Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
2-8 NOVAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | EKSODOSY 39-40
“Nanaraka Toromarika i Mosesy”
Fantatr’i Jehovah ve Ianao?
13 Tsy nitovy tamin’i Kora i Mosesy, satria izy no ‘be fandeferana indrindra tamin’ny olona teto an-tany.’ (Nom. 12:3) Nandefitra sy nanetry tena izy, ka nankatò an’izay rehetra nasain’i Jehovah nataony. (Eks. 7:6; 40:16) Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe namalivaly an’i Jehovah i Mosesy, na tezitra satria tsy maintsy nanaraka ny toromarika nomeny. Be pitsipitsiny, ohatra, ny tranolay nasainy naorin’i Mosesy. Nolazainy hatramin’ny lokon’ny kofehy sy ny isan’ny vona hatao eo amin’ny lamban’ilay tranolay. (Eks. 26:1-6) Sorena isika indraindray rehefa be tsipiriany ny toromarika omen’ny mpiandraikitra eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah. Tadidio anefa fa toromarika avy amin’i Jehovah ireny. Mpiandraikitra lavorary izy, ka fantany tsara hoe ho vitantsika ny hanaraka ny toromarika omeny. Izany no mahatonga azy ho tia mampanao zavatra antsika. Misy antony tsara matoa izy manome tsipiriany be dia be indraindray. Tsy tezitra tamin’i Jehovah àry i Mosesy, sady tsy nihevitra hoe manambany azy i Jehovah na tsy mba mamela azy hitady hevitra. Nanaraka tsara ny toromarik’Andriamanitra izy sy izay niara-niasa taminy. (Eks. 39:32) Tena nanetry tena i Mosesy! Fantany fa asan’i Jehovah ilay izy, ary nirahina hamita an’izany fotsiny izy.
Mahatoky Amin’ny Zava-drehetra ve Ianao?
3 “Mosesy, izay mpanompo, dia nahatoky”, hoy ny Hebreo 3:5. Nahoana no nolazaina fa nahatoky io mpaminany io? Satria “araka izay rehetra efa nandidian’i Jehovah azy no nataony”, rehefa nanorina ny tabernakely izy. (Eksodosy 40:16) Asehontsika mpivavaka amin’i Jehovah fa mahatoky isika, raha mankatò sy manompo azy. Tsy misy isalasalana fa tafiditra amin’izany ny hoe tsy mivadika aminy, rehefa tojo fitsapana lehibe na fisedrana mafy. Tsy izany ihany anefa no isehoan’ny fahatokiantsika. Hoy i Jesosy: “Izay mahatoky amin-javatra madinika dia mahatoky koa amin’ny zava-dehibe, ary izay tsy marina amin-javatra madinika dia tsy marina koa amin’ny zava-dehibe.” (Lioka 16:10) Tsy maintsy mahatoky foana isika, na dia amin’ny zavatra heverina ho madinika aza.
Andao Hikaroka Harena Miafina
it “Hoditra Faoky”: “Fomba nahazoan’ny Israelita azy”
Hoditra Faoky
Fomba nahazoan’ny Israelita azy. Raha faoky ilay tahash, ahoana no fomba nahazoan’ny Israelita ny hodiny? Any amin’ny Tendrontany Avaratra sy Atsimo no tena misy faoky. Misy koa anefa any amin’ny toerana mafana kokoa. Mbola ahitana karazany iray any amin’ny Ranomasina Mediterane sy ny ranomasina mafana kokoa. Maro be ny faoky efa naripaky ny olona, nefa mety ho be dia be izy ireny fahiny tany amin’ny Ranomasina Mediterane sy ny Ranomasina Mena. Hoy ny Diksioneran’ny Baiboly Masina nataon’i Calmet (fanontana anglisy, 1832, p. 139): “Ahitana faoky eny amin’ny nosy kely maro any amin’ny Ranomasina Mena, manodidina ny Saikinosin’i Sinay.”—Jereo koa Ny Fampianarana Momba ny Tranolay Masina, nataon’i A. Pollock, Londres, p. 47.
