Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
4-10 JANOARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | LEVITIKOSY 18-19
“Miezaha Hadio Fitondran-tena Foana”
Te ho Voaro Amin’ilay Fandrik’i Satana ve Ianao?
Rehefa avy nitanisa an’ireo zavatra maharikoriko fanaon’ny firenena manodidina i Jehovah, dia niteny tamin’ny Israelita hoe: “Aza manao toy ny fanaon’ny tany Kanana, izay hampidirako anareo. ... Maloto ilay tany, ka hosaziko izy io noho ny fahadisoany.” Masina i Jehovah, ilay Andriamanitry ny Israely. Naharikoriko azy àry ny fitondran-tenan’ny olona tao Kanana, ka naloto no fahitany an’ilay tany.—Lev. 18:3, 25.
Mitarika ny Vahoakany i Jehovah
13 Tena tsy nitovy tamin’ireo mpanjaka tsy nivadika ireo ny mpitondra tany amin’ny firenena hafa. Niantehitra tamin’ny olombelona izy ireny, nefa tsy mahay mitsinjo ny hoavy ny olombelona sady voafetra ny zavatra hainy. Diniho, ohatra, ny nataon’ny mpanjaka kananita. Nanao zavatra naharikoriko izy ireo sy ny vahoakany. Anisan’izany ny firaisana tamin’ny havany akaiky na tamin’ny biby, ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, ny fanaovana sorona ankizy, ary ny fanompoan-tsampy. (Lev. 18:6, 21-25) Ny mpitondra tany Babylona sy Ejipta indray tsy nanome lalàna momba ny fahadiovana, hoatran’ny nataon’i Jehovah tamin’ny vahoakany. (Nom. 19:13) Ny mpitondra ny vahoakan’Andriamanitra kosa nanampy azy ireo hadio sy hifandray tsara tamin’Andriamanitra ary tsy ho ratsy fitondran-tena. Niharihary àry fa i Jehovah tokoa no nitarika azy ireo.
Hifarana Ihany ve ny Faharatsiana?
Ary ahoana ny amin’ireo olon-dratsy tsy mety miova? Hoy ny Ohabolana 2:21, 22: “Ny olo-mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa tavela eo. Fa ny ratsy fanahy kosa ho ringana tsy ho amin’ny tany, ary ny mpivadika hesorina tsy ho amin’ny tany.” Tsy hisy intsony ny olon-dratsy. Hilamina ny tany, ary hatao lavorary tsikelikely ny olona mankatò.—Romanina 6:17, 18; 8:21.
Vatosoa Ara-panahy
“Endrey ny Fitiavako ny Lalànao!”
11 Nisy lalàna hafa koa tao amin’ny Lalàn’i Mosesy, izay nahitana fa miahy izay hahasoa ny vahoakany Andriamanitra. Nomeny zo ny mahantra hitsimpona ny vokatra navelan’ny mpijinja. Nandidy i Jehovah fa tokony havela hanangona izay sisa tavela teny an-tsaha ny mahantra, rehefa nanangom-bokatra ny tantsaha israelita. Tsy navelan’i Jehovah hojinjaina tanteraka ny vokatra teny an-tsisim-boly, sady tsy tokony halaina intsony ny sisa tavela tamin’ny voaloboka na oliva notazana. Tsy tokony halaina intsony koa ireo fehezam-bokatra hadino tany an-tsaha. Izany dia fandaharana feno fitiavana nitsinjovana ny mahantra, ny vahiny, ny kamboty, ary ny vehivavy maty vady. Marina aloha fa tsy maintsy niasa mafy izy ireo rehefa nijinja na nitsimpona an’ireny vokatra ireny. Tsy voatery nangataka anefa izy ireo noho io fandaharana io.—Levitikosy 19:9, 10; Deoteronomia 24:19-22; Salamo 37:25.
11-17 JANOARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | LEVITIKOSY 20-21
“Avahan’i Jehovah ny Vahoakany”
Afaka Hiaina ao Amin’ny Paradisa Tokoa ve Ianao?
