Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
1-7 NOVAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JOSOA 18-19
“Hita Amin’ny Fomba Nizaran’i Jehovah An’ilay Tany hoe Hendry Izy”
it “Sisin-tany”: “Sisin-tanin’ireo fokon’ny Israely” § 2
Sisin-tany
Toa natao antsapaka ny fizarana an’ilay tany, nefa nojerena koa ny haben’ny foko tsirairay. Ny faritra ho azon’ny foko tsirairay ihany anefa no nasehon’ny antsapaka, ka nahafantarana hoe tany avaratra ve ilay izy, sa tany atsimo sa atsinanana sa andrefana sa teny amin’ny lemaka amoron-tsiraka sa teny amin’ny faritra be tendrombohitra. Ny fanapahan-kevitr’i Jehovah no nasehon’ny antsapaka. Amin’izay dia tsy hisy foko hifampialona na hiady. (Oh 16:33) Ny antsapaka koa no nitarihan’Andriamanitra ny toe-javatra, mba ho tanteraka tamin’ny foko tsirairay ilay faminaniana nolazain’i Jakoba tamin’izy efa ho faty.—Ge 49:1-33.
it “Lova”: “Teo ambanin’ny Lalàna” § 2
Lova
Tany nolovana. I Jehovah no nanome tany ho lovan’ny zanak’Israely, sy nilaza tamin’i Mosesy hoe aiza avy ny sisin-tany. (No 34:1-12; Js 1:4) I Mosesy avy eo no nanome ny anjaran’ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Robena ary ny antsasaky ny fokon’i Manase. (No 32:33; Js 14:3) Nozarain’i Josoa sy Eleazara tamin’ny alalan’ny antsapaka kosa ny an’ireo foko hafa. (Js 14:1, 2) Tsy nomena faritany ho lovany i Simeona sy Levy, araka ny faminanian’i Jakoba (Ge 49:5, 7), fa tao anatin’ny faritanin’i Joda ny tany azon’i Simeona (niaraka tamin’ny tanàna maromaro) (Js 19:1-9), ary tanàna 48 nanerana an’i Israely no anjaran’i Levy. Voatendry hanao fanompoana manokana tao amin’ny toerana masina ny Levita, ka i Jehovah no lovany. Ny ampahafolon-karena àry no anjarany na lovany, ho tambin’ny fanompoana nataony. (No 18:20, 21; 35:6, 7) Nomena anjara lova tao amin’ny faritanin’ny fokony avy ny fianakaviana. Nihakely ny anjara lova rehefa nitombo ny fianakaviana sy ny zanakalahy nandova.
it “Sisin-tany”: “Sisin-tanin’ireo fokon’ny Israely” § 3
Sisin-tany
Rehefa vita ny antsapaka, dia nofantarina hoe hoatran’ny ahoana ny haben’ny faritany homena ny foko tsirairay, arakaraka ny haben’ilay foko. Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Zarao ho anareo ilay tany araka ny fianakaviana eo aminareo, ka antsapaka no hizaranareo azy. Ampitomboy ny lovan’izay maro, ary ahenao kosa ny lovan’izay vitsy. Izay tany azony amin’ny antsapaka no ho lasany.” (No 33:54) Izay faritra nasehon’ny antsapaka ihany àry no nohazonina, saingy mety hoe namboarina ny habeny. Lehibe loatra, ohatra, ny anjara faritanin’i Joda ka nahena, ary nisy ampahany maromaro tamin’ilay izy nomena ny fokon’i Simeona.—Js 19:9.
Vatosoa Ara-panahy
it “Sisin-tany”: “Sisin-tanin’ireo fokon’ny Israely” § 6
Sisin-tany
Ny anjaran’ireto foko ireto no nofaritana voalohany: Ny fokon’i Joda (Js 15:1-63) sy Josefa (Efraima) (Js 16:1-10) ary ilay antsasaky ny fokon’i Manase nonina tany andrefan’i Jordana. (Js 17:1-13) Ny sisin-tanin’izy ireo sy ny tanànany mantsy no voaresaka ao amin’ny fitantarana momba ny fizarana ny tany teny ampita andrefan’i Jordana. Toa niato ny fizarana taorian’izay, satria voalaza fa niala tany Gilgala ny Israely ary nitoby tao Silo. (Js 14:6; 18:1) Tsy fantatra hoe naharitra hafiriana izany fiatoana izany. Tamin’ny farany, dia niteny mafy an’ireo foko fito ambiny i Josoa, noho izy ireo tsy maika honina tao amin’ny sisa tamin’ny Tany Nampanantenaina. (Js 18:2, 3) Maro ny antony naroson’ireo mpivaofy teny. Nisy nilaza fa tsy nahatsapa ireo foko ireo hoe tokony halaina haingana ny sisa tamin’ilay Tany Nampanantenaina, satria betsaka ny zavatra azony babo, tamin’izy ireo niady mba hahazoana an’ilay tany. Misy koa nanazava fa nahatsiaro ho nilamindamina izy ireo satria ny Kananita tsy afaka nanafika avy hatrany. Angamba koa hoe tsy te hifanandrina tamin’ireo fahavalo mahery izay mbola nanohitra tany amin’ny faritra sasany izy ireo. (Js 13:1-7) Mety ho antony koa ny hoe tsy tena fantatr’izy ireo tsara io ampahany tamin’ny Tany Nampanantenaina io, raha oharina amin’ireo efa azony.
