Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
1-7 MARTSA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | NOMERY 7-8
“Fianarana avy Amin’ny Tobin’ny Israely”
it “Fiangonana”: “Ny fiangonan’Israely” § 6
Fiangonana
Nisolo tena ny vahoakan’Israely matetika ny olona nanana andraikitra. (Ezr 10:14) Ny “mpiadidy teo amin’ny foko”, ohatra, no nanome fanatitra rehefa voatsangana ny tranolay masina. (No 7:1-11) Ny mpisorona sy ny Levita ary ny “lohandohany teo amin’ny vahoaka” no solontena nanisy tombo-kase an’ilay “fianianana” tamin’ny andron’i Nehemia. (Ne 9:38–10:27) ‘Mpiadidy vahoaka sady nantsoina foana rehefa nisy fivoriana, ary lehilahy nanan-daza’ ireo 250 niandany tamin’i Kora sy Datana sy Abirama ary Ona, izay nikomy tamin’i Mosesy sy Arona tany an-tany efitra. (No 16:1-3) Nasain’Andriamanitra nifidy 70 lahy tamin’ireo anti-panahy sady mpiadidy i Mosesy mba hanampy azy, satria tsy vitany irery ny ‘nitondra ny vahoaka.’ (No 11:16, 17, 24, 25) Miresaka momba an’ireo “anti-panahin’ny vahoaka” ny Levitikosy 4:15, ary azo inoana fa ireo anti-panahy teo amin’ilay firenena sy ireo lohany sy mpitsarany ary mpiadidiny no nisolo tena an’ilay vahoaka.—No 1:4, 16; Js 23:2; 24:1.
it “Robena” § 9
Robena
Teo atsimon’ny tranolay masina, teo anelanelan’ny fokon’i Simeona sy Gada no nisy ny Robenita tao amin’ny tobin’ny Israely, ary ny fokon’i Robena no nitarika an’io fizarana nisy foko telo io. Rehefa niainga ny toby, dia izy ireo no taorian’ny fizarana nisy ny fokon’i Joda sy Isakara ary Zebolona. (No 2:10-16; 10:14-20) Toy izany koa ny filaharan’ireo foko nanao fanatitra tamin’ny fitokanana ny tranolay masina.—No 7:1, 2, 10-47.
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Nomery
8:25, 26. Nodidiana hiala tamin’ny fanompoana nasaina nataony ireo zokiolona, mba hahazoana antoka fa ho vita araka ny tokony ho izy ny asan’ny Levita. Natao koa izany mba ho fiheverana ny taonan’izy ireo. Afaka nanolo-tena mba hanampy ireo Levita hafa anefa izy. Mpitory ilay Fanjakana foana kosa isika ankehitriny, fa tsy misy fisotroan-dronono. Mampianatra antsika lesona sarobidy anefa ilay toro lalana ao amin’io lalàna io. Afaka manao endri-panompoana hafa mety ho vitany ny Kristianina, raha tsy afaka manao ny adidy sasantsasany, noho izy efa antitra.
Vatosoa Ara-panahy
it “Lahimatoa, Voalohan-teraka” § 4
Lahimatoa, Voalohan-teraka
Mety ho lasa lohan’ireo fianakaviambe ny lahimatoan’ny Israelita. Izy ireny àry no solontenan’ilay firenena manontolo, izay nantsoin’i Jehovah hoe ‘lahimatoany.’ Toy ny hoe lahimatoa tokoa ilay firenena noho ilay fifanekena nataon’i Jehovah tamin’i Abrahama. (Ek 4:22) Nitsimbina ny ain’ny lahimatoa i Jehovah, ka izany no nahatonga azy hilaza hoe: “Hamasino ho ahy ny lahimatoa rehetra, izay voalohan-teraka eo amin’ny zanak’Israely, na olona na biby.” (Ek 13:2) Natokana ho an’Andriamanitra àry ny zanaka lahimatoa.