Nanao raharaham-barotra teny amoron’ny Ranomasina Mena ny Ejipsianina fahiny. Nahazo entam-barotra avy tany amin’ny faritra eran’i Mediterane koa izy ireo, ka nanana hoditra faoky. Mety ho nitondra an’izay hoditra faoky efa nananany àry ny Israelita niala tany Ejipta, ary mety ho nahazo tamin’ny Ejipsianina koa, rehefa nomen’izy ireo zava-tsarobidy maro.—Ek 12:35, 36.
Tsy mba Misy Mahamarika ve ny Asanao?
“Nanarona ny tranolay fihaonana ny rahona, ka feno ny voninahitr’i Jehovah ny tranolay” rehefa vita tanteraka. (Eks. 40:34) Porofo izany fa tena tian’i Jehovah ilay izy. Inona re no tsapan’i Bezalila sy Oholiaba tamin’izay e? Marina fa tsy nosoratana teo amin’ny asa tanan’izy ireo ny anarany. Tsy maintsy ho afa-po anefa izy ireo nahalala hoe nitahy ny ezaka rehetra nataony Andriamanitra. (Ohab. 10:22) Azo antoka fa faly izy ireo nahita hoe mbola nampiasaina tamin’ny fanompoana an’i Jehovah nandritra ny taona maro ny asa tanany. Azo inoana fa ho faly be koa izy ireo rehefa hatsangana amin’ny maty ao amin’ny tontolo vaovao. Ho fantany mantsy fa nampiasaina tamin’ny fivavahana marina nandritra ny 500 taona teo ho eo ilay tranolay.
Famakiana Baiboly
9-15 NOVAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | LEVITIKOSY 1-3
“Ny Tanjona Tamin’ireo Fanatitra”
it “Fanatitra”: “Teo ambanin’ny Lalàna” § 2
Fanatitra
Fanatitra dorana. Natolotra manontolo ho an’Andriamanitra ny fanatitra dorana, fa tsy nisy ampahany ho an’ilay nanome fanatitra. (Ampit. Mpts 11:30, 31, 39, 40.) Fiangaviana an’i Jehovah hanaiky ny fanatitra noho ny ota nampiarahina taminy tsindraindray izy io. Toy ny “fanatitra dorana” i Jesosy Kristy satria ny tenany manontolo no natolony.
it “Fanatitra”: “Teo ambanin’ny Lalàna” § 30
Fanatitra
Fanatitra varimbazaha. Nampiarahina tamin’ny fanatitra iombonana sy fanatitra dorana ary fanatitra noho ny ota izy io, na natolotra ho voaloham-bokatra. Nisy fotoana koa natolotra irery ny fanatitra varimbazaha. (Ek 29:40-42; Le 23:10-13, 15-18; No 15:8, 9, 22-24; 28:9, 10, 20, 26-28; toko 29) Te hisaotra an’Andriamanitra ilay olona noho ny fitahiany sy ny zava-tsoa maro be nomeny. Matetika no nampiarahina tamin’ny menaka sy ditin-kazo manitra ilay fanatitra, izay mety ho lafarinina tsara toto, voa natono, mofo boribory na mofo fisaka nandrahoana tao anaty lafaoro na lasitra na nendasina tao anaty vilany. Nisy nodorana teo ambonin’ny alitaran’ny fanatitra dorana ilay izy, ary nisy nohanin’ny mpisorona. Nihinana koa ilay nanolotra, raha fanatitra iombonana ilay izy. (Le 6:14-23; 7:11-13; No 18:8-11) Tsy azo nasiana lalivay na “tantely” (toa ranom-boankazo marihitra vita tamin’ny aviavy na ranom-boankazo tsotra) ny fanatitra varimbazaha, satria mety hivadika ho toaka ireny.—Le 2:1-16.