8-14 NOVAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JOSOA 20-22
“Hevitra Tsy Nifankahazo”
Ahoana no Hifampiresahanao Tsara Amin’ny Vadinao?
Ho voasoroka ny tsy fifankahazoan-kevitra, raha miresaka tsy an-kifonofono ny mpivady. Tsy handika vilana izay lazain’ny vadiny na ataony koa izy ireo amin’izay. Manaporofo izany ny zava-nitranga iray teo amin’ny Israely fahiny. Nanorina ‘alitara lehibe’ teo amoron’ny Reniranon’i Jordana ny fokon’i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, izay nipetraka teny atsinanan’ilay renirano. Nandika vilana ny zavatra nataony anefa ireo foko teny andrefan’i Jordana. Nihevitra izy ireo fa nivadi-pinoana sy nikomy ireo rahalahiny, ka niomana hiady taminy izy ireo. Tsy nandeha niady avy hatrany anefa izy ireo, fa naniraka solontena aloha hifampiresaka tamin’ireo foko teny atsinanana. Fahendrena tokoa izany! Hay tsy natao hanolorana fanatitra ho an’andriamani-kafa ilay alitara. Nanorina ilay izy kosa ireo foko teny atsinanana, satria natahotra sao dia hilaza ireo foko hafa any aoriana any hoe: “Tsy manana anjara amin’i Jehovah hianareo.” Porofo àry ilay alitara fa mpanompon’i Jehovah koa izy ireo. (Josoa 22:10-29) Nantsoiny hoe Edy na vavolombelona ilay alitara, angamba mba ho vavolombelona fa i Jehovah no Andriamanitra tompoin’izy ireo.—Josoa 22:34.
‘Aoka Isika Hiezaka Hampisy Fihavanana’
Nihevitra angamba ny Israelita sasany fa ampy tsara ny porofo hoe tena tsy nety ny nataon’ireo Israelita namany, ary raha tafihina tampoka izy ireo dia ho vitsy ny haratra sy ho faty. Tsy nanao zavatra maimaika anefa ireo foko hafa. Naniraka solontena kosa izy ireo mba handamina an’ilay olana. Hoy ireo iraka ireo: “Ahoana izao fivadihanareo amin’ny Andriamanitry ny Israely izao? Nahoana ianareo ankehitriny no miala tsy manaraka an’i Jehovah?” Fanendrikendrehana izany satria tsy nivadika tamin’i Jehovah ireo foko nanorina an’ilay alitara. Inona no nasetrin’izy ireo izany? Nifamaly tamin’ireo iraka ve izy ireo, sa tsy nety hiresaka? Nohazavain’izy ireo tsara tamim-pahalemem-panahy, fa ny faniriany hanompo an’i Jehovah no nanorenany an’ilay alitara. Tsy simba ny fifandraisany tamin’Andriamanitra noho izany, ary aina maro no voatsimbina. Nilamina ilay olana ary niverina tamin’ny laoniny ny fihavanan’izy ireo, rehefa noresahina tamim-pahatoniana ilay raharaha.—Josoa 22:13-34.