8-14 MARTSA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | NOMERY 9-10
“Ny Fomba Itarihan’i Jehovah ny Vahoakany”
it “Toby”: “Tobin’ny Israely” § 9
Toby
Tena nilamina koa ilay toby rehefa nifindra lasy (in-40 teo ho eo araka ny tenin’i Mosesy ao amin’ny Nomery 33). Tsy niainga ilay toby raha tsy rehefa niakatra ilay rahona teo ambonin’ny tranolay masina. “Araka ny baikon’i Jehovah no nitobian’izy ireo, ary araka ny baikon’i Jehovah koa no niaingany.” (No 9:15-23) Trompetra volafotsy roa notefena tamin’ny marotoa no notsofina rehefa nampitaina tamin’ny rehetra ireo baikon’i Jehovah ireo (No 10:2, 5, 6), ka notsofina hamoaka feo miovaova rehefa hiainga ny toby. “Tamin’ny andro faharoapolon’ny volana faharoa, tamin’ny taona faharoa [1512 T.K.]” no voalohany nitsofana trompetra toy izany. Ny Vata misy ny fifanekena no teo aloha indrindra. Toy izao kosa ny filaharan’ireo tao aoriana: Ny fizarana voalohany notarihin’i Joda, ary narahin’i Isakara, avy eo i Zebolona; ny Gersonita sy Merarita nitondra ny tranolay masina sy fitaovana isan-karazany; ny fizarana notarihin’i Robena, narahin’i Simeona sy Gada; ny Kehatita nitondra ny Vata masina sy ireo fitaovana tao amin’ny Masina; ny fizarana nisy an’i Efraima, narahin’i Manase sy Benjamina; farany, ny fizarana notarihin’i Dana, narahin’i Asera sy Naftaly. Ireo fizarana roa be lehilahy mpiady indrindra àry no loha laharana sy vodilaharana.—No 10:11-28.
Manaraka ny Tari-dalan’Andriamanitra ve Ianao?
Ahoana no ampisehoantsika fa mankasitraka ny tari-dalan’Andriamanitra isika? Hoy ny apostoly Paoly: “Aoka ianareo hankatò sy hanaiky an’ireo mitarika eo aminareo.” (Heb. 13:17) Tsy mora izany indraindray. Alao sary an-tsaina hoe Israelita ianao, ary niaina tamin’ny andron’i Mosesy. Eritrereto hoe mijanona ilay andry rahona, rehefa avy nandeha an-tongotra elaela ianareo. Mety hanontany tena ianao hoe: ‘Hafiriana re io no hijanona e? Iray andro, sa herinandro, sa amam-bolana mihitsy? Havoakako daholo àry ve ny entako?’ Izay zavatra tena ilaina ihany no avoakanao amin’ny voalohany. Voatery mikarokaroka ao anaty entana anefa ianao, isaky ny mila zavatra. Leo ianao amin’ny farany, ka manomboka mamaha ny entanao rehetra. Rehefa ho voavaha daholo anefa ny entanao, dia iny fa miainga ilay rahona. Tsy maintsy ahoronao daholo indray ny entana! Tsy mora izany. Na izany aza, dia tsy maintsy ‘miainga avy hatrany’ ianareo.—Nom. 9:17-22.
Ahoana àry no ataontsika rehefa omen’i Jehovah tari-dalana? Mampihatra an’ilay izy “avy hatrany” ve isika, sa izay efa mahazatra antsika ihany no ataontsika? Ampiharintsika ve, ohatra, ireo toromarika farany, anisan’izany ny toromarika momba ny fitarihana fampianarana Baiboly, fitoriana amin’ny olona miteny vahiny, fanaovana Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana tsy tapaka, fiaraha-miasa amin’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly, ary izay tokony hatao rehefa any amin’ny fivoriambe? Hita koa hoe mankasitraka ny tari-dalan’Andriamanitra isika, rehefa manaiky torohevitra. Tsy tokony hatoky tena isika rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe, fa hitady tari-dalana amin’i Jehovah sy ny fandaminany. Hitady fiarovana amin’ny fandaminana isika, rehefa mahita olana eto amin’ity tontolo ity, toy ny ankizy mitady fiarovana amin’ny ray aman-dreniny rehefa misy mampijaly.
