Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
6-12 JOLAY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | EKSODOSY 6-7
“Ho Hitanao Ankehitriny Izay Hataoko Amin’i Farao”
it “Mosesy”: “Teo anatrehan’i Farao tany Ejipta” § 3
Mosesy
Niova be koa ireo Israelita. Nino an’i Mosesy mantsy izy ireo tamin’ny voalohany, nefa nimenomenona taminy kosa rehefa nasain’i Farao niasa mafy kokoa. Kivy mihitsy i Mosesy ka nitaraina tamin’i Jehovah. (Ek 4:29-31; 5:19-23) Nampahery azy ilay Avo Indrindra ary nilaza fa tonga ny fotoana hanatanterahany an’izay nantenain’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, izany hoe haharihariny amin’izay ny dikan’ilay anarany hoe Jehovah ka hanafaka ny Israely izy sady hanao azy ho firenena lehibe ao amin’ny Tany Nampanantenaina. (Ek 6:1-8) Mbola tsy nihaino an’i Mosesy ihany anefa ireo Israelita. Taorian’ilay loza fahasivy kosa, dia niova izy ireo ka nanohana tanteraka sy nanaiky an’i Mosesy. Afaka nandamina azy ireo àry i Mosesy taorian’ny loza fahafolo, ary afaka nitarika azy ireo nilamina tsara sy “nilahatra toy ny tafika” rehefa niala tany Ejipta.—Ek 13:18.
it “Mosesy”: “Teo anatrehan’i Farao tany Ejipta” § 1-2
Mosesy
Teo anatrehan’i Farao tany Ejipta. Toy ny hoe nisy adin’ireo andriamanitra tany Ejipta, ary nandray anjara lehibe tamin’izany i Mosesy sy Arona. Nanambatra ny herin’ireo andriamanitra rehetran’i Ejipta mba hanohitra ny herin’i Jehovah Andriamanitra i Farao, rehefa nampiantso an’ireo mpisorona nampiasa herin’ny maizina. Toa i Jana sy Jambra no lehiben’ireo mpisorona ireo. (2Ti 3:8) Nasain’i Mosesy nanao ny fahagagana voalohany teo anatrehan’i Farao i Arona, ka hita fa nahery noho ireo andriamanitr’i Ejipta i Jehovah. Vao mainka anefa i Farao nikiribiby tamin’ny heviny. (Ek 7:8-13) Niseho ny loza fahatelo tatỳ aoriana, ary na ireo mpisorona aza voatery niaiky hoe: “Rantsantanan’Andriamanitra ity!” Tena voa mafy izy ireo rehefa namely ilay loza nahatonga vay, ka tsy afaka niseho teo anatrehan’i Farao akory aza izy ireo mba hanohitra an’i Mosesy.—Ek 8:16-19; 9:10-12.
Sady nanohina fo no nanamafy fo ireo loza. Nilaza mialoha i Mosesy sy Arona isaky ny hiseho ny tsirairay tamin’ireo Loza Folo. Nitranga araka ny nambaran’izy ireo tokoa izany, ka voaporofo fa tena solontenan’Andriamanitra i Mosesy. Nambara eran’i Ejipta sy lasa ambentin-dresaka tany ny anaran’i Jehovah. Inona no vokany? Sady nanohina ny fon’ny Israelita sy ny Ejipsianina sasany mba ho tia an’ilay anarana izany, no nanamafy ny fon’i Farao sy ny mpanolo-tsainy ary ireo mpomba azy mba ho vao mainka hankahala an’ilay anarana. (Ek 9:16; 11:10; 12:29-39) Tsy nieritreritra ny Ejipsianina hoe nampahatezitra an’ireo andriamaniny izy ireo. Fantany kosa fa i Jehovah no nitsara an’ireo andriamaniny. Rehefa nifarana ny loza fahasivy, dia lasa “lehilahy tena nalaza teo amin’ny tany Ejipta” i Mosesy, “na teo imason’ny mpanompon’i Farao izany, na teo imason’ny vahoaka.”—Ek 11:3.
