Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
7-13 SEPTAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | EKSODOSY 23-24
“Aza Manaraka ny Maro”
Mba Manadihady Tsara ve Ianao?
Tia mandefa e-mail na SMS any amin’ny namanao sy ny olom-pantatrao ve ianao? Inona no ataonao rehefa misy zavatra hitanao amin’ny vaovao na misy zava-nitranga henonao? Hoatr’ireny mpilaza vaovao ireny ve ianao, ka tianao raha ianao no mampahafantatra an’ilay izy voalohany? Eritrereto izao alohan’ny handefasana an’ilay izy amin’ny e-mail na SMS: ‘Azoko antoka ve hoe marina ity zavatra tiako halefa ity? Fantatro daholo ve ny tena zava-misy?’ Mety hanely zavatra tsy marina any amin’ny mpiara-manompo ianao, raha tsy nohamarininao akory ilay izy. Raha misalasala àry ianao, dia aza alefa ilay izy fa fafao.
Nahoana koa no mampidi-doza ny hoe maimaika mandefa any amin’olon-kafa ny e-mail na SMS voarainao? Voasakantsakana na voarara mihitsy ny asa fitoriana any amin’ny tany sasany. Mety hanely tantara natao hampitahorana antsika na hahatonga antsika tsy hifampatoky ny mpanohitra any amin’ireny tany ireny. Eritrereto izay nitranga tany amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha. Nanely tsaho ny polisy miafina hoe namadika an’ireo mpiara-manompo ny rahalahy sasany manana andraikitra. Mampalahelo fa maro no nino an’izany lainga izany, ka niala tamin’ny fandaminan’i Jehovah. Soa ihany fa be dia be no niverina tatỳ aoriana. Misy anefa tsy niverina mihitsy satria lasa tsy nanam-pinoana intsony. (1 Tim. 1:19) Inona àry no azonao atao mba tsy hitranga aminao izany? Raha naheno zavatra ratsy na tantara tsy voaporofo ianao, dia aza aely ilay izy. Aza minomino befahatany an’izay rehetra henonao koa, fa fantaro foana ny tena zava-misy.
it “Arona”: “Mpisoronabe” § 11
Arona
Hitantsika tamin’ireo fahadisoana telo nataon’i Arona ireo fa toa tsy izy no tena atidoha nikotrika an’ireny zava-dratsy ireny. Toa ny toe-javatra na ny olon-kafa no nanery azy ka tsy nahatohitra izy. Mety ho tsy nanao an’ilay fahadisoany voalohany, ohatra, izy, raha nanaraka ny toro lalana raketin’ity didy ity: “Aza manaraka ny maro mba hanao ratsy.” (Ek 23:2) Na izany aza, dia zavatra tsara no resahin’ny Soratra Masina momba azy, tatỳ aoriana. Neken’ny Zanak’Andriamanitra koa fa ara-dalàna ny fisoronan’i Arona sy ny taranany.—Sl 115:10, 12; 118:3; 133:1, 2; 135:19; Mt 5:17-19; 8:4.
it “Jamba”: “Heviny an’ohatra” § 2
Jamba
Nolazaina fa jamba izay nanao ny tsy rariny tany amin’ny fitsarana vokatry ny kolikoly. Imbetsaka ny Lalàna no nampitandrina ny olona mba tsy hanao kolikoly, tsy ho tia tolotolotra ary tsy hiangatra, satria manajamba ny mpitsara ireny sady misakana azy tsy hampihatra ny rariny amin’ny olon-drehetra. “Manajamba ny mason’ny mahiratra ny kolikoly” (Ek 23:8), sady “manajamba ny mason’ny hendry.” (De 16:19) Na tia rariny sy mahira-tsaina toy inona aza ny mpitsara iray, dia mety hanimba azy ihany ny tolotolotra ataon’ny olona, na tsapan’ilay mpitsara izany na tsia. Asehon’ny lalàn’Andriamanitra hoe tsy ny kolikoly ihany no manajamba fa ny fihetseham-po koa. Hoy izy io: “Aza momba ny mahantra satria hoe mahantra izy, nefa aza iangarana koa ny manankarena.” (Le 19:15) Tsy tokony ho ny fihetseham-po na ny fitia te ho mamy hoditra àry no hibaiko ny mpitsara, ka hoe hanameloka ny mpanankarena izy satria fotsiny hoe manankarena ilay olona.—Ek 23:2, 3.