12 Misy zavatra tsy maintsy tadidintsika anefa. Nilaza tamin’ny Israelita Andriamanitra hoe: “Tandremo ny lalàna rehetra izay andidiako anareo anio, mba hahery hianareo, dia hiditra handova ny tany izay efa halehanareo holovana.” (Deoteronomia 11:8) Izao koa no voalaza momba io tany io ao amin’ny Levitikosy 20:22, 24: “Tandremo ny didiko rehetra sy ny fitsipiko rehetra, ka araho izy, mba tsy handoa anareo ny tany izay itondrako anareo honenana. Fa efa nolazaiko taminareo hoe: Hianareo handova ny taniny, fa Izaho no hanome azy ho lovanareo, dia tany tondra-dronono sy tantely.” Midika izany fa tsy maintsy nifandray tsara tamin’i Jehovah Andriamanitra ny Israelita vao afaka nitoetra tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Rehefa tsy nankatò kosa anefa izy ireo, dia navelan’Andriamanitra handresy sy handroaka azy tsy ho ao amin’ilay fonenany ny Babylonianina.
it “Lova” § 1
Lova
Fananana lasan’ny mpandova na ireo manan-jo handova olona iray rehefa maty izy io; izay azo avy tamin’ny razambe na ray aman-dreny ka toy ny hoe nolovana. Nahal ny matoanteny hebreo (anarana: nahalah) ilazana ny fahazoan’ny mpandimby lova na ny fanomezana azy izany. (No 26:55; Ezk 46:18) Ny matoanteny hoe yarash no nadika indraindray hoe “mandova sy mandimby”, ary matetika hoe “maka ho fananana” raha tsy mpandimby ilay voakasika. (Ge 15:3; Le 20:24) Midika koa izy io hoe “mandroaka”, ka ny tafika no mandroaka. (De 2:12; 31:3) Ireo teny grika ilazana lova kosa dia iray tarika amin’ny hoe klerôs, izay nidika taloha hoe “antsapaka”, avy eo hoe “anjara”, ary farany hoe “lova.”—Mt 27:35; As 1:17; 26:18.
it “Vorona” § 7
Vorona
Nanao sorona “biby manidina madio” sy biby hafa i Noa, taorian’ny Safodrano. (Ge 8:18-20) Navelan’Andriamanitra hohanin’ny olona ny vorona, afa-tsy ny rany, taorian’izay. (Ge 9:1-4; ampit. Le 7:26; 17:13.) Ireo vorona “madio” àry dia ireo nekeny hatao sorona. Rehefa nomena mantsy ny Lalàn’i Mosesy vao nisy vorona natao hoe “maloto” ka tsy azo nohanina. (Le 11:13-19, 46, 47; 20:25; De 14:11-20) Tsy resahin’ny Baiboly ny antony nilazan’ny Lalàna hoe “maloto” izy ireny, na dia vorona mpihaza na mpihinana fatim-biby aza ny ankamaroany. (Jereo TAKODARA.) Tsy nisy intsony ny vorona tsy azo nohanina, rehefa natao ny fifanekena vaovao, araka ny nasehon’Andriamanitra tamin’i Petera tao amin’ny fahitana.—As 10:9-15.
Vatosoa Ara-panahy
it “Mandidididy Vatana” § 3
Mandidididy Vatana
Noraran’ny Lalàna ny nandidididy vatana rehefa nisy maty. (Le 19:28; 21:5; De 14:1) Vahoaka masina sy fananan’i Jehovah manokana mantsy ny Israely (De 14:2), ka tsy tokony hanao ny fombafomban’ny mpanompo sampy. Fantany tsara koa hoe manao ahoana ny maty, izay nantenainy fa mbola hitsangana, ka tsy mety ny malahelo tafahoatra sy mandidididy vatana. (Da 12:13; He 11:19) Lasa takany koa fa tokony hohajaina ny vatan’olombelona izay noforonin’Andriamanitra.
18-24 JANOARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | LEVITIKOSY 22-23
“Andraisantsika Fianarana Ireo Fety Fahiny”
it “Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay” § 2-3
Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay
Fivoriambe nanetriketrika sady sabata ny andro voalohan’ilay fety. Nisy amboaran’ny voaloham-bokatra tamin’ny vary orza (vokatra niakatra voalohany tany Palestina) nentina tany amin’ny mpisorona ny andro faharoa, na 16 Nisana. Tsy nisy nahazo nihinana voa vaovao na mofo na voa natono avy tamin’ny orza vao nojinjaina, talohan’ilay fety. Ho an’i Jehovah mantsy ilay amboaran’ny voaloham-bokatra, ka nahetsiketsiky ny mpisorona teo anatrehany. Nisy ondrilahy kely tsy misy kilema sady tsy mihoatra ny herintaona koa natao fanatitra dorana, nampiarahina tamin’ny fanatitra varimbazaha nafangaro menaka sy fanatitra zava-pisotro. (Le 23:6-14) Tsy nasaina nandoro vary orza na lafarinina teo amin’ny alitara ny mpisorona, toy ny nataon’izy ireo tatỳ aoriana. Tsy hoe ilay firenena ihany no nanolotra voaloham-bokatra nandritra ilay fety, fa afaka nanao sorona fisaorana koa izay fianakaviana na olona nanan-tany tany Israely.—Ek 23:19; De 26:1, 2; jereo VOALOHAM-BOKATRA.