Vatosoa Ara-panahy
it “Fivoriana, Fivoriambe”: “Zava-dehibe ny fivoriana”
Fivoriana, Fivoriambe
Zava-dehibe ny fivoriana. Fandaharana nataon’i Jehovah mba hahazoana fampaherezana ny fivoriana, ka tena zava-dehibe ny hanatrehana azy ireny. Hita izany, ohatra, tamin’ny fetin’ny Paska fanao isan-taona. Novonoina ho faty izay lehilahy nadio tsy nankalaza azy io, nefa tsy nanao dia lavitra. (No 9:9-14) Hoy i Hezekia Mpanjaka, rehefa nanasa ny mponin’i Joda sy Israely ho any Jerosalema mba hankalaza ny Paska: “Ry taranak’Israely, miverena amin’i Jehovah ... Aza manamafy hatoka tahaka ny razanareo. Maneke kosa an’i Jehovah, ka mankanesa any amin’ny toerany masina, izay efa nohamasininy mba ho masina mandritra ny fotoana tsy voafetra. Ary manompoa an’i Jehovah Andriamanitrareo, mba tsy hirehitra aminareo intsony ny fahatezerany. ... Fa tsara fanahy sy mamindra fo i Jehovah Andriamanitrareo, ka tsy ho izy indray no hihodina tsy hijery anareo, raha miverina aminy ianareo.” (2Ta 30:6-9) Nahafoy an’Andriamanitra izay ninia tsy nanatrika azy io. Tsy mankalaza fety toy ny Paska intsony ny Kristianina, kanefa nampirisika azy ireo i Paoly mba hivory tsy tapaka miaraka amin’ny vahoakan’Andriamanitra. Hoy izy: “Aoka koa isika hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, toy ny sasany izay efa zatra tsy mivory, fa hifampahery kosa, indrindra fa hitanareo hoe manakaiky ny andro.”—He 10:24, 25; jereo FIANGONANA.
15-21 MARTSA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | NOMERY 11-12
“Nahoana Isika no Tsy Tokony ho Be Taraina?”
Aoka Ianareo Tsy ho Tonga Mpihaino Manadino
20 Tsy resin’ny fakam-panahy haloto fitondran-tena mihitsy ny ankamaroan’ny Kristianina. Mila mitandrina anefa isika mba tsy ho lasa mpimenomenona, ka hanjary tsy hankasitrahan’Andriamanitra. Mananatra antsika toy izao i Paoly: “Ary aoka tsy haka fanahy ny Tompo isika, tahaka ny nakan’ny sasany tamin’ireny fanahy Azy, ka matin’ny menarana ireny. Ary aoka tsy himonomonona hianareo tahaka ny sasany tamin’ireny, izay matin’ny mpandringana.” (1 Korintiana 10:9, 10) Nimenomenona tamin’i Mosesy sy i Arona ary i Jehovah mihitsy ny Isiraelita, ka nitaraina momba ilay mana, izay nomena tamin’ny fomba nahagaga. (Nomery 16:41; 21:5) Teo imason’i Jehovah, moa ve maivan-danja noho ny fijangajangan’izy ireo ny fimenomenonany? Tantarain’ny Baiboly fa maro no matin’ny menarana. (Nomery 21:6) Taloha kokoa, dia 14 700 mahery no ringana, satria nikomy sy nimenomenona. (Nomery 16:49) Aoka àry isika tsy hanao tsinontsinona izay omen’i Jehovah mba tsy hampahasosotra Azy.
Mitandrema mba Tsy Himonomonona
7 Tena niova ny toe-tsain’ny Israelita! Velom-pankasitrahana izy ireo taloha, ka nanao hira fiderana ho an’i Jehovah, rehefa nafahana avy tany Ejipta sy tafita ny Ranomasina Mena. (Eksodosy 15:1-21) Niatrika zava-tsarotra anefa izy ireo tany an-tany efitra, ary natahotra an’ireo Kananita. Lasa tsy nahay nankasitraka intsony izy ireo tamin’izay, ary tsy nety afa-po tamin’izay nomena azy. Tsy nisaotra an’Andriamanitra noho ny fahafahany izy ireo, fa nihevitra hoe nihafy be, ka nanome tsiny azy. Hita tamin’ny fimonomononan’izy ireo àry, fa tsy ampy ny fankasitrahany an’ireo fanomezan’i Jehovah. Tsy mahagaga raha nilaza i Jehovah hoe: “Mandra-pahoviana no mbola handeferako amin’izao fiangonana ratsy mimonomonona amiko izao?”—Nomery 14:27; 21:5.
it “Fifandirana”: “Menomenona” § 1
Fifandirana
Menomenona. Mahakivy sy mitondra voka-dratsiny hafa ny menomenona. Nimenomenona tamin’i Jehovah ny Israelita, tsy ela taorian’ny nialan’izy ireo tany Ejipta, ka nanakiana an’i Mosesy sy Arona izay mpitarika nofidin’i Jehovah. (Ek 16:2, 7) Nahakivy an’i Mosesy ireny fitarainana ireny tatỳ aoriana, ka nangataka ny ho faty izy. (No 11:13-15) Mety hidiran-doza koa ilay mimenomenona, ary mety ho faty mihitsy aza. Tamin’i Jehovah, dia toy ny hoe nikomy tamin’ny fitondrany ireo olona nimenomenona tamin’i Mosesy. (No 14:26-30) Maro no maty noho izany.
