taminy izy. Hoy àry i Rebeka: “Hantsaka ho an’ny ramevanao koa aho, mandra-pisotron’izy rehetra.”—Genesisy 24:17-19.
Tsy niteny fotsiny i Rebeka hoe hanome rano an’ireo rameva folo, fa nilaza koa izy hoe hanome rano azy ireo mandra-pahafa-ketaheta azy rehetra. Mahalany rano 95 litatra mahery ny rameva iray rehefa mangetaheta be. Raha nangetaheta be daholo àry ireo rameva folo ireo, dia tsy maintsy niasa mafy nandritra ny ora maro i Rebeka. Azo inoana anefa fa nangetaheta be mihitsy izy ireo. Efa fantatr’i Rebeka ve izany tamin’izy niteny hoe hanome rano ho azy ireo? Tsia. Vonona ny hiasa mafy izy sady nazoto be mihitsy, satria te hanampy an’ilay lehilahy efa be taona. Nanaiky ny fanampiany ilay lehilahy. Nandinika tsara an’i Rebeka izy, rehefa nivezivezy nameno an’ilay fasiana rano i Rebeka.—Genesisy 24:20, 21.
“Vonona Handeha Aho”
Tonga ihany ry zareo tamin’ny farany, araka ny hitantsika teny am-piandohan’ity lahatsoratra ity. Efa harivariva ny andro rehefa tonga tany Negeba izy ireo. Nahita lehilahy nandehandeha teny an-tsaha i Rebeka. Hoatran’ny nandinindinika be an-dry zareo izy, sady nieritreritra hoe iza ireny tamy ireny. ‘Nidina avy teo amin’ny ramevany’ i Rebeka. Angamba izy tsy niandry an’ilay rameva hipetraka akory fa tonga dia nidina haingana. Hoy izy tamin’ilay mpitari-dalana: “Fa iza iny lehilahy mandeha eny an-tsaha mitsena antsika iny?” Rehefa fantatr’i Rebeka hoe i Isaka ilay izy, dia naka saron-doha izy ary nosaronany ny lohany. (Genesisy 24:62-65) Nahoana izy no nanao an’izany? Mba hampisehoana fa nanaja an’ilay ho vadiny izy. Mety hisy hilaza hoe efa lany andro izany. Tena mendrika ny ho tahafintsika anefa i Rebeka, na lehilahy isika na vehivavy, satria nanetry tena izy. Iza amintsika tokoa moa no tsy te hanana toetra tsara hoatr’izany?
Famakiana Baiboly
16-22 MARTSA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | GENESISY 25-26
“Namidin’i Esao ny Zon’ny Lahimatoa Nananany”
it “Jakoba” § 3
Jakoba
Tian’ny rainy kokoa i Esao. Mpihaza izy, ary azo lazaina hoe olon-dia sy tsy tamana an-trano. I Jakoba kosa voalaza fa “lehilahy tsy nanan-tsiny [heb.: tam], nipetraka an-tranolay.” Mpiandry ondry nanana fiainana nilamindamina izy, ary azo nanankinana andraikitra tao an-trano. Tena tia azy ny reniny. (Ge 25:27, 28) Ampiasain’ny andininy hafa io teny hebreo hoe tam io, mba hilazana olona ankasitrahan’Andriamanitra. Manome toky, ohatra, i Jehovah fa “fiadanana no miandry [ny tsy manan-tsiny] amin’ny hoavy.” Voalaza kosa fa “halan’ny lian-dra ny tsy manan-tsiny.” (Oh 29:10; Sl 37:37) ‘Tsy nanan-tsiny [heb.: tam] sady marina’ i Joba, ilay lehilahy tsy nivadika.—Jb 1:1, 8; 2:3.
Asehoy hoe Mahay Mankasitraka Ianao
Mampalahelo fa tsy nahay nankasitraka ny olona sasany resahin’ny Baiboly. Tsy nankasitraka zava-masina, ohatra, i Esao, nefa mba tia sy nanaja an’i Jehovah ihany ny ray aman-dreniny. (Vakio ny Hebreo 12:16.) Ahoana no ahafantarantsika an’izany? Izy no tokony hahazo ny zon’ny lahimatoa, nefa maika erỳ izy hivarotra an’izany tamin’ny zandriny, sady izay indray lantihy iray vilia fotsiny no takalony! (Gen. 25:30-34) Nanenina tongotra aman-tanana izy tatỳ aoriana. Tsy nisy antony tokony hitarainany anefa rehefa tsy nahazo an’ilay fitahiana tokony ho an’ny lahimatoa izy, satria izy no tsy nahay nankasitraka an’izay nananany.
