Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
5-11 JOLAY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | DEOTERONOMIA 11-12
“Ahoana no Tian’i Jehovah Hanompoana Azy?”
it “Zavamananaina”: “Fanompoana an’Andriamanitra amin’ny tena manontolo”
Zavamananaina
Fanompoana an’Andriamanitra amin’ny tena manontolo. Ilay olona manontolo mihitsy no atao hoe nefesh na psykè, araka ny voalaza tetsy aloha. Misy andininy anefa mampirisika antsika hitady an’Andriamanitra na ho tia azy sy hanompo azy amin’ny ‘fontsika manontolo sy ny tenantsika [nefesh] manontolo.’ (De 4:29; 11:13, 18) Hoy koa ny Deoteronomia 6:5: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny herinao manontolo.” I Jesosy kosa nilaza fa tokony hanompo an’Andriamanitra amin’ny tenany manontolo sy ny heriny manontolo ary ny ‘sainy manontolo’ ny olona. (Mr 12:30; Lk 10:27) Nahoana no avahana ny sain’ilay olona sy ny fony ary ny heriny, nefa anisan’ny tenany ihany ireo? Mba hanazavana izany, dia intỳ misy ohatra: Mety hivarotra ny tenany ho andevo ny olona iray, ka lasa fananan’ilay olona nividy azy na ilay tompony. Mety tsy hanompo an’ilay tompony amin’ny fony manontolo anefa izy, satria tsy tena maniry hampifaly azy na atosiky ny fony hanao izany. Noho izany, dia mety tsy hampiasa ny heriny manontolo na ny fahaizany manontolo izy mba hanaovana tsara ny asa nampiandraiketin’ny tompony azy. (Ampit. Ef 6:5; Kl 3:22.) Navahana àry ny saina sy ny fo ary ny hery, mba hitadidian’ny Kristianina fa tokony hampiasa an’ireo koa izy rehefa manompo an’ilay Andriamanitra Tompony sy ny Zanany, izay nanome ny ainy ho vidim-panavotana ho azy. Ilay olona manontolo mihitsy no manompo an’Andriamanitra ‘amin’ny tenany manontolo’, ka ampiasainy hanompoana Azy daholo ny vatany sy ny fahaizany ary ny faniriany rehetra.—Ampit. Mt 5:28-30; Lk 21:34-36; Ef 6:6-9; Fi 3:19; Kl 3:23, 24.
it “Alitara”: “Alitara hafa” § 2
Alitara
Nasaina noravan’ny Israelita daholo ny alitaran’ny mpanompo sampy mbamin’ireo tsangambato masina sy tsato-kazo masina teo anilan’izy ireny. (Ek 34:13; De 7:5, 6; 12:1-3) Tsy tokony haka tahaka an’ireny izy ireo, na handoro ny zanany ao anaty afo toy ny nataon’ny Kananita. (De 12:30, 31; 16:21) Tokony ho iray fa tsy maro ny alitara haorin’izy ireo ho an’ilay tena Andriamanitra, eo amin’ny toerana efa nofidiny. (De 12:2-6, 13, 14, 27; ampifanohero amin’ny alitara tany Babylona, izay nisy 180 ny an’i Ishtar andriamanibavy fotsiny.) Nasaina nanao alitara tamin’ny vato tsy voapaika izy ireo rehefa tafita ny Reniranon’i Jordana. (De 27:4-8) Naorin’i Josoa teo amin’ny Tendrombohitra Ebala izy io. (Js 8:30-32) Nanorina alitara lehibe teo akaikin’i Jordana ny fokon’i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, rehefa voazara ny Tany Nampanantenaina. Nisahotaka ny foko hafa satria nihevitra hoe nivadi-pinoana izy ireo. Hay ilay izy natao ho fahatsiarovana ny tsy fivadihan’izy ireo amin’ilay tena Andriamanitra.—Js 22:10-34.
Vatosoa Ara-panahy
it “Gerizima, Tendrombohitra” § 4
Gerizima, Tendrombohitra
Nanaraka ny toromarik’i Mosesy ireo fokon’ny Israely notarihin’i Josoa ka nivory teo amin’ny Tendrombohitra Gerizima sy Ebala, taoriana kelin’ny nandreseny an’i Ay. Teo ilay vahoaka no nandre ny fitahiana ho azony raha nankatò an’i Jehovah izy ireo, sy ny ozona hanjo azy raha tsy nankatò. Ireto avy ny foko nijoro teo anoloan’ny Tendrombohitra Gerizima: Simeona, Levy, Joda, Isakara, Josefa, ary Benjamina. Teo amin’ilay lohasaha no nijoro ireo Levita sy ny Vata misy ny fifanekena, ary nitsangana teo anoloan’ny Tendrombohitra Ebala kosa ireo foko enina ambiny. (De 11:29, 30; 27:11-13; Js 8:28-35) Toa ireo foko teo anoloan’ny Tendrombohitra Gerizima no namaly rehefa novakina nanandrify azy ireo ny fitahiana. Ireo foko hafa nijoro teo anoloan’ny Tendrombohitra Ebala kosa no namaly rehefa novakina nanandrify azy ireo ny ozona. Misy milaza fa novakina nanandrify ny Tendrombohitra Gerizima ireo fitahiana satria tsara tarehy sy mahavokatra izy io, fa be vato sy ngazana kosa ny Tendrombohitra Ebala. Tsy milaza izany anefa ny Baiboly. Novakina mafy ny Lalàna “teo anatrehan’ny fiangonan’Israely manontolo, sy ny vehivavy sy ny ankizy madinika ary ny vahiny izay niara-nandeha tamin’izy ireo.” (Js 8:35) Afaka nandre izany ireo olona maro be teo anoloan’ny tendrombohitra roa ireo, satria mahatonga ny feo ho re tsara ilay toerana.—Jereo EBALA, TENDROMBOHITRA.