Andao Hikaroka Harena Miafina
“Aza Hadinoina ny Fitiavana Mandray Vahiny”
Tsy nanery ny Israelita hanaja ny olona avy any an-tany hafa i Jehovah, fa nanampy azy ireo hangoraka azy ireny. (Vakio ny Eksodosy 23:9.) Fantatr’izy ireo tsara mantsy “izay tsapan’ny mpivahiny.” Efa tsy tian’ny Ejipsianina ny Israelita na dia mbola tsy andevo aza. Nihevitra ny Ejipsianina fa ambony noho ny hafa ny firazanany. Tsy tian’izy ireo koa ny fivavahan’ny Israelita. (Gen. 43:32; 46:34; Eks. 1:11-14) Nangidy ny fiainan’ny Israelita tany Ejipta. Tsy tian’i Jehovah ho toy izany anefa ny fiainan’ny olona avy any an-tany hafa tonga teo aminy. Tiany hataon’izy ireo “toy ny teratany” ihany izy ireny.—Lev. 19:33, 34.
it “Mikaela” § 1
Mikaela
1. Ilay anjely masina hany voatonona anarana ao amin’ny Baiboly, ankoatra an’i Gabriela. Izy io ihany no antsoina hoe “arkanjely.” (Jd 9) Ao amin’ny Daniela toko faha-10 no ahitana voalohany an’ilay hoe “Mikaela.” “Iray amin’ireo andriana lehibe indrindra” izy, ary tonga nanampy anjely iray niadian’ny “andrianan’ny fanjakan’i Persa.” Izy koa ilay ‘andrianan’ny firenen’i Daniela’, na ‘ilay andriana lehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenen’i Daniela.’ (Da 10:13, 20, 21; 12:1) Izy àry ilay anjely nitarika ny Israelita tany an-tany efitra. (Ek 23:20, 21, 23; 32:34; 33:2) Manamarina izany ny Joda
9 manao hoe: ‘I Mikaela arkanjely nifamaly tamin’ny Devoly sy nifanditra taminy ny amin’ny fatin’i Mosesy.’
Famakiana Baiboly
14-20 SEPTAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | EKSODOSY 25-26
“Ilay Zavatra Sarobidy Indrindra tao Amin’ny Tranolay Masina”
it “Vata Misy ny Fifanekena” § 3
Vata misy ny Fifanekena
Drafitra sy modely. Ny drafitra sy ny modelin’ilay Vata no nomen’i Jehovah an’i Mosesy aloha, rehefa nasainy nanorina ny tranolay masina izy. Ilay Vata mantsy no zava-dehibe indrindra tao amin’ilay tranolay sy ny tobin’ny Israely. Nirefy 2,5 hakiho ny lavany, 1,5 hakiho ny sakany, ary 1,5 hakiho ny haavony (111 x 67 x 67 sm teo ho eo). Vita tamin’ny hazo akasia ilay izy, ary nopetahana takela-bolamena tsy misy fangarony ny atiny sy ivelany. Nisy “sisiny volamena” natao haingony tsara tarehy “manaraka ny molony.” Volamena ranofotsiny fa tsy hazo nopetahana takela-bolamena ny sarony, izay mitovy amin’ny an’ilay Vata ny lavany sy ny sakany. Nisy kerobima volamena roa notefena tamin’ny marotoa teo amin’ny sisiny roa tamin’ilay sarony. Nifanatrika izy ireo sady niondrika, ary nivelatra niakatra teo ambonin’ilay Vata ny elany. (Ek 25:10, 11, 17-22; 37:6-9) Nantsoina koa hoe “sarony fampihavanana” ilay sarony.—1Ta 28:11; He 9:5; jereo SARONY FAMPIHAVANANA.