Vatosoa Ara-panahy
it “Kanana”: “Azon’ny Israelita i Kanana” § 5
Kanana
Marina fa maro ny Kananita tsy maty sy tsy nanaiky hofehezin’ny Israelita. Azo lazaina anefa hoe “nomen’i Jehovah ny Israely ilay tany manontolo izay efa nianianany homena ny razan’izy ireo.” Nataony “mandry feizay teo anivon’ny fahavalony rehetra nanodidina” koa izy ireo, ary “tsy nisy tsy tanteraka na iray aza ny zava-tsoa rehetra nampanantenain’i Jehovah tamin’ny taranak’Israely, fa tanteraka avokoa izy rehetra.” (Js 21:43-45) Natahotra an’ireo Israelita ny firenena rehetra nanodidina azy, ka tsy natahorana hanafika. Efa nilaza Andriamanitra fa horoahiny “tsikelikely” ny Kananita, sao ho lao tampoka ilay tany ka hihamaro ny bibidia ao. (Ek 23:29, 30; De 7:22) Marina fa arifomba kokoa ny fitaovam-piadian’ny Kananita, toy ny kalesin’ady misy lelan’antsy. Tsy i Jehovah mihitsy anefa no tokony homen-tsiny hoe tsy nanatanteraka ny fampanantenany, matoa tsy resin’ny Israelita ny faritra sasany tao Kanana. (Js 17:16-18; Mpts 4:13) Noho izy ireo nivadika taminy kosa no nahatonga azy ireo ho resy indraindray.—No 14:44, 45; Js 7:1-12.
15-21 NOVAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JOSOA 23-24
“Ny Hafatrafatr’i Josoa Tamin’ilay Firenena”
it “Fifanarahana” § 4
Fifanarahana
Niova ny toe-javatra rehefa tonga tany Kanana (Tany Nampanantenaina) ny firenen’Israely. Nanome azy ireo zo haka an’ilay tany ilay Andriamanitra Fara Tampony, araka ny efa nampanantenainy tamin’ny razamben’izy ireo. Tsy mpivahiny àry izy ireo, ary tsy navelan’i Jehovah hanao fifanarahana tamin’ireo mpanompo sampy nonina tao. (Ek 23:31-33; 34:11-16) Ny lalàn’Andriamanitra sy ny fitsipiny ihany no tokony harahiny, fa tsy ny an’ireny firenena tsy maintsy horoahina ireny. (Le 18:3, 4; 20:22-24) Nampitandremana mafy ny Israelita mba tsy hanao fifanarahana ara-panambadiana tamin’izy ireny, sao ho fandrika ho azy ireo izany. Hanjary hanana vady sy havana mpanompo sampy mantsy izy ireo, ka hivadi-pinoana hanaraka ny fivavahan’izy ireny sy ny fombafombany.—De 7:2-4; Ek 34:16; Js 23:12, 13.
Tanteraka Foana ny Tenin’i Jehovah
19 Ny masontsika mihitsy no mahita, ka tsy misalasala isika manao hoe: “Tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra, izay nilazan’i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra: tsy nisy latsaka izy na dia zavatra iray akory aza.” (Josoa 23:14) Manafaka sy miaro ny mpanompony ary manome izay ilainy i Jehovah. Efa nisy hitanao tsy tanteraka tamin’ny fotoana voatondrony ve ny fampanantenany? Azo antoka fa tsia. Hendry àry isika raha matoky ny Tenin’Andriamanitra.
20 Ahoana ny amin’ny hoavy? Nilaza tamintsika i Jehovah fa afaka manantena hiaina ao amin’ny paradisa an-tany mahafinaritra ny ankamaroantsika. Misy vitsivitsy kosa manantena hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra. Tokony hahatoky toa an’i Josoa isika, na inona na inona fanantenantsika. Ho avy ny andro hahatanterahan’izany. Hahatsiaro ny fampanantenana rehetra nomen’i Jehovah isika amin’izay, ka hilaza hoe: ‘Tanteraka avokoa izy rehetra.’
Vatosoa Ara-panahy
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Josoa
24:2—Mpanompo sampy ve i Tera, rain’i Abrahama? Tsy mpivavaka tamin’i Jehovah Andriamanitra i Tera, tamin’ny voalohany. Azo inoana fa nivavaka tamin’i Sîn, andriamanitra volana, izay nivavahan’ny ankamaroan’ny olona tany Ora izy. Toa mpanamboatra sampy mihitsy aza izy, araka ny lovantsofina jiosy. Rehefa nodidian’Andriamanitra handao an’i Ora anefa i Abrahama, dia niaraka taminy koa i Tera.—Genesisy 11:31.
22-28 NOVAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MPITSARA 1-3
“Be Herim-po Izy ary Nahomby ny Tetikadiny”
Notapahin’i Ehoda ny Ziogan’ny Fampahoriana
Tsy noho ny hakingany, na noho ny tsy fahaizan’ny fahavalony no nahombiazan’ny tetik’i Ehoda. Tsy miankina amin’ny olombelona ny fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra. Nanohana azy Andriamanitra, ka izany no tena nahombiazany. Nanao zavatra nifanaraka tamin’ny fikasan’Andriamanitra hanafaka ny vahoakany mantsy izy. Nataon’Andriamanitra ho mpitsara i Ehoda, “ary rehefa nanangana mpitsara ho azy Jehovah, dia nomba izany mpitsara izany.”—Mpitsara 2:18; 3:15.
