Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
3-9 MEY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | NOMERY 27-29
“Tahafo i Jehovah ka Aza Manavakavaka”
Tiavo Ireo Toetran’i Jehovah
14 Nandeha nanontany an’i Mosesy izy ireo hoe: ‘Nahoana ny anaran’ny rainay no hovonoina tsy ho eo amin’ny fianakaviany, noho izy tsy nanan-janakalahy?’ Niangavy koa izy ireo hoe: “Mba omeo lova eo amin’ny rahalahin-drainay re izahay e!” Tsy fanao mihitsy izany taloha. Tonga dia niteny tamin-dry zareo àry ve i Mosesy hoe: ‘Efa izay ny lalàna, dia izay’? Tsia, “nentin’i Mosesy teo anatrehan’i Jehovah ilay raharaha.” (Nom. 27:2-5) Ahoana no nataon’i Jehovah? Hoy izy tamin’i Mosesy: “Marina ny tenin’ny zanakavavin’i Zelofada. Tokony homenao lova eo amin’ny rahalahin-drainy tokoa izy ireo. Koa afindrao aminy ny lovan-drainy.” Tsy vitan’izay fa nampidirin’i Jehovah tao amin’ny Lalàna mihitsy izany. Hoy izy tamin’i Mosesy: “Raha misy lehilahy maty nefa tsy manan-janakalahy, dia afindrao amin’ny zanany vavy ny lovany.” (Nom. 27:6-8; Jos. 17:1-6) Nahazo lova daholo ny vehivavy israelita nanana olana toa azy dimy mirahavavy, nanomboka teo.
Tiavo Ireo Toetran’i Jehovah
15 Hita tamin’ny fomba nandaminan’i Jehovah an’iny olana iny, fa tena tsara fanahy sy tsy manavakavaka izy. Tsy mba nanana olona hanampy azy izy dimy vavy. I Jehovah kosa nanome haja azy ireo, toy ny nataony tamin’ny Israelita hafa rehetra. (Sal. 68:5) Mbola misy tantara maro ao amin’ny Baiboly mampiseho fa tsy manavakavaka i Jehovah.—1 Sam. 16:1-13; Asa. 10:30-35, 44-48.
Tiavo Ireo Toetran’i Jehovah
16 Inona no hanampy antsika hanahaka an’i Jehovah ka tsy hanavakavaka? Tadidio fa mila manana toe-tsaina tsy manavakavaka isika, vao ho hita amin’ny ataontsika hoe tsy manavakavaka. Mety hieritreritra isika hoe efa malala-tsaina sy tsy manavakavaka. Tsy mora amintsika anefa indraindray ny mamantatra izay tena ao am-pontsika. Inona àry no azo atao mba hahalalana raha tena tsy manavakavaka isika? Diniho ny nataon’i Jesosy. Tiany ho fantatra hoe inona no nolazain’ny olona momba azy, ka nanontany namana azo itokisana izy hoe: “Lazain’ny olona ho iza moa ny Zanak’olona?” (Mat. 16:13, 14) Afaka manontany namana azo itokisana koa ianao hoe: ‘Manavakavaka ve aho? Ahoana no fiheveran’ny olona ahy?’ Ahoana raha milaza izy hoe indraindray ianao manavakava-bolon-koditra ihany, na tsara fanahy kokoa amin’ny olona manam-bola na nahita fianarana noho ianao? Mivavaha mafy amin’i Jehovah mba hanampy anao hiova, ka hanahaka azy bebe kokoa ary tsy hanavakavaka.—Mat. 7:7; Kol. 3:10, 11.
Vatosoa Ara-panahy
it “Fanatitra”: “Fanatitra zava-pisotro”
Fanatitra
Fanatitra zava-pisotro. Nampiarahina tamin’ny ankamaroan’ny fanatitra hafa rehetra izy io, indrindra rehefa tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Israelita. (No 15:2, 5, 8-10) Divay (“zava-pisotro mahamamo”) ilay izy, ary nararaka teo ambony alitara. (No 28:7, 14; ampit. Ek 30:9; No 15:10.) Hoy i Paoly tamin’ireo Kristianina tany Filipy: ‘Faly aho, na dia atao toy ny fanatitra zava-pisotro aza, ka araraka eo amin’ny sorona mifandray amin’ny fanompoana ho an’ny besinimaro.’ Nilaza izy fa toy ny fanatitra zava-pisotro ny tenany, noho izy vonona hahafoy tena ho an’ny rahalahiny kristianina. (Fi 2:17) Hoy koa izy tamin’i Timoty, taloha kelin’ny nahafatesany: “Efa araraka sahady toy ny fanatitra zava-pisotro aho, ary efa antomotra ny fotoana voatondro hanafahana ahy.”—2Ti 4:6.