Vatosoa Ara-panahy
it “Mana”: “Endriny” § 1
Mana
Endriny. “Fotsy tahaka ny voan-kotimila” ny mana, ary “toy ny” ditin’ny hazo matambelo, izay toy ny perla mangilohilo tantera-pahazavana. “Toy ny an’ny mofo fisaka misy tantely” na “mofo mamy misy menaka” ny tsirony. Nandrahoina tao anaty vilany ilay izy na natao mofo ary nandrahoina tao anaty lafaoro, rehefa avy nototoina tamin’ny vato fikosoham-bary na tao anaty laona.—Ek 16:23, 31; No 11:7, 8.
22-28 MARTSA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | NOMERY 13-14
“Ho Be Herim-po Isika Raha Manam-pinoana”
Be Herim-po Noho ny Finoana sy ny Tahotra An’Andriamanitra
5 Dodona hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina anefa ny roa tamin’ireo mpisafo tany, dia i Josoa sy Kaleba. Hoy izy ireo: “Hanina ho antsika [ny Kananita]; ny fiarovany efa niala taminy, ary Jehovah momba antsika; koa aza matahotra azy hianareo.” (Nomery 14:9) Tsy marim-pototra ve ny fanantenan’izy roa lahy? Tena marim-pototra mihitsy! Na izy mirahalahy, na ny firenena manontolo, dia samy nahita fa naetrin’i Jehovah tamin’ny alalan’ny Loza Folo, ny firenena matanjak’i Ejipta sy ireo andriamaniny. Hitan’izy ireo koa ny nandentehan’i Jehovah an’i Farao sy ny tafiny, tao amin’ny Ranomasina Mena. (Salamo 136:15) Noho izany, dia tsy tokony ho natahotra mihitsy ireo mpisafo tany folo lahy sy ireo nanaiky hotaominy. Nalahelo mafy i Jehovah, ka niteny hoe: “Mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy noho ny famantarana rehetra izay nataoko teo aminy?”—Nomery 14:11.
6 Nahariharin’i Jehovah fa tsy nanam-pinoana ilay vahoaka, matoa kanosa toy izany. Hita amin’izany fa tsy afa-misaraka ny finoana sy ny herim-po. Izany no nahatonga ny apostoly Jaona hanoratra toy izao momba ny fiangonana kristianina sy ny ady ara-panahy ataony: “Izao no fandresena efa naharesy an’izao tontolo izao, dia ny finoantsika.” (1 Jaona 5:4) Miely eran-tany ankehitriny ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, satria manam-pinoana toy ny an’i Josoa sy Kaleba ny Vavolombelon’i Jehovah enina tapitrisa mahery, na tanora, na antitra, na matanjaka, na osa. Tsy misy fahavalo mahavita mampangina an’io tafika matanjaka sy be herim-po io.—Romanina 8:31.
Vatosoa Ara-panahy
it “Ilay Tany Nomen’Andriamanitra ny Israely” § 1
Ilay Tany Nomen’Andriamanitra ny Israely
TENA soa tokoa ilay tany nomen’Andriamanitra ny Israely. Io ilay Tany Nampanantenaina. Naniraka mpitsikilo i Mosesy mba hijery taratra azy io sy hialoha an’ilay firenena. Nasainy naka santionany tamin’ny vokatry ny tany koa izy ireo, ka nitondra aviavy, sy ampongabendanitra, ary sampahom-boaloboka lehibe izay nentin’ny roa lahy tamin’ny bao filanjana! Natahotra izy ireo satria tsy ampy finoana, nefa niaiky ihany fa “tena tondra-dronono sy tantely tokoa” ilay tany.—No 13:23, 27.
29 MARTSA–4 APRILY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | NOMERY 15-16
“Aza Manambony Tena na Matoky Tena Loatra”
Fantatr’i Jehovah ve Ianao?