Notapahin’i Ehoda ny Ziogan’ny Fampahoriana
Ny zavatra nataon’i Ehoda voalohany dia ny nanomana “sabatra roa lela” fohy, izay ho azony afenina tsara ao anatin’ny akanjony. Angamba efa nampoiziny fa hosavana izy. Matetika teo amin’ny havia no nasiana ny sabatra, mba ho mora tamin’ireo kavanana ny nanatsoaka azy haingana. Kavia anefa i Ehoda ka nanafina ny fiadiany “tao amin’ny fehin-kibony ambanin’ny akanjo fiadiany, ... teny am-balahany ankavanana”, toerana izay nety tsy hosavan’ny miaramilan’ny mpanjaka. “Nitondra ny hetra ho an’i Eglona, mpanjakan’i Moaba” àry i Ehoda, ary tsy nisy fanakantsakanana.—Mpitsara 3:16, 17.
Tsy resahin’ny Baiboly izay zava-nitranga voalohany tao an-dapan’i Eglona. Milaza fotsiny izy hoe: “Rehefa vitany ny nanolorana ny fanomezana, dia nampodiny ny olona izay nitondra izany.” (Mpitsara 3:18) Nanolotra an’ilay hetra i Ehoda, nanatitra an’ireo nitondra azy io lavidavitra ny fonenan’i Eglona, ary niverin-dalana rehefa avy nandefa azy ireo. Nahoana? Mba hiaro azy ve no niarahan’ireo olona ireo taminy, sa mba ho fahalalam-pomba, sa tamin’ny naha mpitondra an’ilay hetra fotsiny? Ary tiany ho amin’ny toerana azo antoka ve izy ireo talohan’ny hanatanterahany ny paikadiny? Na inona na inona anefa antony, dia niverina irery tamin-kerim-po i Ehoda.
“Nony tonga teo amin’ny fihadiam-bato izay any Gilgala kosa izy [Ehoda], dia niverina ka nanao hoe: Misy teny holazaiko mangingina aminao, ry mpanjaka ô.” Tsy hazavain’ny Soratra Masina izay nataony mba hihaonana indray tamin’i Eglona. Tsy tokony ho niahiahy ve ny mpiambina? Nihevitra ve izy ireo fa tsy natahorana hampidi-doza ny tompon’izy ireo ny Israelita iray? Nety ho nahatonga azy ireo hihevitra ve ny fahatongavan’i Ehoda irery, fa namadika ny mpiray tanindrazana taminy izy? Na ahoana na ahoana, dia nangataka ny hihaona mitokana tamin’ny mpanjaka i Ehoda, ary nekena izany.—Mpitsara 3:19
Vatosoa Ara-panahy
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Mpitsara
2:10-12. Tokony hanana fandaharam-pianarana Baiboly tsy tapaka isika, mba tsy ‘hanadinoantsika ny fitahian’i Jehovah rehetra.’ (Salamo 103:2) Ilain’ny ray aman-dreny ny mandentika ao am-pon’ny zanany ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra.—Deoteronomia 6:6-9.
29 NOVAMBRA–5 DESAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MPITSARA 4-5
“Nampiasa Vehivavy Roa i Jehovah mba Hanavotana ny Vahoakany”
‘Nitsangana ho Reny teo Amin’ny Israely Aho’
Vao naheno hoe Sisera fotsiny ny Israelita dia efa nivarahontsana. Tena ratsy ny fivavahan’ny Kananita sy ny kolontsainy. Nanao sorona zazakely izy ireo ary nivaro-tena tany amin’ny tempoliny. Hita amin’ilay hiran’i Debora fa nijaly ny Israelita teo ambany fahefan’ny Kananita. Zara raha nisy nivezivezy teny an-dalana, ary tsy nisy nipetraka intsony tany ambanivohitra. (Mpitsara 5:6, 7) Mitaintaina ny olona rehefa any anaty ala, eny an-tendrombohitra, hiasa tany, handeha amin’ny lalambe, ary tsy sahy mipetraka amin’ny tanàna tsy misy manda. Misy manafika sy mangala-jaza ary manolana vehivavy mantsy amin’ireny toerana ireny.