10-16 MEY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | NOMERY 30-31
“Efao ny Voadinao”
it “Voady”: “An-tsitrapo, nefa tsy maintsy nefaina” § 1
Voady
An-tsitrapo, nefa tsy maintsy nefaina. Natao an-tsitrapo tanteraka ny voady, nefa notakin’ny Lalàna ny hanefana azy io. ‘Ny ain’ilay’ nanao voady no ‘nataony antoka’ hoe hitana ny teniny izy. (No 30:2; jereo koa Ro 1:31, 32.) Tsy tokony hatao maimaika àry ny voady, fa mila dinihina tsara aloha izay rehetra tafiditra amin’izany. Hoy ny Lalàna: ‘Raha mivoady amin’i Jehovah ianao, [dia] tena hampamoahin’i Jehovah Andriamanitrao ny amin’izany ianao ka ho fahotana ho anao tokoa izany. Tsy ho fahotana ho anao kosa izany raha tsy nivoady ianao.’—De 23:21, 22.
it “Voady” § 1
Voady
Fianianana an-tsitrapo amin’Andriamanitra fa hanao zavatra iray, hanolotra fanatitra na fanomezana, hanao fanompoana na hanaraka fomba fiaina iray, na hifady zavatra sasany tsy voatery ho ratsy. Mavesa-danja toy ny fianianana àry ny voady, ary nampiarahina indraindray ireo teny ireo ao amin’ny Baiboly. (No 30:2; Mt 5:33) Milaza ny fikasany hanao zavatra iray ny olona ‘mivoady’, fa ny olona ‘mianiana’ kosa manonona anaran’ny olona ambony mba hanamafisana fa marina izay lazainy ary hitana ny teniny izy. Matetika no nianiana ireo nanao fifanekena.—Ge 26:28; 31:44, 53.
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Nomery
30:7-9—Afaka manafoana ny voady nataon’ny vadiny ve ny lehilahy kristianina? Raharaha mahakasika an’i Jehovah sy ny mpanompony tsirairay ny voady, ankehitriny. Voady ataon’ny tsirairay, ohatra, ny fanoloran-tena ho an’i Jehovah. (Galatianina 6:5) Tsy afaka manafoana voady toy izany ny lehilahy manambady. Ny vehivavy manambady kosa dia tsy tokony hanao voady mifanohitra amin’ny Tenin’Andriamanitra, na amin’ny andraikiny amin’ny vadiny.
Vatosoa Ara-panahy
it “Jefta”: “Nanao voady” § 4
Jefta
Azo atao tokoa ny manolotra olona ho an’i Jehovah, izany hoe atokana tanteraka hanompo azy ao amin’ny toerana masina. Manan-jo hanao izany ny ray aman-dreny. Mbola tsy teraka akory, ohatra, i Samoela, dia efa nivoady i Hana reniny fa hanokana azy mba hanompo tao amin’ny tranolay masina. Nanaiky ny voady nataony i Elkana vadiny. Raha vao nosarahi-nono i Samoela, dia natolotr’i Hana tany amin’ny toerana masina. Nitondra biby hatao sorona koa izy tamin’izay. (1Sa 1:11, 22-28; 2:11) Anisan’ny ankizy natokana hanompo an’Andriamanitra koa i Samsona noho izy Nazirita.—Mpts 13:2-5, 11-14; ampitahao amin’ny fahefana ananan’ny ray amin’ny zanany vavy resahin’ny No 30:3-5, 16.
17-23 MEY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | NOMERY 32-33
“Roahy ... ny Mponina Rehetra ao Amin’ilay Tany”
Fantatrao Ve?
Inona ireo “toerana avo” voatonona matetika ao amin’ny Soratra Hebreo?
Rehefa hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Israelita, dia nasain’i Jehovah nesoriny avokoa ny toeram-pivavahan’ireo Kananita nonina tao. Hoy izy: “Poteho ny sarivongana rehetra nataon’izy ireo tamin’ny vato. Poteho koa ny sarivongany metaly rehetra, sy ny toerana avo masina rehetra eo amin’izy ireo.” (Nomery 33:52) Nety ho an-kalamanjana ireny toeram-pivavahan-diso ireny ary teny an-tampon-kavoana, na nety ho toerana namboarina teny ambany hazo na tao an-tanàna na tany an-toeran-kafa. (1 Mpanjaka 14:23; 2 Mpanjaka 17:29; Ezekiela 6:3) Mety ho nahitana alitara teny, tsangambato na tsato-kazo masina, sarivongana, toerana fandoroana emboka manitra, ary zavatra hafa fampiasa amin’ny fivavahana.
Aza Mamerina ny Fahadisoan’ny Israelita
Miatrika fitsapana mitovy amin’ny an’ny Israelita koa isika. Maro be mantsy ny zavatra ataon’ny olona ho toy ny sampy, ankehitriny. Anisan’izany ny vola, mpanao filma, mpanao fanatanjahan-tena, mpanao politika, mpitondra fivavahana, ary na dia ny havana aza. Mety hanjary hifantoka be amin’ireo isika. Ho simba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah, raha olona tsy manompo azy no ataontsika namana.