it “Fanatitra”: “Teo ambanin’ny Lalàna” § 6
Fanatitra
Fanatitra iombonana (na fanati-pihavanana). Nihavana tamin’i Jehovah ny olona iray matoa nekeny ny fanatitra iombonana natolotr’ilay olona. Nihinana tamin’ilay fanatitra ilay olona sy ny ankohonany (teo an-tokotanin’ny tranolay masina; nilaza ny lovantsofina fa nisy trano rantsankazo teo amin’ilay tokotany voahodidin’ny fefy lamba; nisy efitra fisakafoana kosa tao amin’ny tempoly). Nahazo ampahany ilay mpisorona nanao ilay fanatitra sy ireo mpisorona nanompo tamin’izay. An’i Jehovah kosa ny hanitry ny tavin-kena nodorana. Nomena azy koa ny ra izay misy ny aina. Toy ny hoe niara-nisakafo àry ny mpisorona sy ilay nanome fanatitra ary Jehovah, ka nihavana tsara. Tokony haringana tsy ho eo amin’ny fireneny kosa ilay nanome fanatitra raha naloto araka ny Lalàna, na nihinana ny henan’ilay fanatitra najanona mihoatra ny roa andro (efa nihasimba satria nafana ny andro). Nandoto na nanazimbazimba an’ilay hena mantsy izy, satria naloto na nihinana zavatra naloto tamin’i Jehovah Andriamanitra, ka tsy nanaja zava-masina.—Le 7:16-21; 19:5-8.
Andao Hikaroka Harena Miafina
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Levitikosy
2:13—Nahoana no tsy maintsy nasiana sira ny ‘fanatitra rehetra’? Tsy natao hanatsarana ny tsiron’ny fanatitra akory izany. Ampiasain’ny olona eran-tany ny sira, mba hiarovan-javatra tsy ho simba. Azo inoana àry fa nasiana sira ny fanatitra, satria midika ho zavatra tsy simba na tsy lo ny sira.
it “Tavy”: “Lalàna momba ny tavin-kena” § 4
Tavy
Antony nanomezana ilay lalàna. Natokana ho an’i Jehovah irery ihany ny ra sy ny tavin-kena, araka ny Lalàna. Ao amin’ny ra mantsy ny aina, ary i Jehovah ihany no afaka manome azy io. An’i Jehovah àry ny ra. (Le 17:11, 14) Ny taviny kosa no noheverina ho ampahany tsara indrindra tamin’ny henam-biby. Natolotra ho an’i Jehovah àry ny taviny satria azy izay tsara indrindra. Efa manome zavatra be dia be mantsy izy, ka mba tian’ny mpanompony hatolotra azy ny tsara indrindra. “Sakafo” sy “hanitra mampitony” an’i Jehovah àry ny taviny nodorana mba hidona-tsetroka teo ambony alitara. (Le 3:11, 16) Efa nohamasinina ho an’i Jehovah ny tavin-kena, ka toy ny hoe mangalatra ny anjarany na manitsakitsaka ny zony ny olona mihinana an’ilay izy. Novonoina ho faty àry izay nihinana tavin-kena. Tsy toy ny ra anefa ny tavin-kena fa azo nampiasaina tamin-javatra hafa. Toy izany ohatra ny tavin’ny biby maty ho azy na noviraviraim-biby.—Le 7:23-25.
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Levitikosy
3:17. Noheverina ho ampahany tsara indrindra na be otrikaina indrindra tamin’ny biby, ny sabora na ny taviny. Noho izany, rehefa norarana tsy hohanin’ny Israelita izy io, dia lasa takany fa an’i Jehovah ny anjara tsara indrindra. (Genesisy 45:18) Mampahatsiahy antsika izany, fa tokony hanome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah isika.—Ohabolana 3:9, 10; Kolosianina 3:23, 24.
Famakiana Baiboly
16-22 NOVAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
“Omeo ny Tsara Indrindra i Jehovah”
it “Fanatitra”: “Teo ambanin’ny Lalàna” § 23
Fanatitra
Fanatitra noho ny heloka. Fanatitra noho ny ota koa izy io, ary natolotr’izay meloka ho nanota. Misy tsy itovizany amin’ny fanatitra noho ny ota hafa anefa. Mety ho nanitsakitsaka ny zon’i Jehovah na ny zon’ilay fireneny masina mantsy ilay olona. Nila nanonitra an’izay tsy nety nataony àry izy ka nanolotra fanatitra noho ny heloka, mba hahazoany indray ny zony sasany ka tsy hosazina noho ny fahotany izy na mba hanajana indray ny zon’i Jehovah.—Ampit. Is 53:10.
Fantany ny Fetran’ny Mety ho Vitantsika
Asehon’ny Lalàna fa be fiahiana i Jehovah. Izao no voalaza ao: “Fa raha tsy takatry ny volany ny ondry, dia domohina roa na zana-boromailala roa no hoentiny ho an’i Jehovah, ho fanatitra noho ny heloka, noho ny nanotany.” (Andininy 7) Raha nahantra àry ilay Israelita ka tsy nahavidy ondry, dia nahafaly an’Andriamanitra ny domohina roa na voromailala roa nataony fanomezana, satria izay no takatry ny volany.