‘Nitsangana ho Reny teo Amin’ny Israely Aho’
Nihorohoro nandritra ny 20 taona ny Israelita mandra-pahitan’i Jehovah hoe vonona hiova io vahoaka mafy loha io. Araka ilay hiran’i Debora sy Baraka, dia nitohy izany, “mandra-pitsangako, izaho Debora, mandra-pitsangako ho reny teo amin’ny Israely.” Tsy haintsika raha tena nanan-janaka tokoa i Debora vadin’i Lapidota. Nanana heviny an’ohatra anefa ilay hoe “reny”, satria nampiasain’i Jehovah hiahy an’ilay firenena toy ny reny i Debora. Nasainy niantso an’i Baraka Mpitsara, lehilahy iray tena nanam-pinoana, izy mba hiady amin’i Sisera.—Mpitsara 4:3, 6, 7; 5:7.
‘Nitsangana ho Reny teo Amin’ny Israely Aho’
Nila nanapa-kevitra haingana i Jaela. Nasainy naka aina i Sisera. Nanafatra an’i Jaela i Sisera mba tsy hiteniteny raha misy olona mitady azy. Norakofan’i Jaela lamba izy rehefa natory, ary nomeny ronono rehefa nangataka rano. Vetivety i Sisera dia renoka. Naka fantsika be fanenjanan-day sy marotoa i Jaela. Fampiasan’ny vehivavy mipetraka an-day ireo. Nampahatahotra ny zavatra nataony manaraka. Nijaikojaiko nankeo an-dohan’i Sisera izy, hampihatra an’ilay didim-pitsaran’i Jehovah. Raha nisalasala kely fotsiny izy, dia mety ho loza no vokany. Nahatsiaro ny fampijalian’io lehilahy io ny vahoakan’Andriamanitra nandritra ny taona maro ve izy tamin’izay fotoana izay? Sa izy nieritreritra hoe zava-dehibe ny miandany amin’i Jehovah? Tsy miresaka momba an’izany ny Baiboly. Fantatsika fotsiny hoe vetivety dia vitany ilay izy. Maty i Sisera!—Mpitsara 4:18-21; 5:24-27.
Vatosoa Ara-panahy
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Mpitsara
5:20—Ahoana no niadian’ny kintana avy tany an-danitra ho an’i Baraka? Tsy milaza ny Baiboly raha manondro ny fanampian’ny anjely izany, na tainkintana niraraka izay noheverin’ireo olon-kendrin’i Sisera ho fambara loza, na koa fanambarana diso nataon’ny mpanandro. Tsy maintsy nisy fomba namonjen’Andriamanitra ny vahoakany anefa tamin’izay.
6-12 DESAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MPITSARA 6-7
“Mandehana Amin’izao Herinao Izao”
Mandraisa Soa avy Amin’ny Fitsipik’Andriamanitra
Nihevi-tena araka ny tokony ho izy i Gideona, mpitsara teo amin’ny Hebreo fahiny. Tsy nitady ny ho mpitarika ny Isiraely izy, kanjo voatendry hanao izany ihany. Nilaza anefa izy fa tsy mendrika an’izany, ka nanazava hoe: “Ny mpianakaviko no malahelo indrindra eo amin’ny Manase, ary izaho no kely indrindra amin’ny ankohonan’ny raiko.”—Mpitsara 6:12-16.
“Ny Sabatr’i Jehovah sy Gideona!”
Nihorohoro ny Midianita! Tampoka teo, dia re tao anatin’ny haizina ny fipasaky ny siny 300, ny feon’ny anjomara 300 ary ny horakorak’ireo 300 lahy. Vao mainka nihamafy ilay tabataba nampian’ny kiakiakan’ireo Midianita taitra be rehefa nandre ilay antsoantso hoe: ‘Ny sabatr’i Jehovah sy Gideona!’ Sarotra tamin’izy ireo ny nanavaka hoe iza no fahavalo, noho ilay fisafotofotoana be. Tsy nihetsika teo amin’ny toerana nanendrena azy izy 300 lahy, rehefa nampifamelezin’i Jehovah tamin’ny sabatra ireo fahavalo. Vaky nandositra ny miaramila eran’ny toby, nefa voasakana ny lalana. Nosamborina na novonoina ny sisa tavela, ka vita hatreo ny fandrahonan’ny Midianita. Nifarana ihany ny fibodoan’izy ireo ny tanin’ny Israely, izay naharitra ela sy nahitana vonoan’olona.—Mpitsara 7:19-25; 8:10-12, 28.
Vatosoa Ara-panahy
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Mpitsara
6:25-27. Nitandrina i Gideona, mba tsy hampahatezitra tsy amin’ny antony an’ireo mpanohitra azy. Tsy maintsy mitandrina koa isika rehefa mitory ny vaovao tsara, mba tsy hanafintohina ny olona tsy amin’ny antony ny fomba fitenintsika.