Tena nisongadina ny firaisana tsy ara-dalàna, tamin’ny fivavahana tamin’i Bala, ka Israelita maro no voafandrika. Misy fandrika toy izany koa mahavoa ny Kristianina sasany ankehitriny. Raha tia mikarokaroka ao amin’ny Internet, ohatra, ny olona iray nefa tsy mitandrina, dia mety hanimba ny feon’ny fieritreretany izy, indrindra raha irery ao an-trano. Bokotra kely fotsiny mantsy no tsindriany dia mety hahita zava-dratsy izy. Hampalahelo tokoa raha lasa tia mijery sary vetaveta amin’ny Internet ny Kristianina iray!
it “Kanana”: “Azon’ny Israelita i Kanana” § 12
Kanana
Hendry i Josoa, ka “tsy nisy nanesorany na iray aza ny teny rehetra nandidian’i Jehovah an’i Mosesy” mahakasika ny handringanana an’ireo Kananita. (Js 11:15) Tsy narahin’ny firenen’Israely anefa ny tari-dalany, ary tsy naringan’izy ireo tanteraka ireo mponina nandoto an’ilay tany. Nitondra fahavoazana ho azy ireo àry ny fisian’ny Kananita teo anivony. Tsy hoe niely fotsiny mantsy ny heloka bevava sy ny fitondran-tena maloto ary ny fanompoan-tsampy, fa be kokoa no maty tamin’izy ireo. Ho vitsy kokoa anefa izany raha narahiny an-tsakany sy an-davany ilay didin’Andriamanitra hoe haripaka tanteraka ny Kananita. (No 33:55, 56; Mpts 2:1-3, 11-23; Sl 106:34-43) Nampitandrina ny Israelita i Jehovah fa manao ny rariny sy tsy miangatra izy rehefa mampihatra ny didim-pitsarany. Nilaza àry izy fa haringany koa izy ireo ka ‘haloan’ilay tany’, raha mifanerasera amin’ny Kananita, mifanambady aminy, manompo ny andriamaniny, ary manaraka ireo fombafomba sy fanaony maharikoriko.—Ek 23:32, 33; 34:12-17; Le 18:26-30; De 7:2-5, 25, 26.
Vatosoa Ara-panahy
it “Sisin-tany”: “Sisin-tanin’ireo fokon’ny Israely” § 3
Sisin-tany
Rehefa vita ny antsapaka, dia nofantarina hoe hoatran’ny ahoana ny haben’ny faritany homena ny foko tsirairay, arakaraka ny haben’ilay foko. Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Zarao ho anareo ilay tany araka ny fianakaviana eo aminareo, ka antsapaka no hizaranareo azy. Ampitomboy ny lovan’izay maro, ary ahenao kosa ny lovan’izay vitsy. Izay tany azony amin’ny antsapaka no ho lasany.” (No 33:54) Izay faritra nasehon’ny antsapaka ihany àry no nohazonina, saingy mety hoe namboarina ny habeny. Lehibe loatra, ohatra, ny anjara faritanin’i Joda ka nahena, ary nisy ampahany maromaro tamin’ilay izy nomena ny fokon’i Simeona.—Js 19:9.
24-30 MEY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | NOMERY 34-36
“Miezaha Hialoka Amin’i Jehovah”
Ataonao Fialofanao ve i Jehovah?
4 Ary ahoana raha nahafaty olona tsy nahy ny Israelita iray? Mbola meloka ihany izy satria namono olona tsy nanan-tsiny. (Gen. 9:5) Nasain’i Jehovah namindrana fo anefa izy, ka navela handositra tany amin’ny iray amin’ireo tanàna fialokalofana enina. Voaro izy tany, satria tsy afaka namono azy ilay mpamaly ra. Tsy maintsy nijanona tany izy mandra-pahafatin’ny mpisoronabe.—Nom. 35:15, 28.
Ataonao Fialofanao ve i Jehovah?
6 Tsy maintsy nandositra tany amin’ny tanàna fialokalofana ny Israelita nahafaty olona tsy nahy. Rehefa tonga teo amin’ny vavahadin’ilay tanàna izy, dia tsy maintsy ‘nandahatra ny teniny teo anatrehan’ny anti-panahy’, izany hoe nanazava an’izay nitranga. Tsy maintsy nandray azy tsara izy ireo. (Jos. 20:4) Naverina tany amin’ilay tanàna namonoany olona izy tatỳ aoriana, ary notsarain’ny anti-panahy tao. (Vakio ny Nomery 35:24, 25.) Nahazo niverina tany amin’ilay tanàna fialokalofana izy avy eo, raha hitan’ny anti-panahy hoe tena tsy nanao fanahy iniana.
