Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
7-13 DESAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | LEVITIKOSY 10-11
“Tiantsika Kokoa Noho ny Fianakaviantsika i Jehovah”
it “Afo sy Emboka Manitra Tsy Ara-dalàna”
Afo sy Emboka Manitra Tsy Ara-dalàna
Ilay teny hebreo hoe zar no nadika hoe “tsy ara-dalàna” (zarah no endriny milaza vavy; a.b.t.: hafahafa). (Le 10:1, 2; No 3:4; 26:61) “Nanolotra afo tsy ara-dalàna teo anatrehan’i Jehovah” i Nadaba sy Abiho, “nefa tsy nandidian’Andriamanitra azy izany.” (Le 10:1) Nisy afo àry nandoro an’ireo zanakalahin’i Arona ireo, ka maty izy ireo. Hoy i Jehovah tamin’i Arona: “Aza misotro divay na toaka ianao sy ny zanakao lahy, rehefa miditra ao amin’ny tranolay fihaonana mba tsy ho faty ianareo. Lalàna mandritra ny fotoana tsy voafetra izany, ho an’ny taranakareo, mba hahaizanareo hanavaka ny zavatra masina sy ny tsy masina ary ny maloto sy ny madio, sady mba hampianarana ny zanak’Israely ny fitsipika rehetra nolazain’i Jehovah tamin’izy ireo tamin’ny alalan’i Mosesy.” (Le 10:8-11) Asehon’izany fa toa mamo i Nadaba sy Abiho matoa izy ireo sahisahy nanolotra afo nefa tsy nandidian’Andriamanitra azy izany. Nolazaina hoe tsy ara-dalàna ilay afo, satria mety ho ny fotoana na ny toerana na ny fomba nanolorana azy no tsy araka ny lalàna, na mety ho emboka manitra tsy nomanina araka ny toromarika voalazan’ny Eksodosy 30:34, 35 koa ilay izy. Marina fa mamo izy ireo, nefa tsy nanala tsiny azy izany.
Efa Niditra Amin’ny Fitsaharan’Andriamanitra ve Ianao?
16 Niatrika toe-javatra sarotra i Arona, rahalahin’i Mosesy, noho ny nataon’i Nadaba sy Abiho, zanany roa lahy. Nanolotra afo tsy ara-dalàna teo anatrehan’i Jehovah izy roa lahy, ka novonoin’i Jehovah. Tsy afaka niresaka tamin’ny zanany intsony àry i Arona. Azo antoka fa nalahelo mafy izy, kanefa koa mbola tsy navelan’i Jehovah hisaona an’i Nadaba sy Abiho ihany izy sy ireo zanany lahy tsy nivadika. Hoy i Jehovah: “Aza avela hisavoritaka ny volonareo, ary aza rovitina ny akanjonareo, mba tsy ho faty ianareo, ary mba tsy ho tezitra amin’ny vahoaka manontolo [aho].” (Lev. 10:1-6) Hitantsika avy amin’izany àry fa i Jehovah no tokony ho tiantsika kokoa noho ireo mpianakavintsika mivadika.
Andao Hikaroka Harena Miafina
Tsy Maintsy Masina Amin’ny Fitondran-tena Rehetra Isika
18 Mila mandinika tsara ny Soratra Masina sy mankatò an’i Jehovah isika raha te ho masina. Eritrereto i Nadaba sy Abiho zanakalahin’i Arona, izay novonoina satria nanolotra “afo tsy ara-dalàna.” (Lev. 10:1, 2) Mamo angamba izy ireo tamin’izay. Mariho izay nolazain’Andriamanitra tamin’i Arona. (Vakio ny Levitikosy 10:8-11.) Te hilaza ve io andininy io hoe tsy mahazo misotro zava-pisotro misy alkaola mihitsy ny Kristianina alohan’ny handehanana hivory? Diniho ireto: Tsy eo ambanin’ny Lalàna isika. (Rom. 10:4) Misotro zava-pisotro misy alkaola araka ny antonony, mandritra ny sakafo, ny mpiray finoana amintsika any amin’ny tany sasany, alohan’ny hivory. Kaopy efatra nisy divay no nampiasaina tamin’ny Paska. Nasain’i Jesosy nisotro divay ny apostoliny tamin’izy nanao ny Fahatsiarovana voalohany, ary mifanitsy amin’ny rany ilay divay. (Mat. 26:27) Mandrara ny fisotroana tafahoatra sy ny fimamoana ny Baiboly. (1 Kor. 6:10; 1 Tim. 3:8) Maro koa ny Kristianina mifidy ny tsy hisotro zava-pisotro misy alkaola mihitsy alohan’ny hanaovany fanompoana masina, satria izay no mety amin’ny feon’ny fieritreretany. Tadidio fa tsy mitovy ny toe-javatra any amin’ny firenena samihafa. Ny zava-dehibe dia hoe mila ‘mahay manavaka ny zavatra masina sy tsy masina’ ny Kristianina, mba ho masina foana ny fitondran-tenany ka hampifaly an’Andriamanitra.