it “Lahimatoa, Voalohan-teraka” § 2
Lahimatoa, Voalohan-teraka
Efa hatry ny ela no nohajaina ny zanaka lahimatoa teo anivon’ny fianakaviana, ary izy no nandimby an-drainy ka lasa lohan’ilay fianakaviana. Nahazo anjaran’olon-droa izy rehefa nandova an-drainy. (De 21:17) Napetrak’i Josefa teo amin’ny toeran’ny lahimatoa i Robena rehefa nipetraka hisakafo izy ireo, satria izy no nanana ny zon’ny lahimatoa. (Ge 43:33) Tsy arakara-jokiny foana anefa ny lisitra ao amin’ny Baiboly. Matetika no izay zanakalahy niavaka indrindra na izay tena tsy nivadika no notononina voalohany fa tsy ny lahimatoa.—Ge 6:10; 1Ta 1:28; ampit. Ge 11:26, 32; 12:4; jereo LOVA; ZON’NY LAHIMATOA.
Andao Hikaroka Harena Miafina
Fanontanian’ny Mpamaky
Iverenantsika kely ilay Hebreo 12:16. Voalaza ao hoe: “Tandremo ... sao hisy mpijangajanga eo aminareo, na olona tsy manaja zava-masina tahaka an’i Esao, izay nahafoy ny zon’ny lahimatoa ho takalon’ny hanina indray mihinana.” Inona no tian’ny apostoly Paoly holazaina tamin’izany?
Tsy niresaka momba ny razamben’ny Mesia akory izy tamin’io. Vao avy nampirisika ny Kristianina izy hoe: “Ataovy mahitsy foana ny lalana halehan’ny tongotrareo.” Raha tsy izany dia mety hijangajanga izy ireo, ka “tsy hahazo ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra.” (Heb. 12:12-16) Hitovy amin’i Esao izy ireo raha tsy mitandrina. ‘Tsy nanaja zava-masina i Esao’, fa sakafo indray no tiany kokoa.
Ny loham-pianakaviana no nisolo tena ny fianakaviany nanao sorona tamin’izany andro izany. (Gen. 8:20, 21; 12:7, 8; Joba 1:4, 5) Mety ho nomena tombontsoa hanao an’izany i Esao. Tsy nieritreritra afa-tsy izay mahafa-po ny tenany anefa izy, ka natakalony lantihy iray vilia ny tombontsoa rehetra tokony ho azony noho izy lahimatoa. Tsy tiany hanjo azy koa angamba ny fahoriana nolazain’i Jehovah hoe hanjo ny taranak’i Abrahama. (Gen. 15:13) Hita koa hoe tsy nanaja zava-masina i Esao, satria nanambady vehivavy roa mpanompo sampy. Nampalahelo be an’ireo ray aman-dreniny izany. (Gen. 26:34, 35) I Jakoba kosa niezaka mafy mba tsy hanambady afa-tsy mpanompon’i Jehovah.—Gen. 28:6, 7; 29:10-12, 18.
Inona àry no azontsika lazaina momba ny razamben’ny Mesia? Nisy lahimatoa ny razambeny, nefa tsy izy rehetra no lahimatoa. Fantatry ny Jiosy izany sady nekeny. Nekeny, ohatra, hoe avy amin’i Davida, zanak’i Jese faralahy, i Kristy.—Mat. 22:42.
it “Lainga” § 7
Lainga
Misy olona minia mandainga mba hahavoa ny hafa. Voarara mazava ao amin’ny Baiboly izany. Tsy midika anefa izany hoe tsy maintsy milaza ny marina amin’izay olona tsy tokony hahalala izany isika. Hoy i Jesosy Kristy: “Aza omena ny alika ny zava-masina, ary aza atsipy eo anoloan’ny kisoa ny perla any aminareo sao hohitsakitsahiny, dia hifotitra aminareo izy ka hamiravira anareo.” (Mt 7:6) Izany no nahatonga an’i Jesosy tsy hilaza ny zava-drehetra na tsy hamaly mivantana fanontaniana sasany indraindray, raha nety ho nisy voka-dratsiny izany. (Mt 15:1-6; 21:23-27; Jn 7:3-10) Nanao toy izany tamin’ny olona tsy nanompo an’i Jehovah koa i Abrahama, Isaka, Rahaba, ary Elisa. Nataon’izy ireo mantsy izay hahadiso hevitra an’ireny olona ireny, na tsy nolazainy tamin’izy ireny ny marina rehetra.—Ge 12:10-19; toko 20; 26:1-10; Js 2:1-6; Jk 2:25; 2Mp 6:11-23.