12-18 JOLAY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | DEOTERONOMIA 13-15
“Hita tao Amin’ny Lalàna hoe Miahy ny Mahantra i Jehovah”
it “Ampahafolon-karena”: “Lalàn’i Mosesy momba ny ampahafolon-karena” § 4
Ampahafolon-karena
Toa nisy ampahafolon-karena hafa koa natokana isan-taona. Tsy nanohanana mivantana ny Levita ilay izy, na dia nahazo tamin’ilay izy ihany aza izy ireo, fa nampiasain’ny fianakaviana tsirairay sy nahafahany nifalifaly kosa, isaky ny fety. Azo navadika ho vola ilay izy raha tsy zaka nentina tany Jerosalema noho ny halaviran-dalana. Ilay vola indray no nampiasain’ilay fianakaviana tany Jerosalema, mba hahazoany izay nilainy sy hifaliany nandritra ny fivoriambe masina. (De 12:4-7, 11, 17, 18; 14:22-27) Natokana ho an’ny Levita, mpivahiny, mpitondratena, ary kamboty ray tao an-tanàna kosa ilay ampahafolon-karena, isaky ny nifarana ny taona fahatelo sy fahenina talohan’ny taona Sabata nanaraka (Sabata isaky ny fito taona).—De 14:28, 29; 26:12.
it “Sabata, Taona” § 4
Sabata, Taona
Nantsoina hoe “taom-panafahana [hashshemittah]” ny taona sabata. (De 15:9; 31:10) Niala sasatra na nafahana tanteraka ny tany satria tsy novolena. (Ek 23:11) Nafoy koa ny trosa. “Fanafahana ho voninahitr’i Jehovah” izany. Misy mpivaofy teny milaza hoe tsy nofoanana ny trosa, saingy ny Hebreo fotsiny no tsy azo noterena handoa trosa satria tsy nanana fidiram-bola ny mpamboly tamin’io taona io, fa ny hafa firenena kosa azo nitakiana trosa. Misy anefa tsy mitovy hevitra amin’izany. (De 15:1-3) Misy raby mihevitra fa izay notrosain’ny Hebreo mahantra no nofoanana, fa tsy izay trosa nanaovana raharaham-barotra. Lamina napetraky ny Raby Hilela tamin’ny taonjato voalohany, hono, ilay hoe nahazo nankany amin’ny fitsarana ilay mpampisambotra ary nanao fanambarana mba tsy ho votsotra ny trosany.—Ny Boky Dimy Voalohany sy Bokin’ny Mpaminany, nataon’i J. Hertz, Londres, 1972, p. 811, 812.
it “Mpanompo, Andevo”: “Talohan’i Kristy” § 4
Mpanompo, Andevo
Fifandraisan’ny tompo sy mpanompo. Samy hafa ny nitondran’ny Israelita ny mpanompo hebreo sy ny mpanompo hafa firenena, mpivahiny, na mpiavy. Fananan’ny Israelita foana ny mpanompo tsy hebreo ary azony nomena ho lovan-janany. (Le 25:44-46) Ny mpanompo hebreo kosa nafahana tamin’ny taona fahafito nanompoany na tamin’ny taon-jobily (izay iray tonga aloha). Natao toy ny mpikarama ny mpanompo hebreo. (Ek 21:2; Le 25:10; De 15:12) Afaka nanavotra ny tenany foana izay Hebreo nivarotra ny tenany ho mpanompo tamin’ny mpivahiny na mpianakavin’ilay mpivahiny na tamin’ny mpiavy. Afaka nanafaka azy koa ireo nanan-jo hanavotra azy. Arakaraka ny isan’ny taona tavela mandra-pahatongan’ny taon-jobily na taona fahafito nanompoany ny vola naloa ho vidin’ny fanavotana azy. (Le 25:47-52; De 15:12) Tokony homen’ny tompony fanomezana ilay mpanompo hebreo rehefa nafahany, mba hanombohany fiainam-baovao. (De 15:13-15) Hiala miaraka amin’ilay mpanompo ny vadiny, raha efa nanambady izy no niditra. Raha nomen’ny tompony vady (mety ho vehivavy hafa firenena izay tsy afahana amin’ny taona fahafito) kosa izy, dia hijanona ho fananan’ilay tompony ravehivavy sy ny zanany. Afaka nifidy ny hijanona koa anefa ilay mpanompo, ka hotevehina amin’ny haolo ny sofiny ary ho mpanompo mandritra ny fotoana tsy voafetra izy.—Ek 21:2-6; De 15:16, 17.