it “Biby”: “Biby madio sy maloto” § 4
Biby
Ny olona teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy ihany no voakasik’ireo fandrarana ireo, satria hoy ny Levitikosy 11:8: “Maloto aminareo ireny”, izany hoe amin’ny Israelita. Nofoanana niaraka tamin’ny Lalàna ireo fandrarana ireo, rehefa maty ho sorona i Kristy Jesosy. Azo lazaina ho ilay lalàna nomena an-dry Noa taorian’ny Safodrano indray àry no mihatra amin’ny olon-drehetra.—Kl 2:13-17; Ge 9:3, 4.
Famakiana Baiboly
14-20 DESAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | LEVITIKOSY 12-13
“Fianarana avy Amin’ny Lalàna Momba ny Habokana”
Lany Andro sa Lasa Aloha?
• Atokan-toerana ny marary.
Nilaza ny Lalàn’i Mosesy fa tokony hatokan-toerana ny boka. Fitonjato taona lasa teo ho eo anefa vao nampihatra an’izany ny mpitsabo, rehefa nihanaka ny areti-mifindra. Mbola mahomby izany hatramin’izao.—Levitikosy, toko 13 sy 14.
Fantatrao Ve?
Areti-mifindra ny habokana ary tena natahoran’ny Jiosy fahiny ilay karazany fahita tamin’izany. Mety hisy vokany amin’ny selam-pitatitra izy io, ka lasa manan-takaitra ilay marary ary simba be ny vatany. Tsy nisy fanafany izy io tamin’izany. Natokan-toerana ny boka, ary tsy maintsy niantsoantso mba hampitandremana ny hafa.—Levitikosy 13:45, 46.
it “Habokana”: “Famantarana an’ilay aretina” § 4
Habokana
Tamin’ny akanjo sy trano. Mety ho nisy habokana koa ny akanjo volonondry na akanjo rongony, na ny zavatra vita tamin’ny hoditra, ka nisy mifaritra maitso somary mavo na somary mena. Nety ho afaka anefa ilay izy rehefa nosasana, ka natokan-toerana ilay akanjo na ilay zavatra. Nodorana kosa izy ireny raha tsy nety afaka ilay habokana, satria nampidi-doza. (Le 13:47-59) Raha nisy lempona maitso somary mavo na somary mena teo amin’ny rindrin’ny trano iray, dia nasain’ny mpisorona nakatona tanteraka ilay trano. Nila nesorina ny vato nisy an’ilay habokana ary nokikisana ny aty trano, ka nariana tany amin’ny toerana maloto tany ivelan’ny tanàna ireo vato sy lalotra nesorina. Raha niverina ilay habokana, dia nambara fa maloto ilay trano ka noravana ary nariana tany amin’ny toerana maloto ny potiny. Nisy fombafomba natao hanadiovana ilay trano kosa raha nambara fa madio izy io. (Le 14:33-57) Misy milaza fa nety ho bobongolo ilay habokana teo amin’ny akanjo na trano. Tsy tena azo antoka anefa izany.
Andao Hikaroka Harena Miafina
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Levitikosy
12:2, 5:—Nahoana ny fiterahana no ‘nampahaloto’ ny vehivavy? Natao mba hampitana aina lavorary ny taovam-pananahana. Aina misy ota sady tsy lavorary anefa no nampitaina tamin’ny taranaka, noho ny ota nolovana. Nampahatsiahy ny fisian’io ota nolovana io, ilay ‘fahalotoana’ vetivety, noho ny fiterahana sy fadimbolana ary fivoahan’ny tsirinaina. (Levitikosy 15:16-24; Salamo 51:5; Romanina 5:12) Nomena ny fitsipika momba ny fanadiovana ny Israelita, mba hahatakarany fa nilaina ny sorom-panavotana mba hanaronana ny fahotan’ny olona sy hahalavorary azy indray. Nanjary ‘mpitaiza nitarika azy ireo ho amin’i Kristy’ àry ny Lalàna.—Galatianina 3:24.