Andao Hikaroka Harena Miafina
it “Mahery Indrindra”: “Ilay teny hebreo” § 5-6
Mahery Indrindra
Nilaza tamin’i Abrahama i Jehovah fa Izy no “Andriamanitra Mahery Indrindra” (ʼEl Shaddai), tamin’Izy nampanantena azy fa hiteraka an’i Isaka izy. Tena nilain’i Abrahama ny nino fa manan-kery hanatanterahana izany Andriamanitra. Voalaza koa fa ilay “Andriamanitra Mahery Indrindra” no hitahy na hitso-drano an’i Isaka sy Jakoba mpandova an’ilay fifanekena tamin’i Abrahama.—Ge 17:1; 28:3; 35:11; 48:3.
Afaka nilaza tamin’i Mosesy àry i Jehovah hoe: “Niseho tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba aho, tamin’ny maha Andriamanitra Mahery Indrindra [beʼEl Shaddai] ahy. Fa ilay anarako hoe Jehovah kosa, mbola tsy tena nampahafantariko azy.” (Ek 6:3) Tsy hoe tsy nahalala an’ilay anarana hoe Jehovah akory ireo loham-pianakaviana ireo. Efa nampiasa azy io matetika mantsy izy ireo sy ny olona talohany. (Ge 4:1, 26; 14:22; 27:27; 28:16) Miverina in-6 monja, ohatra, ny hoe “Mahery Indrindra” ao amin’ny Genesisy, izay mitantara ny fiainan’izy ireo, nefa miverina in-172 ny hoe Jehovah. Efa fantatr’izy ireo àry fa manan-jo sady mendrika hantsoina hoe “ilay Mahery Indrindra” Andriamanitra, fa mbola tsy fantany kosa ny tena hevitr’ilay anarany hoe Jehovah. Hoy Ny Diksionera Ara-baiboly Misy Sary (Boky 1, p. 572): “Nampanantena zavatra mbola ho avy Izy tamin’Izy nampahafantatra ny tenany tamin’ny Loham-pianakaviana fahiny. Nila natoky àry izy ireo fa Andriamanitra (ʼel) mahavita (mety ho dikan’ny hoe sadday koa) manatanteraka izany Izy, ilay antsoina hoe Iaveh. Vao mainka fantatra tsara Izy rehefa nilaza ny momba ny tenany teo amin’ilay voaroy, ka fantatra amin’ilay anarany mahazatra hoe Iaveh fa mahery Izy ary momba azy ireo foana.”—Nataon’i J. Douglas, 1980.
it “Mosesy”: “Notendrena ho mpanafaka” § 2
Mosesy
Tsy nailik’Andriamanitra na dia niahotra aza. Niahotra hanao an’ilay asa anefa i Mosesy, ary nilaza fa tsy nahay nandaha-teny. Tena niova i Mosesy. Hafa mihitsy ilay Mosesy nanapa-kevitra samirery hanafaka an’ireo Israelita, 40 taona talohan’izay. Izao anefa izy nanda foana, ary niangavy an’i Jehovah mba haniraka olon-kafa. Tezitra Andriamanitra, nefa tsy nanilika azy fa naniraka an’i Arona rahalahiny mba ho mpitondra tenin’i Mosesy. Solontenan’Andriamanitra i Mosesy ka nanjary “Andriamanitra” teo anatrehan’i Arona, ary i Arona kosa no niteny hisolo azy. Nihaona tamin’ny anti-panahin’ny Israely sy tamin’i Farao izy roa lahy taorian’izay. I Mosesy no nilazan’Andriamanitra ny toromarika sy ny baiko, ary i Mosesy kosa nilaza izany tamin’i Arona. I Arona àry no tena niteny tamin’i Farao (mpandimby an’ilay Farao nandosiran’i Mosesy 40 taona talohan’izay). (Ek 2:23; 4:10-17) Nolazain’i Jehovah hoe ‘mpaminanin’i’ Mosesy i Arona, taorian’izay. Midika izany fa i Mosesy no tokony hilaza aminy izay holazainy. I Mosesy koa mantsy mpaminanin’Andriamanitra, izany hoe Andriamanitra no nilaza taminy izay tokony holazainy. Ary inona no dikan’ny hoe ‘natao Andriamanitra eo anatrehan’i Farao’ i Mosesy? Nomen’Andriamanitra hery sy fahefana hampiharina tamin’i Farao izy, ka tsy tokony hatahotra an’io mpanjakan’i Ejipta io.—Ek 7:1, 2.