Antony. Mofo tsy misy lalivay no nohanina nandritra ilay fety, araka ny toromarika nomen’i Jehovah an’i Mosesy. (Ek 12:14-20) Hentitra ilay didy ao amin’ny Eksodosy 12:19 hoe: “Tsy tokony hahitana lalivay ao an-tranonareo mandritra ny fito andro.” Natao koa hoe “mofom-pahoriana” ny mofo tsy misy lalivay. (De 16:3) Tsaroan’ny Jiosy isan-taona àry fa voatery niala haingana tany Ejipta izy ireo, ka tsy nanam-potoana hanisiana lalivay ny kobany. (Ek 12:34) Tsaroan’izy ireo koa fa ory sy andevo izy ireo tany nefa nafahana, araka ny tenin’i Jehovah hoe: “Amin’izay dia hotsaroanao mandritra ny androm-piainanao ny andro nivoahanao avy tany Ejipta.” Nety tsara ny nitadidian’izy ireo nandritra ilay fety fa firenena afaka izy ireo ary i Jehovah no nanafaka azy. Io no voalohany tamin’ireo fety lehibe telo nankalazain’ny Israelita isan-taona.—De 16:16.
it “Pentekosta” § 3
Pentekosta
Tsy natao hoatran’ny voaloham-bokatry ny vary orza ny an’ny varimbazaha, fa lafarinina tsara toto roa ampahafolon’ny efaha (4,4 L) nasiana lalivay no nanaovana mofo roa, izay natao tao anaty lafaoro. ‘Avy tany amin’ny toeram-ponenan’ny’ Israelita ireo mofo, izany hoe toy ny mofo nohanina andavanandro, fa tsy mofo masina. (Le 23:17) Nisy fanatitra dorana sy fanatitra noho ny ota ary fanatitra iombonana (ondrilahy kely roa) nampiarahina tamin’ireo. Nataon’ny mpisorona tao ambanin’ireo mofo sy ondrilahy ny tanany ka nahetsiketsiny teo anatrehan’i Jehovah ireo, izany hoe natolony teo anatrehan’i Jehovah. Hohanin’ilay mpisorona ireo avy eo, satria fanatitra iombonana.—Le 23:18-20.
Miaraha Mandroso Amin’ny Fandaminan’i Jehovah
11 Tena mitady izay hahasoa antsika ny fandaminan’i Jehovah, matoa mampirisika antsika hanaraka an’ilay torohevitry ny apostoly Paoly hoe: ‘Aoka isika hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, toy ny sasany izay efa zatra tsy mivory, fa hifampahery kosa, indrindra fa hitanareo hoe manakaiky ny andro.’ (Heb. 10:24, 25) Nanatanjaka ny finoan’ny Israelita ireo fety fanao isan-taona sy ny fivoriana hafa mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Nahafaly koa ireny fety ireny, toy ilay Fetin’ny Trano Rantsankazo tamin’ny andron’i Nehemia, izay tena niavaka. (Eks. 23:15, 16; Neh. 8:9-18) Tsy misy hafa amin’izany fa mahasoa antsika ny fivoriana sy ny fivoriambe. Atreho àry ireny fotoam-pivoriana rehetra ireny, satria manatanjaka finoana sady mahafaly.—Tit. 2:2.
Vatosoa Ara-panahy
Aza Mivadika Mihitsy!
3 Tsy mivadika ny mpanompon’i Jehovah raha tia azy amin’ny fo manontolo sady mahafoy tena ho azy, ka izay mampifaly an’i Jehovah foana no ataony. Fa inona no tena hevitr’ilay teny ao amin’ny Baiboly hoe “tsy mivadika”? Ilazana zavatra feno, manontolo, tsy misy kilema, ary tsy misy tsininy izy io. Rehefa nanao sorona ho an’i Jehovah, ohatra, ny Israelita, dia biby tsy misy kilema no nasain’ny Lalàna nomena. (Lev. 22:21, 22) Tsy mety raha biby tapa-tongotra, na poa-maso, na tsy misy sofina ilany, na marary no atao sorona. Zava-dehibe tamin’i Jehovah ny hoe biby manontolo, izany hoe tsy nisy kilema, no nomena azy. (Mal. 1:6-9) Rariny i Jehovah raha nitaky an’izany. Ianao ve, ohatra, dia hividy voankazo lo, na boky misy pejy efa niala, na fitaovana tsy ampy piesy? Zavatra feno sy tsy misy tsininy no tianao. Tian’i Jehovah koa raha hoatr’izany ny fitiavantsika azy sy ny tsy fivadihantsika aminy. Tokony ho feno sy tsy hisy tsininy izany.