Ataonao Fialofanao ve i Jehovah?
13 Voaro izay nandositra tao amin’ny tanàna fialokalofana. Hoy i Jehovah: “Ho fialokalofana ho anareo ireny tanàna ireny.” (Jos. 20:2, 3) Tsy nisy natahoran’ilay olona intsony tany. Tsy nasain’i Jehovah notsaraina fanindroany mantsy izy. Tsy nahazo niditra tao amin’ilay tanàna mba hamono azy koa ilay mpamaly ra. I Jehovah no niaro azy tao. Tsy hoe gadra anefa izy, fa afaka niasa sy nanampy olona ary nanompo tsara an’i Jehovah. Tena afaka ny ho sambatra sy ho afa-po tamin’ny fiainany izy.
Vatosoa Ara-panahy
Vidim-panavotana mifanandrify ho an’ny rehetra
13 Na i Adama na i Eva anefa dia tsy mandray soa avy amin’ny vidim-panavotana. Nirakitra izao toro lalana izao ny Lalàn’i Mosesy: “Aza mandray ny vidin’ny fanavotana ny ain’ny mpamono olona izay mendrika ny ho faty.” (Nomery 35:31). Tsy voafitaka i Adama, koa niniana natao, tamim-pahalalana tsara izay ho vokany àry ny fahotany. (1 Timoty 2:14). Nitovy tamin’ny famonoana ny taranany izany, satria nandova ny tsy fahatanterahana izy ireo izao, ka tonga eo ambanin’ny fanamelohan’ny fahafatesana. Mazava fa mendrika ny ho faty i Adama, satria tamin’ny naha-olombelona tanteraka azy, dia ninia nifidy ny tsy hankatò ny lalàn’Andriamanitra izy. Ho nanohitra ny toro lalany marina i Jehovah raha nampihatra ny vidim-panavotana ho tombontsoan’i Adama. Ny fandoavana ny tambin’ny fahotan’i Adama anefa, dia nahatonga ny fanafoanana ny fanamelohana ho faty teo amin’ny taranak’i Adama ho azo natao. (Romana 5:16). Amin’ny heviny ara-dalàna, dia novonoina hatrany amin’ny fotony ny hery manimban’ny ota. ‘Nanandrana fahafatesana hamonjy ny olona rehetra’ ilay mpanavotra, nitondra ny vokatry ny ota ho an’ny zanak’i Adama rehetra.— Hebreo 2:9; 2 Korintiana 5:21; 1 Petera 2:24.
31 MEY–6 JONA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | DEOTERONOMIA 1-2
“An’Andriamanitra ny Fitsarana”
Jehovah—Tia Fahamarinana sy Rariny
Voatery mitsara ireo raharaha misy fanaovan-dratsy lehibe ny anti-panahy voatendry eo anivon’ny fiangonana. (1 Korintiana 5:12, 13). Rehefa manao izany izy ireo, dia mitadidy fa ny fanaovan’Andriamanitra ny rariny dia mitaky ny hampisehoana famindram-po eo amin’izay azo anaovana izany. Rehefa tsy misy fototra iorenany izy io—ohatra hoe tsy mibebaka ilay mpanota—dia tsy azo atao ny mampiseho famindram-po. Tsy mandroaka ny mpanao ratsy toy izany hiala amin’ny fiangonana noho ny valy faty anefa ny anti-panahy. Manantena izy ireo fa ilay fandroahana mihitsy dia hahatonga an’io olona io hahatsiaro saina. (Ampitahao amin’ny Ezekiela 18:23.) Eo ambany fitarihan’i Kristy, ny anti-panahy dia miasa ho an’ny fanaovana ny rariny, ary tafiditra amin’izany ny maha-tahaka ny “fierena amin’ny rivotra” azy ireo. (Isaia 32:1, 2). Noho izany, dia tsy maintsy maneho tsy fizahan-tavan’olona sy fahalalana ny antonona izy ireo.—Deoteronomia 1:16, 17.
Ekeo Foana ny Fahefana Napetrak’Andriamanitra
4 Tsy ny fahafantarana ny Lalàna fotsiny anefa no notakina tamin’ny mpitsara. Tsy maintsy mailaka nifehy ny fironan-dratsiny ireny anti-panahy ireny, noho izy tsy lavorary. Tsy tokony ho tia tena sy hiangatra ary ho tia vola, ohatra, izy ireo fa raha tsy izany, dia mety hanao fitsara-mitanila. Hoy i Mosesy taminy: “Aza mizaha tavan’olona amin’ny fitsarana, fa henoy ny kely toy ny lehibe; aza matahotra olona akory, fa an’Andriamanitra ny fitsarana.” Eny, nisolo tena an’Andriamanitra ireo mpitsaran’ny Isiraely. Voninahitra lehibe tokoa izany!—Deoteronomia 1:16, 17.