Famakiana Baiboly
13-19 JOLAY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | EKSODOSY 8-9
“Tsy Fantatr’i Farao hoe Nanatanteraka ny Fikasan’Andriamanitra Izy”
it “Mafy Loha” § 2
Mafy Loha
Manam-paharetana amin’ny olombelona i Jehovah Andriamanitra, ka nisy olona na firenena mendrika ny ho faty nefa tsy naringany. (Ge 15:16; 2Pe 3:9) Niova ny sasany tamin’ireny olona ireny ka nanjary mendrika ny hamindrana fo (Js 2:8-14; 6:22, 23; 9:3-15), fa ny sasany kosa vao mainka nanamafy ny fony ka nanohitra an’i Jehovah sy ny vahoakany mihitsy aza. (De 2:30-33; Js 11:19, 20) Tsy misakana ny olona tsy ho mafy loha i Jehovah, ka lazaina fa namela an’ireny olona ireny “hikiribiby amin’ny heviny” na “hanamafy ny fony” izy. Tsy maintsy hamaly an’ireny olona mafy loha ireny izy amin’ny farany, ka hiharihary fa tena mahery izy ary hambara eran-tany ny anarany.—Ampit. Ek 4:21; Jn 12:40; Ro 9:14-18.
it “Faharatsiana” § 4-6
Faharatsiana
Ataon’i Jehovah Andriamanitra koa izay hahatonga ny ratsy fanahy hanatanteraka tsy nahy ny fikasany. Marina fa manohitra an’Andriamanitra izy ireny. Azon’i Jehovah ferana ihany anefa izany mba hiarovana ny mpanompony tsy mivadika. Hainy koa ny mahatonga ny fanoheran’ireny ratsy fanahy ireny hanjary hampiharihary ny fahamarinany. (Ro 3:3-5, 23-26; 8:35-39; Sl 76:10) Hoy ny Ohabolana 16:4: “Nataon’i Jehovah hanatanterahana ny fikasany ny zava-drehetra, ary na ny ratsy fanahy aza nataony ho amin’ny andro ahitan-doza.”
Mampiseho tsara izany ny nataon’i Jehovah tamin’i Faraon’i Ejipta. Nasainy niteny tamin’io Farao io i Mosesy sy Arona mba hanafaka an’ireo Israelita. Tsy Andriamanitra no nahatonga an’i Farao ho ratsy toetra. Navelany ho velona kosa i Farao ary nataony izay hampiharihariana ny toetra ratsin’i Farao mba ho hita hoe mendrika ny ho faty izy. Nohazavain’i Jehovah ao amin’ny Eksodosy 9:16 ny antony nanaovany izany: “Izao no mbola namelako anao ho velona: Mba hampisehoana aminao ny heriko sy mba hanambarana ny anarako eran-tany.”
Nisy loza folo nisesy namely an’i Ejipta, ary farany dia naringana tao amin’ny Ranomasina Mena i Farao sy ny tafiny. Niharihary tamin’izay fa tena mahery i Jehovah. (Ek 7:14–12:30; Sl 78:43-51; 136:15) Mbola niresaka momba izany foana ireo firenena nanodidina na dia taona maro tatỳ aoriana aza, ka nambara eran-tany ny anaran’i Jehovah. (Js 2:10, 11; 1Sa 4:8) Nampiharihary ny heriny lehibe i Jehovah ho voninahitry ny anarany sy mba hanafahana ny vahoakany. Raha naringany avy hatrany anefa i Farao, dia tsy ho nibaribary izany.
Andao Hikaroka Harena Miafina
it “Fihitra”
Fihitra
Tsy tena fantatra hoe bibikely inona ilay hoe ʽarôv (heb.) resahin’ny Baiboly hoe loza fahefatra namelezana an’i Ejipta, fa ny voalohany kosa tamin’ireo loza tsy nahavoa ny Israelita tao Gosena. (Ek 8:21, 22, 24, 29, 31; Sl 78:45; 105:31) Nisy nandika azy io hoe “fihitra” (DIEM, DPV, TV), “lalitra” (FFBF, Prot.), ary “moka” (Kat.).