it “Vata Misy ny Fifanekena”: “Fitokanana sy fampiasana azy” § 2
Vata misy ny Fifanekena
Fitehirizana zava-masina mampahatsiahy zava-nitranga niavaka ilay Vata, ka ireo takela-bato roa misy ny tenin’ny vavolombelona na ny Didy Folo no tena tao foana. (Ek 25:16) Natao tao koa “ny siny volamena nisy ny mana, sy ny tehin’i Arona izay nitsimoka”, saingy nesorina tao talohan’ny nanorenana ny tempolin’i Solomona. (He 9:4; Ek 16:32-34; No 17:10; 1Mp 8:9; 2Ta 5:10) Nomen’i Mosesy an’ireo Levita mpisorona ny “boky misy ny Lalàna”, taloha kelin’ny nahafatesany. Tsy nasainy natao tao amin’ilay Vata anefa izy io, fa ‘teo anilan’ilay Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah Andriamanitra, ho vavolombelona eo hiampanga azy ireo.’—De 31:24-26.
it “Vata Misy ny Fifanekena”: “Fitokanana sy fampiasana azy” § 3
Vata misy ny Fifanekena
Nanatrika teo Andriamanitra. Nanatrika teo amin’ilay Vata foana i Jehovah. Hoy mantsy izy: “Eo aho no hiseho aminao. Dia hiteny aminao eo ambonin’ny saron’ilay Vata aho, eo anelanelan’ireo kerobima roa eo amin’ilay Vata misy ny tenin’ny vavolombelona.” ‘Ao anaty rahona no hisehoako eo ambonin’ilay sarony.’ (Ek 25:22; Le 16:2) “Mipetraka eo amin’ny kerobima” i Jehovah, hoy i Samoela. (1Sa 4:4) ‘Sary mampiseho ny kalesin’i’ Jehovah àry ireo kerobima. (1Ta 28:18) “Isaky ny niditra tao amin’ny tranolay fihaonana mba hiresaka tamin’Andriamanitra i Mosesy, dia nandre an’ilay feo niresaka taminy avy teo ambonin’ny saron’ilay Vata misy ny tenin’ny vavolombelona, avy teo anelanelan’ny kerobima roa. Ary niresaka taminy Andriamanitra.” (No 7:89) Nanontany an’i Jehovah teo anoloan’ilay Vata koa i Josoa sy Finehasa Mpisoronabe, tatỳ aoriana. (Js 7:6-10; Mpts 20:27, 28) Ny mpisoronabe ihany anefa no niditra tao amin’ny Masina Indrindra sy nahita an’ilay Vata, indray mandeha isan-taona, mba hanao fandrakofam-pahotana fa tsy hiresaka amin’i Jehovah akory.—Le 16:2, 3, 13, 15, 17; He 9:7.
Andao Hikaroka Harena Miafina
it “Kerobima” § 2
Kerobima
Nisy sarina kerobima tao amin’ny tranolay masina tany an-tany efitra. Nasiana kerobima volamena notefena tamin’ny marotoa, ohatra, teo amin’ny sisiny roa tamin’ny saron’ny Vata. Nifanatrika ireo kerobima, ary niondrika nijery an’ilay sarony, toy ny hoe nivavaka. Samy nanana elatra roa nivelatra niakatra izy ireo, ary nanakona sy niaro ny saron’ilay Vata ireo elany. (Ek 25:10-21; 37:7-9) Noravahana kerobima natao peta-kofehy koa ny lamba folo nanaovana ny tranolay masina sy ilay ridao nanasaraka ny Masina sy ny Masina Indrindra.—Ek 26:1, 31; 36:8, 35.
it “Mofo Aseho” § 1
Mofo Aseho
Mofo 12 napetraka teo ambony latabatra tao amin’ny Masina, tao amin’ny tranolay masina sy ny tempoly, ary nosoloana isaky ny Sabata. (Ek 35:13; 39:36; 1Mp 7:48; 2Ta 13:11; Ne 10:32, 33) Midika ara-bakiteny hoe “mofo eo anoloan’ny tava” ny teny hebreo nadika hoe mofo aseho. Azo adika koa hoe ‘eo anatrehana’ (2Mp 13:23) ny teny hebreo nadika hoe ‘tava.’ Fanatitra natolotra mandrakariva teo anatrehan’i Jehovah àry ireo mofo aseho. (Ek 25:30) Antsoina koa izy ireo hoe “mofo mifanaingina” (2Ta 2:4) na “mofo atolotra” (Mr 2:26).