Famakiana Baiboly
23-29 MARTSA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | GENESISY 27-28
“Nahazo An’ilay Tsodrano Tokony ho Azy i Jakoba”
Vehivavy Natahotra An’Andriamanitra Sady Nazoto Niasa i Rebeka
Tsy milaza ny Baiboly raha fantatr’i Isaka ny hoe tsy maintsy hanompo an’i Jakoba i Esao. Na ahoana na ahoana, dia samy nahafantatra i Rebeka sy Jakoba fa natao ho an’i Jakoba ny fitahiana. Nanao zavatra avy hatrany i Rebeka, rehefa reny fa nikasa hitso-drano an’i Esao i Isaka, raha mitondra ho an-drainy hanim-py avy tamin’ny biby nohazaina izy. Mbola nanana fahatapahan-kevitra sy zotom-po toy ny taloha ihany i Rebeka. ‘Nasainy’ naka zanak’osy roa i Jakoba, mba hikarakarany hanim-py ho an’ny vadiny, araka ilay tiany. Tsy maintsy mody nanao hoe Esao i Jakoba tamin’izay fotoana izay mba hahazoana tso-drano. Tsy nety anefa i Jakoba satria raha fantatry ny rainy mantsy ilay fitaka, dia hanozona azy izy! Nikiry ihany i Rebeka. Hoy izy: “Aoka ho ahy ihany anaka, ny ozona ho anao.” Nanao ilay hanim-py àry izy. Nataony koa izay itovian’i Jakoba tamin’i Esao, ary nasainy nankany amin’i Isaka vadiny izy avy eo.—Genesisy 27:1-17.
Tsy voalaza ny antony nanaovan-dRebeka izany. Maro no manameloka ny zavatra nataony, tsy mba toy izany kosa anefa ny Baiboly. Tsy nanameloka azy ihany koa i Isaka rehefa nahafantatra fa i Jakoba no nahazo ilay fitahiana. Mbola nitso-drano an’i Jakoba ihany aza izy. (Genesisy 27:29; 28:3, 4) Fantatr’i Rebeka izay nolazain’i Jehovah mialoha momba ny zanany. Koa nanao zavatra àry izy mba hahazoana antoka fa hahazo ilay fitahiana tokony ho azy i Jakoba. Tena nifanaraka tamin’ny sitrapon’i Jehovah izany.—Romanina 9:6-13.
Fanontanian’ny Mpamaky
Tsy lazaina ao amin’ny Baiboly ny antony nahatonga an’i Rebeka sy Jakoba hanao izany. Zava-nitranga tampoka fotsiny ilay izy. Misy mihevitra àry fa azo atao ny mandainga, rehefa jerena io tantara io. Mariho anefa fa sady tsy manamarina ny zavatra nataon’izy ireo ny Tenin’Andriamanitra no tsy manameloka izany. Manazava tsara an’ilay toe-javatra kosa izy io.
Voalohany, lazain’ny Baiboly mazava tsara fa i Jakoba no nanana ny zo ara-dalàna hahazo ilay tsodrano, fa tsy i Esao. Taloha kokoa mantsy, dia novidin’i Jakoba tamin’i Esao kambana aminy ny zon’ny lahimatoa. Tsy nahay nankasitraka i Esao ka nivarotra izany, mba hahazoany sakafo hampitonena ny hanoanany. Toy izany no nanaovany tsinontsinona ny zon’ny lahimatoa. (Genesisy 25:29-34) Naka ilay tsodrano efa tokony ho azy ihany àry i Jakoba, rehefa nanatona an-drainy.