Misy isan-karazany ny fihitra. Kaikerin’ny fihitravavy ny hoditry ny olona sy biby, ary tsentsefiny ny rany. Mivelona eo amin’ny vatan’ny olona sy biby izy raha mbola olitra. Any amin’ny tany mafana no misy ilay karazany mivelona amin’ny olona. Tena nampijaly an’ireo Ejipsianina sy ny biby fiompiny, ary mety ho nahafaty mihitsy àry ireo fihitra maro be.
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Eksodosy
8:22, 23—Nahoana i Mosesy no nilaza fa fady tamin’ny Ejipsianina ny fanatitry ny Israely? Biby maro no nivavahana tany Ejipta. Ny firesahana momba ny fanaovana azy ireny ho fanatitra àry, dia nanamafy ny antony tokony hamelana ny Israelita handeha lavitra mba hanolotra fanatitra ho an’i Jehovah.
Famakiana Baiboly
20-26 JOLAY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | EKSODOSY 10-11
“Tena Be Herim-po i Mosesy sy Arona”
Tahafo i Jesosy ka Aoka Ianao ho Sahy Hitory
6 Nila nanana fahasahiana koa i Mosesy rehefa niresaka tamin’i Farao. Tsy hoe solontenan’ireo andriamanitra fotsiny mantsy i Farao, fa noheverina ho andriamanitra mihitsy, zanak’ilay andriamanitra masoandro atao hoe Ra. Mety ho nivavaka tamin’ny sariny toa an’ireo Farao hafa izy. Nahery izy, nanambony tena, mafy loha, ary tsy nahazatra azy ny hoe hisy olona hilaza aminy izay tokony hataony. Tsy maintsy nankany amin’io lehilahy io anefa i Mosesy, izay mpiandry ondry nalemy fanahy. Niverimberina tany izy, na dia tsy nasaina sy tsy noraisina tsara aza. Inona no nolazainy? Hisy loza hitranga. Ary inona no nangatahiny? Ny hamelana an’ireo andevon’i Farao an-tapitrisany handao an’ilay tany! Tena nila fahasahiana tokoa i Mosesy!—Nom. 12:3; Heb. 11:27.
it “Mosesy”: “Teo anatrehan’i Farao tany Ejipta” § 4
Mosesy
Nilana herim-po sy finoana ny fihaonana tamin’i Farao. Tsy nahavita an’izay nampanaovina azy i Mosesy sy Arona, raha tsy noho ny herin’i Jehovah sy ny fanahiny masina. Alao sary an-tsaina ange i Farao tao an-dapany e! Zavatra kanto daholo no nanodidina azy. Izy no mpanjakan’ilay firenena natanjaka indrindra tamin’izany! Nirehareha erỳ izy ary noheverina ho andriamanitra mihitsy! Nanodidina azy ny mpanolo-tsainy, mpitari-tafiny, mpiambina azy, ary mpanompony. Tsy izay ihany fa teo koa ireo mpitondra fivavahana sy mpisorona nampiasa ny herin’ny maizina. Ireo mpisorona ireo no tena mpanohitra an’i Mosesy. Olona nahery indrindra tany Ejipta ireo rehetra ireo, ary tsy lazaina intsony i Farao. Nilahatra teo anilan’i Farao ireo olona mampahatahotra rehetra ireo, mba hanohana azy sy ireo andriamanitr’i Ejipta. Tonga teo anatrehan’i Farao i Mosesy sy Arona, ary tsy indray mandeha ihany fa imbetsaka mihitsy. Nihamafy fo foana anefa i Farao, satria tena tsy te handefa an’ireo mpanompony hebreo. Tena nilainy mantsy izy ireo. Noroahiny tsy ho eo anatrehany mihitsy aza i Mosesy sy Arona rehefa nanambara ny loza fahavalo. Nilaza koa izy, taorian’ny loza fahasivy, fa ho faty izy roa lahy raha mbola mitady hifanatri-tava aminy.—Ek 10:11, 28.