Fantany ny Fetran’ny Mety ho Vitantsika
Ahoana raha mbola tsy takatry ny volan’ilay olona na dia vorona roa aza? “Dia lafarinina tsara toto ampahafolon’ny efaha [iray kilao eo ho eo] no hoentiny ho fanatitra noho ny ota, noho izy nanota”, hoy ny Lalàna. (Andininy 11) Ny tena nahantra ihany no navelan’i Jehovah hanao an’io fanatitra io. Tokony hisy ra mantsy ny fanatitra noho ny ota. Tsy hoe nahantra àry akory ny Israelita iray dia tsy hahazo famelan-keloka, na tsy ho afaka hifandray tsara amin’Andriamanitra.
Andao Hikaroka Harena Miafina
Tahafo Ireo Mpanompon’i Jehovah Tsy Nivadika
14 Raha tsara fanahy ianao, dia ho vitanao ny tsy hivadika amin’i Jehovah sady tsy hivadika amin’ny olon-kafa. Aoka hatao hoe manana porofo marim-pototra ianao fa nanao fahotana lehibe ny Kristianina iray. Tsy te hivadika aminy ianao, indrindra raha namanao akaiky na havanao izy. Mivadika amin’i Jehovah anefa ianao, raha manafina ny ratsy nataony. I Jehovah no voalohany tsy tokony hivadihanao. Tahafo i Natana, ka miezaha ho tsara fanahy nefa hentitra. Asaivo manatona anti-panahy ilay namanao na havanao. Omeo fotoana ampy tsara hanaovana an’izany izy. Raha efa dila ilay fotoana nefa tsy nankany izy, dia miresaha amin’ny anti-panahy. Tsy mivadika amin’i Jehovah ianao sady tsara fanahy amin’ilay namanao na havanao, raha manao an’izany. Hiezaka hanitsy azy amim-pahalemem-panahy mantsy ny anti-panahy.—Vakio ny Levitikosy 5:1; Galatianina 6:1.
it “Fahamasinana”: “Biby sy vokatra”
Fahamasinana
Biby sy vokatra. Neken’i Jehovah hoe masina ny lahy voalohan-teraky ny omby sy ondry ary osy, ka tsy azo avotana fa tokony hatao sorona. Nomena an’ireo nohamasinina ho mpisorona ny ampahany tamin’ilay izy. (No 18:17-19) Masina koa ny voaloham-bokatra sy ny ampahafolon-karena ary ny sorona sy ny fanomezana rehetra nohamasinina ho an’ny fanompoana tao amin’ny toerana masina. (Ek 28:38) Tsy tokony hatao tsinontsinona, na hampiasaina amin’ny fiainana andavanandro, na hozimbazimbaina ny zavatra heverin’i Jehovah hoe masina. Ahitana izany, ohatra, ny lalàna momba ny ampahafolon-karena. Raha nisy lehilahy nanokana ampahafolon-karena tamin’ny vokatra varimbazaha, nefa nisy tamin’ny ankohonany na ny tenany koa aza naka tsy nahy tamin’ilay izy ary nampiasa izany tao an-trano, angamba nahandro an’ilay izy, dia meloka ho nandika ny lalàna momba ny zava-masina ilay lehilahy. Nasain’ny Lalàna nanonitra an’ilay izy tany amin’ny toerana masina izy sady mbola nanampy ampahadiminy, ary nitondra ondrilahy tsy misy kilema hatao fanatitra. Natao izany mba hanajana fatratra ny zava-masin’i Jehovah.—Le 5:14-16.
Famakiana Baiboly
23-29 NOVAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | LEVITIKOSY 6-7
“Mahaiza Mankasitraka”
Inona no Azontsika Ianarana avy Amin’ny Levitikosy?