12 Nanakiana an’i Mosesy anefa i Kora, teny an-dalana ho any amin’ny Tany Nampanantenaina. Tsy tokony hitarika ny Israelita intsony, hono, i Mosesy. Nisy olona ambony 250 nanohana an’i Kora. Natoky ry zareo fa fantatr’i Jehovah, na hoe nankasitrahany. Hoy izy ireo tamin’i Mosesy sy Arona: “Efa tofoka aminareo izahay, fa masina avokoa ny vahoaka manontolo, ary i Jehovah no eo aminy.” (Nom. 16:1-3) Natoky tena loatra ry zareo sady nanambony tena. Hoy i Mosesy tamin’izy ireo: “I Jehovah no hampahafantatra hoe iza no azy.” (Vakio ny Nomery 16:5.) Ny ampitson’iny ihany, dia noringanin’i Jehovah i Kora sy izay niara-nikomy taminy.—Nom. 16:31-35.
Fantatr’i Jehovah ve Ianao?
11 Andeha isika hijery ny tantaran’i Mosesy sy Kora. Nanaiky ny lamina napetrak’i Jehovah i Mosesy sady nankatò ny fanapahan-keviny. I Kora anefa tsy nanao izany. Ho hitantsika hoe ahoana no fiheveran’i Jehovah azy ireo. Levita Kehatita i Kora. Nahazo fitahiana maro izy tamin’ny voalohany. Azo inoana, ohatra, fa nahita ny namonjen’i Jehovah ny Israelita teo amin’ny Ranomasina Mena izy. Anisan’ireo nitondra ny vata misy ny fifanekena koa angamba izy, sady nirahin’i Jehovah hamono an’ireo Israelita nanompo sampy, teo amin’ny Tendrombohitra Sinay. (Eks. 32:26-29; Nom. 3:30, 31) Azo antoka àry fa tsy nivadika tamin’i Jehovah an-taonany maro izy, sady nohajain’ny Israelita.
Vatosoa Ara-panahy
Ataovy Azo Antoka fa Mametraka Ireo Zava-dehibe Indrindra eo Amin’ny Toerana Voalohany Ianao!
Nihevitra ilay raharaha ho zava-dehibe kokoa i Jehovah. Izao no lazain’ny Baiboly: “Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Hatao maty tokoa izany lehilahy izany.” (Nomery 15:35). Nahoana i Jehovah no tezitra mafy tamin’izay nataon’ilay lehilahy?
Nanana andro enina ny olona mba hanangonana kitay sy hikarakarana izay nilainy teo amin’ny sakafo sy ny fitafiana ary ny fialofana. Tokony hatokana ho amin’ireo zavatra nilainy ara-panahy ny andro fahafito. Na dia tsy ratsy aza ny nanangona kitay, dia ratsy ny nampiasa ilay fotoana tokony ho natokana ho an’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah mba hanaovana izany. Na dia tsy eo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy aza ny Kristianina, moa ve io fisehoan-javatra io tsy mampianatra antsika lesona, dia ny hoe tokony hoferantsika tsara ireo zavatra omentsika ny laharam-pahamehana amin’izao andro izao?— Filipiana 1:10.
5-11 APRILY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | NOMERY 17-19
“Izaho no ... Lovanao”
Ahoana no Ampisehoanao fa i Jehovah no Anjara Lovanao?
9 Eritrereto ny Levita, izay tsy nomena anjara tany ho lovany. Natao hitarika ny Israelita teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah izy ireo, ka izay no nataony loha laharana. Tsy maintsy nihevitra an’i Jehovah ho anjarany sy lovany àry izy ireo, ka niantehitra taminy mba hahazoana izay nilainy. (Nom. 18:20) Marina fa tsy manompo ao amin’ny tempoly ara-bakiteny, toa an’ireo mpisorona sy Levita, isika. Afaka matoky toa azy ireo anefa isika hoe hanome izay ilaintsika i Jehovah. Efa tena akaiky ny farany, ka hihasarotra ny fiainantsika, noho isika tsy mandray ny ‘mariky’ ny bibidia. Vao mainka ilaina àry ny matoky an’i Jehovah.—Apok. 13:17.