it “Fitahiana, Tsodrano, Fisaorana”: “Toe-javatra anaovana izany” § 2
Fitahiana, Tsodrano, Fisaorana
Nitso-drano ny zanany lahy koa matetika ny loham-pianakaviana fahiny rehefa ho faty. Tena zava-dehibe sy sarobidy tamin’ny olona izany. Nitso-drano an’i Jakoba àry i Isaka, satria noheveriny fa i Esao lahimatoany izy. Nilaza izy fa hahazo sitraka sy hotahina mihoatra noho i Esao i Jakoba. I Jehovah, raha ny marina, no nangatahiny hanatanteraka an’ilay tsodrano satria efa jamba sy antitra izy. (Ge 27:1-4, 23-29; 28:1, 6; He 11:20; 12:16, 17) Nohamafisin’i Isaka sy nampiany ilay tsodrano tatỳ aoriana. (Ge 28:1-4) I Jakoba kosa nitso-drano azy mirahalahy zanak’i Josefa vao nitso-drano an’ireo zanany lahy, rehefa ho faty izy. (Ge 48:9, 20; 49:1-28; He 11:21) Notsofin’i Mosesy rano koa ny firenen’Israely rehefa ho faty izy. (De 33:1) Faminaniana daholo ireny tsodrano ireny. Napetrak’ilay olona nitso-drano teo amin’ny lohan’ilay notsofiny rano ny tanany indraindray.—Ge 48:13, 14.
Andao Hikaroka Harena Miafina
Ahoana no Hifampiresahanao Tsara Amin’ny Vadinao?
Inona no manaporofo fa nihanahay nifampiresaka i Isaka sy Rebeka? Nisy olana lehibe tao an-tokantranon’izy ireo, rehefa nanambady vehivavy hetita roa i Esao zanany. Namerimberina tamin’i Isaka i Rebeka hoe: “Tsy te-ho velona aho noho ireny zanakavavin’ny Hetita; raha maka vady amin’ny zanakavavin’ny Hetita Jakoba [zandrin’i Esao]... hataoko inona ny aiko?” (Genesisy 26:34; 27:46) Nolazainy mazava tsara tsy nisy olakolaka ny nampanahy azy.
Nampitandrina an’i Jakoba, kambana tamin’i Esao, àry i Isaka mba tsy hanambady zanakavavin’ny Kananita. (Genesisy 28:1, 2) Tafita tany amin’ny vadiny tokoa ny hevitr’i Rebeka. Nahavita nifampiresaka tsara momba ny olana iray tena lehibe izy mivady, ka modely ho antsika. Ahoana anefa raha tsy mety miombon-kevitra ny mpivady? Inona no azo atao?
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Genesisy—Fizarana II
28:12, 13—Inona no hevitr’ilay nofin’i Jakoba misy resaka “tohatra”? Io tohatra io, izay nety ho tohatoha-bato, dia midika fa misy fifandraisana eo amin’ny tany sy ny lanitra. Nidina sy niakatra teo amin’ilay tohatra ny anjelin’Andriamanitra, ka midika izany fa toa mitana toerana lehibe amin’ny fifandraisan’i Jehovah sy ny olona ankasitrahany ny anjely.—Jaona 1:51.
Famakiana Baiboly
30 MARTSA–5 APRILY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | GENESISY 29-30
“Nanambady i Jakoba”
Nankasitraka Zavatra Ara-panahy i Jakoba
Raha te hanambady ny lehilahy iray, dia nila nanolotra vodiondry ho an’ny fianakavian-drazazavavy izy. Nolazaina tao amin’ny Lalàn’i Mosesy tatỳ aoriana fa sekely volafotsy 50 no tokony homen’izay lehilahy nitaona virjiny hanao firaisana taminy. Nilaza ilay manam-pahaizana atao hoe Gordon Wenham hoe izany no “vodiondry ambony indrindra”, fa “kely lavitra noho izany” ny ankamaroany. (Deoteronomia 22:28, 29) Tsy nanam-bola anefa i Jakoba, ka nanolo-tena hiasa ho an’i Labana nandritra ny fito taona. Nanazava i Wenham hoe: “Antsasaka sekely ka hatramin’ny sekely iray isam-bolana no noraisin’ny mpiasa tsotra iray tamin’ny andron’ny Babylonianina fahiny” (sekely 42 ka hatramin’ny 84 izany ao anatin’ny fito taona). “Tena betsaka àry ny vodiondry nomen’i Jakoba an’i Labana, mba hahazoany an-dRahely.” Nanaiky avy hatrany i Labana.—Genesisy 29:19.