9 Lesona faharoa: Manompo an’i Jehovah isika satria mankasitraka azy. Mba hahitana hoe zava-dehibe izany, dia andao handinika ny sorona iombonana nataon’ny Israelita. Hitantsika ao amin’ny Levitikosy hoe ho “fisaorana” an’i Jehovah no nahatonga ny Israelita iray hanolotra sorona iombonana. (Lev. 7:11-13, 16-18) An-tsitrapo io sorona io fa tsy noterena. Ny fitiavany an’i Jehovah Andriamaniny no nahatonga azy hanao an’izany. Nihinana ny hena tamin’ilay sorona izy sy ny fianakaviany ary ny mpisorona avy eo. Natokana ho an’i Jehovah anefa ny ampahany sasany tamin’ilay biby. Inona izany?
Fanatitra Nampifaly An’Andriamanitra
15 Fanatitra hafa iray natao an-tsitrapo ny fanati-pihavanana, na sorona fiombonana (NW), lazalazaina ao amin’ny Levitikosy toko faha-3. Azo adika koa hoe “sorona fanati-pihavanana” io anarana io. Amin’ny teny hebreo, ny teny hoe fihavanana na “fiadanana” dia manondro zavatra be lavitra noho ny tsy fisian’ny ady na korontana. “Manondro izany izy io ao amin’ny Baiboly, nefa koa manondro fihavanana amin’Andriamanitra na fananana fifandraisana milamina aminy, fanambinana ara-nofo, fifaliana, sy fahasambarana”, hoy ilay boky hoe Studies in the Mosaic Institutions. Araka izany, dia tsy natolotra mba hahazoana fihavanana tamin’Andriamanitra, toy ny hoe hampitonena azy, ny sorona fiombonana na fanati-pihavanana, fa natolotra kosa mba hanehoam-pankasitrahana na hankalazana ilay fitahiana azon’ireo olona nankasitrahan’Andriamanitra, dia ny fihavanana taminy. Niara-nihinana ilay fanatitra ny mpisorona sy ilay nanolotra, rehefa avy natolotra ho an’i Jehovah ny ra sy ny saborany. (Levitikosy 3:17; 7:16-21; 19:5-8). Tamin’ny fomba kanto sy tamin’ny heviny ara-panoharana, dia niara-nisakafo ilay nanolotra sy ny mpisorona ary i Jehovah Andriamanitra, ka nidika izany fa nisy fihavanana teo amin’izy ireo.
Fanati-piderana Mampifaly An’i Jehovah
8 Ahoana ny amin’ilay olona nanao fanatitra? Nambaran’ny Lalàna fa tsy maintsy nadio sy tsy nisy loto izay rehetra tonga teo anatrehan’i Jehovah. Ny olona iray izay nanjary naloto na inona na inona antony, dia tsy maintsy nanolotra fanatitra noho ny ota na fanati-panonerana aloha, mba hananany toerana madio indray teo anatrehan’i Jehovah. Amin’izay vao nety ho nankasitrahan’Andriamanitra ny fanatitra dorana na ny fanati-pihavanana nataony. (Levitikosy 5:1-6, 15, 17). Takatsika àry ve ny maha zava-dehibe ny hihazonana toerana madio hatrany eo anatrehan’i Jehovah? Raha irintsika hankasitrahan’Andriamanitra ny fanompoam-pivavahantsika, dia tsy maintsy mailaka manitsy izay rehetra fandikana ny lalàn’Andriamanitra isika. Tokony ho mailaka isika hanararaotra ireo fomba nomen’Andriamanitra mba hahazoana fanampiana, dia “ireo loholon’ny kongregasiona” sy ilay “avotra noho ny fahotantsika”—Jesosy Kristy.—Jakoba 5:14, NW; 1 Jaona 2:1, 2.