Vatosoa Ara-panahy
Azo Itokisana ny Fampahatsiahivan’i Jehovah
9 Namakivaky “tany efitra lehibe sady mampahatahotra” ny Israelita nandritra ny 40 taona. Tsy nolazain’i Jehovah tamin’izy ireo tamin’ny an-tsipiriany ny fomba hitarihany sy hiarovany ary hikarakarany azy ireo, tamin’izy ireo hiainga. Imbetsaka anefa izy no nampiseho fa afaka matoky azy sy ny toromarika omeny ilay vahoaka. Nampiasa andry rahona i Jehovah tamin’ny antoandro ary andry afo rehefa alina, mba hampahatsiahivana ny Israelita fa manampy azy ireo hamakivaky an’ilay toerana mampidi-doza izy. (Deot. 1:19; Eks. 40:36-38) Nanome azy ireo izay tena nilainy koa izy. “Tsy tonta ny fitafiany ary tsy nivonto ny tongony.” Tena “tsy nisy nahory” azy ireo mihitsy.—Neh. 9:19-21.
7-13 JONA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | DEOTERONOMIA 3-4
“Tsara sy Ara-drariny ny Lalàn’i Jehovah”
it “Fahiratan-tsaina”: “Raha te hahira-tsaina” § 4
Fahiratan-tsaina
Lasa lalin-tsaina kokoa noho ny mpampianatra azy sy noho ny zokiolona ny olona mazoto mianatra sy mankatò ny Tenin’Andriamanitra. (Sl 119:99, 100, 130; ampit. Lk 2:46, 47.) Ny fitsipik’Andriamanitra sy ny didiny mantsy no ahazoana fahendrena sy fahiratan-tsaina. Rehefa nankatò izany an-tsakany sy an-davany ny Israely, dia niaiky ireo firenena nanodidina hoe “hendry sy mahira-tsaina” izy ireo. (De 4:5-8; Sl 111:7, 8, 10; ampit. 1Mp 2:3.) Takatry ny olona mahira-tsaina fa tsy maintsy misy vokany ny tsy fanarahana ny Tenin’Andriamanitra. Te hampifanaraka ny fiainany amin’izy io izy, ka mangataka ny fanampian’Andriamanitra. (Sl 119:169) Ataony tafalatsaka lalina ao am-pony ny tenin’Andriamanitra (Mt 13:19-23), ary soratany eo amin’ny fony (Oh 3:3-6; 7:1-4), ka manjary halany ny “lalan-diso rehetra” (Sl 119:104). Toy izany no nanehoan’ilay Zanak’Andriamanitra ny fahiratan-tsainy tamin’izy tetỳ an-tany, ka tsy natahotra ny ho faty teo amin’ny hazo fijaliana izy mba hahatanteraka ny Soratra Masina izay nilaza fa toy izany no fomba hahafatesany.—Mt 26:51-54.
Rehefa Lehibe ny Fahalalahan-tanana
Talanjona noho izay reny sy hitany ilay mpanjakavavy, ka namaly toy izao tamim-panetren-tena: “Sambatra ireto tandapanao ireto, izay mijanona eto anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao!” (1 Mpanjaka 10:4-8). Na dia teo anivon’ny harem-be aza ireo tandapan’i Solomona, dia tsy noho izany antony izany no nilazan’ilay mpanjakavavy azy ireo hoe sambatra. Sambatra kosa ny tandapan’i Solomona, satria afaka nihaino foana an’ilay fahendren’i Solomona nomen’Andriamanitra, izy ireo. Ilay mpanjakavavin’i Sheba àry dia ohatra tsara dia tsara ho an’ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny, izay finaritra amin’ny fahendren’ilay Mpamorona mihitsy, sy ny an’i Jesosy Kristy, Zanany!
Mendri-komarihina koa ny teny nanaraka nataon’ilay mpanjakavavy tamin’i Solomona, manao hoe: “Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao.” (1 Mpanjaka 10:9). Miharihary fa tsapany hoe ny tanan’i Jehovah no tao ambadik’ilay fahendrena sy fanambinana azon’i Solomona. Mifanaraka amin’izay nampanantenain’i Jehovah ny Isiraely tany aloha kokoa izany. ‘Ny fitandremana ny didiko’, hoy izy, “no ho fahendrenareo sy ho fanananareo saina eny imason’ny firenen-tsamy hafa; fa handre izany lalàna rehetra izany izy ka hanao hoe: Olona hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena lehibe io.”—Deoteronomia 4:5-7.
“Manankarena Amin’Andriamanitra” ve Ianao?