25-31 JANOARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | LEVITIKOSY 24-25
“Ny Taon-jobily sy Ilay Fanafahana Amin’ny Hoavy”
it “Fahafahana”: “Manome fahafahana Andriamanitra”
Fahafahana
Manome fahafahana Andriamanitra. Andriamanitra manome fahafahana i Jehovah. Nafahany tamin’ny fanandevozana tany Ejipta ny firenen’Israely. Nilazany izy ireo fa ho afa-pahasahiranana raha mankatò ny didiny. (De 15:4, 5) Voalazan’ny Lalàna fa azon’ny lehilahy nahantra natao ny nivarotra ny tenany ho mpanompo, mba hamelomana ny tenany sy ny fianakaviany. Nafahana anefa io Hebreo io tamin’ny taona fahafito nanompoany. (Ek 21:2) Rehefa Jobily (isaky ny 50 taona), dia natao antso avo tamin’ny mponina rehetra teo amin’ilay tany fa tonga ny fahafahana. Nafahana ny mpanompo hebreo tsirairay, ary niverina tany amin’ny lovany ny lehilahy tsirairay.—Le 25:10-19.
it “Lova”: “Teo ambanin’ny Lalàna” § 3
Lova
Tsy azo natao varo-maty ny tany, satria fananan’ny fianakaviana hatramin’ny taranany fara mandimby. Toy ny hoe nampanofana fotsiny arakaraka ny vokatra hiakatra àry ny tany namidy, ka arakaraka ny isan’ny taona mandra-pahatongan’ny Jobily ny vidiny. Niverina tamin’ny tompony ny tany rehetra tamin’izay, raha tsy hoe novidina na navotana talohan’ny Jobily angaha. (Le 25:13, 15, 23, 24) Anisan’izany ny trano tao amin’ny tanàna tsy nisy manda, satria toy ny hoe anisan’ny saha ilay trano. Ny trano tao amin’ny tanàna nisy manda kosa azo navotana tao anatin’ny herintaona monja taorian’ny nivarotana azy, fa raha tsy izany dia lasa fananan’ilay mpividy. Azo navotana nandritra ny fotoana tsy voafetra anefa ny trano tao amin’ny tanànan’ny Levita, satria tsy nanana tany ho lovany ny Levita.—Le 25:29-34.
it “Jobily” § 8
Jobily
Tsy misy afa-tsy sokajin’olona roa any amin’ny tany maro: Ny mpanefohefo sy ny mahantra fadiranovana. Tsy nahitana toe-javatra mampalahelo toy izany anefa tany Israely, rehefa nohajaina ny lalàna momba ny Jobily. Nandray soa ny tsirairay, ka lasa natanjaka ny firenena. Tsy lasa nahantra na tsy an’asa noho ny fitotongan’ny toe-karena ny olona, fa afaka nampiasa ny talentany sy fahaizany ny rehetra mba hampandrosoana ilay firenena. Notahin’i Jehovah ny vokatry ny tany ary nahazo fanabeazana tsara ny vahoaka. Tonga lafatra ny fitondrana tany Israely noho ny fitarihan’i Jehovah, ka niadana ilay firenena rehefa nankatò.—Is 33:22.
Vatosoa Ara-Panahy
Mety ve ny Mamaly Faty?
Navelan’ny Lalàna hosazina araka ny tokony ho izy ny Israelita iray, raha nanafika ny Israelita namany ka nanafaka ny masony ilany. Tsy ilay notafihina na ny fianakaviany anefa no tokony hanasazy an’ilay nanao ratsy. Notakin’ny Lalàna kosa ny hitondrana ilay raharaha any amin’ny mpitsara, mba handraisany fepetra mety. Hosazina araka izay nataony ilay ninia nanao ratsy, ary misakana ny famaliana faty ny fahafantarana izany. Misy zavatra hafa koa anefa.
1-7 FEBROARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | LEVITIKOSY 26-27
“Ahoana no Ahazoana ny Fitahian’i Jehovah?”