13-19 DESAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MPITSARA 8-9
“Aza Manambony Tena fa Aleo Manetry Tena”
Ahoana no Andaminanao Tsy Fifanarahana?
Tafiditra lalina tamin’ny ady nifanaovana tamin’ny Midiana i Gideona, ka nitady fanampiana tany amin’ny fokon’i Efraima. Kanefa, rehefa vita ilay ady, dia niodina tamin’i Gideona ny Efraima ary nitaraina mafy hoe tsy niantso azy ireo, tany am-piandohan’ilay ady, izy. Milaza ilay fitantarana fa “nanome tsiny azy mafy ireo”. Hoy ny navalin’i Gideona: “Zinona izao nataoko izao, raha oharina amin’izay nataonareo? Tsy tsara va ny fitsimponam-boalobok’i Efraima noho ny fiotazam-boalobok’i Abiezera? Teo an-tànanareo no nanoloran’Andriamanitra ny andrianan’ny Midiana, dia Oreba sy Zeba; ary inona no azoko atao, raha oharina amin’ny nataonareo?” (Mpitsara 8:1-3). Tamin’ny alalan’ny teniny voafidy tsara sy natao tamim-pahatoniana, dia nisoroka izay nety ho ady ara-poko nahatsiravina i Gideona. Ireo tao amin’ny fokon’i Efraima dia nety ho nihevi-tena ho zavatra sy niavonavona. Kanefa, tsy nanakana an’i Gideona tsy hiezaka mba hanao raharaham-pihavanana izany. Afaka manao toy izany koa ve isika?
Nahoana no Ilaina ny Manetry Tena?
15 Modely ho antsika i Gideona, satria tena nanetry tena. Rehefa nirahina hanavotra ny Israelita izy, dia niteny hoe: “Ny fianakaviako ange no tsinontsinona indrindra amin’ny fokon’i Manase e! Ary izaho no kely indrindra ao amin’ny ankohonan-draiko.” (Mpits. 6:15) Nanaiky ihany anefa izy, ka niezaka mafy hahazo tsara an’izay tian’i Jehovah hataony. Nivavaka koa izy mba hahazo ny tari-dalany. (Mpits. 6:36-40) Be herim-po i Gideona, nefa koa mailo sy nitandrina tsara. (Mpits. 6:11, 27) Tsy nohararaotiny ny andraikitra nomena azy mba hahatonga azy ho lasa olona ambony. Niverina tany amin’izay nisy azy fotsiny izy, rehefa vita izay nampanaovina azy.—Mpits. 8:22, 23, 29.
Mandehana Amin’ny Lalan’i Jehovah
9 Tsy maintsy ‘manetry tena’ isika, raha te ho naman’Andriamanitra. (1 Pet. 3:8) Asehon’ny Mpitsara toko faha-9 fa zava-dehibe izany. Hoy i Jotama, zanak’i Gideona: “Niainga, hono, ny hazo hanosotra mpanjaka hanjaka aminy.” Resahina ao ny hazo oliva sy aviavy ary voaloboka, izany hoe ireo olona mendrika tsy nitady hanjaka tamin’ny Israelita namany. Resahina ao koa anefa ny tsilo, izay natao kitay fotsiny. Izy io indray dia i Abimeleka, mpanjaka niavonavona. Mpamono olona izy, ary naniry mafy hifehy ny hafa. Na dia “nanapaka telo taona tamin’ny Isiraely” aza izy, dia maty aloha be. (Mpits. 9:8-15, 22, 50-54) Tena tsara kokoa ny ‘manetry tena’!
Vatosoa Ara-panahy
it “Efoda, I”: “Efodan’i Gideona” § 2
Efoda, I
Ho fahatsiarovana ny fandresena nomen’i Jehovah ny Israely sy ho fanomezam-boninahitra Azy no nanaovan’i Gideona an’ilay efoda, saingy ‘lasa fandrika ho azy sy ny ankohonany’ ilay izy. Nivavaka tamin’ilay izy mantsy ny Israelita. (Mpts 8:27) Tsy milaza anefa ny Baiboly hoe nivavaka tamin’ilay izy i Gideona. Voatonona miaraka amin’ny an’ireo vavolombelon’i Jehovah ‘maro toy ny rahona’ tsy nivadika fahiny kosa ny anarany.—He 11:32; 12:1.