Andao Hikaroka Harena Miafina
it “Afo”: “Nampiasain’Andriamanitra sy ny vahoakany” § 2
Afo
Tao amin’ny tranolay masina sy tempoly. Nampiasaina tao amin’ny tranolay sy ny tempoly ny afo. Nandoro emboka manitra teo ambonin’ny alitaran’ny emboka manitra ny mpisoronabe, isa-maraina sy teo anelanelan’ny takariva roa. (Ek 30:7, 8) Voalazan’ny Lalàna fa tokony havela hirehitra foana ny afo teo ambonin’ny alitaran’ny fanatitra dorana. (Le 6:12, 13) Nino ny Jiosy sy ny olona maro hoe Andriamanitra no nandrehitra an’ilay afo tamin’ny fomba mahagaga. Tsy milaza izany anefa ny Baiboly. Nomen’i Jehovah toromarika mantsy i Mosesy hoe tokony ‘hitondra vainafo eo ambony alitara sy handahatra kitay eo ambony afo’ ny zanakalahin’i Arona, vao nametraka fanatitra teo ambonin’ilay alitara. (Le 1:7, 8) Efa taorian’ny nametrahana an’ireo mpisorona (i Arona sy ny zanany) teo amin’ny toerany sy taorian’ny nanolorana an’ireo fanatitra, vao nandevona an’ireo fanatitra teo ambonin’ilay alitara ny afo avy tamin’i Jehovah, izay mety ho avy tamin’ilay rahona teo ambonin’ny tranolay. Ny ‘handoro tanteraka ny fanatitra dorana sy ireo taviny teo ambony alitara’ àry no antony nampisy an’ilay afo tamin’ny fomba mahagaga, fa tsy ny handrehitra ny kitay teo amin’ilay alitara akory. Azo inoana fa fitambaran’ilay afo avy tamin’Andriamanitra sy ilay afo efa teo ambony alitara, ilay afo tsy nitsahatra nirehitra teo ambony alitara. (Le 8:14–9:24) Nandatsaka afo handevonana an’ireo fanatitra natolotra tamin’ny fitokanana ny tempoly koa i Jehovah, raha vao vita ny vavak’i Solomona.—2Ta 7:1; jereo koa Mpts 6:21; 1Mp 18:21-39; 1Ta 21:26, izay milaza fa nandatsaka afo i Jehovah rehefa nekeny ny fanatitry ny mpanompony.
Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-3— Levitikosy
15 3) Ny fanatitra noho ny ota kosa dia notakina noho ireo ota tsy niniana natao, na ota tsy nahy. Ny karazam-biby natolotra dia arakaraka ilay olona nangatahana fanavotana noho ilay ota nataony— ny mpisorona, ny vahoaka tamin’ny fitambarany, ny mpanapaka iray, na ny olona tsotra iray. Tsy nitovy tamin’ireo fanatitra nodorana sy fanati-pihavanana natao an-tsitrapo ho an’ny isam-batan’olona, ny fanatitra noho ny ota, fa zavatra tsy maintsy natao.— 4:1-35; 6:24-30.
Famakiana Baiboly
30 NOVAMBRA–6 DESAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | LEVITIKOSY 8-9
“Porofon’ny Fitahian’i Jehovah”
it “Fametrahana Mpisorona eo Amin’ny Toerany” § 4
Fametrahana Mpisorona eo Amin’ny Toerany
Nosasan’i Mosesy (na nasainy nisasa) teo amin’ilay koveta varahina teo an-tokotany i Arona sy ny zanany lahy, dia i Nadaba, Abiho, Eleazara, ary Itamara. Nampanaoviny an’i Arona ny akanjon’ny mpisoronabe avy eo. (No 3:2, 3) Tsara tarehy sy mihaja ilay izy, ary nifanentana tamin’ny mpisoronabe sy ny andraikiny. Nohosoran’i Mosesy ny tranolay masina sy ny fitaovana rehetra tao, ny alitaran’ny fanatitra dorana sy ny kovetabe mbamin’ny fitaovany rehetra. Nohamasinina izy rehetra ireo, ka voatokana hanompoana an’Andriamanitra irery ihany. Farany, nandrarahan’i Mosesy menaka masina ny lohan’i Arona ka nohosorany izy.—Le 8:6-12; Ek 30:22-33; Sl 133:2.
it “Fametrahana Mpisorona eo Amin’ny Toerany”: “Vita ilay fametrahana mpisorona teo amin’ny toerany” § 2
Fametrahana Mpisorona eo Amin’ny Toerany
Voapetraka tanteraka teo amin’ny toerany ny mpisorona, ka nanomboka ny asany ny andro fahavalo (tsy nampian’i Mosesy intsony). Nanao fandrakofam-pahotana ho an’ny firenen’Israely izy ireo. Nila nodiovina ho afaka tamin’ny ota mantsy ilay firenena, satria mpanota sady vao avy nivavaka tamin’ilay zanak’omby volamena ka nampahatezitra an’i Jehovah. (Le 9:1-7; Ek 32:1-10) Nankasitraka an’io fanompoana voalohany io i Jehovah, ary nanamafy ny fanendreny an’ireo mpisorona. Nandatsaka afo avy teo amin’ilay andry rahona teo ambonin’ny tranolay masina àry izy, ka levona ny ambiny tamin’ilay sorona teo ambony alitara.—Le 9:23, 24.