Lany Andro sa Lasa Aloha?
• Fotoana anaovana famorana.
Voalazan’ny Lalàn’Andriamanitra fa tokony hoforana ny zazalahy rehefa feno valo andro. (Levitikosy 12:3) Hitan’ny mpitsabo fa afaka herinandro aorian’ny ahaterahan’ny zaza iray, vao mety mandry tsara ny ra ao amin’ny vatany. Voaro àry ny zaza fahiny rehefa feno herinandro mahery vao noforana, na dia mbola tsy arifomba aza ny fitsaboana tamin’izany.
Famakiana Baiboly
21-27 DESAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | LEVITIKOSY 14-15
“Tsy Maintsy Madio Ireo Manaraka ny Fivavahana Marina”
it “Fandroana” § 4
Fandroana
Ireto avy no ‘naloto’ ka tsy maintsy nandro araka ny fombafomba notakin’ny Lalàna: Izay Israelita sitrana tamin’ny habokany, na nikasika zavatra voakasiky ny lehilahy nisy “tsiranoka” nivoaka tamin’ny filahiany, ny lehilahy nisy tsirinaina nivoaka, ny vehivavy avy tonga fotoana na avy nandeha ra, na izay avy nanao firaisana. (Le 14:8, 9; 15:4-27) ‘Naloto’ koa izay tao amin’ny tranolay nisy faty na nikasika an’ilay faty. Tsy maintsy nodiovina tamin’ny rano fanadiovana izy, mba tsy ‘haringana tsy ho eo amin’ny fiangonana, satria ny toerana masin’i Jehovah no nolotoiny.’ (No 19:20) Ilazana olona madio eo imason’i Jehovah àry ny hoe misasa na midio. (Sl 26:6; 73:13; Is 1:16; Ezk 16:9) Manadio ilay rano fandroana an’ohatra, dia ny tenin’i Jehovah na ny fahamarinana.—Ef 5:26.
it “Fadimbolana”: “Nambaran’ny Lalàna hoe ‘naloto’” § 2
Fadimbolana
Raha nisy ra nandeha tamin-dravehivavy nefa tsy tonga fotoana izy, na ‘naharitra ela noho ny mahazatra ny fadimbolany’, dia naloto izy nandritra izany fotoana izany, ka lasa naloto koa izay zavatra natoriany na nipetrahany ary izay olona nikasika an’izany zavatra izany. Nanisa fito andro ravehivavy aorian’ny nijanonan’ilay ra, ary hadio izy aorian’izay. Nitondra domohina roa na zana-boromailala roa tany amin’ny mpisorona izy, tamin’ny andro fahavalo. Nanolotra an’ireo ho an’i Jehovah ny mpisorona mba handrakofana ny fahotan-dravehivavy: Ny iray ho fanatitra noho ny ota, ary ny iray ho fanatitra dorana.—Le 15:19-30; jereo MADIO, FAHADIOVANA.
it “Toerana Masina” § 3
Toerana Masina
2. Ny tranolay fihaonana sy ny tempoly. Toerana masina ny tranolay masina (tranolay fihaonana) (Ek 25:8, 9; 38:24) sy ny tempoly manontolo (1Ta 28:10; 2Ta 29:5; 36:17; Ezk 24:21), anisan’izany ireo tokotaniny (As 21:28) mbamin’ireo fanaka sy fitaovana tao (No 10:21; ampit. No 3:30, 31). Teo an-tokotany ny alitara fanaovana sorona sy ny koveta varahina. Zava-masina ireo. Ny olona madio araka izay notakin’ny Lalàna ihany no nahazo nankeo amin’ny tokotanin’ny tranolay masina sy ny an’ny tempoly, tamin’ny fotoana rehetra. Tsy nahazo nikasika zava-masina na nankao amin’ny toerana masina, ohatra, ny vehivavy naloto. (Le 12:2-4) Nandoto ny tranolay masina izay Israelita naloto. (Le 15:31) Hatreo am-bavahadin’ny tokotany ihany ny boka sitrana no nahazo nitondra fanatitra rehefa nidio. (Le 14:11) Novonoina ho faty izay olona naloto nefa nihinana tamin’ny sorona iombonana tao amin’ny tranolay masina na tempoly.—Le 7:20, 21.