13 Ny tsara indrindra foana no omen’i Jehovah ny vahoakany, rehefa manome fitahiana azy ireo izy. (Jakoba 1:17) ‘Tany tondra-dronono sy tantely’, ohatra, no nomeny ny Israelita. Marina fa toy izany koa no fomba nilazana an’i Ejipta. Kanefa nisy lafiny lehibe iray, fara fahakeliny, naha hafa an’ilay tany nomen’i Jehovah ny Israelita. “Tany izay tandreman’i Jehovah Andriamanitrao” izy io, hoy i Mosesy tamin’ny Israelita. Midika izany fa hiadana izy ireo, satria hokarakarain’i Jehovah. Nahazo fitahiana tondraka tamin’i Jehovah ny Israelita, rehefa tsy nivadika taminy. Niharihary koa fa tsara lavitra noho ny an’ny firenena nanodidina ny fomba fiainan’izy ireo. Ny fitahian’i Jehovah tokoa no “mampanan-karena”!—Nomery 16:13; Deoteronomia 4:5-8; 11:8-15.
Vatosoa Ara-panahy
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Deoteronomia
4:15-20, 23, 24—Voarara ny fanaovana sarin-javatra voasokitra. Midika ve izany fa tsy mety ny hanaovan’ny mpanakanto sary? Tsy izany velively. Ny fanaovana sary hivavahana no nandrarana teto. Tsy azo atao mantsy ny ‘miankohoka eo anatrehan’ny sampy sy manompo azy.’ Tsy mandrara ny hanaovan’ny mpanakanto sary sokitra na sary hoso-doko anefa ny Soratra Masina.—1 Mpanjaka 7:18, 25.
14-20 JONA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | DEOTERONOMIA 5-6
“Zaro ho Tia An’i Jehovah ny Zanakao”
Ry Ray Aman-dreny, Omeo Izay Ilainy ny Fianakavianareo
11 Tsy misy andinin-teny voatonona imbetsaka noho ny Deoteronomia 6:5-7 angamba, rehefa miresaka momba izany. Jereo ao amin’ny Baibolinao ange io andinin-teny io ary vakio e! Mariho fa ny ray aman-dreny aloha no tokony hiezaka hifandray tsara amin’i Jehovah, izany hoe hiezaka ho tia azy sy handray am-po ny teniny. Midika izany fa mila mianatra tsara ny Tenin’Andriamanitra ianao. Mila mamaky Baiboly tsy tapaka sy misaintsaina izay vakinao ianao, mba ho azonao tsara sy ho tianao ny fihevitr’i Jehovah sy ny toro lalany ary ny lalàny. Amin’izay dia hameno ny fonao ireo fahamarinana mahafinaritra ao amin’ny Baiboly, ka ho faly ianao ary hanaja fatratra an’i Jehovah sy ho tia azy. Hanan-javatra tsara maro hampitaina amin’ny zanakao koa ianao.—Lioka 6:45.
Ahoana no Anampiako ny Zanako ho Olom-banona?
Tsy ny zavatra lazainareo ihany no ahitana ny fanirianareo, ny tanjonareo, ny fitsipi-pitondran-tena arahinareo, ary ny zavatra mahafinaritra anareo, fa izay ataonareo koa. (Romanina 2:21, 22) Mandinika tsara ny ray aman-dreniny ny ankizy, hatramin’ny mbola kely. Voamariny hoe inona avy no zava-dehibe amin’ny ray aman-dreniny, ary ireny mazàna no lasa zava-dehibe aminy. Ho tsapany raha tena tia an’i Jehovah ianareo. Ho hitany, ohatra, fa zava-dehibe aminareo ny mamaky Baiboly sy ny mianatra azy io. Ho fantany raha loha laharana eo amin’ny fiainanareo ilay Fanjakana. (Matio 6:33) Raha mivory foana sy mitory tsy tapaka ianareo, dia ho takatry ny zanakareo fa ny fanompoana masina ho an’i Jehovah no zava-dehibe indrindra aminareo.—Matio 28:19, 20; Hebreo 10:24, 25.
Ry Ray Aman-dreny, Omeo Izay Ilainy ny Fianakavianareo
14 Asehon’ny Deoteronomia 6:7 fa misy fotoana maro azo hararaotina, mba hiresahana zavatra ara-panahy amin’ny ankizy. Afaka manararaotra miresaka momba izany ianao, rehefa miara-manao dia lavitra aminy, na miara-manao raharaha, na miara-miala voly. Tsy voatery hanao “toriteny” momba ny fahamarinana ara-baiboly foana akory ianao, nefa miezaha foana hiresaka zavatra ara-panahy mampahery amin’ny zanakao. Misy lahatsoratra isan-karazany ao amin’ny Mifohaza! Raha mamaky azy ireny ianao, dia ho afaka hiresaka momba ny biby noforonin’i Jehovah, ny toerana kanto maneran-tany, ary ireo karazana kolontsaina sy fomba fiaina mahavariana. Mety handrisika ny ankizy izany, mba hamaky bebe kokoa ny boky aman-gazety avoakan’ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina.—Matio 24:45-47.