Vatosoa Ara-panahy
Fanontanian’ny Mpamaky
Inona no ianarantsika avy amin’ilay fandrarana ao amin’ny Eksodosy 23:19 hoe: “Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny”?
Miverina intelo ao amin’ny Baiboly io didy ao amin’ny Lalàn’i Mosesy io. Manampy antsika hahatakatra ny fiheveran’i Jehovah ny mety sy ny tsy mety izy io, ary ny fangorahany sy ny fitiavany. Asongadin’izy io koa fa halan’i Jehovah ny fivavahan-diso.—Eksodosy 34:26; Deoteronomia 14:21.
Mifanohitra amin’ny lalàna nataon’i Jehovah teo amin’ny natiora ny fandrahoana zanak’osy na zanaka biby hafa amin’ny rononon-dreniny. Nataon’Andriamanitra hamelomana sy hampitomboana an’ilay zanaka biby mantsy ny rononon-dreniny. Lazain’ny manam-pahaizana iray fa ny olona mahandro zanaka biby amin’ny rononon-dreniny dia “manao tsinontsinona ny fifandraisana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka, izay naorin’Andriamanitra sy nohamasininy.”
Misy koa milaza fa mety ho fanaon’ny mpanompo sampy ny nahandro zanaka biby tamin’ny rononon-dreniny, mba hampisy orana. Raha marina izany, dia natao hiarovana ny Israelita ilay didy. Tsy nisy dikany sy tsy nifaditrovana mantsy ny fanao ara-pivavahan’ny firenena nanodidina azy. Nilaza mazava tsara ny Lalàn’i Mosesy fa tsy nahazo nanaraka ny fanaon’ireny firenena ireny mihitsy ny Israelita.—Levitikosy 20:23.
Farany, hitantsika avy amin’io lalàna io koa fa mangoraka i Jehovah. Misy didy maromaro mitovitovy amin’io koa mantsy ao amin’ny Lalàn’i Mosesy. Nandrara ny Israelita tsy hampijaly biby sy tsy hanao zavatra mifanohitra amin’ny lalàn’ny natiora, ireny didy ireny. Tsy azo natao fanatitra, ohatra, ny biby raha tsy efa niaraka tamin-dreniny herinandro, fara fahakeliny. Tsy azo novonoina tao anatin’ny andro iray koa ny biby sy ny zanany. Tsy azo niara-nalaina tao anaty akaniny koa ny vorona sy ny atodiny na ny zanany.—Levitikosy 22:27, 28; Deoteronomia 22:6, 7.
Hitantsika avy amin’izany, fa tsy didy sy fandrarana maro be fotsiny akory no ao amin’ny Lalàna. Mahasoa kosa izy io. Mahatonga antsika hanaraka fitsipi-pitondran-tena ambony, ohatra, ny toro lalana avy aminy, ka lasa hita taratra eo amin’ny fiainantsika ny toetra mahatalanjon’i Jehovah.—Salamo 19:7-11.
19-25 JOLAY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | DEOTERONOMIA 16-18
“Toro Lalana mba Hitsarana Ara-drariny”
it “Jamba”: “Heviny an’ohatra” § 2
Jamba
Nolazaina fa jamba izay nanao ny tsy rariny tany amin’ny fitsarana vokatry ny kolikoly. Imbetsaka ny Lalàna no nampitandrina ny olona mba tsy hanao kolikoly, tsy ho tia tolotolotra ary tsy hiangatra, satria manajamba ny mpitsara ireny sady misakana azy tsy hampihatra ny rariny amin’ny olon-drehetra. “Manajamba ny mason’ny mahiratra ny kolikoly” (Ek 23:8), sady “manajamba ny mason’ny hendry.” (De 16:19) Na tia rariny sy mahira-tsaina toy inona aza ny mpitsara iray, dia mety hanimba azy ihany ny tolotolotra ataon’ny olona, na tsapan’ilay mpitsara izany na tsia. Asehon’ny lalàn’Andriamanitra hoe tsy ny kolikoly ihany no manajamba fa ny fihetseham-po koa. Hoy izy io: “Aza momba ny mahantra satria hoe mahantra izy, nefa aza iangarana koa ny manankarena.” (Le 19:15) Tsy tokony ho ny fihetseham-po na ny fitia te ho mamy hoditra àry no hibaiko ny mpitsara, ka hoe hanameloka ny mpanankarena izy satria fotsiny hoe manankarena ilay olona.—Ek 23:2, 3.
it “Isa”: “Roa” § 1
Isa
Roa. Ampiasaina amin’ny resaka fitsarana matetika. Azo itokisana kokoa ny fanambaran’ny vavolombelona roa, raha mitovy. Tsy maintsy nisy vavolombelona roa na telo ny ady tany amin’ny fitsarana. Io toro lalana io no arahin’ny fiangonana kristianina (De 17:6; 19:15; Mt 18:16; 2Ko 13:1; 1Ti 5:19; He 10:28), sy narahin’Andriamanitra rehefa nambarany tamin’ny olona fa mpamonjy ny Zanany. Hoy i Jesosy: ‘Voasoratra ao amin’ny Lalànareo hoe: “Marina ny tenin’ny vavolombelona roa.” Izaho mijoro ho vavolombelon’ny tenako ary ny Ray izay naniraka ahy mijoro ho vavolombeloko.’—Jn 8:17, 18.