20-26 DESAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MPITSARA 10-12
“Olona Araka ny Fanahy i Jefta”
Tian’i Jehovah ny Olona Manana Finoana
9 Teo koa ny tantaran’ireo mpanompon’i Jehovah hafa, ohatra hoe i Josefa. Namindra fo tamin’ny rahalahiny izy, na dia “nankahala azy” aza izy ireo. (Gen. 37:4; 45:4, 5) Mety ho nisaintsaina an’ireny tantara ireny i Jefta, ka nanampy azy hampifaly an’i Jehovah foana izany. Azo antoka fa nalahelo be izy noho ny nataon’ny rahalahiny. Nanompo an’i Jehovah sy nanampy ny Israelita foana anefa izy. (Mpits. 11:9) Ny hiaro ny anaran’i Jehovah no tena zava-dehibe taminy, fa tsy ny olana natrehiny. Nanam-pinoana foana i Jefta, ka notahin’i Jehovah izy sy ny Israelita.—Heb. 11:32, 33.
it “Jefta”: “Lasa lohany teo amin’ny mponina tany Gileada” § 2
Jefta
Tsy nitaredretra i Jefta, fa tonga dia nasehony hoe mpitarika vonona hanao zavatra izy. Nandefa hafatra tany amin’ny mpanjakan’ny Amonita izy, ary nanazava fa ny Amonita no mpisompatra ka mitady haka ny tanin’ny Israely. Novalian’ilay mpanjaka fa tany nalain’ny Israely tamin’ny Amonita ilay izy. (Mpts 11:12, 13) Asehon’ny valin-tenin’i Jefta fa tsy mpiady tsotra sy tsy nahita fianarana izy. Tia nianatra tantara izy, indrindra fa ny momba ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny vahoakany. Nolaviny ny tenin’ny Amonita, ka nohazavainy hoe: 1) Tsy nihetraketraka tamin’ny Amonita sy ny Moabita ary ny Edomita ny Israely. (Mpts 11:14-18; De 2:9, 19, 37; 2Ta 20:10, 11) 2) Tsy an’ny Amonita ilay tany satria teo an-tanan’ny Amorita Kananita no nakan’ny Israelita azy io. Natolotr’Andriamanitra teo an-tanan’izy ireo i Sihona mpanjakan’ny Amorita sy ny taniny. 3) Efa 300 taona lasa izay no nananan’ny Israely an’ilay tany, ary tsy nampaninona ny Amonita izany, koa nahoana izy ireo izao no mitady haka azy io?—Mpts 11:19-27.
it “Jefta”: “Lasa lohany teo amin’ny mponina tany Gileada” § 3
Jefta
Nanazava i Jefta avy eo fa resaka fivavahana no tena fototr’ilay adihevitra. Nilaza izy fa i Jehovah Andriamanitra no nanome an’ilay tany ho an’ny Israely, ka tsy hanomezan’izy ireo amin’izany na kely aza ny mpivavaka amin’ny andriamani-diso. Nolazainy fa i Kemosy no andriamanitr’i Amona. Misy mihevitra fa diso izany. Na dia i Milkoma aza no andriamanitr’i Amona ary i Kemosy no andriamanitr’i Moaba, dia nivavaka tamin’andriamanitra maro ireo firenena mpirahavavy ireo. I Solomona aza nampiditra ny fivavahana tamin’i Kemosy teo amin’ny Israely, rehefa nanambady vehivavy hafa firenena. (Mpts 11:24; 1Mp 11:1, 7, 8, 33; 2Mp 23:13) Misy koa manam-pahaizana milaza fa mety hidika hoe “Mpandresy, Mpanafika” ny hoe “Kemosy.” (Jereo ny Diksionera Hebreo sy Kaldeanina Nataon’i Gesenius, nadikan’i S. Tregelles, 1901, p. 401.) Nanonona ny anaran’io andriamanitra io angamba i Jefta, satria nino ny Amonita fa izy io no nanome ‘fandresena’ sy tany ho azy ireo.
Vatosoa Ara-panahy
it “Jefta”: “Tsy zazasary i Jefta” § 1
Jefta
Tsy zazasary i Jefta. “Vehivavy mpivaro-tena” ny reniny. Tsy midika anefa izany hoe zaza azo tamin’ny fijangajangana izy, na hoe zazasary. Taloha ny reniny no mpivaro-tena, tamin’izy mbola tsy lasa vady faharoan’i Gileada. Mitovy ihany izy sy Rahaba, izay mpivaro-tena taloha saingy lasa vadin’i Salmona tatỳ aoriana. (Mpts 11:1; Js 2:1; Mt 1:5) Tsy zazasary i Jefta matoa noroahin’ireo rahalahiny hafa reny (zanak’ilay vadin’i Gileada voalohany), satria tsy tian’izy ireo hahazo anjara lova izy. (Mpts 11:2) Izy koa, tatỳ aoriana, no nekena ho lohany teo amin’ireo lehilahy tany Gileada (maro tamin’ireo no rahalahiny hafa reny). (Mpts 11:11) Ankoatra izany, dia nanolotra fanatitra dorana ho an’Andriamanitra tany amin’ny tranolay masina izy. (Mpts 11:30, 31) Tsy ho afaka nanao izany rehetra izany izy raha zazasary. Milaza mazava tsara mantsy ny Lalàna hoe: “Tsy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’i Jehovah ny zazasary. Na hatramin’ny taranany fahafolo aza tsy misy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’i Jehovah.”—De 23:2.