Andao Hikaroka Harena Miafina
it “Sofina”: “Heviny an’ohatra” § 6
Sofina
Nisy ondrilahy natao sorona mba hametrahana mpisorona teo amin’ny toerany. Nasaina naka tamin’ny ran’ilay ondrilahy i Mosesy ka nanao izany teo amin’ny ravintsofin’i Arona ankavanana sy ny tanany ankavanana ary ny tongony ankavanana. Natao toy izany koa ny tsirairay tamin’ny zanakalahin’i Arona. Midika izany fa tokony hisy vokany mivantana amin’ny zavatra henoin’izy ireo sy ny zavatra ataony ary ny fomba itondrany ny tenany ny zava-nitranga tamin’izay fotoana izay. (Le 8:22-24) Natao toy izany koa ny boka rehefa sitrana: Milaza ny Lalàna fa tokony hakan’ny mpisorona ny menaka natao fanatitra sy ny ran’ny ondrilahy natao fanatitra noho ny heloka, ka hataony eo amin’ny ravintsofina ankavanan’ilay boka. (Le 14:14, 17, 25, 28) Misy fombafomba mitovy amin’izany koa natao rehefa te hijanona ho mpanompon’ny tompony foana ny lehilahy iray. Nentina teo amin’ny tolàna ilay lehilahy ary notevehin’ny tompony tamin’ny haolo ny sofiny. Marika niharihary teo amin’ny sofiny izany, ka azo inoana fa nampahafantatra hoe iriny ny hihaino sy hankatò foana ny tompony.—Ek 21:5, 6.
g 1/06 14, efajoro
Bobongolo—Mahasoa Sady Manimba!
MIRESAKA MOMBA NY BOBONGOLO VE NY BAIBOLY?
Miresaka ‘trano misy habokana’ ny Baiboly, izany hoe ilay trano mihitsy no boka. (Levitikosy 14:34-48) Misy milaza fa karazana bobongolo io habokana io, izay nantsoina koa hoe “habokana mafy.” Tsy azo antoka anefa ny momba izany. Na ahoana na ahoana, ny Lalàn’Andriamanitra dia nandidy ny tompon-trano hanala ny vato nisy azy io, hikiky ny atin’ilay trano manontolo, ary hanary ny zava-drehetra misy ilay aretina, tany amin’ny ‘toerana maloto’, tany ivelan’ny tanàna. Raha niseho indray ilay aretina, dia nambara fa maloto ilay trano, ka noravana, ary nariana ireo poti-javatra avy aminy. Hita fa tena tia ny vahoakany sy nanao izay hahasalama azy ireo i Jehovah, matoa nanome ireny toromarika tamin’ny an-tsipiriany ireny.
Famakiana Baiboly
28 DESAMBRA–3 JANOARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | LEVITIKOSY 16-17
“Fianarana avy Amin’ny Andro Fandrakofam-pahotana”
Inona no Azontsika Ianarana avy Amin’ny Levitikosy?
4 Vakio ny Levitikosy 16:12, 13. Eritrereto izay nitranga tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana. Miditra ny tranolay masina ny mpisoronabe. Intelo izy no hiditra ao amin’ny Masina Indrindra amin’io andro io. Rehefa miditra ao izy amin’ny voalohany, dia misy emboka manitra ao anaty fitoerany amin’ny tanany iray, fa vainafo ao anaty fitoerany volamena kosa no amin’ny tanany ilany. Mijanona kely izy rehefa tonga eo amin’ilay ridao manakona ny fidirana ao amin’ny Masina Indrindra. Miditra amim-panajana ao amin’ny Masina Indrindra izy avy eo, dia mijoro eo anoloan’ny Vata misy ny fifanekena. Hoatran’ny hoe eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra mihitsy izy! Ararany moramora eo ambonin’ireo vainafo avy eo ilay emboka manitra masina, ka lasa manitra be ilay efitra manontolo. Mbola hiditra ao amin’ny Masina Indrindra izy aorian’izay, miaraka amin’ny ran’ireo biby atao fanatitra noho ny ota. Mariho anefa hoe nandoro emboka manitra aloha izy vao nanolotra ny ran’ireo biby ireo.