it “Mpisorona”: “Teo ambanin’ny fifaneken’ny Lalàna” § 20
Mpisorona
Ny mpisorona no nanana andraikitra voalohany hanazava ny lalàn’Andriamanitra. Nandray anjara lehibe tamin’ny fitsarana koa izy ireo. Nanampy ny mpitsara tao amin’ny tanàna nomena azy izy ireo, ary niara-niasa taminy rehefa nisy raharaham-pitsarana sarotra loatra ka tsy voalamin’ny fitsarana teo an-toerana. (De 17:8, 9) Raha nisy maty novonoin’olona nefa tsy fantatra ilay namono, dia tsy maintsy niaraka ny mpisorona sy ny anti-panahy tao an-tanàna mba hijery raha narahina tsara ny toromarika, sao hivesatra trosan-dra ilay tanàna. (De 21:1, 2, 5) Tokony hoentin’ny lehilahy iray saro-piaro tao amin’ny toerana masina ny vadiny, raha nahiahiny ho nanitsakitsaka azy. Nanao fombafomba avy eo ilay mpisorona, ary niangavy an’i Jehovah mba hampihatra avy hatrany ny didim-pitsarany tamin’ilay vehivavy, satria Izy no nahalala raha meloka izy io na tsia. (No 5:11-31) Tsy maintsy nampiharina ny didim-pitsarana navoakan’ny mpisorona na ireo voatendry ho mpitsara. Novonoina ho faty kosa izay ninia tsy nankatò izany.—No 15:30; De 17:10-13.
Vatosoa Ara-panahy
it “Fandroahana”: “Teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy” § 2
Fandroahana
Tsy maintsy nisy vavolombelona roa anefa, fara fahakeliny, vao novonoina ho faty izay meloka. (De 19:15) Ireo vavolombelona no voalohany nitora-bato azy. (De 17:7) Amin’izay dia ho hita hoe nafana fo nanaraka ny lalàn’Andriamanitra sy niaro ny fahadiovan’ny fiangonan’Israely izy ireo. Amin’izay koa mba tsy hisy ho maimaika hijoro ho vavolombelona mandainga.
26 JOLAY–1 AOGOSITRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | DEOTERONOMIA 19-21
“Sarobidy Amin’i Jehovah ny Aina”
Manaova ny Rariny ary Mamindrà Fo toa An’i Jehovah
4 Tsy sarotra naleha ireo tanàna enina natao handosirana. Nasain’i Jehovah natao teo amin’ny andaniny iray tamin’ny Reniranon’i Jordana ny telo, ary ny telo teo amin’ny andaniny iray hafa. Amin’izay tsy sahirana izay nila nandositra nankany sady vetivety dia tonga tany. (Nom. 35:11-14) Nokojakojaina tsara koa ny lalana nankany. (Deot. 19:3) Misy boky jiosy milaza fa nasiana famantarana teny amin’ireny lalana ireny mba hanampiana ny Israelita hahita an’ireo tanàna fialokalofana. Tsy voatery nitsoaka tany an-tany hafa àry izy ireo raha nahafaty olona tsy nahy. Mety ho voataona hanompo andriamani-kafa mantsy izy raha nankany an-tany hafa.
Manaova ny Rariny ary Mamindrà Fo toa An’i Jehovah
9 Niaro ny Israelita mba tsy ho meloka ho nandatsa-dra ny tanàna fialokalofana. Anisan’ny antony lehibe indrindra nanokanana an’ireo tanàna ireo izany. (Deot. 19:10) Tena sarobidy amin’i Jehovah ny aina, ary halany ny famonoana olona tsy manan-tsiny. (Ohab. 6:16, 17) Masina sy manao ny rariny izy ka raha nisy nahafaty olona, dia tsy azony avela amin’izao izany, na dia tsy fanahy iniana aza ilay izy. Marina fa namindrana fo izay nahafaty olona tsy nahy. Tsy maintsy nanazava an’izay nitranga tany amin’ny anti-panahy anefa izy. Rehefa hitan’izy ireo hoe tena tsy nanao fanahy iniana izy, izay izy vao afaka nijanona tao amin’ny tanàna fialokalofana, mandra-pahafatin’ny mpisoronabe. Mety ho voatery nijanona tao nandritra ny andro sisa niainany izy. Nisy vokany be àry ilay izy, ka nazava tsara tamin’ny Israelita rehetra hoe masina ny ain’olombelona. Mety hampidi-doza ny hafa ny zavatra ataon’izy ireo na tsy ataony, ka nila nitandrina ry zareo raha te hanome voninahitra an’ilay Mpanome aina.
it “Ra”: “Mamono olona” § 3
Ra
Nomen’Andriamanitra zo hiaina ny olona, ka ataony ampamoaka izay mandatsaka aina. Hoy àry izy tamin’i Kaina, izay namono olona: “Miantsoantso mitaraina amiko avy amin’ny tany ny ran’ny rahalahinao.” (Ge 4:10) Efa meloka ny olona iray na dia mankahala fotsiny ny rahalahiny aza ka maniry ny hahafaty azy. Toy izany koa izay manendrikendrika ny rahalahiny, na mijoro ho vavolombelona mandainga hiampanga azy ka mety hahafaty azy.—Le 19:16; De 19:18-21; 1Jn 3:15.