27 DESAMBRA–2 JANOARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MPITSARA 13-14
“Modely ho An’ny Ray Aman-dreny i Manoa Mivady”
Ampianaro Dieny Mbola Kely ny Zanakareo
Nisy lehilahy iray avy amin’ny fokon’i Dana, nipetraka tao Zora, tany Israely. Manoa no anarany, ary tsy niteraka ny vadiny. Nisy anjely nilaza tamin’ny vadiny anefa hoe hanan-janaka lahy izy ireo. (Mpits. 13:2, 3) Azo antoka fa faly be izy mivady! Tsy maintsy ho nanahy koa anefa izy ireo hoe ahoana no hitaizany an’ilay zaza. Nivavaka àry i Manoa hoe: “Miala tsiny re, Jehovah ô! Aoka re, azafady, mba hankatỳ aminay indray ilay lehilahin’Andriamanitra nirahinao iny e, ka hampianatra anay an’izay tokony hataonay amin’ilay zaza ho teraka.” (Mpits. 13:8) Azo antoka fa nampianarin’izy mivady ny lalàn’Andriamanitra i Samsona zanak’izy ireo rehefa teraka. Azo inoana koa hoe tsy very maina ny ezak’izy ireo. ‘Nentanin’ny fanahin’i Jehovah’ i Samsona tatỳ aoriana, ka nahavita asa lehibe maro rehefa lasa mpitsara teo amin’ny Israely.—Mpits. 13:25; 14:5, 6; 15:14, 15.
Nandresy i Samsona Noho ny Herin’i Jehovah!
Nihalehibe i Samsona, ary “Jehovah nitahy azy.” (Mpitsara 13:24) Nanatona ny ray aman-dreniny izy indray andro, ary niteny hoe: “Efa nahita vehivavy tany Timna avy amin’ny zanakavavin’ny Filistina aho; koa alao ho vadiko izy ankehitriny.” (Mpitsara 14:2) Eritrereto ange ny hatairan’izy ireo e! Tsy nanavotra ny Israely tamin’ireo mpampahory i Samsona, fa naniry hiditra ho fianakavian’izy ireo indray. Voararan’ny Lalàn’Andriamanitra koa ny manambady mpanompo sampy. (Eksodosy 34:11-16) Nanda ny fangatahan’i Samsona àry ny ray aman-dreniny, ka nanao hoe: “Moa tsy misy vehivavy va eto amin’ny zana-kavanao, na ato amin’ny fireneko rehetra, no dia mandeha maka vady any amin’ny Filistina tsy mifora hianao?” Nisisika ihany anefa i Samsona. Hoy izy: “Izy ihany no alao ho ahy, fa izy no mahafinaritra ahy.”—Mpitsara 14:3.
Vatosoa Ara-panahy
Nandresy i Samsona Noho ny Herin’i Jehovah!
Nahoana io vehivavy filistinina io no ‘nahafinaritra’ an’i Samsona? Milaza ny Rakipahalalana (anglisy) navoakan’i McClintock sy Strong, fa tsy ‘ny hatsaran-tarehin’ilay vehivavy no nahafinaritra an’i Samsona. Nisy tanjona noeritreretiny hotratrarina kosa tamin’ny alalan’io vehivavy io.’ Inona izany tanjona izany? Milaza ny Mpitsara 14:4 fa “nitady izay hiadiany tamin’ny Filistina Izy.” Izany no nitiavan’i Samsona io vehivavy io. “Niantomboka nanindry azy” na nandrisika azy hanao zavatra ny fanahin’i Jehovah, rehefa lasa olon-dehibe izy. (Mpitsara 13:25) Ny fanahin’i Jehovah àry no nahatonga azy hangataka vady tsy Israelita, sady nanampy azy hanao ny asan’ny mpitsara teo amin’ny Israely. Nahavita namely ny Filistinina ve i Samsona? Andeha aloha hojerentsika ny fomba nanomezan’i Jehovah toky azy fa manohana azy izy.