Inona no Azontsika Ianarana avy Amin’ny Levitikosy?
5 Milaza ny Baiboly hoe mitovy amin’ny emboka manitra ny vavaky ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika. (Sal. 141:2; Apok. 5:8) Tadidio fa niditra tamim-panajana teo anatrehan’i Jehovah ny mpisoronabe rehefa nitondra an’ilay emboka manitra, tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Mila manaja tsara an’i Jehovah koa isika rehefa mivavaka. Mba eritrereto ange e! Ilay Mpamorona an’izao rehetra izao no mamela antsika hanatona azy sy hifandray akaiky aminy, hoatran’ny Ray mifandray amin’ny zanany. (Jak. 4:8) Tsy mahafaly anao ve izany? Tsy izay ihany fa ekeny ho namany isika. (Sal. 25:14) Tiantsika loatra izany tombontsoa izany ka tsy te handiso fanantenana azy mihitsy isika.
Inona no Azontsika Ianarana avy Amin’ny Levitikosy?
6 Tadidio fa tsy maintsy nanolotra an’ilay emboka manitra ny mpisoronabe izay vao afaka nanao sorona, izany hoe nanolotra ny ran’ireo biby. Amin’izay mantsy vao azo antoka hoe hankasitraka azy Andriamanitra rehefa hanao sorona izy. Hoatr’izany koa tamin’i Jesosy tetỳ an-tany. Nisy zavatra tsy maintsy nataony talohan’ny nanaovany sorona ny ainy, ary mbola zava-dehibe noho ny famonjena ny olombelona ilay izy. Inona izany? Tsy maintsy nankatò an’i Jehovah foana izy, mba ho azo antoka hoe hanaiky ny sorona hataony i Jehovah. Nasehony tamin’izany fa tokony hanao ny sitrapon’i Jehovah ny olona. Noporofoiny fa manana zo hitondra ny Rainy, ary manao ny rariny izy rehefa mitondra.
Andao Hikaroka Harena Miafina
it “Azazela” § 6
Azazela
Nohazavain’ny apostoly Paoly fa sarobidy lavitra noho ny “ran’ombilahy sy ny ran’osilahy” ny ran’i Jesosy, rehefa nanolotra ny ainy lavorary ho sorona ho an’ny olombelona izy. (He 10:4, 11, 12) Toy ny hoe izy àry ilay ‘osy fanalana faditra’, noho izy ‘nitondra ny aretintsika’ sy ‘notrobarana noho ny helotsika.’ (Is 53:4, 5; Mt 8:17; 1Pe 2:24) ‘Nitondra’ ny fahotan’izay rehetra maneho finoana an’ilay sorona nataony izy. Noho iny sorona iny, dia tsy hotsarovan’Andriamanitra intsony ny fahotan’izy ireo. Mifanitsy amin’ilay osilahy “ho an’i Azazela” tokoa àry ny soron’i Jesosy Kristy.
Nahoana no Tsy Maintsy Masina Isika?
10 Vakio ny Levitikosy 17:10. Nandidy ny Israelita i Jehovah hoe tsy azo hanina ny ra, “na ran’inona izany na ran’inona.” Takina amin’ny Kristianina koa ny mifady ra, na ran’olona na ram-biby. (Asa. 15:28, 29) Mampatahotra na dia ny mieritreritra fotsiny aza hoe “hanameloka” antsika i Jehovah ka hanala antsika tsy ho anisan’ny fiangonany. Tia azy isika ka te hankatò. Tapa-kevitra ny hifady ra isika, na dia rehefa tandindomin-doza aza ny aintsika. Tsy hanaiky lembenana isika, na dia hiangavy sy hanery antsika aza ny olona tsy mahalala an’i Jehovah sy tsy te hankatò azy. Efa ampoizina hoe hisy haneso isika, nefa aleontsika mankatò an’Andriamanitra. (Joda 17, 18) Inona no hanampy antsika ho “tapa-kevitra mafy” tsy hihinana ra na hanaiky fampidiran-dra?—Deot. 12:23.
Famakiana Baiboly