Vatosoa Ara-panahy
it “Fitsarana”: “Teo ambanin’ny Lalàna” § 7
Fitsarana
Natao teo am-bavahadin’ny tanàna ny fitsarana. (De 16:18; 21:19; 22:15, 24; 25:7; Rt 4:1) Ilay tany malalaka tao an-tanàna, teo akaikin’ny vavahady no atao hoe ‘vavahady’ eto. Novakina tamin’ny vahoaka tafavory teo am-bavahady ny Lalàna sy ireo didy. (Ne 8:1-3) Maro no nivezivezy teo tontolo andro ka mora nahitana olona hatao vavolombelona rehefa nisy nivarotra fananana na tany na zavatra hafa. Nanampy ny mpitsara hitandrina sy hitsara ara-drariny koa ny fanaovana izany teo am-bavahady satria afaka nahita izany ny besinimaro. Azo inoana fa efa nisy toerana natokana ho an’ny mpitsara teo akaikin’ny vavahady. (Jb 29:7) Nivezivezy tany Betela sy Gilgala ary Mizpa i Samoela mba ‘hitsara ny Israely tao amin’ireny toerana rehetra ireny’, sy tany Rama fonenany.—1Sa 7:16, 17.
2-8 AOGOSITRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | DEOTERONOMIA 22-23
“Hita avy Amin’ny Lalàn’i Mosesy hoe Miahy ny Biby i Jehovah”
it “Entana, Enta-mavesatra” § 6
Entana, Enta-mavesatra
Biby matetika no nitondra entana fahiny. Raha hitan’ny Israelita nivalampatra voatsindrin’ny entana ny ampondran’ny olona mankahala azy, dia tsy tokony hilaozany fotsiny ilay olona fa ‘tsy maintsy nampiany hanala ilay entana.’—Ek 23:5.
it “Deoteronomia”: “Asongadiny ny fitiavana” § 4
Deoteronomia
Nanehoana fiahiana koa ny biby. Tsy azo nalaina ny vorona tao amin’ny akaniny, satria te hiaro ny zanany izy matoa tratra tao. Tokony halefa ilay reniny mba ho afaka hanatody indray, fa ireo zanany ihany no azo nalaina. (De 22:6, 7) Tsy azo nampiraisina zioga ny ampondra sy ny omby, mba tsy hijaly ilay biby tsy dia natanjaka. (22:10) Tsy nasiana fehivava ny omby niasa teny am-pamoloana. Niasa mafy mantsy izy, ary ho nijaly nahita an’ilay sakafo nefa tsy afaka nihinana.—25:4.
“Aza Manaiky Hiray Zioga Amin’ny Tsy Mpino”
MIARA-MIASA tany ilay rameva sy omby hitanao eto. Mijaly izy ireo, satria ampiraisina amin’ny zioga natao ho an’ny biby roa mitovy habe sy tanjaka. Miahy ny biby mpitondra entana toy ireo Andriamanitra, ka niteny toy izao tamin’ny Israelita: “Aza mampikambana omby sy boriky hiasa tany.” (Deoteronomia 22:10) Nihatra tamin’ny omby sy rameva koa io toro lalana io.
Tsy nampijaly ny bibiny toy izany ny tantsaha mazàna. Mety ho nampiray zioga izay biby nananany anefa izy, rehefa tsy nanana omby roa. Izany no nataon’ilay tantsaha niaina tamin’ny taonjato faha-19, hita eo amin’ny sary. Tsy mitovy habe sy lanja ireo biby ireo, ka tsy maintsy miady mafy ilay malemy kokoa, mba hanarahana ny dian’ilay matanjaka kokoa. Ilay matanjaka kosa dia tsy maintsy mitondra entana mavesatra kokoa noho ilay malemy.
Vatosoa Ara-panahy
it “Trosa, Mpitrosa” § 1
Trosa, Mpitrosa
Vola tsy maintsy aloa na adidy tsy maintsy efaina ny trosa. Olana ara-bola no tena nahatonga ny olona hitrosa, tany Israely fahiny. Voa mafy izay Israelita nisambo-bola, satria toy ny hoe mpanompon’ilay mpampisambotra izy. (Oh 22:7) Tokony hahalala-tanana àry izay nanampy Israelita sahirana, ka tsy ho tia tena na hanararaotra ny fahavoazany na hitaky zanabola. (Ek 22:25; De 15:7, 8; Sl 37:26; 112:5) Azo nitakiana zanabola kosa ny hafa firenena (De 23:20), raha nisambo-bola hanaovana varotra, fa tsy hoe sahirana, hoy ny Jiosy mpivaofy teny. Nandalo fotsiny mantsy ny hafa firenena, izay matetika no mpivarotra, ka tokony handoa zanabola. Mety ho nampanjana-bola koa izy.