I Jehovah no Anjarako sy Lovako
4 Natokana ho an’i Jehovah ny Levita, ka nampanantena azy ireo i Jehovah hoe: “Izaho no anjaranao sy lovanao.” Inona no dikan’izany? Tsy nomen’i Jehovah anjara tany izy ireo ho lovany, fa nomeny zava-tsarobidy hafa. Nomeny asa tena tsara izy ireo. “Ny asa fisoronana ho an’i Jehovah” no lova, na anjara nomena azy ireo. (Jos. 18:7) Tsy lasa nahantra anefa ny Levita, na izany aza. (Vakio ny Nomery 18:19, 21, 24.) Nomena azy ireo ‘ny ampahafolon-karena rehetra teo amin’ny Israely, ho tambin’ny fanompoana ataony.’ Anisan’izany ny ampahafolon’ny vokatry ny tany sy ny ampahafolon’ny biby vao teraka. Nasaina nanome ny ampahafolon’ny zavatra nomena azy kosa ny Levita, mba hanampiana ny mpisorona, ary “ny tsara indrindra” no nomeny. (Nom. 18:25-29) Natokana ho an’ny mpisorona koa “ny fanomezana masina rehetra” naterin’ny Israelita ho an’Andriamanitra, tao amin’ny toeram-pivavahana. Afaka natoky àry ny mpisorona hoe nikarakara azy ireo i Jehovah.
Vatosoa Ara-panahy
“Zanaky ny Ray Aman-dreny Madio Indrindra”
Nohosorana sira indraindray ny zaza vao teraka. Toa noheverin’ny olona ho fanafody na famonoana mikraoba mantsy ny sira. (Ezekiela 16:4) Ampiasaina an’ohatra koa ny sira ao amin’ny Baiboly. Nilaza, ohatra, i Jesosy fa “siran’ny tany” ny mpianany, satria niaro ny olona sy namonjy ny ainy ny hafatra nentin’izy ireo. (Matio 5:13) Nanjary nentina nilazana zavatra tsy miovaova sy maharitra koa ny sira. Fifanekena tsy miovaova àry no natao hoe ‘fanekena nasian-tsira.’—Nomery 18:19.
12-18 APRILY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | NOMERY 20-21
“Mandefera Foana na Mafy aza ny Mahazo Anao”
Miezaha Handefitra dia ho Faly i Jehovah
19 Hihena ny fahadisoana ataontsika. Eritrereto indray i Mosesy. Nandefitra foana izy nandritra ny taona maro ary nampifaly an’i Jehovah. Tsy nahavita nandefitra anefa izy indray mandeha, rehefa ho tapitra ilay 40 taona nivezivezen’ny Israelita tany an-tany efitra. Vao avy nalevina tao Kadesy ny anabaviny, izay azo inoana fa ilay namonjy azy tany Ejipta. Mbola nimenomenona indray ny Israelita tamin’izay hoe tsy voakarakara tsara. “Nila ady tamin’i Mosesy” izy ireo satria tsy nisy rano, hono. Nimenomenona izy ireo na dia efa be dia be aza ny fahagagana nataon’i Jehovah tamin’ny alalan’i Mosesy. Tsy tia tena koa i Mosesy nandritra an’ireo taona maro nitarihany azy ireo, nefa hoatran’ny te hilaza izy ireo hoe i Mosesy no nahatonga azy ireo hangetaheta.—Nom. 20:1-5, 9-11.
Miezaha Handefitra dia ho Faly i Jehovah
20 Tezitra be i Mosesy ka tsy nalemy fanahy intsony. Nasain’i Jehovah niteny tamin’ilay vatolampy izy, nefa ilay vahoaka indray no noresahiny, sady nasiaka be izy. Nolazainy fa izy koa no hanao an’ilay fahagagana. Nokapohiny indroa ilay vatolampy avy eo, dia tonga dia nisy rano niboiboika avy tao. Nentin’ny hatezerana izy sady nirehareha ka lasa nanao fahadisoana lehibe. (Sal. 106:32, 33) Vetivety fotsiny izy no tsy nandefitra, nefa izay no nahatonga azy tsy ho tafiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina.—Nom. 20:12.
21 Inona no azontsika ianarana avy amin’izany? Voalohany, tokony hiezaka foana isika mba handefitra. Na vetivety fotsiny aza mantsy isika no tsy mandefitra, dia mety hirehareha ka hiteniteny foana sy hanaonao foana. Faharoa, tokony hiezaka mafy isika mba handefitra na dia rehefa miady saina aza, satria amin’izay indrindra no sarotra izany.