Vatosoa Ara-panahy
Hita Amin’ny Lalàn’i Mosesy hoe Be Fitiavana sy Manao ny Rariny i Jehovah
11 Lesona: Tsy izay miseho eny ivelany fotsiny no hitan’i Jehovah amin’ny olona fa ny any am-pony koa. (1 Sam. 16:7) Hitany daholo na ny eritreritra, na ny fihetseham-po, na ny atao. Mitady an’izay tsara ao am-pontsika izy ary tiany hitombo izany. Tiany ho tonga saina isika raha vao mitady hieritreritra zava-dratsy ary tiany hifehy an’izany haingana, dieny mbola tsy manao ratsy.—2 Tan. 16:9; Mat. 5:27-30.
21-27 JONA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | DEOTERONOMIA 7-8
“Aza Manao Fifanarahana Ara-panambadiana Aminy”
Nahoana Andriamanitra no Nandidy ny Mpanompony Hanambady Olona Mitovy Finoana Aminy Ihany?
Voalohany, fantatr’i Jehovah fa te hamitaka ny vahoakany i Satana ka mitarika azy ireo hanompo andriamani-diso. Hoy ihany i Jehovah: “Hampiala ny zanakao lahy tsy hanaraka ahy [ny olona tsy mivavaka amiko], ka azo antoka fa hanompo andriamani-kafa ireo.” Hisy vokany lehibe eo amin’ny firenen’Israely manontolo izany. Tsy hankasitrahan’Andriamanitra sy tsy harovany intsony izy ireo ka ho mora resin’ny fahavalony, raha lasa nanompo andriamani-kafa. Tsy hipoitra avy amin’ilay firenena anefa ilay Mesia nampanantenaina raha izany no mitranga. Mazava àry hoe nahoana i Satana no te hitaona ny Israelita hanambady olona tsy mpivavaka amin’i Jehovah.
Mbola Azo Atao Ihany ve ny Manambady “ao Amin’ny Tompo”?
Nataony ao amin’ny Teniny anefa ilay didy mba hanambady ao amin’ny Tompo ihany. Nahoana? Satria fantany ny mahasoa ny vahoakany. Tsy tiany hanao safidy ratsy ny mpanompony ka hijaly. Tiany ho sambatra kosa izy ireo. Niresaka ny ohatra ratsin’i Solomona i Nehemia rehefa nisy Jiosy maro nanambady olona hafa firenena sy tsy nanompo an’i Jehovah, tamin’ny androny. Tia an’i Solomona ny Andriamaniny, nefa ‘na izy aza voataonan’ny vehivavy hafa firenena hanota.’ (Neh. 13:23-26) Ny hahasoa ny mpanompony àry no nahatonga an’i Jehovah handidy azy ireo mba tsy hanambady afa-tsy olona tena manompo azy. (Sal. 19:7-10; Isaia 48:17, 18) Mankasitraka ny fiahian’i Jehovah ny tena Kristianina ary matoky ny tari-dalany. Mankatò azy amin’ny maha Mpitondra isika, ka manaiky fa izy no manan-jo hiteny amintsika izay tokony hataontsika.—Ohab. 1:5.
Fidio Tsara ny Namanao Amin’izao Andro Farany Izao
12 Ny Kristianina te hanambady no tena mila mifidy tsara an’izay ifaneraserany. Milaza mazava ny Baiboly hoe: “Aza manaiky hiray zioga amin’ny tsy mpino. Fa inona no ifandraisan’ny fahamarinana sy ny fandikan-dalàna? Ary inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina?” (2 Kor. 6:14) Mampirisika an’ireo Kristianina mitady vady ny Baiboly mba hanambady ao “amin’ny Tompo ihany”, izany hoe olona efa nanokan-tena sy vita batisa ary manaraka tsara an’izay lazain’ny Baiboly. (1 Kor. 7:39) Hanana vady mpanompon’i Jehovah ny Kristianina iray raha manambady Vavolombelona, ary hanampy azy tsy hivadika amin’i Jehovah izany.
Vatosoa Ara-panahy
Manome Izay Ilaintsika Isan’andro i Jehovah
4 Ny fangatahana ny hanina sahaza isan’andro, dia tokony hampahatsiahy antsika koa fa mila sakafo ara-panahy isika isan’andro. Nalain’i Satana fanahy i Jesosy, rehefa avy nifady hanina ela be, ka nasainy nanova ny vato ho mofo. Nanohitra azy anefa i Jesosy, na dia noana mafy aza, ary nilaza hoe: “Voasoratra hoe: ‘Tsy ny mofo ihany no tsy maintsy iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa.’” (Matio 4:4) Namerina ny tenin’i Mosesy tamin’ny Israelita izy teo. Hoy io mpaminany io: “Nampanetry tena anao [i Jehovah] ka namela anao ho noana, dia nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman’ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan’i Jehovah no iveloman’ny olona.” (Deoteronomia 8:3) Sady sakafo ho an’ny Israelita ny mana nomen’i Jehovah, no nandraisany lesona ihany koa. Tokony “hanangona izay sahaza hohaniny isan-andro” izy ireo, fa raha nanangona mihoatra an’izay, dia nihamaimbo sy nisy olitra ny ambiny. (Eksodosy 16:4, 20) Tsy nitranga kosa anefa izany ny andro fahenina, rehefa tsy maintsy nanangona indroa torak’izay nangoniny isan’andro izy ireo, mba hisy hohanina ny Sabata. (Eksodosy 16:5, 23, 24) Ny fisian’ny mana àry dia nampahatsiahy azy ireo fa tsy maintsy nankatò izy, ary tsy mofo ihany no nivelomany, fa “izay rehetra aloaky ny vavan’i Jehovah” koa.