9-15 AOGOSITRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | DEOTERONOMIA 24-26
“Hita avy Amin’ny Lalàn’i Mosesy hoe Tian’i Jehovah ny Vehivavy”
it “Vehivavy”: “Toerana tanana sy andraikitra” § 6
Vehivavy
Niahy ny mpivady koa ny lalàna momba ny miaramila, satria nomena alalana tsy hanao miaramila herintaona ny lehilahy vao nampaka-bady. Nanan-jo hanan-janaka mantsy izy mivady. Ho fampiononana ho an’ilay reny koa ilay zanany rehefa lasa niantafika ny vadiny, na raha sanatria maty an’ady.—De 20:7; 24:5.
it “Fitsimponana” § 3
Fitsimponana
Tsy nampirisika ny mahantra ho kamo akory io fanampiana io. Nampirisika ny olona halala-tanana sy tsy ho tia tena ary hanantena ny fitahian’i Jehovah kosa izy io. Azontsika àry ny nahatonga an’i Davida hiteny hoe: “Mbola tsy nahita olo-marina nafoy tanteraka, na nahita ny zanany nangataka hanina” aho. (Sl 37:25) Tsy maty noana ny mahantra rehefa niasa mafy ka nanararaotra an’io fanampiana azy io. Tsy voatery nangataka hanina koa izy sy ny zanany.
Fantatrao Ve?
Raha maty tsy niteraka ny lehilahy manambady iray, teo amin’ny Israely fahiny, dia tokony halain’ny rahalahiny ho vady ilay vehivavy, mba tsy ho lany taranaka ilay lehilahy maty. (Genesisy 38:8) Nantsoina hoe fitondrana loloha io fandaharana io, ary nampidirina tao amin’ny Lalàn’i Mosesy tatỳ aoriana. (Deoteronomia 25:5, 6) Afaka mitondra loloha koa ny lehilahy hafa havan’ilay maty, raha efa maty daholo ny rahalahiny. Izany no nataon’i Boaza, voatantara ao amin’ny bokin’i Rota.—Rota 1:3, 4; 2:19, 20; 4:1-6.
Mbola nampiharina ny fitondrana loloha tamin’ny andron’i Jesosy. Niresaka momba azy io mantsy ny Sadoseo, ao amin’ny Marka 12:20-22. Nilaza i Flavius Josèphe, mpahay tantara jiosy tamin’ny taonjato voalohany, fa tsy very ny anaram-pianakaviana noho io fandaharana io. Nijanona ho an’ny fianakaviana koa ny harena, sady voatsimbina ilay vehivavy maty vady. Tsy nanan-jo handova ny fananan’ny vadiny mantsy ny vehivavy tamin’izany. Raha miteraka amin’izay lehilahy mitondra loloha azy anefa izy, dia ho voahazona ny fananan’ilay vadiny maty.
Vatosoa Ara-panahy
it “Fisaraham-panambadiana”: “Taratasy fisaraham-panambadiana”
Fisaraham-panambadiana
Taratasy fisaraham-panambadiana. Nohararaotin’ny sasany ilay fahafahana hisara-panambadiana, tatỳ aoriana. Tsy midika anefa izany hoe iny Lalàn’i Mosesy momba ny fisaraham-panambadiana iny no nahatonga ny lehilahy israelita hisaraka mora foana tamin’ny vadiny. Nisy dingana maromaro tsy maintsy nataony mantsy. Nila nanoratra “taratasy fisaraham-panambadiana” izy, ary “hanolotra izany an-dravehivavy, ka handroaka azy hiala ao an-tranony.” (De 24:1) Tsy manome ny tsipirian’io dingana notakin’ny lalàna io ny Soratra Masina, nefa azo inoana fa nanatona an’ireo lehilahy nanam-pahefana izy, ary ireo kosa niezaka nampihavana azy mivady aloha. Nila fotoana ny fanomanana izany taratasy izany, ary niandry elaela ihany vao vita ara-dalàna ilay fisarahana, ka mbola afaka nieritreritra tsara ilay lehilahy. Tokony ho marim-pototra koa ny antony hisarahana. Tsy nanapa-kevitra maimaika ny hisaraka ny mpivady israelita, rehefa nampiharina tsara ny lalàna. Voaro koa, araka izany, ny zo sy ny tombontsoan’ny vehivavy. Tsy ambaran’ny Soratra Masina ny votoatin’ilay “taratasy fisaraham-panambadiana.”
16-22 AOGOSITRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | DEOTERONOMIA 27-28
“Ho Tonga Aminao Ireto Fitahiana Rehetra Ireto ka Hahatratra Anao”
Hitondra Fitahiana Ilay Mpanjaka Tarihin’ny Fanahy!
18 Tafiditra amin’izany ny hoe mandray am-po ny Tenin’Andriamanitra sy ny sakafo ara-panahy omeny. (Mat. 24:45) Midika koa izany hoe mankatò an’Andriamanitra sy ny Zanany. Hoy i Jesosy: “Tsy izay rehetra milaza amiko hoe: ‘Tompo ô, Tompo ô’, no hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra.” (Mat. 7:21) Mihaino an’Andriamanitra koa isika raha manaiky an-tsitrapo ny lamina napetrany, izany hoe ny fiangonana kristianina sy ireo “lehilahy ho fanomezana”, dia ny anti-panahy voatendry.—Efes. 4:8.