Aza Manaraka “Zava-poana”
8 Nahoana no mety ho lasa sampy ny “Harena”? Aoka hatao hoe nisy vato iray tany an-tsaha, teo amin’ny Israely fahiny. Azo nampiasaina hanorenana trano na manda ilay izy. Lasa fandrika ho an’ny vahoakan’i Jehovah anefa izy io, raha nanaovana “tsangambaton-tsampy.” (Lev. 26:1) Toy izany koa fa ilaina ny vola, mba hivelomana sy hampiasaina amin’ny fanompoana an’i Jehovah. (Mpit. 7:12; Lioka 16:9) Lasa sampy anefa ny vola, raha ataontsika zava-dehibe noho ny fanompoana. (Vakio ny 1 Timoty 6:9, 10.) Ny hanan-karena izao no tena tanjon’ny olona. Mila mitandrina àry isika mba hahay handanjalanja, rehefa mitady vola.—1 Tim. 6:17-19.
it “Tahotra”: “Fahatsapana tahotra sy fanajana” § 6
Tahotra
Niavaka ny fomba nampiasan’i Jehovah an’i Mosesy sy ny fomba nifandraisany taminy, ka izany no nahatonga an’i Mosesy hahavita zava-mampahatahotra (heb.: môhraʼ) teo imason’ny vahoakan’Andriamanitra. (De 34:10, 12; Ek 19:9) Natahotra an’i Mosesy sy nanaja ny fahefany ireo nanam-pinoana. Fantatr’izy ireo mantsy fa niteny tamin’ny alalany Andriamanitra. Tsy maintsy nanaja (heb.: yareʼ) ny toerana masin’i Jehovah koa ny Israelita. (Le 19:30; 26:2) Midika izany fa tokony hanaraka izay natoron’i Jehovah izy ireo rehefa nanompo azy na nivavaka taminy, ary tokony hifanaraka amin’ny fitsipiny rehetra ny fitondran-tenan’izy ireo.
Aoka “ny fiadanan’Andriamanitra” hiaro ny fonareo
10 Nilaza tamin’ilay firenena i Jehovah hoe: “Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko hianareo ka mankatò izany, dia hanome anareo ranonorana amin’ny fotoany Aho, ka hahavoka-javatra ny tany, ary hamoa ny hazo any an-tsaha. Ary homeko fiadanana eo amin’ny tany hianareo ka handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra, fa hofongorako ny biby masiaka amin’ny tany, ary tsy hotetezin-tsabatra ny taninareo. Ary handeha eo aminareo Aho ka ho Andriamanitrareo; ary hianareo ho oloko.” (Levitikosy 26:3, 4, 6, 12). Afaka nahazo fiadanana ny Isiraely tamin’ny tsy fananany ahiahy tamin’ireo fahavalony, tamin’ny fahatondrahan’ny zavatra ara-nofo, ary tamin’ny fifandraisana akaiky tamin’i Jehovah. Kanefa izany dia ho niankina tamin’ny fanarahany ny Lalàn’i Jehovah.— Salamo 119:165.
Vatosoa Ara-panahy
it “Areti-mandringana”: “Vokatry ny tsy fankatoavana” § 1
Areti-mandringana
Vokatry ny tsy fankatoavana. Efa nilazana ny firenen’Israely fa ‘handefa areti-mandringana eo aminy’ Andriamanitra, raha tsy manaja ny fifanekena nataony tamin’izy ireo ny Israelita. (Le 26:14-16, 23-25; De 28:15, 21, 22) Asehon’ny Soratra Masina iray manontolo fa noho ny fitahian’Andriamanitra no ananana fahasalamana, na ara-batana izany na ara-panahy (De 7:12, 15; Sl 103:1-3; Oh 3:1, 2, 7, 8; 4:21, 22; Ap 21:1-4), ary vokatry ny ota sy ny tsy fahalavorariana kosa ny aretina. (Ek 15:26; De 28:58-61; Is 53:4, 5; Mt 9:2-6, 12; Jn 5:14) Marina fa i Jehovah mihitsy indraindray no nanisy aretina tamin’ny olona sasany, toa an’i Miriama sy Ozia ary Gehazy izay samy lasa boka tampoka (No 12:10; 2Ta 26:16-21; 2Mp 5:25-27), kanefa ny ratsy nataon’ny olona na nataon’ireo firenena no nahatonga ny ankamaroan’ny aretina sy ny areti-mifindra. Nijinja izay nafafiny izy ireo satria nizaka ny vokatry ny ratsy nataony. (Ga 6:7, 8) Hoy ny apostoly Paoly momba an’ireo nanao firaisana mamoafady: ‘Navelan’Andriamanitra hanao fahalotoana izy ireo mba hahafa-baraka ny vatany, ka nandray tao amin’ny tenany ny valin’izany rehetra izany, dia valiny sahaza azy noho ny fahadisoany.’—Ro 1:24-27.