28 JONA–4 JOLAY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | DEOTERONOMIA 9-10
“Inona moa no Angatahin’i Jehovah Andriamanitrao Aminao?”
Inona no Angatahin’i Jehovah Amintsika?
Inona no handrisika antsika hankatò an’Andriamanitra an-tsitrapo? Nilaza fomba iray i Mosesy. Hoy izy: ‘Matahora an’i Jehovah Andriamanitrao.’ (Andininy 12) Tsy horohoro noho ny tahotra sao hiharan-doza izy io fa tahotra mahasoa, mahatonga antsika hanaja lalina an’Andriamanitra sy ny fitsipiny. Tsy hanao izay hampahatezitra azy isika, raha manaja lalina azy.
Inona anefa no tena tokony handrisika antsika hankatò an’Andriamanitra? Hoy i Mosesy: ‘Tiavo i Jehovah Andriamanitrao ary manompoa azy amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo.’ (Andininy 12) Tsy fihetseham-po fotsiny ny hoe tia an’Andriamanitra. Hoy ny boky iray: “Indraindray ny matoanteny hebreo mampiseho fihetseham-po dia midika koa hoe manao zavatra vokatr’io fihetseham-po io.” Midika hoe “manao zavatra amim-pitiavana” ho an’Andriamanitra ny hoe tia azy, hoy io boky io. Raha tena tia an’Andriamanitra àry isika dia hanao zavatra fantatsika fa hampifaly azy.—Ohabolana 27:11.
Inona no Angatahin’i Jehovah Amintsika?
Hotahina isika raha mankatò an-tsitrapo. Hoy i Mosesy: ‘Tandremo ny didy izay andidiako anao anio, mba hahasoa anao.’ (Andininy 13) Mahasoa antsika tokoa ny didin’i Jehovah rehetra, izany hoe izay rehetra angatahiny amintsika. Azo antoka ny amin’izany, satria milaza ny Baiboly fa “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Omeny antsika àry ny didiny, mba handraisantsika soa maharitra. (Isaia 48:17) Hisoroka olana maro isika raha manao izay rehetra angatahin’i Jehovah amintsika. Hahazo fitahiana mandrakizay koa isika, eo ambany fitondran’ny Fanjakany.
Tena Afaka ‘Manatona An’Andriamanitra’ ve Ianao?
2 Nanana izany fifandraisana akaiky izany i Abrahama. Niantso azy hoe “sakaizako” i Jehovah. (Isaia 41:8) Nentin’i Jehovah toy ny namany tokoa i Abrahama. Afaka nifandray akaiky tamin’Andriamanitra toy izany izy, satria “nino an’Andriamanitra.” (Jakoba 2:23) Mitady fomba ‘iraiketana’ amin’ireo manompo azy noho ny fitiavana koa i Jehovah, ankehitriny. (Deoteronomia 10:15) Hoy ny Teniny amintsika: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy.” (Jakoba 4:8) Sady fanasana no fampanantenana ho antsika ireo teny ireo.
Vatosoa Ara-panahy
it “Anakita” § 1
Anakita
Olona goavam-be nonina tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Kanana sy tany amin’ny faritra amoron-tsiraka sasany, indrindra fa tany atsimo. Nisy fotoana nipetraka tany Hebrona i Ahimana sy Sesay ary Talmay, lehilahy anakita nalaza. (No 13:22) Tany ireo mpitsikilo hebreo 12 no sambany nahita ny Anakita. Nanao tatitra nampihorohoro àry ny 10 taminy, ka nilaza fa taranaky ny Nefilima taorian’ny Safodrano ireo Anakita ireo, ary toy ny “valala” ny Hebreo raha ampitahaina aminy. (No 13:28-33; De 1:28) Goavam-be ny Anakita, ka nanjary nampitovina taminy ny foko goavam-be hafa toy ny Emima sy Refaima. Natanjaka be koa izy ireo, ka izany angamba no nahatonga ilay fitenenana hoe: “Iza no mahatohitra ny taranak’i Anàka?”—De 2:10, 11, 20, 21; 9:1-3.