Mpirahavavy Ory Nefa ‘Nahatsangana ny Tranon’ny Israely’
Niray tsikombakomba tamin-drainy ve i Lea? Sa tsy maintsy nankatò azy fotsiny? Ary taiza i Rahely? Fantany ve izay nitranga? Raha eny, nanao ahoana ny fihetseham-pony? Nasiaka loatra ve ny rainy, ka tsy afa-nanoatra izy? Tsy miresaka izany ny Baiboly. Na ahoana na ahoana, dia nahatezitra an’i Jakoba ilay fitaka. Ary tamin’i Labana izy no tezitra, fa tsy tamin’izy mirahavavy. Hoy izy tamin’i Labana: ‘Moa tsy Rahely va no nanompoako anao? Ka nahoana no nofitahinao aho?’ Ahoana no navalin’i Labana? “Tsy fanao ... ny mamoaka ny zandriny alohan’ny zokiny. Tanteraho ny herinandron’ity anankiray ity, dia homenay anao koa ny anankiray noho ny fanompoana izay mbola hanompoanao ahy fito taona indray.” (Genesisy 29:25-27) Voafitaka àry i Jakoba, ka voatery nanambady roa. Niteraka fankahalana sy fialonana izany.
it “Fanambadiana”: “Fankalazana” § 1
Fanambadiana
Fankalazana. Tsy nisy fombafomba ny fampakaram-bady teo amin’ny Israely, nefa nisy fankalazana tena nahafaly kosa. Mazàna razazavavy no niomana fatratra tao an-tranony, tamin’ny andron’ny fampakaram-bady. Nandro izy aloha, ary nihosotra menaka manitra. (Ampit. Rt 3:3; Ezk 23:40.) Nanao akanjo fotsy sy fehikibo izy, ary indraindray nisy mpanompovavy nampiakanjo azy. Matetika no nisy peta-kofehy be dia be ilay akanjo, arakaraka izay nananany. (Je 2:32; Ap 19:7, 8; Sl 45:13, 14) Nihaingo be sy nanao firavaka koa izy, raha nanan-katao. (Is 49:18; 61:10; Ap 21:2) Nisarona lamba manify toy ny voaly izy, hatrany amin’ny tongony. (Is 3:19, 23) Izany no nahafahan’i Labana namitaka mora foana an’i Jakoba, hany ka tsy fantatr’i Jakoba hoe i Lea no nomeny azy, fa tsy i Rahely. (Ge 29:23, 25) Nosaronan’i Rebeka ny lohany rehefa nanatona an’i Isaka izy. (Ge 24:65) Midika izany fa nanaiky ny fahefan’ilay mpampakatra ilay ampakarina.—1Ko 11:5, 10.
Andao Hikaroka Harena Miafina
it “Fananganan-janaka” § 3
Fananganan-janaka
Nasain’i Rahely sy Lea nanao firaisana tamin’ny mpanompovaviny i Jakoba, ary ny zaza teraka dia noheverin’izy roa vavy ho toy ny naterany mihitsy, izany hoe naterany ‘teo ambony lohaliny.’ (Ge 30:3-8, 12, 13, 24, f.a.p.) Niray lova tamin’ny zanaka naterak’i Jakoba tamin’ireo vadiny ara-dalàna ireny zaza ireny. Zanaka naterak’i Jakoba rainy mantsy izy ireny. Nanan-jo ho tompon-janaka koa i Rahely sy Lea, satria tompon’ireo mpanompovavy.
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Genesisy—Fizarana II
30:14, 15—Nahoana no neken’i Rahely ny hamoy ilay fahafahany hanao firaisana tamin’ny vadiny ho takalon’ny dodaima (na angividia) vitsivitsy? Nampiasaina ho fanafody mahadomelina ny voan’io hazo io fahiny, na nampiasaina mba hanasitranana hozatra mikainkona, na hisorohana izany. Heverina koa fa afaka manaitaitra ny faniriana hanao firaisana ilay voankazo, sady manampy ny olona ho bevohoka. (Tonon-kiran’i Solomona 7:13) Na dia tsy lazain’ny Baiboly aza ny antony nahatonga an-dRahely hanao ilay fifanakalozana, dia mety ho nieritreritra izy fa hanampy azy hitoe-jaza ny angividia, ka hamarana ilay laza ratsiny hoe tsy niteraka. Taona maro tatỳ aoriana anefa vao “nampanan-anaka azy” i Jehovah.—Genesisy 30:22-24.
Famakiana Baiboly