Miezaha Hitady ny Fitahian’i Jehovah
4 Tokony hanao ahoana ny fankatoavan’ny Israelita? Nolazain’Andriamanitra tao amin’ny Lalàny fa ho tezitra izy raha tsy nanompo azy “tamin’ny fifaliana sy faharavoam-po” ny vahoakany. (Vakio ny Deoteronomia 28:45-47.) Tsy tokony hankatò befahatany, toy ny biby na ny demonia, isika rehefa mankatò an’i Jehovah. (Mar. 1:27; Jak. 3:3) Tokony hankatò azy amin’ny fo kosa isika, satria porofon’ny fitiavana izany. Faly ny olona tena mankatò satria mino fa tsy mavesatra ny didin’i Jehovah, sady “mpamaly soa an’izay mitady mafy azy” izy.—Heb. 11:6; 1 Jaona 5:3.
Vatosoa Ara-panahy
it “Fetra Mamaritra Tany” § 2
Fetra Mamaritra Tany
Mandrara ny fanemorana an’ireny fetra mamaritra tany ireny ny lalàn’i Jehovah. (De 19:14; jereo koa Oh 22:28.) Voaozona mihitsy izay mampihemotra “ny fetra mamaritra ny tanin’ny namany.” (De 27:17) Matetika ny olona no nivelona tamin’ny vokatry ny taniny. Toy ny hoe naka ampahany tamin’ny antom-piveloman’ilay olona àry izay nampihemotra ny fetra mamaritra ny taniny. Nitovy tamin’ny halatra izany fahiny. (Jb 24:2) Maty eritreritra anefa ny olona sasany ka mbola nanao izany heloka izany ihany. Nampitovina tamin’ireny olona ireny ny andrianan’ny Joda tamin’ny andron’i Hosea.—Ho 5:10.
23-29 AOGOSITRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | DEOTERONOMIA 29-30
“Tsy Sarotra Loatra ny Manompo An’i Jehovah”
Omen’i Jehovah Safidy Isika
Sarotra ve ny mamantatra ny zavatra takin’Andriamanitra, sy ny manao izany? Hoy i Mosesy: “Tsy sarotra loatra aminao izany didy andidiako anao anio izany, sady tsy lavitra loatra.” (Andininy 11) Tsy hoe mila voatsiary i Jehovah. Tsy tafahoatra loatra ny zavatra takiny, ary azo tanterahina. Azo fantarina koa izy ireny. Tsy voatery “hiakatra any an-danitra” isika na “hiampita ny ranomasina”, vao ho afaka hianatra izay takin’Andriamanitra. (Andininy 12, 13) Asehon’ny Baiboly mazava tsara izay tokony ho fomba fiainantsika.—Mika 6:8.
Omen’i Jehovah Safidy Isika
HOY ny vehivavy kristianina iray: “Manahy aho indraindray hoe tsy maintsy hivadika amin’i Jehovah.” Nihevitra izy fa tsy misy antenaina intsony ny aminy, noho ny zavatra niainany tamin’izy mbola kely. Izany tokoa ve no izy? Tena tsy afa-manoatra amin’izay mitranga amintsika ve isika? Tsia! Nomen’i Jehovah Andriamanitra safidy malalaka isika, ka afaka mifidy izay hataontsika. Tiany hanao safidy tsara isika, ary asehon’ny Baiboly ny fomba hanaovana izany. Diniho ny tenin’i Mosesy ao amin’ny Deoteronomia toko 30.
Omen’i Jehovah Safidy Isika
Tsy mampaninona an’i Jehovah ve izay fomba fiaina fidintsika? Tsy marina izany satria hoy i Mosesy, teo ambany herin’ny fanahy masina: “Mifidiana ny fiainana.” (Andininy 19) Ahoana anefa no ifidianantsika ny fiainana? Hoy ihany izy: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao, henoy ny feony, ary mifikira aminy.” (Andininy 20) Raha tia an’i Jehovah isika, dia haniry hihaino sy hankatò azy ary tsy hivadika aminy, na inon-kidona na inon-kihatra. Mifidy ny fiainana isika raha manao izany, izany hoe mifidy ny fomba fiaina tsara indrindra ankehitriny, ary manantena fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra amin’ny hoavy.—2 Petera 3:11-13; 1 Jaona 5:3.
Vatosoa Ara-panahy
it “Sofina”: “Heviny an’ohatra” § 4
Sofina
Nolazain’i Jehovah hoe ‘tsy voafora sofina’ ny Israelita mafy loha sy tsy nankatò. (Je 6:10; As 7:51) Toy ny hoe nisy zavatra nanentsina ny sofin’izy ireo ka tsy nandre. Tsy nosokafan’i Jehovah koa ny sofin’izy ireo. Ny olona mitady an’i Jehovah ihany mantsy no ampiany hahazo ny hevitr’izay ren’izy ireo sy hankatò izany. Avelany ho lalodalovana kosa ny sofin’ireo tsy mankatò. (De 29:4; Ro 11:8) Nilaza mialoha ny apostoly Paoly fa hisy olona hihambo ho Kristianina nefa hiala amin’ny tena finoana. Tsy te handre ny marina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izy ireo, fa zavatra mahafinaritra ny sofiny kosa no tiany ho re, ka hihaino mpampianatra sandoka izy ireo. (2Ti 4:3, 4; 1Ti 4:1) Mety ‘hangorintsina [koa] ny sofina’ rehefa mandre vaovao manaitra, indrindra raha milaza loza ilay izy.—1Sa 3:11; 2Mp 21:12; Je 19:3.