Andao Hikaroka Harena Miafina
Vavolombelona Manohitra Ireo Andriamanitra Sandoka
11 Fony ireo Isiraelita mbola tany Egypta, dia naniraka an’i Mosesy tany amin’i Farao i Jehovah ka nanao hoe: “Mankanesa ao amin’i Farao; fa Izaho efa nanamafy ny fony sy ny fon’ny mpanompony, mba hanehoako izao famantarako izao eo aminy; ary mba holazainao ho ren’ny zanakao sy ny zafinao izay zavatra nataoko teto Egypta sy izay famantarana nataoko teo aminy, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.” (Eksodosy 10:1, 2). Ireo Isiraelita nankato dia hilaza amin’ireo zanany ny amin’ireo asa mahery nataon’i Jehovah. Ireo zanany kosa dia hilaza izany amin’ny zanany, ary dia ho toy izany ihany no hatao hatramin’ny taranaka fara aman-dimby. Araka izany, dia ho tadidy ireo asa mahery nataon’i Jehovah. Mitovy amin’izany koa amin’izao andro izao, fa manana andraikitra hanao fanambarana amin’ireo zanany ny ray aman-dreny.—Deoteronomia 6:4-7; Ohabolana 22:6.
it “Fanafahana ny Israelita avy Tany Ejipta”: “Ny lalana nalehan’ny Israelita niala tany Ejipta” § 21
Fanafahana ny Israelita avy Tany Ejipta
Tamin’izany fampisehoan-kery lehibe izany no nanandratan’i Jehovah ny anarany sy nanafahany ny Israelita. Nihira i Mosesy sy ny zanak’Israely, rehefa tafita soa aman-tsara teny amin’ny morony atsinanana. I Miriama mpaminanivavy sady anabavin’i Mosesy kosa naka ampongatapaka, ary nitarika an’ireo vehivavy nitondra ampongatapaka sady nandihy. Namaly ny hiran’ireo lehilahy koa izy ireo. (Ek 15:1, 20, 21) Ela ny ela ka afaka tanteraka teo ambany fifehezan’ny fahavalony ny Israelita. Tsy navela hisy hanisy ratsy azy ireo, na olona na biby, tamin’izy ireo niala tany Ejipta. Tsy nisy alika, na iray aza, nierona na nivovò taminy. (Ek 11:7) Tsy resahin’ny Eksodosy hoe niara-maty tamin’ny tafiny tao an-dranomasina i Farao. Ny Salamo 136:15 kosa anefa milaza fa “nanakifika an’i Farao sy ny tafiny ho ao amin’ny Ranomasina Mena” i Jehovah.
Famakiana Baiboly
27 JOLAY–2 AOGOSITRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | EKSODOSY 12
“Inona no Azontsika Kristianina Ianarana avy Amin’ny Paska?”
‘Hifaly Tokoa Ianao’
4 Maty tamin’ny 14 Nisana, taona 33, i Jesosy. Ny 14 Nisana no daty nankalazana ny Paska teo amin’ny Israely. Andro nahafaly izy io. Isan-taona, dia niara-nihinana zanak’ondry tsy misy kilema ny fianakaviana, rehefa tonga io andro io. Izany dia nampahatsiahy azy ireo ny famonjena avy tamin’ny ran’ny zanak’ondrin’ny Paska, tamin’ny 14 Nisana 1513 T.K. Tamin’izay mantsy no novonoin’ny anjely ny lahimatoa rehetra tany Ejipta, afa-tsy ny an’ny Israelita ihany. (Eksodosy 12:1-14) I Jesosy no mifanitsy amin’ilay zanak’ondrin’ny Paska. Hoy ny apostoly Paoly momba azy: ‘Efa natao sorona i Kristy, izay toy ny zanak’ondrin’ny Paska.’ (1 Korintianina 5:7) Mamonjy olona maro ny ra nalatsak’i Jesosy, toy ny ran’ilay zanak’ondrin’ny Paska ihany.—Jaona 3:16, 36.