8-14 FEBROARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | NOMERY 1-2
“Alamin’i Jehovah ny Vahoakany”
Ny Toerana Ara-drariny Tanan’ny Fanompoam-pivavahana Amin’i Jehovah eo Amin’ny Fiainantsika
4 Raha nijery avy teny ambony ny fitobian’ny Isiraely tany an’efitra ianao, dia inona no ho hitanao? Laharan-trano lay nidadasika, nefa nilamina, izay nampialokaloka olona nety ho telo tapitrisa na mihoatra, izay nitambatra ho antokony arakaraka ireo fizarana nisy foko telo avy tany avaratra sy atsimo sy atsinanana ary andrefana. Raha nandinika akaiky kokoa ianao, dia ho nahamarika koa antokony hafa iray nanakaiky kokoa ny afovoan’ilay toby. Ireo vondrona kely kokoa efatra ireo dia vondrona trano lay nampialokaloka ireo fianakaviana tao amin’ny fokon’i Levy. Teo afovoany indrindra amin’ilay toby, teo amin’ny faritra iray nosarahina tamin’ny rindrina lamba, no nisy rafitra manokana iray. Io no ilay “trano-lay fihaonana”, na tabernakely, izay naorin’ireo Isiraelita “hendry” araka ny planina nomen’i Jehovah.— Nomery 1:52, 53; 2:3, 10, 17, 18, 25; Eksodosy 35:10.
it “Toby”: “Tobin’ny Israely” § 4
Toby
Tena lehibe ny tobin’ny Israely. Nisy 603 550 ny lehilahy mpiady rehetra, ankoatra ny zaza amam-behivavy, ny be taona, ny kilemaina, ny Levita 22 000, ary ireo “olona maro hafa firenena.” Mety ho 3 000 000 na mahery àry izy rehetra. (Ek 12:38, 44; No 3:21-34, 39) Tsy tena fantatra ny haben’ny toerana nisy an’ilay toby, fa samy manana ny filazany ny olona. “Nanomboka tany Beti-jesimota ka hatrany Abela-sitima” no nitobian’ny Israely tandrifin’i Jeriko, teo amin’ny Lemak’i Moaba.—No 33:49.
Vatosoa Ara-panahy
it “Fanisam-bahoaka” § 1
Fanisam-bahoaka
Fanoratana ny anarana sy tetirazan’ny foko sy fianakaviana. Tsy natao hanisana olona fotsiny ny fanisam-bahoaka resahin’ny Baiboly, fa natao koa mba hahafantarana izay tokony handoa hetra, ohatra, na hanao miaramila, na hanompo tao amin’ny toerana masina (raha Levita).
15-21 FEBROARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | NOMERY 3-4
“Ny Fanompoana Ataon’ny Levita”
it “Mpisorona”: “Teo ambanin’ny fifaneken’ny Lalàna” § 1
Mpisorona
Teo ambanin’ny fifaneken’ny Lalàna. Nohamasinin’i Jehovah ho azy ny lahimatoa rehetra teo amin’ny Israelita andevo tany Ejipta, tamin’izy nandefa ny loza fahafolo izay nandripaka ny lahimatoan’ny Ejipsianina rehetra. (Ek 12:29; No 3:13) An’i Jehovah àry ireny lahimatoa ireny, ka voatokana hanompo azy irery ihany. Azony natao ny nanendry azy rehetra ho mpisorona sy ho mpikarakara ny toerana masina. Naleony anefa nifidy an’ireo lehilahy avy tamin’ny fokon’i Levy, satria izany no nety tamin’ny fikasany. Nosoloana an’ireo lehilahy levita àry ny lahimatoa rehetra tao amin’ireo foko 12 hafa (nisaina ho foko roa ny taranak’i Efraima sy Manase zanak’i Josefa). Nihoatra 273 anefa ireo lahimatoa tsy levita hatramin’ny iray volana no ho miakatra rehefa nisaina. Nasain’Andriamanitra nomena sekely dimy (11 dolara) àry i Arona sy ny zanany, ho takalon’ny tsirairay tamin’ireo 273, ho vidim-panavotana. (No 3:11-16, 40-51) Talohan’izay no efa natokan’i Jehovah ho mpisorona teo amin’ny Israely ny lehilahy rehetra tao amin’ny fianakavian’i Arona, avy tamin’ny fokon’i Levy.—No 1:1; 3:6-10.