Famakiana Baiboly
21-27 SEPTAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | EKSODOSY 27-28
“Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Akanjon’ny Mpisorona?”
it “Orima sy Tomima”: “Mety ho antsapaka” § 2
Orima sy Tomima
Maro ny mpivaofy teny mihevitra fa antsapaka ny Orima sy Tomima. “Antsapaka masina” no ilazan’ny Baibolin’i James Moffatt azy ireo, ao amin’ny Eksodosy 28:30. Misy mihevitra hoe zavatra telo izy ireo, ka ny iray misy soratra hoe “eny”, ny iray hoe “tsia”, ary ny fahatelo tsy misy. Voavaly ny fanontaniana raha ilay “eny” na “tsia” no voaray, raha tsy hoe angaha ilay tsy misy soratra no voaray. Misy kosa milaza fa mety ho vato fisaka roa izy ireo, ka fotsy ny ambadika ary mainty ny ambadika. Rehefa atsipy ireo vato, dia midika hoe “eny” ny hoe samy fotsy no miseho, ary hoe “tsia” raha samy mainty. Tsy misy valiny kosa raha fotsy ny iray ary mainty ny iray. Tsy nahazo valiny, ohatra, i Saoly rehefa nasainy nanontany ny mpisorona raha hamely an’ireo Filistinina indray izy ireo na tsia. Nihevitra i Saoly hoe nisy olony nanota, ka niangavy izy hoe: “Omeo anay ny Tomima, ry Andriamanitry ny Israely ô!” Voatana i Saoly sy Jonatana, ary natao ny antsapaka hahitana hoe iza tamin’izy mianaka no diso. Toa tsy tamin’ilay nanao antsapaka i Saoly no niangavy hoe “Omeo anay ny Tomima.” Mety hidika ihany anefa izany hoe antsapaka ny Tomima.—1Sa 14:36-42.
it “Handrina”: “Mpisoronabe teo amin’ny Israely”
Handrina
Mpisoronabe teo amin’ny Israely. Nisy takela-bolamena teo amin’ny satroka lamban’ny mpisoronaben’ny Israely, izany hoe teo anoloana, teo ambonin’ny handriny. Io takela-bolamena io no “famantarana masina hoe voatokana” izy. ‘Natao sokitra toy ny fanao tamin’ny tombo-kase’ teo amin’izy io ny soratra hoe: “An’i Jehovah ny fahamasinana.” (Ek 28:36-38; 39:30, f.a.p.) Ny mpisoronabe no tena solontenan’i Jehovah teo amin’ny fanompoana, ka tokony ho masina foana izy. Fampahatsiahivana an’ireo Israelita koa io soratra io hoe tokony ho masina foana izy ireo satria manompo an’i Jehovah. Io takela-bolamena io dia manondro mialoha ny anjara asan’i Jesosy Kristy ilay Mpisoronabe notendren’i Jehovah hanandratra ny fahamasinany.—He 7:26.
Aoka Ianao ho Mendrika mba ho Fanajana An’i Jehovah
Tokony ho mendrika kokoa isika, rehefa manao zavatra mifandray amin’ny fanompoana. Hoy ny Mpitoriteny 4:17: “Tandremo ny tongotrao, raha mankao an-tranon’Andriamanitra hianao.” Samy nasaina nanala ny kapany i Mosesy sy Josoa, rehefa nijoro teo amin’ny tany masina. (Eks. 3:5; Josoa 5:15) Fanehoana fanajana na fanomezam-boninahitra izany. Tsy maintsy nanao kalisaona na kilaoty lava vita amin’ny rongony fotsy koa ny mpisoron’ny Israely, mba “hanarona ny fitanjahany.” (Eks. 28:42, 43) Mendrika tsara àry ny fitafiany, rehefa nanompo teo amin’ny alitara izy ireo. Tokony ho mendrika koa ny fianakavian’ny mpisorona.
Andao Hikaroka Harena Miafina
Fantatrao Ve?
Taiza no nahazoana ireo vatosoa teo amin’ny saron-tratran’ny mpisoronabe fahiny?
Rehefa niala tany Ejipta ny Israelita ary tonga tany an-tany efitra, dia nandidy ny mpisoronabe hanao saron-tratra i Jehovah. (Eksodosy 28:15-21) Nisy vatosoa teo amin’ilay saron-tratra, toy ny robia, topaza, emeraoda, torkoazy, safira, jaspa, lesema, agata, ametista, krizolita, oniksa, ary jady. Taiza no nahazoan’ny Israelita an’ireo?