Ilay Mitsara Araka ny Marina Foana
Voalohany, tsy nilaza Andriamanitra hoe tokony hiresaka tamin’ilay vahoaka i Mosesy, ka hitsara azy ireo ho mpikomy. Faharoa, tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra i Mosesy sy Arona. Hoy Andriamanitra: ‘Tsy nanamasina ahy ianareo.’ (Andininy 12) Rehefa nilaza i Mosesy hoe: ‘Hamoaka rano izahay’, dia toy ny hoe izy sy Arona no nanome ilay rano tamin’ny fomba mahagaga, fa tsy Andriamanitra. Fahatelo, nifanaraka tamin’ny didim-pitsaran’i Jehovah teo aloha ilay sazy. Tsy navelan’Andriamanitra hiditra ny tany Kanana ilay taranaka mpikomy talohany, ary izany koa no nataony tamin’i Mosesy sy Arona. (Nomery 14:22, 23) Fahefatra, i Mosesy sy Arona no mpitarika ny Israely. Ampamoahin’Andriamanitra bebe kokoa ireo mitana andraikitra lehibe.—Lioka 12:48.
Vatosoa Ara-panahy
Tahafo ny Fomba Fijerin’i Jehovah An’ireo Malemy
12 Afaka nanasazy an’i Arona avy hatrany i Jehovah tamin’ireo toe-javatra ireo. Hitany anefa fa tsy olon-dratsy i Arona. Nanao fahadisoana izy satria angamba mafy ny nanjo azy na tsy nahatohitra izy rehefa notaomin’ny hafa hanao ratsy. Rehefa nampahafantarina azy anefa ny fahadisoany, dia niaiky izy ary nanaiky ny fanapahan-kevitr’i Jehovah. (Eks. 32:26; Nom. 12:11; 20:23-27) Naleon’i Jehovah nifantoka tamin’ny finoan’i Arona sy ny fibebahany. Ny fahatahorana an’i Jehovah no nahatsiarovana an’i Arona sy ny taranany, na dia efa taonjato maro tatỳ aoriana aza.—Sal. 115:10-12; 135:19, 20.
19-25 APRILY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | NOMERY 22-24
“Novan’i Jehovah ho Fitahiana Ilay Ozona”
Torio “ny Vaovao Tsara Momba An’i Jesosy”
5 Tsy mampitsahatra ny fitorian’ny vahoakan’Andriamanitra koa ankehitriny ny fanenjehana, toy ny tamin’ny taonjato voalohany ihany. Misy Kristianina alefa any am-ponja na terena ho any an-tany hafa. Matetika anefa izany no mahatonga ny olona any handre ny hafatra momba ilay Fanjakana. Afaka nitory tany amin’ny toby fitanan’ny Nazia, ohatra, ny Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ny Ady Lehibe II. Hoy ny Jiosy iray nihaona tamin’ireo Vavolombelona tany: ‘Nanana herin-tsaina ireo mpigadra Vavolombelon’i Jehovah ka niaiky aho fa niorina tamin’ny Soratra Masina ny finoany. Izany no nahatonga ahy ho Vavolombelon’i Jehovah.’
it “Hadalana”: “Hadalana ny manohitra an’i Jehovah” § 1
Hadalana
Hadalana ny manohitra an’i Jehovah. Nitady hanozona an’ireo Israelita ny mpaminany Balama mba hahazoana vola tamin’i Balaka mpanjakan’ny Moabita. Hadalana anefa izany satria navadik’i Jehovah ho fitahiana ireo ozona ary nataony nandamòka ny tetik’i Balama. Hoy ny apostoly Petera momba an’i Balama: “Niezaka nisakana ny hadalan’ilay mpaminany ny ampondravavy moana, izay niteny toy ny olona.” Parafrônia (a.b.t. any ivelan’ny saina: Tsy misaina, adala) no teny grika nampiasain’i Petera mba hilazana ny hadalan’i Balama.—2Pe 2:15, 16; No 22:26-31.
Vatosoa Ara-panahy
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Nomery
22:20-22—Nahoana no nirehitra tamin’i Balama ny fahatezeran’i Jehovah? Nilaza taminy i Jehovah mba tsy hanozona ny Israelita. (Nomery 22:12) Niaraka tamin’ny olon’i Balaka anefa ilay mpaminany, ary tena nikasa ny hanozona ny Israely. Nirin’i Balama ny hampifaly ny mpanjaka moabita sy handray valisoa avy taminy. (2 Petera 2:15, 16; Joda 11) Mbola nitady izay hahazoana sitraka tamin’ilay mpanjaka ihany i Balama, na dia noterena hitso-drano ny Israelita aza. Nandroso hevitra ny hampiasana ireo vehivavy mpivavaka tamin’i Bala izy, mba hanangolena ireo lehilahy israelita. (Nomery 31:15, 16) Nanana faniriana tsy nety afa-po sy maty eritreritra àry i Balama, ka izany no nahatonga an’Andriamanitra ho tezitra taminy.