it “Levita”: “Andraikitra” § 1
Levita
Andraikitra. Fianakaviambe telo ny Levita: Ny taranak’i Gersona (Gersoma) sy Kehata ary Merary izay samy zanakalahin’i Levy. (Ge 46:11; 1Ta 6:1, 16) Teo akaikin’ny tranolay masina ny fianakaviambe tsirairay no nitoby tany an-tany efitra. Teo atsinanana teo anoloan’ilay tranolay ny Kehatita taranak’i Arona. Teo atsimo kosa ny Kehatita hafa, teo andrefana ny Gersonita, ary teo avaratra ny Merarita. (No 3:23, 29, 35, 38) Nanangana sy nandrava ary nitondra ny tranolay masina ny Levita. Rehefa hifindra toby ny Israelita, dia nalan’i Arona sy ny zanany lahy aloha ny ridao nanasaraka ny Masina sy ny Masina indrindra. Nosaronany avy eo ny Vata misy ny tenin’ny vavolombelona, ny alitara, ary ny fitaovana masina hafa, vao nitondra azy ireny ny Kehatita. Ny Gersonita kosa nitondra an’ireo lamban’ny tranolay, ireo rakony sy lamba fanakonana sy fefy lamban’ny tokotany ary ny tady fanenjanan-day (azo inoana fa ireo tadin’ny tranolay). Ny Merarita indray nitondra ny rafitry ny tranolay, ireo andry sy faladia nitsatohany ary ireo fantsika be sy tady fanenjanan-day (tady nanenjanana ny lamba nanodidina ny tokotanin’ny tranolay).—No 1:50, 51; 3:25, 26, 30, 31, 36, 37; 4:4-33; 7:5-9.
it “Levita”: “Andraikitra” § 3
Levita
Rehefa feno 30 taona ny Levita iray vao niantsoroka ny andraikiny rehetra, tamin’ny andron’i Mosesy. Anisan’izany ny filanjana ny tranolay masina sy ireo fitaovana tao anatiny rehefa nifindra toby. (No 4:46-49) Nisy andraikitra azony natao ihany rehefa feno 25 taona izy, saingy toa tsy nanao fanompoana mafy toy ny fitondrana ny tranolay masina izy. (No 8:24) Raha vao feno 20 taona kosa ny Levita dia efa afaka nanomboka ny fanompoany, tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka. Tsy nila nentina nandehandeha intsony mantsy ny tranolay masina fa efa hosoloana tempoly, hoy i Davida. Tsy voatery nanao fanompoana intsony ny Levita feno 50 taona. (No 8:25, 26; 1Ta 23:24-26; jereo TAONA.) Nila nahay tsara ny Lalàna ny Levita, satria matetika no nasaina namaky sy nampianatra azy io tamin’ny vahoaka.—1Ta 15:27; 2Ta 5:12; 17:7-9; Ne 8:7-9.
Vatosoa Ara-panahy
Hendre ka Matahora An’Andriamanitra!
13 Nampian’i Jehovah i Davida nandritra ny fahoriany, ary nahatonga azy hatoky sy hatahotra an’Andriamanitra bebe kokoa izany. (Salamo 31:22-24) Intelo anefa izy no tsy natahotra an’Andriamanitra, ka nibaby ny voka-dratsin’izany. Ny voalohany dia tamin’ny fotoana nitondrana ny fiaran’i Jehovah ho any Jerosalema. Nentina tamin’ny sarety izy io, nefa tokony ho nolanjain’ny Levita, araka ny Lalàn’Andriamanitra. I Oza no nandroaka an’ilay sarety. Notazoniny ilay Fiara rehefa saika nianjera, hany ka maty tsy tra-drano izy noho ny “fahadisoany.” Nanao fahotana lehibe tokoa i Oza, kanefa ny tsy fanajan’i Davida ny Lalàn’Andriamanitra, raha ny marina, no nahatonga an’ilay loza. Ny hoe matahotra an’Andriamanitra àry dia midika hoe manao zavatra araka ny fandaharany.—2 Samoela 6:2-9; Nomery 4:15; 7:9.