Tena tian’ny olona fahiny ny vatosoa ary nampiasainy tamin’ny varotra. Avy tany amin’ny toerana lavitra be, ohatra, no nahazoan’ny Ejipsianina vatosoa. Nisy avy tany Iran sy Afghanistan ankehitriny, ary mety ho nisy koa aza avy tany Inde. Nisy vatosoa isan-karazany koa tany amin’ny toerana fitrandrahan’ny Ejipsianina. Nanana fahefana hitrandraka vatosoa tany amin’ny faritra nofeheziny ny mpanjaka ejipsianina. Notantarain’i Joba fa nihady lavaka tany ambanin’ny tany ny mpiara-belona taminy mba hitrandrahana zava-tsarobidy. Be dia be ny azon’izy ireo, fa ny safira sy ny topaza no tena noresahin’i Joba.—Joba 28:1-11, 19.
Milaza ny Eksodosy 12:35, 36 fa rehefa nandao an’i Ejipta ny Israelita, dia nataon’izy ireo “fongana ny fananan’ny Ejipsianina.” Mety ho avy tany Ejipta àry no nahazoan’ny Israelita ireo vatosoa natao teo amin’ny saron-tratran’ny mpisoronabe.
it “Fahamasinana”: “Biby sy vokatra”
Fahamasinana
Biby sy vokatra. Neken’i Jehovah hoe masina ny lahy voalohan-teraky ny omby sy ondry ary osy, ka tsy azo avotana fa tokony hatao sorona. Nomena an’ireo nohamasinina ho mpisorona ny ampahany tamin’ilay izy. (No 18:17-19) Masina koa ny voaloham-bokatra sy ny ampahafolon-karena ary ny sorona sy ny fanomezana rehetra nohamasinina ho an’ny fanompoana tao amin’ny toerana masina. (Ek 28:38) Tsy tokony hatao tsinontsinona, na hampiasaina amin’ny fiainana andavanandro, na hozimbazimbaina ny zavatra heverin’i Jehovah hoe masina. Ahitana izany, ohatra, ny lalàna momba ny ampahafolon-karena. Raha nisy lehilahy nanokana ampahafolon-karena tamin’ny vokatra varimbazaha, nefa nisy tamin’ny ankohonany na ny tenany koa aza naka tsy nahy tamin’ilay izy ary nampiasa izany tao an-trano, angamba nahandro an’ilay izy, dia meloka ho nandika ny lalàna momba ny zava-masina ilay lehilahy. Nasain’ny Lalàna nanonitra an’ilay izy tany amin’ny toerana masina izy sady mbola nanampy ampahadiminy, ary nitondra ondrilahy tsy misy kilema hatao fanatitra. Natao izany mba hanajana fatratra ny zava-masin’i Jehovah.—Le 5:14-16.
Famakiana Baiboly
28 SEPTAMBRA–4 OKTOBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | EKSODOSY 29-30
“Fanomezana ho An’i Jehovah”
it “Fanisam-bahoaka”: “Tany Sinay” § 1
Fanisam-bahoaka
Tany Sinay. Nitoby tany Sinay ny Israely ny volana faharoan’ny taona faharoa taorian’ny fanafahana avy tany Ejipta. Tany izy ireo no nasain’i Jehovah nisaina voalohany. Mpiadidy iray isaky ny foko no nofidina hanampy an’i Mosesy, ka niandraikitra sy nanara-maso ny fanisana an’ireo tao amin’ny fokony izy. Nosoratana anarana ny lehilahy rehetra 20 taona no ho miakatra (azo nalefa tao amin’ny tafika), ary nasaina nandoa hetra isan-dahy antsasaky ny sekely (1,10 dolara) avy, ho an’ny tranolay masina. (Ek 30:11-16; No 1:1-16, 18, 19) Nisy 603 550 izy rehetra. Tsy anisan’izany ny Levita izay tsy nandoa hetra ho an’ny tranolay masina, sady tsy homena lova ao amin’ilay tany ary tsy hanao miaramila.—No 1:44-47; 2:32, 33; 18:20, 24.