26 APRILY–2 MEY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | NOMERY 25-26
“Mety Hahasoa ny Maro ny Zavatra Ataon’ny Olona Iray”
“Andosiro ny Fijangajangana”
MANKENY amin’ny toerana tiany ny mpanjono iray. Misy trondro efa eritreretiny ho azo ka fidiny tsara izay hataony jono. Alefany ao anaty rano ny tadim-pintana. Iny fa mihetsika ny bosoa! Miforitra mihitsy aza ny haranjono. Sintoniny haingana ilay izy ka azony ilay trondro! Faly izy fa nahay nifidy jono.
2 Nandinika izay hataony jono koa ny lehilahy iray, tamin’ny taona 1473 Talohan’i Kristy. Balama no anarany ary ny vahoakan’Andriamanitra no tiany hojonoina. Nitoby teo amin’ny Lemak’i Moaba, teo akaikin’ny Tany Nampanantenaina, izy ireo tamin’izay. Nilaza ho mpaminanin’i Jehovah i Balama, nefa olona tia vola sady voakarama hanozona ny Israely. Nisalovana anefa i Jehovah, ka nanjary nitso-drano ny Israely i Balama. Mbola te hahazo an’ilay valisoa i Balama. Nieritreritra izy hoe hataony izay hahatonga ny Israely hanao fahotana lehibe, amin’izay Andriamanitra ihany no hanozona an’ireo vahoakany ireo. Ny tovovavy tsara tarehy tao Moaba àry no nataony jono.—Nomery 22:1-7; 31:15, 16; Apokalypsy 2:14.
“Andosiro ny Fijangajangana”
4 Inona no nahatonga izany? Maro no lasa nanana fo ratsy ka niala tamin’i Jehovah. Izy anefa no Andriamanitra nanafaka azy ireo tany Ejipta, sy nanome sakafo azy tany an-tany efitra, ary nitarika azy hatreo akaikin’ny Tany Nampanantenaina. (Hebreo 3:12) Nisaintsaina an’izany ny apostoly Paoly ka niteny hoe: “Aoka isika tsy hijangajanga, toy ny nijangajangan’ny sasany tamin’ireny, ka telo arivo sy roa alina taminy no maty tao anatin’ny iray andro.”—1 Korintianina 10:8.
Vatosoa Ara-panahy
it “Sisin-tany”: “Sisin-tanin’ireo fokon’ny Israely” § 2-3
Sisin-tany
Toa natao antsapaka ny fizarana an’ilay tany, nefa nojerena koa ny haben’ny foko tsirairay. Ny faritra ho azon’ny foko tsirairay ihany anefa no nasehon’ny antsapaka, ka nahafantarana hoe tany avaratra ve ilay izy, sa tany atsimo sa atsinanana sa andrefana sa teny amin’ny lemaka amoron-tsiraka sa teny amin’ny faritra be tendrombohitra. Ny fanapahan-kevitr’i Jehovah no nasehon’ny antsapaka. Amin’izay dia tsy hisy foko hifampialona na hiady. (Oh 16:33) Ny antsapaka koa no nitarihan’Andriamanitra ny toe-javatra, mba ho tanteraka tamin’ny foko tsirairay ilay faminaniana nolazain’i Jakoba tamin’izy efa ho faty.—Ge 49:1-33.
Rehefa vita ny antsapaka, dia nofantarina hoe hoatran’ny ahoana ny haben’ny faritany homena ny foko tsirairay, arakaraka ny haben’ilay foko. Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Zarao ho anareo ilay tany araka ny fianakaviana eo aminareo, ka antsapaka no hizaranareo azy. Ampitomboy ny lovan’izay maro, ary ahenao kosa ny lovan’izay vitsy. Izay tany azony amin’ny antsapaka no ho lasany.” (No 33:54) Izay faritra nasehon’ny antsapaka ihany àry no nohazonina, saingy mety hoe namboarina ny habeny. Lehibe loatra, ohatra, ny anjara faritanin’i Joda ka nahena, ary nisy ampahany maromaro tamin’ilay izy nomena ny fokon’i Simeona.—Js 19:9.