Inona no Azontsika Ianarana avy Amin’ny Levitikosy?
13 Lesona fahefatra: Tahin’i Jehovah ny ampahany eto an-tany amin’ny fandaminany. Diniho izay nitranga tamin’ny 1512 T.K. rehefa natsangana teo am-pototry ny Tendrombohitra Sinay ny tranolay masina. (Eks. 40:17) Nisy fankalazana natao tamin’izay mba hanendrena an’i Arona sy ny zanany lahy ho mpisorona, ary i Mosesy no nitarika an’ilay izy. Sambany ireo mpisorona ireo vao nanolotra sorona biby, ary nanatrika teo koa ny firenen’Israely. (Lev. 9:1-5) Ahoana no nampisehoan’i Jehovah hoe nankasitraka an’ireo mpisorona vao notendrena ireo izy? Rehefa nitso-drano ny vahoaka i Arona sy Mosesy, dia nandefa afo avy tany an-danitra izy mba handoroana tanteraka an’ilay sorona teo amin’ny alitara.—Vakio ny Levitikosy 9:23, 24.
Andao Hikaroka Harena Miafina
Nahoana no Tsy Maintsy Masina Isika?
6 Inona no ianarantsika avy amin’ilay didy hoe tokony hadio ny mpisorona? Matetika ny olona ampianarintsika Baiboly no mahamarika fa madio ny toerana ivavahantsika ary madio sy milamina ny akanjontsika. Hitantsika avy amin’ny fahadiovan’ireo mpisorona anefa fa tsy maintsy “madio fo” izay rehetra mankany an-tendrombohitr’i Jehovah mba hanompo azy. (Vakio ny Salamo 24:3, 4; Isaia 2:2, 3.) Tokony ho fo sy saina ary vatana madio no anaovantsika fanompoana masina ho an’Andriamanitra. Ilaina àry ny mandini-tena matetika. Mety hila hanao fanovana lehibe ny sasany amintsika aorian’izay mba ho masina. (2 Kor. 13:5) Ahoana, ohatra, raha misy olona vita batisa minia mijery sary vetaveta? Tokony hieritreritra izy hoe: ‘Azo lazaina hoe masina ve aho?’ Mila mangataka fanampiana koa izy mba hialany amin’io fahazarana maharikoriko io.—Jak. 5:14.
it “Mosesy”: “Mpanelanelana tamin’ny Fifaneken’ny Lalàna” § 3
Mosesy
Notendren’Andriamanitra ho mpanelanelana tamin’ny fifaneken’ny Lalàna nifanaovany tamin’ny Israelita i Mosesy. Tsy nisy olona akaiky an’i Jehovah toy izany, ankoatra an’i Jesosy Kristy, ilay Mpanelanelana amin’ny fifanekena vaovao. Nafafin’i Mosesy teo amin’ny bokin’ny fifanekena sy tamin’ny vahoaka (azo antoka fa ny anti-panahy no solontenan’ny vahoaka) ny ran’ny biby natao sorona. Ilay boky mantsy no toy ny hoe solontenan’i Jehovah, ary i Jehovah sy ny vahoaka no andaniny sy ankilany tamin’ilay fifanekena. Novakiny tamin’ny vahoaka ilay boky, ary hoy ny vahoaka: “Vonona hanao sy hankatò izay rehetra nolazain’i Jehovah izahay.” (Ek 24:3-8; He 9:19) Mpanelanelana i Mosesy ka andraikiny ny nanara-maso ny fanamboarana ny tranolay masina sy ny fitaovana tao. Andriamanitra no nanome azy ny modelin’ilay tranolay. Andraikiny koa ny nametraka ny mpisorona teo amin’ny toerany sy nanosotra an’ilay tranolay sy Arona mpisoronabe tamin’ny menaka masina. Niandraikitra ny asa fisoronana voalohany nataon’ireo mpisorona vaovao izy avy eo.—Ek toko 25-29; Le toko 8, 9.
Famakiana Baiboly