30 AOGOSITRA–5 SEPTAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | DEOTERONOMIA 31-32
“Mianara avy Amin’ireo Sarin-teny ao Amin’ny Hira Iray”
“Ataovy Izay Hatahorako ny Anaranao Amin’ny Foko Manontolo”
8 Nampianarin’i Jehovah tononkira iray i Mosesy, taloha kelin’ny nidiran’ny Israelita ny Tany Nampanantenaina. (Deot. 31:19) I Mosesy indray avy eo no nampianatra an’ilay hira tamin’ny vahoaka. (Vakio ny Deoteronomia 32:2, 3.) Rehefa dinihina ny andininy faha-2 sy faha-3, dia hita hoe tsy tian’i Jehovah hafenina ny anarany. Tsy tiany raha mieritreritra ny olona hoe masina loatra izy io ka tsy azo tononina. Tiany ho fantatry ny rehetra ny anarany. Sambatra ny Israelita naheno an’i Mosesy nampianatra an-dry zareo momba an’i Jehovah sy ilay anarany miavaka! Nampahery sy namelombelona an-dry zareo ny zavatra nampianarin’i Mosesy, hoatran’ny erika eny amin’ny zavamaniry. Inona no azo atao mba ho hoatr’izany koa ny zavatra ampianarintsika?
9 Rehefa manompo isika, dia afaka mampiasa Baiboly mba hampisehoana amin’ny olona hoe i Jehovah no anaran’Andriamanitra. Azontsika omena boky na gazety izy, na ampisehoana video, na omena zavatra avy ao amin’ny tranonkalantsika. Mety hahita hirika hiresahana momba an’ilay Andriamanitra tiantsika sy ny toetrany koa isika, rehefa any am-piasana na any am-pianarana na rehefa manao dia lavitra. Azontsika resahina amin’ny olona, ohatra, ny hoavy tsara be ampanantenain’i Jehovah antsika sy hoe hataony ahoana ny tany. Mety ho amin’izay mihitsy ry zareo vao hahafantatra hoe hay i Jehovah tena tia antsika. Manamasina ny anaran’Andriamanitra koa isika rehefa mampahafantatra ny marina momba azy. Manampy azy ireo hahita isika hoe nampianarina zavatra diso momba an’Andriamanitra ry zareo. Tsy hahita zavatra mampahery sy mamelombelona hoatr’izany ry zareo!—Isaia 65:13, 14.
Azonao ve ny Dikan’ireo Sarin-teny ao Amin’ny Baiboly?
Mampitaha an’i Jehovah amin-javatra tsy mananaina koa ny Baiboly. Voalaza ao fa “Vatolampin’ny Israely” izy, ‘harambato’ ary “fiarovana mafy.” (2 Samoela 23:3; Salamo 18:2; Deoteronomia 32:4) Inona no itovizan’i Jehovah amin’ireo? Mafy be ny vatolampy ary tsy laitra ahontsina. Afaka ny ho fiarovana mafy azo antoka ho anao koa i Jehovah.
Tahafo i Jehovah Rehefa Mitaiza ny Zanakao Ianao
7 Diniho ny fitiavana nasehon’i Jehovah fony izy nifampiraharaha tamin’ny Isiraelita. Nampiasa fanoharana mampihetsi-po i Mosesy, rehefa nilazalaza ny fitiavan’i Jehovah ny Isiraely, ilay firenena vao niforona. Izao no vakintsika: “Toy ny voromahery manaitra ny ao amin’ny akaniny ka manidintsidina eo ambonin’ny zanany, dia toy izany no namelarany ny elany sy nandraisany azy ary nitondrany azy teo ambonin’ny elany,—Jehovah irery no nitondra [an’i Jakoba].” (Deoteronomia 32:9, 11, 12) Mba hampianarana ny zanany hanidina, dia ‘manaitra ny akaniny’ ny reny voromahery ary manakopakopaka ny elany mba hampirisihana azy ireo hanidina. “Manidintsidina eo ambonin’ny” zanany ilay reny, rehefa milatsaka ilay voronkely avy eny amin’ilay akany, izay matetika eny amin’ny hantsam-bato avo be. Rehefa toa hidona amin’ny tany iny mihitsy ilay zanany, dia midina tampoka eo ambaniny ilay reny, ary mitondra azy ‘eo ambonin’ny elany.’ Niahy tamim-pitiavana toy izany ny firenen’ny Isiraely vao teraka koa i Jehovah. Nomeny azy ny Lalàn’i Mosesy. (Salamo 78:5-7) Nokarakarainy tsara ilay firenena avy eo, ary vonon-kanampy izy rehefa tojo fahasahiranana ilay vahoakany.
Vatosoa Ara-panahy
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Deoteronomia
31:12. Tokony hipetraka eo akaikin’ny olon-dehibe ny ankizy rehefa any am-pivoriana, ary hiezaka mafy hihaino sy hianatra.