22-28 FEBROARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | NOMERY 5-6
“Ahoana no Azonao Anahafana ny Nazirita?”
it “Nazirita” § 2-5
Nazirita
Tsy nahazo nanao an’ireto zavatra telo ireto ireo nivoady ho Nazirita: 1) Nisotro zava-pisotro mahamamo, nihinana voaloboka manta na masaka na maina, nisotro ranom-boaloboka tsotra na ranom-boaloboka lasa divay na lasa vinaingitra; 2) nihety volo; 3) nikasika faty, na dia ny fatin’ny rainy, ny reniny, na ny mpiray tam-po aminy aza.—No 6:1-7.
Voady manokana. Ny “ho Nazirita eo anatrehan’i Jehovah” na hanokan-tena ho azy no tanjon’ilay nanao voady manokana, fa tsy ny hoderain’ny olona satria hoe mahavita mampihafy tena be. “Masina eo anatrehan’i Jehovah izy amin’ny andro rehetra maha Nazirita azy.”—No 6:2, 8; ampit. Ge 49:26.
Niavaka àry ny zavatra notakina tamin’ny Nazirita, teo amin’ny lafiny fanompoana an’i Jehovah. Hoatran’ny mpisoronabe nanao fanompoana masina mantsy ny Nazirita, satria tsy nahazo nikasika faty, na dia ny fatin’ny havany akaiky aza. Tsy nahazo nisotro divay na zava-pisotro mahamamo koa ny mpisoronabe sy ny mpisorona, rehefa nanao fanompoana masina teo anatrehan’i Jehovah. Andraikitra lehibe mantsy ny azy ireo.—Le 10:8-11; 21:10, 11.
“Ho masina” koa ilay Nazirita (heb.: nazir) “ka havelany ho lava ny volon-dohany.” Ho famantarana izany hoe Nazirita masina izy. (No 6:5) Nadika koa hoe “tsy norantsanana” ilay teny hebreo hoe nazir. Tsy norantsanana, ohatra, ny voaloboka tamin’ny taona Sabata sy Jobily. (Le 25:5, 11) Nisy soratra hoe “An’i Jehovah ny fahamasinana” ilay takela-bolamena napetaka teo amin’ny satroka lamban’ny mpisoronabe. “Famantarana masina” izy io “hoe voatokana [heb.: nezer] ho an’Andriamanitra” ilay mpisoronabe. Iray ihany ny fototenin’ny hoe nezer sy ny an’ilay hoe nazir. (Ek 39:30, 31, f.a.p.) Nantsoina koa hoe nezer ilay diadema nosatrohan’ireo voahosotra ho mpanjakan’ny Israely. (2Sa 1:10; 2Mp 11:12; jereo FANOKANANA; SATROBONINAHITRA.) Nilaza ny apostoly Paoly fa volo lava no nomena ny vehivavy ho saron-doha, ho fampahatsiahivana fa tokony hanaiky ny lehilahy izy, araka ny fandaharan’Andriamanitra eo anivon’ny fiangonana kristianina. Tsy nanety ny volony àry ny Nazirita na dia tsy voajanahary amin’ny lehilahy aza izany. Nifady divay koa izy, ary niezaka ny hadio sy tsy ho voaloto, mba hotsaroany foana fa tsy maintsy mahafoy tena sy manaiky tanteraka ny sitrapon’i Jehovah izy.—1Ko 11:2-16; jereo SARON-DOHA; VOAJANAHARY; VOLO.
Vatosoa Ara-panahy
Fanontanian’ny Mpamaky
Nazirita i Samsona, saingy tamin’ny heviny hafa. Nilaza toy izao tamin’ny reniny ny anjely iray, talohan’ny nahaterahany: “Indro, hanan-anaka hianao ka hiteraka zazalahy; ary tsy mba hokasihin-kareza ny lohany; fa ho Nazirita ho an’Andriamanitra hatrany an-kibo ny zaza; ary izy no hanomboka hamonjy ny Isiraely amin’ny tànan’ny Filistina.” (Mpitsara 13:5) Tsy nivoady ho Nazirita i Samsona. Andriamanitra no nanendry azy ho Nazirita nandritra ny androm-piainany. Tsy nihatra taminy àry ilay fameperana tsy hikasika faty. Ahoana tokoa moa no hamerenany ny fotoana naha-nazirita azy, izay nanomboka tamin’ny nahaterahany, satria nikasika faty tsy nahy izy? Hita àry fa tsy tena nitovy ny zavatra notakina tamin’ny Nazirita nandritra ny androm-piainany, sy ireo nanolo-tena ho Nazirita.