it “Paska”: “Ny mifanitsy aminy” § 2
Paska
Mifanitsy amin’ny zavatra sasany natao tamin’ny Paska ny nataon’i Jesosy. Ny ra nahosotra tamin’ny trano tany Ejipta, ohatra, no nahatonga an’ilay anjely tsy handringana an’ireo lahimatoa tao. Ny ran’i Kristy koa no nanafaka an’ireo Kristianina voahosotra (1Te 1:10; Ef 1:7) izay nantsoin’i Paoly hoe fiangonan’ny lahimatoa (He 12:23). Tsy nisy notapahina ny taolan’ilay zanak’ondrin’ny Paska. Tsy nisy notapahina koa ny taolan’i Jesosy rehefa novonoina izy, araka ny faminaniana. (Sl 34:20; Jn 19:36) Anisan’ny aloky ny zavatra ho avy noraketin’ny Lalàna àry ny Paska nankalazain’ny Jiosy hatry ny ela. I Jesosy Kristy mantsy ilay “Zanak’ondrin’Andriamanitra.”—He 10:1; Jn 1:29.
“Ho Fahatsiarovana ho Anareo” Izany
13 Nampita lesona lehibe momba ny Paska tamin’ny taranany foana ny Israelita. Anisan’izany ny hoe afaka miaro ny mpanompony i Jehovah. Nanjary takatr’ireo ankizy fa Andriamanitra velona sy tena misy i Jehovah, ary miahy ny vahoakany sy mamonjy azy ireo. Noporofoin’i Jehovah izany rehefa niaro ny lahimatoan’ny Israelita izy, tamin’izy “namely ny Ejipsianina.”
14 Tsy voatery manazava ny dikan’ny Paska jiosy amin’ny zanany ny ray aman-dreny kristianina isan-taona. Ampianarinao ny zanakao ve anefa ny lesona avy amin’ny Paska, dia ny hoe miaro ny vahoakany Andriamanitra? Asehonao amin’izy ireo ve fa tena mino ianao hoe mbola miaro ny vahoakany i Jehovah ankehitriny? (Sal. 27:11; Isaia 12:2) Ary ahoana no anaovanao an’izany? Ataonao resadresaka mahafinaritra ve ilay izy fa tsy toy ny toriteny be? Vao mainka hatoky an’i Jehovah ny fianakavianao, raha mampita izany lesona izany amin’izy ireo ianao.
Andao Hikaroka Harena Miafina
it “Paska”: “Lalàna momba ny Paska” § 7
Paska
Nampietry an’ireo andriamanitr’i Ejipta ny Loza Folo, indrindra fa ilay fahafolo izay namono ny lahimatoa rehetra. (Ek 12:12) Masina tamin’i Ra andriamanitra ny ondrilahy, ka noheverin’ny Ejipsianina ho fanevatevana an’ilay andriamaniny ny fanosorana ny ran’ilay zanak’ondry teo amin’ny tataom-baravarana. Masina koa ny ombilahy, ka nietry i Osiris andriamanitra rehefa naripaka ny voalohan-teraka tamin’ny ombilahy. Andriamanitra koa, hono, i Farao satria zanak’i Ra. Tsy nahavita na inona na inona anefa i Ra sy Farao, matoa maty ny lahimatoan’i Farao.
it “Fivoriana, Fivoriambe”: “Fivoriambe masina” § 2
Fivoriana, Fivoriambe
Tsy nahazo nanao asa mafy ny vahoaka nandritra ireny “fivoriambe masina” rehetra ireny. Nilaza toy izao, ohatra, i Jehovah momba ny andro voalohany sy fahafiton’ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay: “Tsy tokony hanao asa na inona na inona ianareo amin’ireo andro ireo, fa ny fikarakarana ny sakafo hohanin’ny olona tsirairay ihany no azonareo atao.” (Ek 12:15, 16) Tsy nandika an’io didy io akory ny mpisorona, rehefa nanao fanatitra ho an’i Jehovah nandritra ireo “fivoriambe masina.” (Le 23:37, 38) Tsy hoe nidonana-poana anefa ny vahoaka, na dia tsy nanao asa mafy aza nandritra ny Sabata sy ireo “fivoriambe masina.” Nifantoka tamin’ny vavaka sy ny fisaintsainana momba ny Mpamorona sy ny fikasany kosa izy ireo, ka nandray soa be dia be.
Famakiana Baiboly