it “Fanomezana”: “Fanomezana ho an’ny toerana masina” § 2
Fanomezana
Nisy fanomezana notakin’ny Lalàna. Samy hanome “antsasaky ny sekely [angamba 1,10 dolara], araka ny sekelin’ny toerana masina”, ohatra, ny lahy rehetra 20 taona no ho miakatra, ho vidin’ny fanavotana ny ainy, rehefa nisain’i Mosesy ny Israelita. “Fanomezana ho an’i Jehovah” ilay izy, handrakofana ny fahotan’izy ireo sy “hampiasaina amin’ny fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana.” (Ek 30:11-16) Naloa isan-taona io “hetra masina” io, hoy i Josèphe, Jiosy mpahay tantara (Ny Adin’ny Jiosy, VII, 218 [vi, 6]).—2Ta 24:6-10; Mt 17:24; jereo HETRA.
Fantatrao Ve?
Avy aiza ny vola nanohanana ny asa fanompoana tao amin’ny tempolin’i Jehovah tany Jerosalema?
Ny hetra no nanohanana ny asa tao amin’ny tempoly, dia ny ampahafolon-karena izay tsy maintsy naloan’ny olona. Nisy vola hetra hafa koa anefa nampiasaina. Tamin’ny fotoana nanorenana ny tranolay masina, ohatra, dia nasain’i Jehovah nanangona antsasaky ny sekely volafotsy avy tamin’ny Israelita i Mosesy. Izay voasoratra anarana no nanome an’izany mba hatao “fanomezana ho an’i Jehovah.”—Eksodosy 30:12-16.
Toa lasa fahazaran’ny Jiosy ny nandoa an’io antsasaky ny sekely io isan-taona mba hatao hetran’ny tempoly. Io hetra io ilay nasain’i Jesosy naloan’i Petera, ka ilay vola madinika avy tao am-bavan’ny trondro iray no nandoavana izany.—Matio 17:24-27.
Andao Hikaroka Harena Miafina
it “Tanana”: “Mametra-tanana” § 1
Tanana
Mametra-tanana. Tsy natao hitazonana zavatra fotsiny ny tanana, fa nampiasaina koa rehefa nametra-tanana tamin’ny olona na zavatra, ary nisy antony maro nanaovana izany. Matetika anefa izy io no natao hanendrena na hampahafantarana olona na zavatra iray. Nametra-tanana teo amin’ny lohan’ilay ombilahy sy ondrilahy roa, ohatra, i Arona sy ny zanany lahy, rehefa natolotra ny sorona fametrahana azy ireo teo amin’ny toerany. Midika izany fa neken’izy ireo hoe ho azy no nanaovana sorona an’ireo biby ireo mba hahatongavany ho mpisorona ho an’i Jehovah Andriamanitra. (Ek 29:10, 15, 19; Le 8:14, 18, 22) Nametra-tanana tamin’i Josoa koa i Mosesy rehefa nanendry an’i Josoa handimby azy. Izany mantsy no nasain’Andriamanitra nataon’i Mosesy. “Feno fanahim-pahendrena” i Josoa taorian’izay ka afaka nitarika ny Israely. (De 34:9) Nametra-tanana tamin’izay tokony hahazo tsodrano ny olona nanan-jo hanao izany. (Ge 48:14; Mr 10:16) Nikasika na nametra-tanana tamin’ny olona sasany nositraniny i Jesosy Kristy. (Mt 8:3; Mr 6:5; Lk 13:13) Nandray ny fanahy masina ny olona sasany rehefa nametra-tanana tamin’izy ireo ny apostoly.—As 8:14-20; 19:6.
it “Voahosotra, Fanosorana”: “Fanosorana amin’ny heviny manokana” § 4
Voahosotra, Fanosorana
Nolazain’i Jehovah tao amin’ny Lalàn’i Mosesy hoe inona avy ireo zavatra faran’izay tsara nila nafangaro, mba hanamboarana an’ilay menaka masina fanosorana: Miora, kanelina, harefo mani-pofona, kasia, ary menaka oliva. (Ek 30:22-25) Novonoina ho faty izay nanamboatra menaka mitovy amin’io, sy nampiasa izany tamin-javatra tsy nahazoana alalana. (Ek 30:31-33) Tena zava-dehibe sy masina àry ny fanendrena ny olona iray sy ny fanosorana azy tamin’ny menaka masina.
Famakiana Baiboly